<-
->

Est 3:1 After these things did king Ahasuerus promote Haman the son of Hammedatha the Agagite, and advanced him, and set his seat above all the princes that were with him. Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr' i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak' i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan' ny an' ny mpanapaka rehetra izay teo aminy. Taty aorian' izany, nasandratr' i Asoerosa mpanjaka, laharam-boninahitra Amàna, zanak' i Amadata, avy amin' ny tanin' i Agaga, nasandrany sy napetrany amin' ny fitoerana ambony noho ny an' ny lehibe rehetra nanolotra azy izy. Quelque temps après, le roi Assuérus distingua Aman, fils de Hamdata, du pays d' Agag. Il l'éleva en dignité, lui accorda prééminence sur tous les grands officiers, ses collègues,
Est 3:2 And all the king' s servants, that were in the king' s gate, bowed, and reverenced Haman: for the king had so commanded concerning him. But Mordecai bowed not, nor did him reverence. Ary ny mpanompon' ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin' ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan' i Hamana; fa izany no didin' ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka. Nandohalika sy niankohoka teo anatrehan' i Amanà avokoa ny mpanompon' ny mpanjaka izay teo am-bavahadiny, fa izany no didin' ny mpanjaka momba azy. Nefa Mardokea tsy mba nandohalika na niankohoka, et tous les serviteurs du roi, préposés au service de sa Porte, s' agenouillaient et se prosternaient devant lui, car tel était l' ordre du roi. Mardochée refusa de fléchir le genou et de se prosterner.
Est 3:3 Then the king' s servants, which were in the king' s gate, said unto Mordecai, Why transgressest thou the king' s commandment? Dia hoy ny mpanompon' ny mpanjaka izay teo am-bavahadin' ny mpanjaka tamin' i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin' ny mpanjaka? ka hoy ireo mpanompon' ny mpanjaka, izay teo am-bavahadiny, tamin' i Markodea: Nahoana hianao no mandika ny didin' ny mpanjaka? "Pourquoi transgresses-tu l' ordre royal?" Dirent à Mardochée les serviteurs du roi préposés à la Royale Porte.
Est 3:4 Now it came to pass, when they spake daily unto him, and he hearkened not unto them, that they told Haman, to see whether Mordecai' s matters would stand: for he had told them that he was a Jew. Nefa na dia niteny taminy isan' andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain' Ireo tamin' i Hamana, mba hizahany na haharitra amin' ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin' ireo izy fa Jiosy. Raha naverimberiny taminy isan' andro izany, nefa tsy nohenoiny izy ireo, dia nampandrenesiny an' i Amanà izany, hahitany raha hikiry amin' ny hevitra voakasany Mardokea, satria efa voalazany tamin' izy ireo fa hoe Jody izy. Mais ils avaient beau le lui répéter tous les jours, il ne les écoutait pas. Ils dénoncèrent alors le fait à Aman, pour voir si Mardochée persisterait dans son attitudecar il leur avait dit qu' il était Juif .
Est 3:5 And when Haman saw that Mordecai bowed not, nor did him reverence, then was Haman full of wrath. Ary rehefa hitan' i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy. Nony hitan' i Amanà fa tsy nandohalika na niankohoka teo anatrehany Mardokea, dia tezitra indrindra izy. Aman put en effet constater que Mardochée ne fléchissait pas le genou devant lui ni ne se prosternait : il en prit un accès de fureur.
Est 3:6 And he thought scorn to lay hands on Mordecai alone; for they had shewed him the people of Mordecai: wherefore Haman sought to destroy all the Jews that were throughout the whole kingdom of Ahasuerus, even the people of Mordecai. Ary nataon' i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an' i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen' i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran' ny fanjakan' i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen' i Mordekay. Nataony ho tsinontsinona aminy anefa ny maninji-tànana amin' i Mardokea irery, fa efa nilazana izay firenen' i Mardokea izy ka dia ny handringana ny firenen' i Mardokea dia ny Jody rehetra, teo amin' ny fanjakan' i Asoerosa manontolo, no notadiavin' i Amanà. Comme on l' avait instruit du peuple de Mardochée, il lui parut que ce serait peu de ne frapper que lui et il prémédita de faire disparaître, avec Mardochée, tous les Juifs établis dans tout le royaume d' Assuérus.
