Index

Proverbes : mizehozeho

Proverbe Fony tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary! [Rinara 1974 #1195]
Tsimbotry niaraka ihany ka adrisa vao hifanary? [Rajemisa 1985 #25]
Tsy mety raha fony tsimbotry niaraka ihany, ka adrisa vao hifanary. [Houlder 1895]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nandady, ka rehefa adrisa dia hifandao. [Cousins 1871 #3412]
Tsy mety raha fony tsimbotry niara-nizehozeho, ka nony adrisa hifandao. [Rinara 1974 #4581]
Tsy mety raha tsimbotry niara-nandady, ka nony adrisa àry elatra kosa vao hifandao. [Rinara 1974 #4684]
Interprétation malgache Entina hilazana olona nifankatia sy nifanampy fony samy kely – amin' ny lafin-kevitra rehetra – nefa nony lehibe toy ny tsy mifankahalala intsony. [Rajemisa 1985 #989]
Fony samy madinika (oriory) nifankahalala tsara, ka nony mba manana ve dia mody tsy mahalala ny olona niara-niory tamin' ny tena? [Rajemisa 1985 #25]
Traduction française Il n' est pas bien de s' entendre quand on est petit pour se séparer (se rejeter) quand on est devenu grand. [Houlder 1895]
Interprétation française Le mot "tsimbotry" désigne la sauterelle "adrisa" quand elle est encore petite. [Houlder 1895]

Index