<-
->

Lev 11:1 And the Lord spake unto Moses and to Aaron, saying unto them, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao tamin' izy ireo hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron, et leur dit :
Lev 11:2 Speak unto the children of Israel, saying, These are the beasts which ye shall eat among all the beasts that are on the earth. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin' ny biby rehetra ambonin' ny tany: Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao hoe: Izao no ho biby fihinanareo amin' ny biby rehetra eto ambonin' ny tany: Parlez aux Israélites, dites-leur : Voici, entre tous les animaux terrestres, les bêtes que vous pourrez manger.
Lev 11:3 Whatsoever parteth the hoof, and is clovenfooted, and cheweth the cud, among the beasts, that shall ye eat. Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo. Ny biby rehetra mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika no hohaninareo; Tout animal qui a le sabot fourchu, fendu en deux ongles, et qui rumine, vous pourrez le manger.
Lev 11:4 Nevertheless these shall ye not eat of them that chew the cud, or of them that divide the hoof: as the camel, because he cheweth the cud, but divideth not the hoof; he is unclean unto you. Kanefa amin' izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; fa ny mandinika fotsiny na mivaky kitro fotsiny tsy hohaninareo. Ohatra ny rameva, izay mandinika nefa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. Voici seulement, parmi ceux qui ruminent ou qui ont le sabot fourchu, les espèces que vous ne pourrez manger. Vous tiendrez pour impur le chameau parce que, bien que ruminant, il n' a pas le sabot fourchu ;
Lev 11:5 And the coney, because he cheweth the cud, but divideth not the hoof; he is unclean unto you. ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy; Ohatra ny zerboaza, izay mandinika fa tsy mivaky kitro, dia ho maloto aminareo. vous tiendrez pour impur le daman parce que, bien que ruminant, il n' a pas le sabot fourchu ;
Lev 11:6 And the hare, because he cheweth the cud, but divideth not the hoof; he is unclean unto you. ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy; Ohatra ny bitro, izay mandinika fa tsy misampan-tongotra, dia ho maloto aminareo. vous tiendrez pour impur le lièvre parce que, bien que ruminant, il n' a pas le sabot fourchu ;
Lev 11:7 And the swine, though he divide the hoof, and be clovenfooted, yet he cheweth not the cud; he is unclean to you. ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy. Ohatra ny kisoa, izay mivaky kitro sy misampan-tongotra nefa tsy mandinika, dia ho maloto aminareo. vous tiendrez pour impur le porc parce que, tout en ayant le sabot fourchu, fendu en deux ongles, il ne rumine pas.
Lev 11:8 Of their flesh shall ye not eat, and their carcase shall ye not touch; they are unclean to you. Ny henan' ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny. Koa aza mihinana ny henany, na mikasika izay fatiny akory, fa maloto aminareo ireny. Vous ne mangerez pas de leur chair ni ne toucherez à leur cadavre, vous les tiendrez pour impurs.
Lev 11:9 These shall ye eat of all that are in the waters: whatsoever hath fins and scales in the waters, in the seas, and in the rivers, them shall ye eat. Ary amin' izay rehetra ao anatin' ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin' ny ranomasina, na ao anatin' ny ony, no ho fihinanareo; Izao kosa no ho biby fihinanareo, amin' ny biby rehetra ao anaty rano: Izay rehetra misy vombony sy misy kirany ao anaty rano, na ao an-dranomasina, na ao an-drenirano, no hohaninareo. Parmi tout ce qui vit dans l' eau, vous pourrez manger ceci. Tout ce qui a nageoires et écailles et vit dans l' eau, mers ou fleuves, vous en pourrez manger.
Lev 11:10 And all that have not fins and scales in the seas, and in the rivers, of all that move in the waters, and of any living thing which is in the waters, they shall be an abomination unto you: fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin' ny ranomasina, na ao anatin' ny ony, na amin' izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin' ny zava-manan' aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny; Fa ho fahavetavetana ho anareo kosa izay tsy misy vombony na kirany, na ny ao an-dranomasina, na ny ao an-drenirano, amin' ny biby rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, sy amin' ny zava-manan' aina rehetra misy ao. Mais tout ce qui n' a point nageoires et écailles, dans les mers ou dans les fleuves, entre toutes les bestioles des eaux et tous les êtres vivants qui s' y trouvent, vous les tiendrez pour immondes.
