<-
->

Lev 14:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 14:2 This shall be the law of the leper in the day of his cleansing: He shall be brought unto the priest: Izao no lalàna ny amin' ny boka amin' ny andro fanavotana azy: ho entina any amin' ny mpisorona izy; Izao no lalàna momba ny boka, amin' ny andro hidiovany: Voici la loi à appliquer au lépreux le jour de sa purification. On le conduira au prêtre,
Lev 14:3 And the priest shall go forth out of the camp; and the priest shall look, and, behold, if the plague of leprosy be healed in the leper; dia hivoaka eny ivelan' ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin' ny habokany ny boka, Hoentina ho ao amin' ny mpisorona izy, dia hivoaka ny toby ny mpisorona hizaha azy. Ka raha sitrana ny ferin' ny habokàn' ilay boka, et le prêtre sortira du camp. S' il constate, après examen, que le lépreux est guéri de sa lèpre,
Lev 14:4 Then shall the priest command to take for him that is to be cleansed two birds alive and clean, and cedar wood, and scarlet, and hyssop: dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain' ny mpisorona ho an' ilay hodiovina; dia hodidian' ny mpisorona halaina ho an' ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedra, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa. il ordonnera de prendre pour l' homme à purifier deux oiseaux vivants et purs, du bois de cèdre, du rouge de cochenille et de l' hysope.
Lev 14:5 And the priest shall command that one of the birds be killed in an earthen vessel over running water: Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin' ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin' ny rano mandeha; Ny iray amin' ireo vorona no hasain' ny mpisorona hovonoina eo ambony vilany tany misy rano avy amin' ny rano velona; Il ordonnera ensuite d' immoler un oiseau sur un pot d' argile au-dessus d' une eau vive.
Lev 14:6 As for the living bird, he shall take it, and the cedar wood, and the scarlet, and the hyssop, and shall dip them and the living bird in the blood of the bird that was killed over the running water: Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin' ny vorona velona eo amin' ny ran' ny vorona izay novonoina teo ambonin' ny rano nalaina tamin' ny rano mandeha. vao halainy ilay vorona sisa velona, ny hazo sedra, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa, hatsobony mbamin' ny vorona velona ao amin' ny ràn' ilay vorona novonoina, eo ambonin' ny rano velona, Quant à l' oiseau encore vivant, il le prendra ainsi que le bois de cèdre, le rouge de cochenille, l' hysope, et il plongera le tout y compris l' oiseau vivant dans le sang de l' oiseau immolé au-dessus de l' eau courante.
Lev 14:7 And he shall sprinkle upon him that is to be cleansed from the leprosy seven times, and shall pronounce him clean, and shall let the living bird loose into the open field. Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin' ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona. ka fafazany amin' izany impito ilay hodiovina amin' ny habokàny, dia holazainy hoe madio izy, ary halefany ho any an-tsaha ilay vorona velona. Il fera alors sept aspersions sur l' homme à purifier de la lèpre et, l' ayant déclaré pur, il lâchera l' oiseau vivant dans la campagne.
Lev 14:8 And he that is to be cleansed shall wash his clothes, and shave off all his hair, and wash himself in water, that he may be clean: and after that he shall come into the camp, and shall tarry abroad out of his tent seven days. Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin' ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan' ny lainy hafitoana. Izay midio hanasa ny fitafiany, hanaratra ny volon-kodiny rehetra ary handro amin' ny rano, dia hadio izy, ka hahazo miditra ao an-toby, nefa mbola hijanona eo ivelan' ny lainy hafitoana. Celui qui se purifie nettoiera ses vêtements, il se rasera tous les poils, il se lavera à l' eau et sera pur. Après quoi il rentrera au camp, mais il restera sept jours hors de sa tente.
