Entrée mijaly (jaly)
Partie du discours verbe actif
Définition malgache Miaritra zavatra maharary mihatra aman' aina na zava-tsarotra manahirana: Mijaly mafy izy amin' io aretiny io
¶ Miandry mafy: Nijaly mihitsy aho ambara-pahatonganao
Mitovy hevitra: fadiranovana ~ miaritra ny mafy mahatsiaro mangirifiry ~ miferinaina ~ mifia-dranomaso ~ miritra aina ~ mitoloko ~ mitondra kitra ~ mitondra ny mafy ~ mitondra ny maizina ~ mitondra ny tsy eran' ny aina ~ mitondra rofy ~ sendra ny mangidy tsy telina ~ voan' ny aza manody [Rajemisa 1985]
Définition anglaise to suffer [Hallanger 1973]
Définition française souffrir [Hallanger 1974]
Morphologie 
mijaly
nijaly
hijaly
mijalia
Exemples 
1Na dia mifonoka sy mijaly amin' ny aretina ao anaty lamba aza Rasoa, dia reny tsara ny tenin-janany. [Rakotonandrasana: Tantsaha, page 131]
2Ny ankabeazan' ny olona amin' izany toerana voalazako izany no anisan' ny mijaly amin' ny fitondran-janatany. [Andraina: Mitaraina, page 197]
Citations 

2013/09/30