Entrée tsodrano (tsoka, rano)
Partie du discours expression
Définition malgache (taloha) Rano nafafy tamin' olona na natao tao am-bava dia notsofina hifafy aminy, ka ny nofafazana tamin' io rano io indrindra dia ny olona marary na ny handeha hivahiny lavitra (ilay tsodrano natao tao am-bava dia natao koa hoe ranom-bavaka)
¶ (ankehitriny) firarian-tsoa heverina ho manan-kery, avy amin' ny olon-dehibe na ray aman-dreny: Omeo ny tsodranonao aho, ry dada, fa hanambady
¶ (ankehitriny) vola kely omena ny tompon-draharaha ho maripihavanana raha misy hasoavana, fanambadiana: Manatitra tsodrano
Mitovy hevitra: firarian-tsoa ~ ranombavaka
¶ Anaran' ny vola ampiarahina amin' ny tsodrano: rom-patsa, patsan' ny mpifana, tsodranon-jaza, fenakoho, vodiakoho, zara fihinanana, fanaovam-beloma, fandraisantanana, ro mafana [Rajemisa 1985]
Définition française [ tso-drano ] aspersion, bénédiction, souhaits d'adieu
¶ action de céder [Abinal 1888]
Exemples Dia lasa ny vahiny, narahan' izy mivady saotsaotra sy tsodrano. [Andraina: Mitaraina, page 118]

2013/07/29