<-
->

Gen / Jen 48:1 And it came to pass after these things, that one told Joseph, Behold, thy father is sick: and he took with him his two sons, Manasseh and Ephraim. Ary rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin' i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy. Toarian' izany nisy tonga nilaza tamin' i Josefa hoe: Indro marary rainao. Nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima zanany mirahalahy. Il arriva, après ces événements, qu' on dit à Joseph : Voici que ton père est malade ! et il emmena avec lui ses deux fils, Manassé et Éphraïm.
Gen / Jen 48:2 And one told Jacob, and said, Behold, thy son Joseph cometh unto thee: and Israel strengthened himself, and sat upon the bed. Ary nisy nilaza tamin' i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho etý aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin' ny farafara. Dia nilazana Jakoba natao hoe: Indro tamy Josefa zanakao, ho atý aminao. Ka naka hery Israely niarina teo ambony farafarany. Lorsqu' on eut annoncé à Jacob : Voici ton fils Joseph qui est venu auprès de toi, Israël rassembla ses forces et se mit assis sur le lit.
Gen / Jen 48:3 And Jacob said unto Joseph, God Almighty appeared unto me at Luz in the land of Canaan, and blessed me, Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andriamanitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin' ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: Ary hoy Jakoba tamin' i Josefa: Puis Jacob dit à Joseph : El Shaddaï m' est apparu à Luz, au pays de Canaan, il m' a béni
Gen / Jen 48:4 And said unto me, Behold, I will make thee fruitful, and multiply thee, and I will make of thee a multitude of people; and will give this land to thy seed after thee for an everlasting possession. Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra dia efa niseho tamiko tany Loza, any amin' ny tany Kanaana ary nitso-drano ahy, nanao hoe: Hahamaro anaka anao aho, hampitombo anao aho, hahatonga anao ho firenena maro aho, ary homeko ny taranakao mandimby anao ity tany ity, hananany azy mandrakizay. et m' a dit : Je te rendrai fécond et je te multiplierai, je te ferai devenir une assemblée de peuples et je donnerai ce pays en possession perpétuelle à tes descendants après toi.
Gen / Jen 48:5 And now thy two sons, Ephraim and Manasseh, which were born unto thee in the land of Egypt before I came unto thee into Egypt, are mine; as Reuben and Simeon, they shall be mine. Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao tatý amin' ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga tatý aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an' i Robena sy Simeona. Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatý Ejipta, talohan' ny nahatongavako atý aminao teto Ejipta, dia ho ahy, ho ahy, tahaka an-dRobena sy Simeona koa Efraima sy Manase, Maintenant, les deux fils qui te sont nés au pays d'Égypte avant que je ne vienne auprès de toi en Égypte, ils seront miens ! Éphraïm et Manassé seront à moi au même titre que Ruben et Siméon.
Gen / Jen 48:6 And thy issue, which thou begettest after them, shall be thine, and shall be called after the name of their brethren in their inheritance. Fa ny zanakao izay haterakao aorian' izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an' ny rahalahiny eo amin' ny zara-taniny. fa ny zanakao izay naterakao taorian' ireo dia ho anao; ary amin' ny anaran' ireo rahalahiny ihany no hiantsoana azy raha ny amin' ny anjara lovany. Quant aux enfants que tu as engendrés après eux, ils seront tiens; ils porteront le nom de leurs frères pour l' héritage.
Gen / Jen 48:7 And as for me, when I came from Padan, Rachel died by me in the land of Canaan in the way, when yet there was but a little way to come unto Ephrath: and I buried her there in the way of Ephrath; the same is Bethlehem. Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin' ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron' ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). Ary izaho fony niverina avy any Padana dia maty teo anatrehako teny an-dàlana Rasela tany amin' ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an' i Efratà, ka dia naleviko teo, amin' ny làlana mankany Efratà, dia Betleema izany. Lorsque je revenais de Paddân, ta mère Rachel est morte, pour mon malheur, au pays de Canaan, en route, encore un bout de chemin avant d' arriver à Éphrata, et je l' ai enterrée là, sur le chemin d'Éphrata - c' est Bethléem.
Gen / Jen 48:8 And Israel beheld Joseph' s sons, and said, Who are these? Ary rehefa hitan' Isiraely ny zanak' i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo? Nony nahita iretsy zanak' i Josefa Israely dia nanontany hoe: Iza moa ireto? Israël vit les deux fils de Joseph et demanda : Qui sont ceux-là ? -
Gen / Jen 48:9 And Joseph said unto his father, They are my sons, whom God hath given me in this place. And he said, Bring them, I pray thee, unto me, and I will bless them. Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen' Andriamanitra ahy tatý. Ary hoy izy : Masìna ianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano. Ka hoy Josefa tamin-drainy: Ireo no zanako nomen' Andriamanitra ahy tatý. Ary hoy izy: Mba ampandrosoy kely ho eto anilako izy, hotsofiko rano. Ce sont les fils que Dieu m' a donnés ici, répondit Joseph à son père, et celui-ci reprit : Amène-les moi, que je les bénisse.
