<-
->

Est 16:1 Asoerosa, mpanjaka lehibe, ho an' ny solom-panjaka sy ny lehiben' ny faritany fito amby roapolo amby zato, hatrany India ka hatrany Etiopia, ary ho an' izay rehetra manampo ny mahasoa ahy, Arahaba!
Est 16:2 Maro ny olona izay nahazo fiamboniam-boninahitra noho ny fazavam-po lehiben' ny andriana mpanao soa azy, ka tonga mpirehareha.
Est 16:3 Tsy afa-pon' ny mikezaka hampahory ny vahoakako izy, fa noho izy tsy mahazaka ny havesaran' ny fiamboniana, ny mpanao soa azy indray hanaovany teti-dratsy.
Est 16:4 Tsy ampy ho azy raha ny famalian-tsoa no ataony afaka amin' ny olombelona, fa bontsinin' ny famirapiratry ny harem-be loatra tsy fananany izy, ka ny fitsarana hamalian' Andriamanitra izay mahita lalandava ny zavatra rehetra avy, no ataony ho azony andosirana.
Est 16:5 Imbetsaka dia imbetsaka, ireo olona izay nomoen' ny andriana adidy hitondra ny raharaha noho ny fankasitrahany azy, no nanao teny hafetsena ka nampiditra ny filohan' ny fanjakana amin' ny loza tsy azo odiana, ka nampiombona azy aminy handatsa-dra tsy manan-tsiny,
Est 16:6 fa voafitaky ny laingan-kafetsen-dratsy amin' izany, ny hatsoram-pitiavan' ny mpitondra.
Est 16:7 Ary tsy ny tantara taloha ihany araka ny voatsiahiko teo no azonareo ahitana ny asa ratsy, vokatry ny hery mandozan' ireo nampiasa ny fahefana tsy araka ny mety, fa ny fandinihana ny zava-miseho eo akaikinareo no ahitanareo izany mazava kokoa aza.
Est 16:8 Ka tsy maintsy miahy ny ho avy aho, mba ho azo antoka ho an' ny olon-drehetra ny fandriam-pahizay amam-piadanan' ny fanjakana,
Est 16:9 manao ny fanovana ilaina aho, mitsara amim-pahamalinana ny zava-mitranga amiko mba handamina izany amin' ny fahamarinana tsy tapaka.
Est 16:10 Amanà zanak' i Amadata, Masedoniana, tena hafa firenena amin' ny taranaky ny Persa, tena lavitra ny halemem-panahiko, fantatrareo ny nandraisako azy, araka ny fahaizako mandray vahiny;
Est 16:11 sy ny nahazoany soa araka ny hamoram-po hitondrako ny vahoaka rehetra, ka voaantso ho raiko aza izy ary nahita ny olon-drehetra niankohoka teo anoloany, fa nahazo ny laharam-piamboniana manakaiky indrindra ny fiandrianan' ny mpanjaka.
Est 16:12 Nefa tsy nahay nitondra anjara fiamboniana toy izany izy, ka any amin' ny hanala ahy amin' ny fanjakana sy amin' ny velona no nalehan' ny heviny.
Est 16:13 Nampiasainy avokoa izao hafetsena amam-pitaka rehetra izao, hamonoana an' i Mardokea, izay namonjy ahy sy nanompo ahy mandrakariva, ary Estera koa izay namako tsy manan-tsiny amin' ny fanjakako, mbamin' ny firenen' izy ireo manontolo.
Est 16:14 Ny nantenainy tamin' izany, dia ny hahazo antsika voasaratsaraka mba hanolorany ny fanjakan' ny Persa ho an' ny Masedoniana.
Est 16:15 Fa ireo Jody, voatolotr' io olona tsy misoro-doza indrindra io ho vonoina kosa, dia hitako fa tsy misy hadisoana mahameloka azy, fa manara-dalàna marina indrindra,
Est 16:16 sy zanaky ny Andriamanitra avo indrindra, lehibe indrindra, sy velona mandrakizay, izay mitahiry ity fanjakana ity ho antsika, haharitra amin' ny fandrosoana fatratra indrindra, toy ny nataony ho an' ny razantsika koa.
Est 16:17 Noho izany, tsara ny ataonareo raha tsy asianareo raharaha akory ny taratasy nampitondrain' i Amanà, zanak' i Amadita;
Est 16:18 satria io fototr' izany heloka izany io, dia efa nahantona tamin' ny hazo, teo anoloan' ny vavahadin' i Sosa niaraka tamin' ny ankohonany rehetra, fa namay azy amin' ny famaizana tandrify azy, Andriamanitra Tompon' ny zavatra rehetra, ambony indrindra.
Est 16:19 Aoka hisy kopian' ity taratasy ankehitriny ity, hapetaka talaky maso amin' ny fitoerana rehetra, ka avelao ny Jody hanaraka malalaka tsara ny lalàny,
Est 16:20 ary ampio izy, mba hahazoany manohitra ireo izay nitsangan-kamely azy, tamin' ny andro fampahoriana, dia ampio izy amin' ny fahatelo ambin' ny folon' ny volana faharoa ambin' ny folo, atao hoe Adara, amin' ny indray andro ihany.
Est 16:21 Fa Andriamanitra ilay Tompon' ny zavatra rehetra ambony indrindra efa nanova izany androm-pahoriana izany ho andro fifaliana, ho an' ny taranaka voafidy.
Est 16:22 Aoka ary hianareo koa, hankalaza izany andro izany amin' ny fifaliana isan-karazany, toy ny iray amin' ireo fety manetriketrika fanaonareo ka na ankehitriny na amin' ny ho avy izany, dia
Est 16:23 ho antom-pamonjena ho antsika sy ho an' izay rehetra tafaraiki-po amin' ny Persa, fa ho fahatsiarovana famongorana kosa ho an' izay miray tetika hamely ahy.
Est 16:24 Ny tanana rehetra, ary ny faritany rehetra, tsy an-kanavaka, izay tsy hanaraka ity didy ity, dia hosimbana amin' ny fisamboaravoaran' ny afo amam-by, ka hatao sady tsy azon' olombelona akekezina, no halan' ny biby dia amam-borona koa aza. Aoka haseho talaky maso eran' ny fanjakana manontolo ny kopian' ity, mba ho voaoman-kamely ny fahavalony ny Jody amin' io andro voatondro io.

<-
->