<-
->

Gen / Jen 19:1 And there came two angels to Sodom at even; and Lot sat in the gate of Sodom: and Lot seeing them rose up to meet them; and he bowed himself with his face toward the ground; Dia nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin' i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin' ny tany. Dia tonga tao Sodoma ny Anjely roa, nony hariva; ary Lota tamin' izay nipetraka teo am-bavahadin' i Sodoma. Vao nahita azy ireo Lota dia tafatsangana nitsena azy, ary niankohoka tamin' ny tany ka nanao hoe: Quand les deux Anges arrivèrent à Sodome sur le soir, Lot était assis à la porte de la ville. Dès que Lot les vit, il se leva à leur rencontre et se prosterna, face contre terre.
Gen / Jen 19:2 And he said, Behold now, my lords, turn in, I pray you, into your servant' s house, and tarry all night, and wash your feet, and ye shall rise up early, and go on your ways. And they said, Nay; but we will abide in the street all night. Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon' ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin' izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. Izao re mba miantranoa, tompoko, aty amin' ny mpanomponareo, mba handry anio alina; sasao ny tongotrareo dia hifoha maraina koa hianareo, dia hanohy ny dianareo hianareo. Hoy ny navalin' izy ireo: Tsia, ety an-kianja izahay no handry anio alina. Il dit : Je vous en prie, Messeigneurs ! Veuillez descendre chez votre serviteur pour y passer la nuit et vous laver les pieds, puis au matin vous reprendrez votre route, mais ils répondirent : Non, nous passerons la nuit sur la place.
Gen / Jen 19:3 And he pressed upon them greatly; and they turned in unto him, and entered into his house; and he made them a feast, and did bake unleavened bread, and they did eat. Ary rehefa noteren' i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. Nitambezo mafy tamin' izy ireo anefa Lota ka nivily nankao aminy izy, dia niditra tao an-tranony. Nanaovany sakafo tsara izy, sy nandrahoany mofo tsy misy lalivay, ka dia nihinana izy ireo. Il les pressa tant qu' ils allèrent chez lui et entrèrent dans sa maison. Il leur prépara un repas, fit cuire des pains sans levain, et ils mangèrent.
Gen / Jen 19:4 But before they lay down, the men of the city, even the men of Sodom, compassed the house round, both old and young, all the people from every quarter: Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-tanàna Sodoma, hatramin' ny tanora ka hatramin' ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; Mbola tsy nandry akory izy ireo, dia nanodidina ny trano ny lehilahy tao an-tanàna, dia ny lehilahy tao Sodoma, hatramin' ny ankizy ka hatramin' ny antitra, ny vahoaka rehetra avy amin' ny tanàna manontolo. Ils n'étaient pas encore couchés que la maison fut cernée par les hommes de la ville, les gens de Sodome, depuis les jeunes jusqu' aux vieux, tout le peuple sans exception.
Gen / Jen 19:5 And they called unto Lot, and said unto him, Where are the men which came in to thee this night? bring them out unto us, that we may know them. dia niantso an' i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho atý aminay izy hahalalanay azy. Niantso an' i Lota izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy niditra tato aminao izao alina izao? Avoahy ho aty aminay ireo hahalalanay azy. Ils appelèrent Lot et lui dirent : Où sont les hommes qui sont venus chez toi cette nuit ? Amène-les-nous pour que nous en abusions.
Gen / Jen 19:6 And Lot went out at the door unto them, and shut the door after him, Dia nivoaka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony; Nivoaka ho any amin' izy ireo teo am-baravarana Lota, ka nakatony avy eo ivohony ny varavarana, Lot sortit vers eux à l' entrée et, ayant fermé la porte derrière lui,
Gen / Jen 19:7 And said, I pray you, brethren, do not so wickedly. ary hoy izy: Masìna ianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. Dia hoy izy: Aoka re, ry rahalahy, mifona aminareo aho, aza dia manao ratsy lahy! il dit : Je vous en supplie, mes frères, ne commettez pas le mal !