Gen / Jen 48:10 Now the eyes of Israel were dim for age, so that he could not see. And he brought them near unto him; and he kissed them, and embraced them. Ary efa pahina ny mason' Isiraely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin' i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy. Fa efa nanjavona ny mason' Israely noho ny fahanterana, ka tsy nahita. Dia nampandrosoin' i Josefa nankeo anilany ireo ka sady nanoroka no namihina azy Israely. Or les yeux d' Israël étaient usés par la vieillesse, il n' y voyait plus, et Joseph les fit approcher de lui, qui les embrassa et les serra dans ses bras.
Gen / Jen 48:11 And Israel said unto Joseph, I had not thought to see thy face: and, lo, God hath shewed me also thy seed. Dia hoy Isiraely tamin' i Josefa; Tsy nanampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza. Ary hoy Israely tamin' i Josefa hoe: Tsy nanampò hahita tava anao intsony aho, kanjo indro ataon' Andriamanitra mahita ny taranakao aza. Et Israël dit à Joseph : Je ne pensais pas revoir ton visage et voici que Dieu m' a fait voir même tes descendants !
Gen / Jen 48:12 And Joseph brought them out from between his knees, and he bowed himself with his face to the earth. Ary Josefa nampiala azy mirahalahy teo anelanelan' ny lohalik' Isiraely, dia niankohoka tamin' ny tany izy. Nesorin' i Josefa hiala teo anelanelan' ny lohali-drainy aloha izy mirahalahy, dia niankohoka tamin' ny tany teo anatrehany izy; Alors Joseph les retira de son giron et se prosterna, la face contre terre.
Gen / Jen 48:13 And Joseph took them both, Ephraim in his right hand toward Israel' s left hand, and Manasseh in his left hand toward Israel' s right hand, and brought them near unto him. Dia notantanan' i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin' ny ankavanany ho eo amin' ny ankavian' Isiraely, ary Manase tamin' ny ankaviany ho eo amin' ny ankavanan' Isiraely, ka nentiny nanatona azy. dia noraisin' i Josefa izy mirahalahy, Efraima tamin' ny an-kavanany, ho eo ankavian' Israely; ary Manase tamin' ny an-kaviany, ho eo ankavanan' Israely, dia nampandrosoiny izy ireo. Joseph les prit tous deux, Éphraïm de sa main droite pour qu' il soit à la gauche d' Israël, Manassé de sa main gauche pour qu' il soit à la droite d' Israël, et il les fit approcher de celui-ci.
Gen / Jen 48:14 And Israel stretched out his right hand, and laid it upon Ephraim' s head, who was the younger, and his left hand upon Manasseh' s head, guiding his hands wittingly; for Manasseh was the firstborn. Dia nahinjitr' Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin' ny lohan' i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin' ny lohan' i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. Natsotran' Israely ny tànany havanana, ka napetrany tamin' ny lohan' i Efraima izay zandriny; ary ny tànany havia tamin' ny lohan' i Manase; niniany natao toy izany ny tànany, fa Manase no zokiny. Mais Israël étendit sa main droite et la posa sur la tête d'Éphraïm, qui était le cadet, et sa main gauche sur la tête de Manassé, en croisant ses mains - en effet Manassé était l' aîné.
Gen / Jen 48:15 And he blessed Joseph, and said, God, before whom my fathers Abraham and Isaac did walk, the God which fed me all my life long unto this day, Dia nitso-drano an' i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan' i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka androany, Dia nitso-drano an' i Josefa izy, ka nanao hoe: Enga anie ka ilay Andriamanitra izay teo anatrehany no nandehanan' i Abrahama sy Isaaka razako, ilay Andriamanitra izay namelona ahy hatrizay niainako ka mandrak' ankehitriny; Il bénit ainsi Joseph : Que le Dieu devant qui ont marché mes pères Abraham et Isaac, que le Dieu qui fut mon pasteur depuis que je vis jusqu'à maintenant,
Gen / Jen 48:16 The Angel which redeemed me from all evil, bless the lads; and let my name be named on them, and the name of my fathers Abraham and Isaac; and let them grow into a multitude in the midst of the earth. ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin' ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran' i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin' ny tany anie izy. ary ilay anjely namonjy ahy ho afaka tamin' ny loza rehetra hitso-drano an' ireto zaza ireto. Aoka hantsoina amin' ny anarako, sy amin' ny anaran' i Abrahama sy Isaaka razako izy; ary hitombo ho maro dia maro, eo amin' ny tany. que l' Ange qui m' a sauvé de tout mal bénisse ces enfants, que survivent en eux mon nom et le nom de mes ancêtres, Abraham et Isaac, qu' ils croissent et multiplient sur la terre !