Lev 11:11 They shall be even an abomination unto you; ye shall not eat of their flesh, but ye shall have their carcases in abomination. eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny. Ho fahavetavetana aminareo ireny, ka aza mihinana ny henany, ary ataovy ho zava-betaveta ny fatiny. Vous les tiendrez pour immondes, vous n' en mangerez point la chair et vous aurez en dégoût leur cadavre.
Lev 11:12 Whatsoever hath no fins nor scales in the waters, that shall be an abomination unto you. Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo. Izay tsy misy vombony na kirany ao anaty rano, dia ho zava-betaveta avokoa aminareo. Tout ce qui vit dans l' eau sans avoir nageoires et écailles, vous le tiendrez pour immonde.
Lev 11:13 And these are they which ye shall have in abomination among the fowls; they shall not be eaten, they are an abomination: the eagle, and the ossifrage, and the ospray, Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin' ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay Amin' ny vorona kosa, dia ireto no ho zava-betaveta ho anareo ka tsy hohanina, fa zava-betaveta: Voici, parmi les oiseaux, ceux que vous tiendrez pour immondes ; on n' en mangera pas, c' est chose immonde : le vautour-griffon, le gypaète, l' orfraie,
Lev 11:14 And the vulture, and the kite after his kind; ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany, ny egla, ny arofiray, ny papango, ny fanindry, ny voromahery isan-karazany, le milan noir, les différentes espèces de milan rouge,
Lev 11:15 Every raven after his kind; ary ny goaika rehetra, isan-karazany, ny goaika isan-karazany; toutes les espèces de corbeau,
Lev 11:16 And the owl, and the night hawk, and the cuckow, and the hawk after his kind, ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany, ny aostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, ny hitsikitsika isan-karazany; l' autruche, le chat-huant, la mouette et les différentes espèces d'épervier,
Lev 11:17 And the little owl, and the cormorant, and the great owl, ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe ny vorondolo, ny manarana, ny vorondolobe, le hibou, le cormoran, la chouette,
Lev 11:18 And the swan, and the pelican, and the gier eagle, ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika ny gisabe, ny pelikano, ny zipaety, l' ibis, le pélican, le vautour blanc,
Lev 11:19 And the stork, the heron after her kind, and the lapwing, and the bat. sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy. ny vanobe, ny vano isan-karazany; ny lavasanga, ny ramanavy. la cigogne et les différentes espèces de héron, la huppe, la chauve-souris.
Lev 11:20 All fowls that creep, going upon all four, shall be an abomination unto you. Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo; Ny biby madinika rehetra manan' elatra, mandia tongotr' efatra, ho zava-betaveta aminareo. Toutes les bestioles ailées qui marchent sur quatre pattes, vous les tiendrez pour immondes.
Lev 11:21 Yet these may ye eat of every flying creeping thing that goeth upon all four, which have legs above their feet, to leap withal upon the earth; nefa izao kosa no ho fihinanareo amin' ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin' ny faladiany hitsipihany eo amin' ny tany. Amin' ny biby madinika manan' elatra mandia tongotr' efatra anefa, hano ihany izay manam-pingotra ambony faladiany, hitsipihany eo amin' ny tany. De toutes ces bestioles ailées qui marchent sur quatre pattes vous ne pourrez manger que celles-ci : celles qui ont des pattes au-dessus de leurs pieds, pour sauter sur le sol.
Lev 11:22 Even these of them ye may eat; the locust after his kind, and the bald locust after his kind, and the beetle after his kind, and the grasshopper after his kind. Amin' ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany. Ireto no ho fihinanareo amin' ireny: ny valala isan-karazany, ny solama isan-karazany, ny hargola isan-karazany, ny hagaba isan-karazany. Voici celles dont vous pourrez manger : les différentes espèces de sauterelles migratrices, de sauterelles solham, de sauterelles hargol, de sauterelles hagab.