Lev 14:9 But it shall be on the seventh day, that he shall shave all his hair off his head and his beard and his eyebrows, even all his hair he shall shave off: and he shall wash his clothes, also he shall wash his flesh in water, and he shall be clean. Ary amin' ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin' ny rano, dia hadio izy. Amin' ny andro fahafito hoharatany avokoa ny volon-kodiny rehetra, ny volon-dohany, ny volom-bavany, ny manja-masony, hoharatany ny volon-kodiny rehetra; ary hosasany ny fitafiany, hampandroiny amin' ny rano ny tenany, dia hadio izy. Le septième jour il se rasera tous les poils : cheveux, barbe, sourcils ; il devra se raser tous les poils. Après avoir nettoyé ses vêtements et s'être lavé à l' eau, il sera pur.
Lev 14:10 And on the eighth day he shall take two he lambs without blemish, and one ewe lamb of the first year without blemish, and three tenth deals of fine flour for a meat offering, mingled with oil, and one log of oil. Ary amin' ny andro fahavalo dia haka zanak' ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak' ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga. Amin' ny andro fahatelo izy hitondra zanak' ondry tsy misy kilema roa, ondrivavy vao iray taona, tsy misy kilema, iray, lafarina tsara indrindra telo ampahafolon' ny efah, voadity tamin' ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga. Le huitième jour il prendra deux agneaux sans défaut, une agnelle d' un an sans défaut, trois dixièmes de fleur de farine pétrie à l' huile, pour l' oblation, et une pinte d' huile.
Lev 14:11 And the priest that maketh him clean shall present the man that is to be made clean, and those things, before the Lord, at the door of the tabernacle of the congregation: Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan' i Jehovah, eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana; Izay mpisorona manao ny fanadiovana hanolotra an' izay olona midio, mbamin' ireo zavatra rehetra ireo eo anatrehan' ny Tompo, anoloan' ny trano lay fihaonana. Le prêtre qui accomplit la purification placera l' homme à purifier, ainsi que ses offrandes, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous, devant Yahvé.
Lev 14:12 And the priest shall take one he lamb, and offer him for a trespass offering, and the log of oil, and wave them for a wave offering before the Lord: dia haka ny zanak' ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin' ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah. Halain' ny mpisorona ny iray amin' ireo zanak' ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin' ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' ny Tompo. Puis il prendra l' un des agneaux. Il l' offrira en sacrifice de réparation ainsi que la pinte d' huile. Il fera avec eux le geste de présentation devant Yahvé.
Lev 14:13 And he shall slay the lamb in the place where he shall kill the sin offering and the burnt offering, in the holy place: for as the sin offering is the priest' s, so is the trespass offering: it is most holy: Ary hamono ny zanak' ondrilahy eo amin' ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin' ny fitoerana masina; fa ho an' ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masina dia masina izany. Eo amin' ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak' ondry, dia eo amin' ny fitoerana masina; fa amin' ny sorona fanonerana, dia an' ny mpisorona, toy ny amin' ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany. Il immolera l' agneau à l' endroit du lieu saint où l' on immole les victimes du sacrifice pour le péché et de l' holocauste. Cette victime de réparation reviendra au prêtre comme un sacrifice pour le péché, c' est une chose très sainte.
Lev 14:14 And the priest shall take some of the blood of the trespass offering, and the priest shall put it upon the tip of the right ear of him that is to be cleansed, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot: Dia hangalan' ny mpisorona ny ran' ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, Hangalan' ny mpisorona ny ràn' ny sorona fanonerana, dia hanentenany an' ilay midio amin' ny tendron' ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. Le prêtre prendra du sang de ce sacrifice. Il le mettra sur le lobe de l' oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit.
Lev 14:15 And the priest shall take some of the log of oil, and pour it into the palm of his own left hand: ary ny diloilo iray loga dia hangalan' ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia; Dia halain' ny mpisorona ny diloilo iray loga, ka haidiny amin' ny felatànany havia. Il prendra ensuite la pinte d' huile et en versera un peu dans le creux de sa main gauche.
Lev 14:16 And the priest shall dip his right finger in the oil that is in his left hand, and shall sprinkle of the oil with his finger seven times before the Lord: dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin' ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan' i Jehovah. Hatsoboky ny mpisorona amin' ny diloilo izay eo am-pelatànany havia, ny rantsan-tànany ankavanana, hanaovany famafàzana impito eo anatrehan' ny Tompo amin' ny rantsan-tànany. Il trempera un doigt de sa main droite dans l' huile qui est au creux de sa main gauche et de cette huile il fera avec son doigt sept aspersions devant Yahvé.
