Index

Proverbes : mitsongo

Proverbe Manary andro toy ny lehilahy mitsongo anana. [Rajemisa 1985]
Mandany andro ohatra ny lehilahy mitsongo anana. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Enti-milaza olona manao zavatra tsy fanaony ka very andro fotsiny. [Rajemisa 1985]
Ny fanaovan-draharaha tsy mahazatra dia toy ny fanariana andro noho ny tena tsy mahay ka very fotoana azon' ny fikaviaviana. [Rajemisa 1985]

Proverbe Mpiantsena mitsongo anana an-dalana : ny any an-tsaha aza hidinana, ka ny efa hita maso indray ve no havela ? [Rinara 1974]

Proverbe Natao rapa-dango ny anana an-toriny, ka nitsongo anana an-kady no niafarana! [Rinara 1974 #178]

Index