Est 3:7 In the first month, that is, the month Nisan, in the twelfth year of king Ahasuerus, they cast Pur, that is, the lot, before Haman from day to day, and from month to month, to the twelfth month, that is, the month Adar. Tamin' ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin' ny taona faharoa ambin' ny folo nanjakan' i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan' i Hamana ny amin' ny isan' andro isan' andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin' ny volana faharoa ambin' ny folo (volana Adara izany) Tamin' ny volana voalohany izay volana Nisana, taona faharoa ambin' ny folo nanjakan' i Asoerosa, dia nanaovana ny Pora izany hoe loka, teo anatrehan' i Amanà, ho an' ny isan' andro sy ho an' ny isam-bolana, hatramin' ny volana faharoa ambin' ny folo, izay volana Adara. L' an douze d' Assuérus, le premier mois, qui est Nisan, on tira, sous les yeux d' Aman, le "Pûr"c' est-à-dire les sorts , par jour et par mois. Le sort étant tombé sur le douzième mois, qui est Adar,
Est 3:8 And Haman said unto king Ahasuerus, There is a certain people scattered abroad and dispersed among the people in all the provinces of thy kingdom; and their laws are diverse from all people; neither keep they the king' s laws: therefore it is not for the king' s profit to suffer them. Ary hoy Hamana tamin' i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin' ny firenena samy hafa isan-tokony eran' ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn' ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin' ny mpanjaka ny hamela azy ho eny; Tamin' izay, hoy Amanà tamin' i Asoerosa mpanjaka: Ao amin' ny faritanin' ny fanjakanao rehetra dia misy vahoaka eo afovoan' ny vahoaka hafa, nefa mitokana ihany, hafa lalàna noho ny vahoaka hafa rehetra, ary tsy mba mitandrina izay lalàn' ny mpanjaka. Tsy mba mahasoa ny mpanjaka ny mamela ireny amin' izao. Aman dit au roi Assuérus : "Au milieu des populations, dans toutes les provinces de ton royaume, est dispersé un peuple à part. Ses lois ne ressemblent à celles d' aucun autre et les lois royales sont pour lui lettre morte. Les intérêts du roi ne permettent pas de le laisser tranquille.
Est 3:9 If it please the king, let it be written that they may be destroyed: and I will pay ten thousand talents of silver to the hands of those that have the charge of the business, to bring it into the king' s treasuries. koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan' ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan' ny mpanjaka. Fa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hanoratana didy handringanana ireny, dia handanja talenta volafotsy iray alina eo an-tanan' ny mpanao raharaha aho, halatsaka ao amin' ny rakitry ny mpanjaka. Que sa perte soit donc signée, si le roi le trouve bon, et je verserai à ses fonctionnaires, au compte du Trésor royal, 10.000 talents d' argent."
Est 3:10 And the king took his ring from his hand, and gave it unto Haman the son of Hammedatha the Agagite, the Jews' enemy. Dia nesorin' ny mpanjaka tamin' ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an' i Hamana, zanak' i Hamedota Agagita, fahavalon' ny Jiosy. Dia nesorin' ny mpanjaka ny peratra teny an-tànany, nomeny an' i Amanà zanak' i Amadata, avy amin' ny tanin' i Agaga, fahavalon' ny Jody, ka hoy izy taminy: Le roi ôta alors son anneau de sa main et le donna à Aman, fils de Hamdata, l' Agagite le persécuteur des Juifs.
Est 3:11 And the king said unto Haman, The silver is given to thee, the people also, to do with them as it seemeth good to thee. Ary hoy ny mpanjaka tamin' i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao. Afoy ho anao ny vola mbamin' izany vahoaka izany, ka ataovy amin' izay itiavanao azy. "Garde ton argent, lui répondit-il. Quant à ce peuple, je te le livre, fais-en ce que tu voudras!"