Gen / Jen 19:8 Behold now, I have two daughters which have not known man; let me, I pray you, bring them out unto you, and do ye to them as is good in your eyes: only unto these men do nothing; for therefore came they under the shadow of my roof. Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; masìna ianareo, aoka re ireo no havoakako ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin' ny tafon-tranoko izy. Manan-janaka roa vavy aho, ka tsy mbola nahalala lahy akory izy, ka ireo no aoka havoakako ho aty aminareo, hanaovanareo izay sitrakareo. Fa aza manao na inona na inona amin' izy roa lahy ireo, fa izany no nidirany hialoka ato ambanin' ny tafon-tranoko. Écoutez : j' ai deux filles qui sont encore vierges, je vais vous les amener : faites-leur ce qui vous semble bon, mais, pour ces hommes, ne leur faites rien, puisqu' ils sont entrés sous l' ombre de mon toit.
Gen / Jen 19:9 And they said, Stand back. And they said again, This one fellow came in to sojourn, and he will needs be a judge: now will we deal worse with thee, than with them. And they pressed sore upon the man, even Lot, and came near to break the door. Ary hoy izy ireo: Mialà eto ianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga etý hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin' ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an' i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. Hoy ny navalin' iretsy: Mialà eo ialahy. Sady nampiany hoe: Vahiny ilay io no tonga taty; nefa indro manao azy ho mpitsara izy. Iny ary hataonay mafimafy kokoa ny hanjo anao fa tsy tahaka azy ireo. Dia nasian' izy ireo tosi-mahery Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana izy. Mais ils répondirent : Ote-toi de là ! En voilà un qui est venu en étranger, et il fait le juge ! Eh bien, nous te ferons plus de mal qu'à eux ! Ils le pressèrent fort, lui Lot, et s' approchèrent pour briser la porte.
Gen / Jen 19:10 But the men put forth their hand, and pulled Lot into the house to them, and shut to the door. Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an' i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. Naninjitra ny tànany anefa izy roa lahy, ka Lota nosintoniny hankao aminy ao an-trano, dia nakatony ny varavarana. Mais les hommes sortirent le bras, firent rentrer Lot auprès d' eux dans la maison et refermèrent la porte.
Gen / Jen 19:11 And they smote the men that were at the door of the house with blindness, both small and great: so that they wearied themselves to find the door. Dia nampanjambena ny mason' ny lehilahy izay teo am-baravaran' ny trano izy hatramin' ny kely ka hatramin' ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo. Fa ry zareo tao am-baravaran' ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin' ny kely ha hatramin' ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana. Quant aux hommes qui étaient à l' entrée de la maison, ils les frappèrent de berlue, du plus petit jusqu' au plus grand, et ils n' arrivaient pas à trouver l' ouverture.
Gen / Jen 19:12 And the men said unto Lot, Hast thou here any besides? son in law, and thy sons, and thy daughters, and whatsoever thou hast in the city, bring them out of this place: Ary hoy izy roa lahy tamin' i Lota : Mbola manana ato koa va ianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin' ity tanàna ity; Ary hoy izy roa lahy tamin' i Lota: Inonao avy koa no mbola eto? Na vinantolahy, na zanakalahy, na zanakavavy, na inonao na inonao eto an-tanàna, dia avoahy miala amin' ity toerana ity avokoa; Les hommes dirent à Lot : As-tu encore quelqu' un ici ? Tes fils, tes filles, tous les tiens qui sont dans la ville, fais-les sortir de ce lieu.
Gen / Jen 19:13 For we will destroy this place, because the cry of them is waxen great before the face of the Lord; and the Lord hath sent us to destroy it. fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan' i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. fa horavanay ity fitoerana ity, satria lehibe ny fitarainana miakatra avy amin' ny mponina eto ho eo anatrehan' ny Tompo; ka nirahin' ny Tompo izahay handrava azy. Nous allons en effet détruire ce lieu, car grand est le cri qui s' est élevé contre eux à la face de Yahvé, et Yahvé nous a envoyés pour les exterminer.
Gen / Jen 19:14 And Lot went out, and spake unto his sons in law, which married his daughters, and said, Up, get you out of this place; for the Lord will destroy this city. But he seemed as one that mocked unto his sons in law. Dia nivoaka Lota ary niteny tamin' ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe : Miaingà, miala amin' ity tanàna ity; fa horavan' i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon' ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy. Dia nivoaka Lota, ka nilaza tamin' ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: mitsangàna hianareo, mialà amin' ity fitoerana ity, fa horavan' ny Tompo ny tanàna. Nataon' ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy. Lot alla parler à ses futurs gendres, qui devaient épouser ses filles : Debout, dit-il, quittez ce lieu, car Yahvé va détruire la ville. Mais ses futurs gendres crurent qu' il plaisantait.
