<-
->

Est 6:1 On that night could not the king sleep, and he commanded to bring the book of records of the chronicles; and they were read before the king. Ary tamin' iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan' ny mpanjaka izany. Ny alin' izay, tsy nety nahita tory ny mpanjaka, ka nasainy alaina ny bokin' ny tetiarana dia ny Tantara, dia novakina teo anatrehan' ny mpanjaka izany; Or, cette nuit-là, comme le sommeil le fuyait, le roi réclama le livre des Mémoires ou Chroniques pour s' en faire donner lecture.
Est 6:2 And it was found written, that Mordecai had told of Bigthana and Teresh, two of the king' s chamberlains, the keepers of the door, who sought to lay hand on the king Ahasuerus. Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an' i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan' ny tsindranolahin' 1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an' i Ahasoerosy mpanjaka. ka sendra ny filazana ny nanambaran' i Mardokea ny momba an' i Bagatàna sy Taresa, ireo roa lahy eonokan' ny mpanjaka, mpiambina ny lapa, izay nitady hamono an' i Asoerosa mpanjaka. Il s' y trouvait la dénonciation par Mardochée de Bigtân et Téresh, les deux eunuques gardes du seuil, coupables d' avoir projeté d' attenter à la vie d' Assuérus.
Est 6:3 And the king said, What honour and dignity hath been done to Mordecai for this? Then said the king' s servants that ministered unto him, There is nothing done for him. Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an' i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon' ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy. Ka hoy ny mpanjaka: Inona moa no mba mari-boninahitra amam-pisandratana efa nomena an' i Mardokea, noho izany? - Tsy mbola misy nomena azy na kely akory aza, hoy ny mpanompon' ny mpanjaka izay nanana anjara raharaha teo aminy. "Et quelle distinction, quelle dignité, s' enquit le roi, furent pour cela conférées à ce Mardochée""Rien n' a été fait pour lui", répondirent les courtisans de service.
Est 6:4 And the king said, Who is in the court? Now Haman was come into the outward court of the king' s house, to speak unto the king to hang Mordecai on the gallows that he had prepared for him. Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan' ny tranon' ny mpanjaka tamin' izay hiteny amin' ny mpanjaka ny amin' ny hanantonana an' i Mordekay amin' ilay hazo efa natsangany hanantonana azy. Dia hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja? - Amanà izany, efa tonga tao an-kianja ivelan' ny tranon' ny mpanjaka, hangataka amin' ny mpanjaka ny hanantonana an' i Mardokea eo amin' ilay hazo efa namboariny ho azy. Le roi leur demanda alors : "Qui est dans le vestibule?" C'était juste le moment où Aman arrivait dans le vestibule extérieur du palais royal pour demander au roi de faire pendre Mardochée à la potence dressée pour lui par ses soins,
Est 6:5 And the king' s servants said unto him, Behold, Haman standeth in the court. And the king said, Let him come in. Ka hoy ny zatovon' ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy. Ka hoy ireto mpanompon' ny mpanjaka namaly azy: Amanà io mitoetra ao an-kianja io. Dia hoy ny mpanjaka: Aoka hiditra izy. si bien que les courtisans répondirent : "C' est Aman qui se tient dans le vestibule""Qu' il entre!" ordonna le roi,
Est 6:6 So Haman came in. And the king said unto him, What shall be done unto the man whom the king delighteth to honour? Now Haman thought in his heart, To whom would the king delight to do honour more than to myself? Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin' izay lehilahy tian' ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian' ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho? Nony niditra Amanà, dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no tokony hatao amin' izay olona tian' ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary hoy Amanà anakampo: Iza indray moa no ho tian' ny mpanjaka homem-boninahitra eo, afa-tsy izaho. et, sitôt entré : "Comment faut-il traiter un homme que le roi veut honorer""Quel autre que moi le roi voudrait-il honorer" , se dit Aman.
Est 6:7 And Haman answered the king, For the man whom the king delighteth to honour, Ka dia hoy Hamana tamin' ny mpanjaka: Ny amin' izay lehilahy tian' ny mpanjaka homem-boninahitra, Ka dia hoy Amanà tamin' ny mpanjaka: Ny hatao amin' ny olona tian' ny mpanjaka homem-boninahitra, "Le roi veut honorer quelqu' un? Répondit-il donc,
Est 6:8 Let the royal apparel be brought which the king useth to wear, and the horse that the king rideth upon, and the crown royal which is set upon his head: aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan' ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan' ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany; dia tokony halaina ny akanjo fiandrianana efa niakanjoan' ny mpanjaka, ary asiana satro-boninahitra fiandrianana ny lohany, qu' on prenne des vêtements princiers, de ceux que porte le roi; qu' on amène un cheval, de ceux que monte le roi et sur la tête duquel on aura mis un diadème royal.
