Index

Proverbes : mivongika

Proverbe 1Ho any an' ala ka no mivongika hazo bila. [2.558 #1354]

Proverbe 2Notodian' ny ambora tsy nentina ka mivongika hazo tsy fantatra. [2.558]
Todian' ny ambora tsy nentina, ka mivongika hazo tsy fantatra (meloka). [2.558 #4142]
Todin’ ny ambora tsy nentina, ka mitari-kazo tsy fantatra. [2.653]
Todin' ny ambora tsy nentina, ka mivesatry ny hazo tsy fantatra. [2.415 #3419]
Todin' ny ambora tsy nentina ka mivongika ny hazo tsy fantatra. [2.653, 2.165]
Todin' ny ambora tsy nentina ka mivongi-kazo tsy fantatra. [1.1]
Todin' ny ambora tsy nentina, mitari-kazo tsy fantatra. [2.415]
Todin' ny ambora tsy nentina, mivongika hazo tsy fantatra. [2.415]
Interprétation malgacheAnisan' ny fanompoana fahiny ny maka ambora any an' ala hanaovana vatam-patin' andriana; izay nanao mosalahy tamin' izany dia voasazy ka nampitondraina izay hazo hita teny ho eny: enti-milaza ny famaizana tsy maintsy mihatra amin' izay manao tsirambina ny adidiny. [1.1]
Ara-bakiteny: taloha ny nanao fanompoana dia naka ambora (hazo mafy fanao vatam-patan' andriana) tany an' ala; raha nisy nanao kilavadavaka, dia nosazina hitondra izay hazo sendra teny ho eny. Iharan' ny todin' ny tsy anaovana fanompoana na adidy, ka manjary manao ny tsy fanao. [1.1]
Enti-milaza ny sazy miandry izay manao tsirambina ny adidiny. [1.1]
Traduction françaisePour ne pas avoir voulu porter de l' "ambora" , on est obligé de ployer sous le poids d' un arbre qu' on ne connaît pas. [2.165]
Vengeance du bois ambora qu'on n' a pas porté : on est chargé d' un bois d' une essence inconnue et inutile. [2.415 #3419]
Interprétation françaiseIl s' agit des gens qui vont à la forêt chercher de l' ambora qui est un bois de construction très solide, et en reviennent avec un autre bois inconnu dont ils se chargent inutilement ; ce proverbe se disait des commissionnaires qui se trompent et font mal les commissions : ils ont à supporter les conséquences de leur erreur. [2.415 #3419]
L' "ambora" , à bois imputrescible, était bien connu et très apprécié autrefois; mais les bûcherons qui, pour une raison ou pour une autre, n' ont pas voulu remporter de la forêt, se chargeront d' un autre arbre inconnu, dont ils ne pourront peut être pas disposer. Au figuré, refuser de faire un certain travail, puis se voir pourtant forcé d' en faire un autre moins agréable ou moins rémunérateur. [2.165]

Proverbe 3Tsy mety raha manantena rahalahy mahay mandrafitra, ka mitondra ny hazo meloka hatrany an-ala. [2.653 #3430]
Tsy mety raha manantena rahalahy mahay mandrafitra, ka mivongika hazo lena. [2.558 #4609]

Index