Lev 11:23 But all other flying creeping things, which have four feet, shall be an abomination unto you. Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo. Fa ny biby hafa manan' elatra mandia tongotr' efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa. Mais toutes les bestioles ailées à quatre pattes, vous les tiendrez pour immondes.
Lev 11:24 And for these ye shall be unclean: whosoever toucheth the carcase of them shall be unclean until the even. Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Izao koa no hahaloto anareo, ka na zovy na zovy hikasika ny fatiny, dia haloto mandra-paharivan' ny andro; Vous contracterez d' elles une impureté : quiconque touchera leur cadavre sera impur jusqu' au soir.
Lev 11:25 And whosoever beareth ought of the carcase of them shall wash his clothes, and be unclean until the even. Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan' ny andro. ary na zovy na zovy hitondra tapaky ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. Quiconque transportera leur cadavre devra nettoyer ses vêtements et sera impur jusqu' au soir.
Lev 11:26 The carcases of every beast which divideth the hoof, and is not clovenfooted, nor cheweth the cud, are unclean unto you: every one that toucheth them shall be unclean. Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy. Ny biby rehetra mivaky kitro, nefa tsy misampan-tongotra sy tsy mandinika, dia haloto aminareo, ka haloto izay rehetra mikasika azy. Quant aux animaux qui ont un sabot, mais non fendu, et qui ne ruminent pas, vous les tiendrez pour impurs, quiconque les touchera sera impur.
Lev 11:27 And whatsoever goeth upon his paws, among all manner of beasts that go on all four, those are unclean unto you: whoso toucheth their carcase shall be unclean until the even. Ary izay rehetra mandeha amin' ny faladiany, amin' ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny. Amin' ny biby mandia tongotr' efatra, izay mandeha amin' ny faladiany dia haloto aminareo, ka haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny; Ceux des animaux à quatre pattes qui marchent sur la plante des pieds, vous les tiendrez pour impurs ; quiconque touchera leur cadavre sera impur jusqu' au soir,
Lev 11:28 And he that beareth the carcase of them shall wash his clothes, and be unclean until the even: they are unclean unto you. Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan' ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny. ary izay rehetra nitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. Ho zava-maloto aminareo ireo biby ireo. et quiconque transportera leur cadavre devra nettoyer ses vêtements et sera impur jusqu' au soir. Vous les tiendrez pour impurs.
Lev 11:29 These also shall be unclean unto you among the creeping things that creep upon the earth; the weasel, and the mouse, and the tortoise after his kind, Ary izao no haloto aminareo amin' ny biby izay mandady na mikisaka amin' ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany, Amin' ny biby madinika mandady amin' ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany; Voici, parmi les bestioles qui rampent sur terre, celles que vous tiendrez pour impures : la taupe, le rat et les différentes espèces de lézards :
Lev 11:30 And the ferret, and the chameleon, and the lizard, and the snail, and the mole. ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana. ny mosaraina, ny tanalahy, ny salamandry, ny tsatsaka, ary ny taopy. gecko, koah, letaah, caméléon et tinchamète.
Lev 11:31 These are unclean to you among all that creep: whosoever doth touch them, when they be dead, shall be unclean until the even. Ireo no maloto aminareo amin' ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin' ireo dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Ireo no ho maloto aminareo amin' ny biby mandady; ka haloto mandra-paharivan' ny andro izay rehetra mikasika ny fatin' ireo. Parmi toutes les bestioles ce sont ces animaux que vous tiendrez pour impurs. Quiconque les touchera quand ils sont morts sera impur jusqu' au soir.