Est 6:9 And let this apparel and horse be delivered to the hand of one of the king' s most noble princes, that they may array the man withal whom the king delighteth to honour, and bring him on horseback through the street of the city, and proclaim before him, Thus shall it be done to the man whom the king delighteth to honour. dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan' ny anankiray izay malaza indrindra amin' ny mpanapaka voatendrin' ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian' ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin' ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin' ny lehilahy izay tian' ny mpanjaka homem-boninahitra. dia atolotra ny iray amin' ireo lehiben' ny mpanjaka ambony izany fitafiana sy soavaly izany, dia hampiankanjoana an' izay olona tian' ny mpanjaka homem-boninahitra, sy hitondrana azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan' ny tanàna, ary hiantsoany eo alohany hoe: Toy izao no atao amin' izay olona tian' ny mpanjaka homem-boninahitra! Puis vêtements et cheval seront confiés à l' un des plus nobles des grands officiers royaux. Celui-ci revêtira alors de ce costume l' homme que le roi veut honorer et le conduira à cheval sur la grand-place en criant devant lui : Voyez comment l' on traite l' homme que le roi veut honorer"
Est 6:10 Then the king said to Haman, Make haste, and take the apparel and the horse, as thou hast said, and do even so to Mordecai the Jew, that sitteth at the king' s gate: let nothing fail of all that thou hast spoken. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin' i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin' ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao. Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Amanà: Alaonao faingana ary ny fitafiana sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka ataovy izany amin' i Mardokea ilay Jody, mipetraka ao am-bavahadin' ny mpanjaka, aza asiana latsaka izay rehetra voalazanao. "Ne perds pas un instant, répondit le roi à Aman, prends vêtements et cheval, et tout ce que tu viens de dire, fais-le à Mardochée, le Juif, l' attaché de la Royale Porte. Surtout, n' omets rien de ce que tu as dit!"
Est 6:11 Then took Haman the apparel and the horse, and arrayed Mordecai, and brought him on horseback through the street of the city, and proclaimed before him, Thus shall it be done unto the man whom the king delighteth to honour. Dia nalain' i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an' i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin' ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin' ny lehilahy izay tian' ny mpanjaka homem-boninahitra. Koa nalain' i Amanà ny akanjo sy ny soavaly dia nampiakanjo an' i Mardokea izy, sy nitondra azy mitaingin-tsoavaly mamaky ny kianjan' ny tanàna, ary niantso teo alohany hoe: Toy izao no atao amin' ny olona tian' ny mpanjaka homem-boninahitra. Prenant donc vêtements et cheval, Aman habilla Mardochée, puis le promena à cheval sur la grand-place en criant devant lui "Voyez comment l' on traite l' homme que le roi veut honorer!"
Est 6:12 And Mordecai came again to the king' s gate. But Haman hasted to his house mourning, and having his head covered. Ary Mordekay niverina nankeo amin' ny vavahadin' ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha. Dia niverina nankeo am-bavahadin' ny mpanjaka Mardokea; ary Amanà dia nody faingana nankany aminy, niferin' aina, nisaron-doha, Après quoi Mardochée s' en revint à la Porte Royale tandis qu' Aman, de son côté, rentrait précipitamment chez lui, consterné et le visage voilé.
Est 6:13 And Haman told Zeresh his wife and all his friends every thing that had befallen him. Then said his wise men and Zeresh his wife unto him, If Mordecai be of the seed of the Jews, before whom thou hast begun to fall, thou shalt not prevail against him, but shalt surely fall before him. Dia nolazain' i Hamana tamin' i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin' ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa. nitantara izay rehetra nanjo azy tamin' i Zaresa vadiny sy ireo sakaizany rehetra. Ary hoy ny olon-kendriny sy Zaresa vadiny taminy: Raha avy amin' ny taranaky ny Jody Mardokea, izay efa niantomboka nahalavo anao teo anatrehany sahady, dia tsy ho azonao asiana na inona na inona, fa hianao mihitsy no ho lavo eo anatrehany. Il raconta à sa femme Zéresh et à tous ses amis ce qui venait d' arriver. Sa femme Zéresh et ses amis lui dirent : "Tu viens de commencer à déchoir devant Mardochée : s' il est de la race des Juifs, tu ne pourras plus reprendre le dessus. Au contraire tu tomberas sans cesse plus bas devant lui."
Est 6:14 And while they were yet talking with him, came the king' s chamberlains, and hasted to bring Haman unto the banquet that Esther had prepared. Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin' ny mpanjaka ka naka faingana an' i Hamana ho ny amin' ny fanasana izay efa namboarin' i Estera. Mbola miteny aminy eo izy ireo dia indreo tonga ny eonokan' ny mpanjaka, ka nitondra faingana an' i Amanà ho any amin' ny fanasana namboarin' i Estera. La conversation n'était pas achevée qu' arrivèrent les eunuques du roi, venus chercher Aman pour le conduire en hâte au banquet offert par Esther.

<-
->