<-
->

Gen / Jen 4:1 And Adam knew Eve his wife; and she conceived, and bare Cain, and said, I have gotten a man from the LORD. Ary Adama nahalala an' i Eva vadiny; dia nanan' anaka Eva ka niteraka an' i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin' i Jehovah aho. Ary Adama nahalala an' i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an' i Kaina, sy nanao hoe: Efa nampisy olona anankiray aho tamin' ny fanampian' ny Tompo. L' homme connut Eve, sa femme; elle conçut et enfanta Caïn et elle dit : J' ai acquis un homme de par Yahvé.
Gen / Jen 4:2 And she again bare his brother Abel. And Abel was a keeper of sheep, but Cain was a tiller of the ground. Ary niteraka an' i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany. Dia niteraka an' i Abela rahalahiny koa izy. Abela dia mpiandry ondry ary Kaina dia mpiasa tany. Elle donna aussi le jour à Abel, frère de Caïn. Or Abel devint pasteur de petit bétail et Caïn cultivait le sol.
Gen / Jen 4:3 And in process of time it came to pass, that Cain brought of the fruit of the ground an offering unto the Lord. Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran' i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an' i Jehovah; Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany Kaina ho fanatitra ho an' ny Tompo. Le temps passa et il advint que Caïn présenta des produits du sol en offrande à Yahvé,
Gen / Jen 4:4 And Abel, he also brought of the firstlings of his flock and of the fat thereof. And the Lord had respect unto Abel and to his offering: fa nitondran' i Abela kosa ny voalohan-terak' ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an' i Abela mbamin' ny fanatiny; Ary Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak' ondriny, mbamin' ny taviny. Ary Iaveh nitsinjo an' i Abela sy ny fanatiny, et qu' Abel, de son côté, offrit des premiers-nés de son troupeau, et même de leur graisse. Or Yahvé agréa Abel et son offrande.
Gen / Jen 4:5 But unto Cain and to his offering he had not respect. And Cain was very wroth, and his countenance fell. fa Kaina mbamin' ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. fa tsy nijery an' i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin' izany Kaina, ary kivy endrika izy. Mais il n' agréa pas Caïn et son offrande, et Caïn en fut très irrité et eut le visage abattu.
Gen / Jen 4:6 And the Lord said unto Cain, Why art thou wroth? and why is thy countenance fallen? Ary hoy Jehovah tamin' i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? Ary hoy Iaveh tamin' i Kaina: Nahoana no tezitra hianao, ary nahoana no kivy endrika? Yahvé dit à Caïn : Pourquoi es-tu irrité et pourquoi ton visage est-il abattu ?
Gen / Jen 4:7 If thou doest well, shalt thou not be accepted? and if thou doest not well, sin lieth at the door. And unto thee shall be his desire, and thou shalt rule over him. Raha tsara toetra ianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa ianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren' ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka azy. Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va hianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa hianao. Si tu es bien disposé, ne relèveras-tu pas la tête ? Mais si tu n' es pas bien disposé, le péché n' est-il pas à la porte, une bête tapie qui te convoite, pourras-tu la dominer ?
Gen / Jen 4:8 And Cain talked with Abel his brother: and it came to pass, when they were in the field, that Cain rose up against Abel his brother, and slew him. Ary Kaina niteny tamin' i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an' i Abela rahalahiny, ka namono azy. Hoy Kaina tamin' i Abela rahalahiny: Andeha isika ho any an-tsaha. Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an' i Abela rahalahiny Kaina ka nahafaty azy. Cependant Caïn dit à son frère Abel : Allons dehors, et, comme ils étaient en pleine campagne, Caïn se jeta sur son frère Abel et le tua.
Gen / Jen 4:9 And the Lord said unto Cain, Where is Abel thy brother? And he said, I know not: Am I my brother' s keeper? Ary hoy Jehovah tamin' i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? Dia hoy Iaveh tamin' i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy ny navaliny: Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho? Yahvé dit à Caïn : Où est ton frère Abel ? Il répondit : Je ne sais pas. Suis-je le gardien de mon frère ?