Gen / Jen 19:15 And when the morning arose, then the angels hastened Lot, saying, Arise, take thy wife, and thy two daughters, which are here; lest thou be consumed in the iniquity of the city. Ary nony maraina koa ny andro, dia nandodona an' i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana ianao noho ny heloky ny tanàna. Vao nangiran-dratsy ny andro, dia nododonan' ny Anjely Lota nataony hoe: Mitsangàna hianao, ento ny vadinao sy ireto zanakao roa vavy eto, fandrao dia maty hianao amin' ny loza hanasaziana ny tanàna. Lorsque pointa l' aurore, les Anges insistèrent auprès de Lot, en disant : Debout ! prends ta femme et tes deux filles qui se trouvent là, de peur d'être emporté par le châtiment de la ville.
Gen / Jen 19:16 And while he lingered, the men laid hold upon his hand, and upon the hand of his wife, and upon the hand of his two daughters; the Lord being merciful unto him: and they brought him forth, and set him without the city. Ary nony nitaredretra izy, dia notantanan' izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindram-pon' i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan' ny tanàna. Mbola nitaredretra anefa izy, dia noraisin' izy roa lahy tamin' ny tànany izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy, fa tian' ny Tompo ny hiaro azy, dia nentiny izy, navoakany tany ivelan' ny tanàna. Et comme il hésitait, les hommes le prirent par la main, ainsi que sa femme et ses deux filles, pour la pitié que Yahvé avait de lui. Ils le firent sortir et le laissèrent en dehors de la ville.
Gen / Jen 19:17 And it came to pass, when they had brought them forth abroad, that he said, Escape for thy life; look not behind thee, neither stay thou in all the plain; escape to the mountain, lest thou be consumed. Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika ianao, na mijanona eny amin' ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana ianao. Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin' ireo anjely: Mandosira fa mihatra amin' ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin' ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty hianao. Comme ils le menaient dehors, il dit : Sauve-toi, sur ta vie ! Ne regarde pas derrière toi et ne t' arrête nulle part dans la Plaine, sauve-toi à la montagne pour n'être pas emporté !
Gen / Jen 19:18 And Lot said unto them, Oh, not so, my Lord: Ary hoy Lota taminy: Aza an' izany, Tompo ô! Hoy Lota tamin' izy ireo: Tsia Tompoko. Efa nahita fitia eo imasonao ihany ny mpanomponao: Lot leur répondit : Non, je t' en prie, Monseigneur !
Gen / Jen 19:19 Behold now, thy servant hath found grace in thy sight, and thou hast magnified thy mercy, which thou hast shewed unto me in saving my life; and I cannot escape to the mountain, lest some evil take me, and I die: indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehibe ny famindram-ponao ianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin' ny mpanomponao hianao, tamin' ny namelanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty. Ton serviteur a trouvé grâce à tes yeux et tu as montré une grande miséricorde à mon égard en m' assurant la vie. Mais moi, je ne puis pas me sauver à la montagne sans que m' atteigne le malheur et que je meure.
Gen / Jen 19:20 Behold now, this city is near to flee unto, and it is a little one: Oh, let me escape thither, (is it not a little one?) and my soul shall live. indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna ianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko. Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho. Voilà cette ville, assez proche pour y fuir, et elle est peu de chose. Permets que je m' y sauve - est-ce qu' elle n' est pas peu de chose ? - et que je vive !
Gen / Jen 19:21 And he said unto him, See, I have accepted thee concerning this thing also, that I will not overthrow this city, for the which thou hast spoken. Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin' izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. Dia hoy izy taminy: Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io. Il lui répondit : Je te fais encore cette grâce de ne pas renverser la ville dont tu parles.