Gen / Jen 48:17 And when Joseph saw that his father laid his right hand upon the head of Ephraim, it displeased him: and he held up his father' s hand, to remove it from Ephraim' s head unto Manasseh' s head. Ary rehefa hitan' i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin' ny lohan' i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tanan' ny rainy, mba hampiala azy amin' ny lohan' i Efraima ho amin' ny lohan' i Manase, Nony hitan' i Josefa fa napetra-drainy tamin' ny lohan' i Efraima ny tànany havanana, dia tsy sitrany izany, ka nalainy ny tanan-drainy hesoriny eo ambonin' ny lohan' i Efraima hatao eo amin' ny an' i Manase. Cependant Joseph vit que son père mettait sa main droite sur la tête d'Éphraïm et cela lui déplut. Il saisit la main de son père pour la détourner de la tête d'Éphraïm sur la tête de Manassé,
Gen / Jen 48:18 And Joseph said unto his father, Not so, my father: for this is the firstborn; put thy right hand upon his head. ka hoy Josefa tamin' ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin' ny lohany ny tananao ankavanana. Ary hoy Josefa tamin-drainy: Tsy izao no izy, ry ikaky, fa ity no lahimatoa ka apetraho eo amin' ny lohany ny tànanao havanana. et Joseph dit à son père : Pas comme cela, père, car c' est celui-ci l' aîné : mets ta main droite sur sa tête.
Gen / Jen 48:19 And his father refused, and said, I know it, my son, I know it: he also shall become a people, and he also shall be great: but truly his younger brother shall be greater than he, and his seed shall become a multitude of nations. Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro. Tsy nety anefa rainy fa hoy izy: Fantatro ihany anaka, fantatro ihany. Ho tonga firenena koa izy, ho tonga lehibe koa izy, kanefa ho lehibe noho izy ny zandriny, ary ho tonga firenena maro ny taranany. Mais son père refusa et dit : Je sais, mon fils, je sais : lui aussi deviendra un peuple, lui aussi sera grand. Pourtant, son cadet sera plus grand que lui, sa descendance deviendra une multitude de nations.
Gen / Jen 48:20 And he blessed them that day, saying, In thee shall Israel bless, saying, God make thee as Ephraim and as Manasseh: and he set Ephraim before Manasseh. Dia nitso-drano azy tamin' izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan' ny Isiraely rano hoe: Hataon' Andriamanitra tahaka an' i Efraima sy tahaka an' i Manase anie ianao. Ary Efraima no nataony alohan' i Manase. Dia nitso-drano azy ireo izy, tamin' izany andro izany, ka nanao hoe: Aminao no hitsofan' Israely rano, hoe: Hataon' Andriamanitra tahaka an' i Efraima sy Manase anie hianao. Toy izany no nanaovany an' i Efraima ho alohan' i Manase. En ce jour-là, il les bénit ainsi : Soyez en bénédiction dans Israël et qu' on dise : Que Dieu te rende semblable à Éphraïm et à Manassé ! mettant ainsi Éphraïm avant Manassé.
Gen / Jen 48:21 And Israel said unto Joseph, Behold, I die: but God shall be with you, and bring you again unto the land of your fathers. Ary hoy Isiraely tamin' i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin' ny tanindrazanareo. Ary hoy Israely tamin' i Josefa: Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin' ny tanin-drazanareo indray. Puis Israël dit à Joseph : Voici que je vais mourir, mais Dieu sera avec vous et vous ramènera au pays de vos pères.
Gen / Jen 48:22 Moreover I have given to thee one portion above thy brethren, which I took out of the hand of the Amorite with my sword and with my bow. Ary izaho manome anao zara-tany iray ho tombon-dahinao amin' ny rahalahinao, izay nalaiko tamin' ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan' ny Amorita. Ary omeko ho tombon-dahinao amin' ireo rahalahinao ny zaratany anankiray, izay nalaiko tamin' ny sabatro sy ny tsipikako, teo an-tànan' Amoreana. Pour moi, je te donne un Sichem de plus qu'à tes frères, ce que j' ai conquis sur les Amorites par mon épée et par mon arc.

<-
->