Lev 11:32 And upon whatsoever any of them, when they are dead, doth fall, it shall be unclean; whether it be any vessel of wood, or raiment, or skin, or sack, whatsoever vessel it be, wherein any work is done, it must be put into water, and it shall be unclean until the even; so it shall be cleansed. Ary izay zavatra rehetra ilatsahan' ny fatin' Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro izy vao hadio. Haloto avokoa ny zavatra ilatsahan' ny fatin' ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, na inona na inona zavatra ampiasaina, ka hapetraka ao anaty rano izany ary haloto mandra-paharivan' ny andro, vao hadio. Tout objet sur lequel tombe l' un d' entre eux, une fois mort, en devient impur : tout ustensile de bois, vêtement, peau, sac, quelque ustensile que ce soit. On le passera dans l' eau et il restera impur jusqu' au soir ; puis il sera pur.
Lev 11:33 And every earthen vessel, whereinto any of them falleth, whatsoever is in it shall be unclean; and ye shall break it. Ary ny amin' ny vilany tany rehetra izay ilatsahan' ny fatin' ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo. Ary raha misy zavatra avy amin' ireny sendra tafalatsaka ao anatin' ny vilany tany, dia haloto avokoa izay rehetra ao anatin' ny vilany, ka homontsaninareo ny vilany. Tout vase d' argile dans lequel tombera l' un d' entre eux, vous le briserez ; son contenu en est impur.
Lev 11:34 Of all meat which may be eaten, that on which such water cometh shall be unclean: and all drink that may be drunk in every such vessel shall be unclean. Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin' ny fanaka inona na tamin' ny fanaka inona. Haloto ny zava-pihinana rehetra nandrahoina tamin' ny rano, haloto ny zava-pisotro izay isotroana na inona tavy misy azy. Toute nourriture dont on mange sera impure, même humectée d' eau ; tout breuvage dont on boit sera impur, quel qu' en soit le récipient.
Lev 11:35 And every thing whereupon any part of their carcase falleth shall be unclean; whether it be oven, or ranges for pots, they shall be broken down: for they are unclean and shall be unclean unto you. Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan' ny fatin' ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo. Haloto avokoa ny fanaka ilatsahan-javatra avy amin' ny fatin' ireny, ka ravàna ny lafaoro mbamin' ny vilany aman-tsarony, fa haloto izy, ka hataonareo ho zava-maloto. Tout ce sur quoi tombe l' un de leurs cadavres sera impur ; four et fourneau seront détruits car impurs ils sont et impurs ils seront pour vous
Lev 11:36 Nevertheless a fountain or pit, wherein there is plenty of water, shall be clean: but that which toucheth their carcase shall be unclean. Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto. Ny loharano anefa mbamin' ny lavaka fantsakana izay fiangonan-drano, dia hitoetra ho madio ihany, fa izay mikasika ny fatin-javatra no haloto. toutefois sources, citernes et étendues d' eau resteront pures ; quiconque touche à l' un de leurs cadavres sera impur.
Lev 11:37 And if any part of their carcase fall upon any sowing seed which is to be sown, it shall be clean. Ary raha misy fatin' ireo latsaka amin' ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany. Raha voa hafafy no ilatsahan-javatra avy amin' ny fatin' ireny, dia hitoetra ho madio ihany; Si l' un de leurs cadavres tombe sur une semence quelconque, elle restera pure,
Lev 11:38 But if any water be put upon the seed, and any part of their carcase fall thereon, it shall be unclean unto you. Fa raha misy voan-javatra nalona tamin' ny rano ka ilatsahan' ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany. raha nasian-drano anefa ny voa hafafy, no nianjeran-javatra avy amin' ny fatin' ireny, dia hataonareo ho zava-maloto. mais si la graine a été humectée d' eau et si un de leurs cadavres tombe dessus, vous la tiendrez pour impure.