Est 3:12 Then were the king' s scribes called on the thirteenth day of the first month, and there was written according to all that Haman had commanded unto the king' s lieutenants, and to the governors that were over every province, and to the rulers of every people of every province according to the writing thereof, and to every people after their language; in the name of king Ahasuerus was it written, and sealed with the king' s ring. Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin' ny andro fahatelo ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian' i Hamana ho an' ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin' ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin' ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin' ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin' ny anaran' i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin' ny peratra fanombohan' ny mpanjaka. Koa tamin' ny andro fahatelo ambin' ny folon' ny volana voalohany, nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka, dia nanoratra araka izay rehetra nasain' i Amanà atao, ho an' ny solom-panjaka, ny governoran' ny isam-paritany, ny lehiben' ny isam-pirenena, natao araka ny soratry ny isam-paritany, araka ny fitenin' ny isam-pirenena, ary nosoratana tamin' ny anaran' i Asoerosa mpanjaka, sy notombohina tamin' ny peratry ny mpanjaka. Une convocation fut donc adressée aux scribes royaux pour le treize du premier mois et l' on mit par écrit tout ce qu' Aman avait ordonné aux satrapes du roi, aux gouverneurs de chaque province et aux grands officiers de chaque peuple, selon l'écriture de chaque province et la langue de chaque peuple. Le rescrit fut signé du nom d' Assuérus, scellé de son anneau,
Est 3:13 And the letters were sent by posts into all the king' s provinces, to destroy, to kill, and to cause to perish, all Jews, both young and old, little children and women, in one day, even upon the thirteenth day of the twelfth month, which is the month Adar, and to take the spoil of them for a prey. Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin' ny isan-tokony amin' ny fanjakan' ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin' ny zaza amim-behivavy aza, amin' ny indray andro monja, dia tamin' ny andro fahatelo ambin' ny folo tamin' ny volana faharoa ambin' ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany. Nalefa nentin' ny tsimandoa ny taratasy any amin' ny faritanin' ny mpanjaka rehetra, mampandringana sy mampamono ary mampandripaka ny Jody rehetra, na antitra na tanora, na zaza na vehivavy, amin' ny indray andro monja, dia amin' ny andro fahatelo ambin' ny folon' ny volana faharoa ambin' ny folo, izay volana Adara, sady mampandroba ny fananany rehetra. (Jereo ny kopian' ny didy ao amin' ny toko XIII, 1-7) g afin que, ces opposants d' aujourd' hui comme d' hier étant précipités de force dans l' Hadès en un jour, stabilité et tranquillité plénières soient désormais assurées à l' Etat."
Est 3:14 The copy of the writing for a commandment to be given in every province was published unto all people, that they should be ready against that day. Ny kopen' ny teny izay natao didy ho amin' ny isan-tokony amin' ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan' ny olona rehetra hampiomana azy ho amin' izany andro izany. Nisy kopian' ny teny izay tsy maintsy haely ho didy amin' ny isam-paritany, nalefa misokatra ho any amin' ny firenena rehetra, mba samy ho vonona ho amin' izany andro izany. La copie de cet édit, destiné à être promulgué comme loi dans chaque province, fut publiée parmi toutes les populations afin que chacun se tînt prêt au jour dit.
Est 3:15 The posts went out, being hastened by the king' s commandment, and the decree was given in Shushan the palace. And the king and Haman sat down to drink; but the city Shushan was perplexed. Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan' ny tenin' ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra. Nandeha faingana ny tsimandoa, araka ny tenin' ny mpanjaka. Ary navoaka tao Sosa, renivohitra, koa ny lalàna; ary raha nipetraka hisotro ny mpanjaka sy Amanà, ny tanàna Sosa kosa nikorontana be ihany. Sur l' ordre du roi, les courriers partirent dans les plus brefs délais. L'édit fut promulgué d' abord à la citadelle de Suse. Et tandis que le roi et Aman se prodiguaient en festins et beuveries, dans la ville de Suse régnait la consternation.

<-
->