Gen / Jen 19:22 Haste thee, escape thither; for I cannot do anything till thou be come thither. Therefore the name of the city was called Zoar. Mandehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra-pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran' ny tanàna hoe Zoara. Fa mandehana faingana àry handositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao hianao. Izany no nanaovana ny anaran' io tanàna io hoe Segora. Vite, sauve-toi là-bas, car je ne puis rien faire avant que tu n' y sois arrivé. C' est pourquoi on a donné à la ville le nom de Çoar.
Gen / Jen 19:23 The sun was risen upon the earth when Lot entered into Zoar. Ary ny masoandro efa niposaka tamin' ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. Niposaka tamin' ny tany ny masoandro, dia tonga tao Segora Lota. Au moment où le soleil se levait sur la terre et où Lot entrait à Çoar,
Gen / Jen 19:24 Then the Lord rained upon Sodom and upon Gomorrah brimstone and fire from the Lord out of heaven; Ary Jehovah nandatsaka tamin' i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin' i Jehovah tany an-danitra, Tamin' izay dia nalatsak' Iaveh tamin' i Sodoma sy Gomora ny afo sy solifara avy any amin' ny Tompo any an-danitra, Yahvé fit pleuvoir sur Sodome et sur Gomorrhe du soufre et du feu venant de Yahvé,
Gen / Jen 19:25 And he overthrew those cities, and all the plain, and all the inhabitants of the cities, and that which grew upon the ground. ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin' ny tany. ka nandrava ireo tanàna ireo, mbamin' ny tany lemaka rehetra, sy ny mponina rehetra tamin' ny tanàna, ary ny zava-maniry rehetra teo amin' ny tany. et il renversa ces villes et toute la Plaine, avec tous les habitants des villes et la végétation du sol.
Gen / Jen 19:26 But his wife looked back from behind him, and she became a pillar of salt. Fa ny vadin' i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. Niherika ny vadin' i Lota, ka zary andry sira. Or la femme de Lot regarda en arrière, et elle devint une colonne de sel.
Gen / Jen 19:27 And Abraham gat up early in the morning to the place where he stood before the Lord: Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin' ilay efa nijanonany teo anatrehan' i Jehovah; Nifoha maraina koa Abrahama, dia nankany amin' ilay toerana nijanonany teo anatrehan' ny Tompo. Levé de bon matin, Abraham vint à l' endroit où il s'était tenu devant Yahvé
Gen / Jen 19:28 And he looked toward Sodom and Gomorrah, and toward all the land of the plain, and beheld, and, lo, the smoke of the country went up as the smoke of a furnace. ary nitsinjo an' i Sodoma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. Nitazana nankany Sodoma sy Gomora mbamin' ny tany lemaka rehetra izy, ka nahita setroka niakatra avy amin' ny tany toy ny setroka avy amin' ny memy. et il jeta son regard sur Sodome, sur Gomorrhe et sur toute la Plaine, et voici qu' il vit la fumée monter du pays comme la fumée d' une fournaise !
Gen / Jen 19:29 And it came to pass, when God destroyed the cities of the plain, that God remembered Abraham, and sent Lot out of the midst of the overthrow, when he overthrew the cities in the which Lot dwelt. Ary raha noravan' Andriamanitra ny tanàna tany amin' ny tany lemaka, dia nahatsiaro an' i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an' i Lota hiala teo afovoan' ny horavana, tamin' ny nandravany ny tanàna izay nonenan' i Lota. Nahatsiaro an' i Abrahama Andriamanitra raha nandrava ny tanàna teo amin' ny tany lemaka, ka nanafaka an' i Lota tamin' ny fikorontanana izy, nony nanakorontana ny tanàna nonenan' i Lota. Ainsi, lorsque Dieu détruisit les villes de la Plaine, il s' est souvenu d' Abraham et il a retiré Lot du milieu de la catastrophe, dans le renversement des villes où habitait Lot.
Gen / Jen 19:30 And Lot went up out of Zoar, and dwelt in the mountain, and his two daughters with him; for he feared to dwell in Zoar: and he dwelt in a cave, he and his two daughters. Dia niakatra Lota avy tao Zoara ka nitoetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy. Niakatra avy tao Segora Lota, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segora. Dia nipetraka tao amin' ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy. Lot monta de Çoar et s'établit dans la montagne avec ses deux filles, car il n' osa pas rester à Çoar. Il s' installa dans une grotte, lui et ses deux filles.