Lev 14:17 And of the rest of the oil that is in his hand shall the priest put upon the tip of the right ear of him that is to be cleansed, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot, upon the blood of the trespass offering: ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan' ny mpisorona ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin' ilay nasiana ny ran' ny fanati-panonerana; Ary ny diloilo sisa eo an-tànany, dia hatentiny an' ilay midio amin' ny tendron' ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tànany havanana ary ny ankiben-togony havanana, dia eo ambonin' ny ràn' ny sorona fanonerana. Puis il mettra un peu de l' huile qui lui reste dans le creux de la main sur le lobe de l' oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit, en plus du sang du sacrifice de réparation.
Lev 14:18 And the remnant of the oil that is in the priest' s hand he shall pour upon the head of him that is to be cleansed: and the priest shall make an atonement for him before the Lord. ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan' ny mpisorona dia hataony amin' ny lohan' ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan' i Jehovah ny mpisorona. Izay diloilo sisa mbola eo an-tànany kosa, dia hataony amin' ny lohan' ilay midio, ary hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan' ny Tompo, ny mpisorona. Le reste d' huile qu' il a dans le creux de la main, il le mettra sur la tête de celui qui se purifie. Il aura fait ainsi sur lui le rite d' expiation devant Yahvé.
Lev 14:19 And the priest shall offer the sin offering, and make an atonement for him that is to be cleansed from his uncleanness; and afterward he shall kill the burnt offering: Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an' ilay hodiovina hahafahany amin' ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy; Rahefa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an' ilay midio ho afaka amin' ny lotony. Le prêtre fera alors le sacrifice pour le péché et accomplira sur celui qui se purifie le rite d' expiation de son impureté. Après quoi il immolera l' holocauste,
Lev 14:20 And the priest shall offer the burnt offering and the meat offering upon the altar: and the priest shall make an atonement for him, and he shall be clean. ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin' ny alitara ka hanao fanavotana ho an' ilay olona hodiovina, dia hadio izy. Dia hovonoiny ny sorona dorana, hatolony eo ambonin' ny otely miaraka amin' ny fanatitra, ka hanao ny fanonerana ho an' izany olona izany izy, dia hadio ilay olona. il fera monter à l' autel holocauste et oblation. Quand le prêtre aura ainsi accompli sur cet homme le rite d' expiation, il sera pur.
Lev 14:21 And if he be poor, and cannot get so much; then he shall take one lamb for a trespass offering to be waved, to make an atonement for him, and one tenth deal of fine flour mingled with oil for a meat offering, and a log of oil; Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak' ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga Raha mahantra izy, ka tsy ampy ny fananany, dia haka zanak' ondry iray monja ihany izy, hatolotra ho sorona fanonerana, fanatitra ahevaheva, hanaovana ny fanonerana ho azy. Haka lafarina tsara indrindra izy, ampahafolon' ny efah ihany voadity amin' ny diloilo, hatao fanatitra, ary diloilo iray loga, S' il est pauvre et dépourvu des ressources suffisantes, il prendra un seul agneau, celui du sacrifice de réparation, et on l' offrira selon le geste de présentation pour accomplir sur cet homme le rite d' expiation. Il ne prendra aussi qu' un dixième de fleur de farine pétrie à l' huile, pour l' oblation, et la pinte d' huile,
Lev 14:22 And two turtledoves, or two young pigeons, such as he is able to get; and the one shall be a sin offering, and the other a burnt offering. ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana. mbamin' ny domohina roa, na vanto-boromailala roa, araka izay azony atao, ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana. enfin deux tourterelles ou deux pigeons - s' il est en mesure de se les procurer - dont l' un sera destiné au sacrifice pour le péché et l' autre à l' holocauste.