Gen / Jen 4:10 And he said, What hast thou done? the voice of thy brother' s blood crieth unto me from the ground. Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon' ny ran' ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin' ny tany. Hoy Iaveh: Inona no nataonao? fa mitaraina hatraty amiko ny feon' ny ran-drahalahinao avy amin' ny tany. Yahvé reprit : Qu' as-tu fait ! Écoute le sang de ton frère crier vers moi du sol !
Gen / Jen 4:11 And now art thou cursed from the earth, which hath opened her mouth to receive thy brother' s blood from thy hand; Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin' ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran' ny rahalahinao nalatsaky ny tananao. Amin' izao dia voaozon' ny tany hianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tànanao. Maintenant, sois maudit et chassé du sol fertile qui a ouvert la bouche pour recevoir de ta main le sang de ton frère.
Gen / Jen 4:12 When thou tillest the ground, it shall not henceforth yield unto thee her strength; a fugitive and a vagabond shalt thou be in the earth. Raha miasa ny tany ianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin' ny tany ianao. Rehefa hiasa ny tany hianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary hianao ho mpanjenjena sy mpirenireny any ambonin' ny tany. Si tu cultives le sol, il ne te donnera plus son produit : tu seras un errant parcourant la terre.
Gen / Jen 4:13 And Cain said unto the Lord, My punishment is greater than I can bear. Dia hoy Kaina tamin' i Jehovah: Lehibe ny valin' ny heloko mihoatra noho izay zakako. Dia hoy Kaina tamin' ny Tompo: Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. Alors Caïn dit à Yahvé : Ma peine est trop lourde à porter.
Gen / Jen 4:14 Behold, thou hast driven me out this day from the face of the earth; and from thy face shall I be hid; and I shall be a fugitive and a vagabond in the earth; and it shall come to pass, that every one that findeth me shall slay me. Indro, efa noroahinao hiala amin' ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin' ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. Indro roahinao hiala amin' ity tany ity aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin' ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy. Vois ! Tu me bannis aujourd' hui du sol fertile, je devrai me cacher loin de ta face et je serai un errant parcourant la terre : mais, le premier venu me tuera !
Gen / Jen 4:15 And the Lord said unto him, Therefore whosoever slayeth Cain, vengeance shall be taken on him sevenfold. And the Lord set a mark upon Cain, lest any finding him should kill him. Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an' i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an' i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy. Hoy Iaveh taminy: Izao àry: Raha misy hamono an' i Kaina dia valiana faty impito heny Kaina. Ary nasian' ny Tompo famantarana tamin' i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. Yahvé lui répondit : Aussi bien, si quelqu' un tue Caïn, on le vengera sept fois et Yahvé mit un signe sur Caïn, afin que le premier venu ne le frappât point.
Gen / Jen 4:16 And Cain went out from the presence of the Lord, and dwelt in the land of Nod, on the east of Eden. Ary Kaina dia niala teo anatrehan' i Jehovah ka nonina tao amin' ny tany Noda tandrifin' i Edena. Rahefa izany dia niala teo anatrehan' ny Tompo Kaina, ka nonina tany amin' ny Noda, atsinanan' i Edena. Caïn se retira de la présence de Yahvé et séjourna au pays de Nod, à l' orient d'Éden.
Gen / Jen 4:17 And Cain knew his wife; and she conceived, and bare Enoch: and he builded a city, and called the name of the city, after the name of his son, Enoch. Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan' anaka ravehivavy ka niteraka an' i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran' ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran' ny zananilahy. Kaina nahalala ny vadiny ka nanana anaka izy, dia niteraka an' i Enaoka; ary nanomboka nanorin-tanàna anankiray Kaina ka nantsoiny hoe Enaoka, araka ny anaran-janany. Caïn connut sa femme, qui conçut et enfanta Hénok. Il devint un constructeur de ville et il donna à la ville le nom de son fils, Hénok.
Gen / Jen 4:18 And unto Enoch was born Irad: and Irad begat Mehujael: and Mehujael begat Methusael: and Methusael begat Lamech. Ary Enoka niteraka an' Irada; ary Irada niteraka an' i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an' i Metosaela; ary Metosaela niteraka an' i Lameka. Irada no naterak' Enaoka, ary Irada niteraka an' i Maviaela; Maviaela niteraka an' i Matosaela; Matosaela niteraka an' i Lameka. A Hénok naquit Irad, et Irad engendra Mehuyaèl, et Mehuyaèl engendra Metushaèl, et Metushaèl engendra Lamek.