Gen / Jen 19:31 And the firstborn said unto the younger, Our father is old, and there is not a man in the earth to come in unto us after the manner of all the earth: Ary hoy ny vavimatoa tamin' ny zandriny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin' ny tany hanambady antsika araka ny fanaon' ny tany rehetra; Ary hoy ilay zokiny tamin' ny zandriny: Efa antitra ity ny raintsika, nefa amin' ity tany ity tsy misy lehilahy handeha amintsika, araka ny fanaon' ny tany rehetra, L' aînée dit à la cadette : Notre père est âgé et il n' y a pas d' homme dans le pays pour s' unir à nous à la manière de tout le monde.
Gen / Jen 19:32 Come, let us make our father drink wine, and we will lie with him, that we may preserve seed of our father. andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin' ny raintsika. ka handeha hampisotrointsika divay ny raintsika, dia handry aminy isika, mba hananantsika fara mandimby, avy amin' ny raintsika. Viens, faisons boire du vin à notre père et couchons avec lui; ainsi, de notre père, nous susciterons une descendance.
Gen / Jen 19:33 And they made their father drink wine that night: and the firstborn went in, and lay with her father; and he perceived not when she lay down, nor when she arose. Dia nampisotroiny divay ny rainy tamin' iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany. Ny alin' izay ihany, dia nampisotroiny divay tokoa rainy, ka niditra nandry tao amin-drainy ilay zokiny; tsy nisy hitany anefa, na ny nandrian-janany na ny niarenany. Elles firent boire, cette nuit-là, du vin à leur père, et l' aînée vint s'étendre près de son père, qui n' eut conscience ni de son coucher ni de son lever.
Gen / Jen 19:34 And it came to pass on the morrow, that the firstborn said unto the younger, Behold, I lay yesternight with my father: let us make him drink wine this night also; and go thou in, and lie with him, that we may preserve seed of our father. Ary nony ampitson' iny dia hoy ny vavimatoa tamin' ny zandriny: Indro, efa nandry tamin' ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midìra ianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin' ny raintsika. Nony ampitso, dia hoy ilay zokiny tamin' ny zandriny: Efa nandry tamin' i dada aho alina, ka handeha indray hampisotrointsika divay izy, anio alina, dia mandehàna handry aminy hianao, mba hananantsika fara mandimby avy amin' ny raintsika. Le lendemain, l' aînée dit à la cadette : La nuit dernière, j' ai couché avec mon père; faisons-lui boire du vin encore cette nuit et va coucher avec lui; ainsi, de notre père nous susciterons une descendance.
Gen / Jen 19:35 And they made their father drink wine that night also: and the younger arose, and lay with him; and he perceived not when she lay down, nor when she arose. Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin' iny alina iny; dia nitsangana ilay zandriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany. Ny alin' iny ihany dia nampisotroiny divay indray ny rainy, ka niditra nandry taminy ilay zandriny, tsy misy hitany anefa na izay nandriany na izay niarenany. Elles firent boire du vin à leur père encore cette nuit-là, et la cadette s'étendit auprès de lui, qui n' eut conscience ni de son coucher ni de son lever.
Gen / Jen 19:36 Thus were both the daughters of Lot with child by their father. Dia samy nanan' anaka tamin-drainao ny zanak' i Lota roa vavy. Ary samy nanan-janaka tamin-drainy ny zanak' i Lota roa vavy. Les deux filles de Lot devinrent enceintes de leur père.
Gen / Jen 19:37 And the first born bare a son, and called his name Moab: the same is the father of the Moabites unto this day. Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain' ny Moabita mandraka androany. Ny zokiny nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Moaba, io no rain' ny Moabita mandraka androany. L' aînée donna naissance à un fils et elle l' appela Moab; c' est l' ancêtre des Moabites d' aujourd' hui.
Gen / Jen 19:38 And the younger, she also bare a son, and called his name Benammi: the same is the father of the children of Ammon unto this day. Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain' ny taranak' i Amona mandraka androany. Ny zandriny koa nitera-dahy izay nomeny anarana hoe Benamy; io kosa no rain' ny taranak' i Amona mandraka androany. La cadette aussi donna naissance à un fils et elle l' appela Ben-Ammi; c' est l' ancêtre des Bené-Ammon d' aujourd' hui.

<-
->