Lev 14:23 And he shall bring them on the eighth day for his cleansing unto the priest, unto the door of the tabernacle of the congregation, before the Lord. Dia ho eniny any amin' ny mpisorona ireo amin' ny andro fahavalon' ny fanadiovana azy, ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana eo anatrehan' i Jehovah. Hoentiny ho eo amin' ny mpisorona ireo ho fidiovany, amin' ny andro fahavalo, dia eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana, eo anatrehan' ny Tompo. C' est le huitième jour qu' en vue de sa purification il les apportera au prêtre, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous, devant Yahvé.
Lev 14:24 And the priest shall take the lamb of the trespass offering, and the log of oil, and the priest shall wave them for a wave offering before the Lord: Dia horaisin' ny mpisorona ny zanak' ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah. Dia horaisin' ny mpisorona ny zanak' ondry hatao sorona fanonerana sy ny diloilo iray loga, ka hahevahevany eo anatrehan' ny Tompo. Le prêtre prendra l' agneau du sacrifice de réparation et la pinte d' huile. Il les offrira en geste de présentation devant Yahvé.
Lev 14:25 And he shall kill the lamb of the trespass offering, and the priest shall take some of the blood of the trespass offering, and put it upon the tip of the right ear of him that is to be cleansed, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot: Dia hovonoina ny zanak' ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan' ny mpisorona ny ran' ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; Ary rahefa avy namono ny zanak' ondry hatao sorona fanonerana ny mpisorona, dia hangalany ny rà avy amin' ny sorona fanonerana, hatentiny an' ilay midio eo amin' ny tendron' ny ravin-tsofiny havanana sy ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. Puis, ayant immolé cet agneau du sacrifice de réparation, il en prendra du sang et le mettra sur le lobe de l' oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit.
Lev 14:26 And the priest shall pour of the oil into the palm of his own left hand: ary hangalan' ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia; Rahefa izany dia haidin' ny mpisorona eo am-pelatànany havia ny diloilo. Il versera de l' huile dans le creux de sa main gauche
Lev 14:27 And the priest shall sprinkle with his right finger some of the oil that is in his left hand seven times before the Lord: dia hangalan' ny mpisorona amin' ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan' i Jehovah; Ny rantsan-tànany havanana no hanaovan' ny mpisorona ny famafazana impito amin' ny diloilo izay eo an-tànany ankavia, eo anatrehan' ny Tompo. et, de cette huile qui est dans le creux de sa main gauche, il fera avec son doigt sept aspersions devant Yahvé.
Lev 14:28 And the priest shall put of the oil that is in his hand upon the tip of the right ear of him that is to be cleansed, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot, upon the place of the blood of the trespass offering: dia hotentenan' ny mpisorona amin' ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron' ny ravin-tsofina ankavanan' ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin' ilay nasiana ny ran' ny fanati-panonerana; Hotentenan' ny mpisorona amin' ny diloilo eo an-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, amin' izay nasiany ny ràn' ny zavatra natao sorona fanonerana. Il en mettra sur le lobe de l' oreille droite de celui qui se purifie, sur le pouce de sa main droite, sur le gros orteil de son pied droit, à l' endroit où a été posé le sang du sacrifice de réparation.
Lev 14:29 And the rest of the oil that is in the priest' s hand he shall put upon the head of him that is to be cleansed, to make an atonement for him before the Lord. ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan' ny mpisorona dia hataony amin' ny lohan' ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan' i Jehovah. Ilay diloilo sisa eo an-tànany, dia hataon' ny mpisorona amin' ny lohan' ilay midio, hanaovana ny fanonerana ho azy, eo anatrehan' ny Tompo. Ce qui lui reste d' huile dans le creux de la main, il le mettra sur la tête de celui qui se purifie en faisant sur lui le rite d' expiation devant Yahvé.
Lev 14:30 And he shall offer the one of the turtledoves, or of the young pigeons, such as he can get; Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany, Rahefa izany, dia hatolony ny iray amin' ny domohina na ny iray amin' ny vanto-boromailala, izay azony novonoina, De l' une des deux tourterelles ou de l' un des deux pigeons - de ce qu' il est en mesure de se procurer - il fera
Lev 14:31 Even such as he is able to get, the one for a sin offering, and the other for a burnt offering, with the meat offering: and the priest shall make an atonement for him that is to be cleansed before the Lord. dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin' ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an' ilay hodiovina eo anatrehan' i Jehovah. ny iray ho sorona noho ny ota, ny iray ho sorona dorana, ombam-panatitra. Toy izany no hanaovan' ny mpisorona ny fanonerana ho an' izay midio, eo anatrehan' ny Tompo. un sacrifice pour le péché et, de l' autre, un holocauste accompagné d' oblation - avec ce qu' il aura été en mesure de se procurer. Le prêtre aura fait ainsi le rite d' expiation devant Yahvé sur celui qui se purifie.