Gen / Jen 4:19 And Lamech took unto him two wives: the name of the one was Adah, and the name of the other Zillah. Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran' ny anankiray Ada, ary ny anaran' ny anankiray Zila. Nampirafy roa Lameka; Adà no anaran' ny anankiray, ary Selà no anaran' ilay faharoa. Lamek prit deux femmes : le nom de la première était Ada et le nom de la seconde Çilla.
Gen / Jen 4:20 And Adah bare Jabal: he was the father of such as dwell in tents, and of such as have cattle. Ary Ada niteraka an' i Jabala; izy no rain' ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman' ondry. Adà niteraka an' i Jabela; izy no rain' ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan' ny biby fiompy. Ada enfanta Yabal : il fut l' ancêtre de ceux qui vivent sous la tente et ont des troupeaux.
Gen / Jen 4:21 And his brother' s name was Jubal: he was the father of all such as handle the harp and organ. Ary ny anaran' ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain' ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. Ny anaran' ny rahalahiny Jobala; izy no rain' izay rehetra mpitendry valiha sy mpitsoka sodina. Le nom de son frère était Yubal : il fut l' ancêtre de tous ceux qui jouent de la lyre et du chalumeau.
Gen / Jen 4:22 And Zillah, she also bare Tubalcain, an instructer of every artificer in brass and iron: and the sister of Tubalcain was Naamah. Ary Zila kosa niteraka an' i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin' i Tobala-kaina dia Nama. Selà kosa niteraka an' i Tobal-Kaina izay mpanefy fiasana maranitra isan-karazany na varahina na vy. Ny anaran' ny anabavin' i Tobal-Kaina dia Noema. De son côté, Çilla enfanta Tubal-Caïn : il fut l' ancêtre de tous les forgerons en cuivre et en fer; la soeur de Tubal-Caïn était Naama.
Gen / Jen 4:23 And Lamech said unto his wives, Adah and Zillah, Hear my voice; ye wives of Lamech, hearken unto my speech: for I have slain a man to my wounding, and a young man to my hurt. Ary hoy Lameka tamin' ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin' i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako. Ary hoy Lameka tamin' ireo vadiny: Mandrenesa ny feoko, ry Adà sy Selà; Henoy ny teniko, ry vadin' i Lameka; Nahafaty lehilahy iray aho, noho ny feriko; Ary tovolahy iray, noho ny ratrako. Lamek dit à ses femmes : Ada et Çilla, entendez ma voix, femmes de Lamek, écoutez ma parole : J' ai tué un homme pour une blessure, un enfant pour une meurtrissure.
Gen / Jen 4:24 If Cain shall be avenged sevenfold, truly Lamech seventy and sevenfold. Raha valiana fito heny izay mamono an' i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an' i Lameka. Hovaliana faty impito heny Kaina, Ary hovaliana faty impito amby fitopolo heny Lameka. C' est que Caïn est vengé sept fois, mais Lamek, septante-sept fois !
Gen / Jen 4:25 And Adam knew his wife again; and she bare a son, and called his name Seth: For God, said she, hath appointed me another seed instead of Abel, whom Cain slew. Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon' i Abela, satria novonoin' i Kaina izy. Ary Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: Nomen' Andriamanitra ny fara aho ho solon' i Abela izay novonoin' i Kaina. Adam connut sa femme; elle enfanta un fils et lui donna le nom de Seth, car, dit-elle, Dieu m' a accordé une autre descendance à la place d' Abel, puisque Caïn l' a tué .
Gen / Jen 4:26 And to Seth, to him also there was born a son; and he called his name Enos: then began men to call upon the name of the Lord. Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy. Seta koa niteraka lahy iray nataony hoe Enosy. Vao tamin' izay no nanomboka niantso ny anaran' ny Tompo ny olona. Un fils naquit à Seth aussi, et il lui donna le nom d'Énosh. Celui-ci fut le premier à invoquer le nom de Yahvé.

<-
->