Lev 11:39 And if any beast, of which ye may eat, die; he that toucheth the carcase thereof shall be unclean until the even. Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan' ny andro izay mikasika ny fatiny. Raha biby azonareo hanin-kena no maty, izay mikasika ny fatiny haloto mandra-paharivan' ny andro, Si vient à périr un des animaux qui vous servent de nourriture, celui qui en touchera le cadavre sera impur jusqu' au soir,
Lev 11:40 And he that eateth of the carcase of it shall wash his clothes, and be unclean until the even: he also that beareth the carcase of it shall wash his clothes, and be unclean until the even. Ary izay mihinana amin' ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan' ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan' ny andro ary izay mihinana ny fatiny, hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro; izay hitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sy haloto mandra-paharivan' ny andro. celui qui mangera de sa chair morte devra nettoyer ses vêtements et sera impur jusqu' au soir, celui qui transportera son cadavre devra nettoyer ses vêtements et sera impur jusqu' au soir.
Lev 11:41 And every creeping thing that creepeth upon the earth shall be an abomination; it shall not be eaten. Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. Ny biby rehetra mandady amin' ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina. Toute bestiole qui grouille sur terre est immonde, on n' en mangera pas.
Lev 11:42 Whatsoever goeth upon the belly, and whatsoever goeth upon all four, or whatsoever hath more feet among all creeping things that creep upon the earth, them ye shall not eat; for they are an abomination. Izay rehetra mandady amin' ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny. Aza misy haninareo rahefa mety ho biby mandady amin' ny tany, na ireo mikisaka amin' ny kibony, na ireo mandia tongotr' efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo. Tout ce qui se traîne sur le ventre, tout ce qui marche sur quatre pattes ou plus, bref toutes les bestioles qui grouillent sur terre, vous n' en mangerez pas car elles sont immondes.
Lev 11:43 Ye shall not make yourselves abominable with any creeping thing that creepeth, neither shall ye make yourselves unclean with them, that ye should be defiled thereby. Aza mametaveta ny tenanareo amin' izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany. Aza mametaveta ny tenanareo amin' ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin' ireny fa hahazo loto avy amin' ireny hianareo. Ne vous rendez pas vous-mêmes immondes avec toutes ces bestioles grouillantes, ne vous contaminez pas avec elles et ne soyez pas contaminés par elles.
Lev 11:44 For I am the Lord your God: ye shall therefore sanctify yourselves, and ye shall be holy; for I am holy: neither shall ye defile yourselves with any manner of creeping thing that creepeth upon the earth. Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasina ny tenanareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin' izay zavatra mandady na mikisaka amin' ny tany. Fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo, ka hanamasina ny tenanareo hianareo dia ho masina satria masina aho; aza mandoto ny tenanareo amin' izay biby rehetra mandady amin' ny tany. Car c' est moi, Yahvé, qui suis votre Dieu. Vous vous êtes sanctifiés et vous êtes devenus saints car je suis saint ; ne vous rendez donc pas impurs avec toutes ces bestioles qui rampent sur terre.
Lev 11:45 For I am the Lord that bringeth you up out of the land of Egypt, to be your God: ye shall therefore be holy, for I am holy. Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masina ianareo, satria masina Aho. Fa izaho no Iaveh nampiakatra anareo avy any amin' ny tany Ejipta, mba ho Andriamanitrareo. Aoka ho masina hianareo, satria masina aho. Oui, c' est moi Yahvé qui vous ai fait monter du pays d'Égypte pour être votre Dieu : vous serez donc saints parce que je suis saint.
Lev 11:46 This is the law of the beasts, and of the fowl, and of every living creature that moveth in the waters, and of every creature that creepeth upon the earth: Izany no lalàna ny amin' ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan' aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan' aina rehetra izay mandady na mikisaka amin' ny tany, Izany no lalàna momba ny biby mandia tongotr' efatra, ny vorona, ny zava-miaina rehetra mihetsiketsika ao anaty rano, ary izay rehetra mandady amin' ny tany, Telle est la loi concernant les animaux, les oiseaux, tout être vivant qui se meut dans l' eau et tout être qui rampe sur terre.
Lev 11:47 To make a difference between the unclean and the clean, and between the beast that may be eaten and the beast that may not be eaten. mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana. mba hanavahanareo izay maloto sy izay madio ary ny biby fihinana sy izay tsy fihinana. Elle a pour but de séparer le pur et l' impur, les bêtes que l' on peut manger et celles que l' on ne doit pas manger.

<-
->