Lev 14:32 This is the law of him in whom is the plague of leprosy, whose hand is not able to get that which pertaineth to his cleansing. Izany no lalàna ny amin' ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy. Izany no lalàna momba ny fidiovan' izay nanana fery habokàna ka tsy ampiampy fananana. Telle est la loi concernant celui qui est atteint de lèpre sans être à même de pourvoir à sa purification.
Lev 14:33 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron et dit :
Lev 14:34 When ye be come into the land of Canaan, which I give to you for a possession, and I put the plague of leprosy in a house of the land of your possession; Rehefa tonga any amin' ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin' ny tany fanananareo, Rahefa tafiditra any amin' ny tany Kanaana izay omeko anareo ho fanananareo, raha hasiako fery habokàna ny trano anankiray amin' ny tany hanananareo, Lorsque vous serez arrivés au pays de Canaan que je vous donne pour domaine, si je frappe de la lèpre une maison du pays que vous posséderez,
Lev 14:35 And he that owneth the house shall come and tell the priest, saying, It seemeth to me there is as it were a plague in the house: dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin' ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin' ny tranoko. dia handeha hilaza izany amin' ny mpisorona, ny tompon' ilay trano, hanao hoe: Hitako misy tahaka ny fery habokàna ao amin' ny tranoko. son propriétaire viendra avertir le prêtre et dira : " J' ai vu comme de la lèpre dans la maison. "
Lev 14:36 Then the priest shall command that they empty the house, before the priest go into it to see the plague, that all that is in the house be not made unclean: and afterward the priest shall go in to see the house: Dia hasain' ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan' ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano; Alohan' ny hidiran' ny mpisorona ao hizaha ilay fery dia hasainy foanana aloha ny trano mba tsy haloto izay zavatra rehetra ao, vao hiditra hizaha ny trano izy. Le prêtre ordonnera de vider la maison avant qu' il ne vienne examiner le mal ; ainsi rien ne deviendra impur de ce qui s' y trouve. Après quoi le prêtre viendra observer la maison,
Lev 14:37 And he shall look on the plague, and, behold, if the plague be in the walls of the house with hollow strakes, greenish or reddish, which in sight are lower than the wall; ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin' ny rindrin' ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin' ny rindrin-trano no fijeriny azy, Dia hozahan' ny mpisorona ilay fery, ka raha hitany fa misy lavaka maitsomaitso na menamena izay toa tafalentika amin' ny rindrina, ao amin' ny fery, eo amin' ny rindrin-trano, et si, après examen, il constate sur les murs de la maison des cavités verdâtres ou rougeâtres qui font creux dans le mur,
Lev 14:38 Then the priest shall go out of the house to the door of the house, and shut up the house seven days: dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana. dia hivoaka ny trano ny mpisorona hatreo am-baravarana ka hasainy hohidiana ny trano, mandritra ny hafitoana. le prêtre sortira de la maison, à la porte, et il la fera fermer sept jours.
Lev 14:39 And the priest shall come again the seventh day, and shall look: and, behold, if the plague be spread in the walls of the house; Ary hiverina ny mpisorona amin' ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin' ny rindrin' ny trano izy, Amin' ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin' ny rindrin-trano ny fery: Il reviendra le septième jour et si, après examen, il constate que le mal s' est développé sur les murs de la maison,
Lev 14:40 Then the priest shall command that they take away the stones in which the plague is, and they shall cast them into an unclean place without the city: dia hasain' ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin' izay fitoerana maloto eo ivelan' ny tanàna; ny vato voan' ny fery hasainy hesorina hariana any ivelan' ny tanàna, amin' ny toerana maloto; il ordonnera que l' on retire les pierres attaquées par le mal et qu' on les jette hors de la ville en un lieu impur.
Lev 14:41 And he shall cause the house to be scraped within round about, and they shall pour out the dust that they scrape off without the city into an unclean place: dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian' ny olona amin' izay fitoerana maloto eny ivelan' ny tanàna. ny ati-trano manontolo hasainy kikisana, hariana any ivelan' ny tanàna amin' ny toerana maloto ny vovoka rehetra voakiky; Puis il fera gratter toutes les parois intérieures de la maison et l' on répandra le crépi ainsi détaché dans un lieu impur à l' extérieur de la ville.
Lev 14:42 And they shall take other stones, and put them in the place of those stones; and he shall take other morter, and shall plaister the house. Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano. ary ny vato hafa no halaina hasolo ilay teo, ary feta hafa no halaina handalorana ny trano indray. On prendra d' autres pierres pour remplacer les premières et un autre enduit pour recrépir la maison.
Lev 14:43 And if the plague come again, and break out in the house, after that he hath taken away the stones, and after he hath scraped the house, and after it is plaistered; Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin' ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano, Raha mipoitra ao amin' ny trano indray ny fery aty aorian' ny nanesorana ny vato sy nikikisana amana nandalorana ny trano, dia hiverina hizaha azy indray ny mpisorona; Si le mal prolifère à nouveau après l' enlèvement des pierres, le décapage et le crépissage de la maison,
Lev 14:44 Then the priest shall come and look, and, behold, if the plague be spread in the house, it is a fretting leprosy in the house; it is unclean. ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin' ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin' ny trano izany, ka dia maloto izy. ka raha nanitatra ao amin' ny trano ny fery dia habokàna ratsy amin' ny trano izany, ka maloto izy. le prêtre viendra l' examiner ; s' il constate que le mal s' est développé, c' est une lèpre contagieuse dans la maison ; celle-ci est impure.
Lev 14:45 And he shall break down the house, the stones of it, and the timber thereof, and all the morter of the house; and he shall carry them forth out of the city into an unclean place. Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin' izay fitoerana maloto eny ivelan' ny tanàna. Horavana ny trano, ny vato, ny hazo, ny lalotra rehetra amin' ny trano, dia hoentina any ivelan' ny tanàna avokoa, amin' ny toerana maloto, izany rehetra izany. On la démolira, on portera dans un lieu impur, hors de la ville, ses pierres, ses charpentes et tout son crépi.
Lev 14:46 Moreover he that goeth into the house all the while that it is shut up shall be unclean until the even. Ary izay miditra ao amin' izany trano izany amin' ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan' ny andro; Izay niditra tao an-trano mandritra ny fotoana nilazana azy hoe mihidy, dia haloto mandra-paharivan' ny andro. Quiconque entrera dans la maison, pendant tout le temps qu' on la tient fermée, sera impur jusqu' au soir.
Lev 14:47 And he that lieth in the house shall wash his clothes; and he that eateth in the house shall wash his clothes. ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa. Izay nandry tao an-trano hanasa ny fitafiany, izay nihinana tao an-trano hanasa ny fitafiany. Quiconque y couchera devra nettoyer ses vêtements. Quiconque y mangera devra nettoyer ses vêtements.
Lev 14:48 And if the priest shall come in, and look upon it, and, behold, the plague hath not spread in the house, after the house was plaistered: then the priest shall pronounce the house clean, because the plague is healed. Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin' ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon' ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina. Nefa raha hitan' ny mpisorona nony efa niverina tao an-trano izy, fa tsy nanitatra ilay fery taorian' ny nandalorana ny trano, dia holazainy fa madio ny trano, satria sitrana ny fery. Mais si le prêtre, lorsqu' il vient examiner le mal, constate qu' il ne s' est pas développé dans la maison après le crépissage, il déclarera pure la maison, car le mal est guéri.
Lev 14:49 And he shall take to cleanse the house two birds, and cedar wood, and scarlet, and hyssop: Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano. Ka izao no halainy ho fanadiovana ny trano: vorona roa, hazo sedra, lamba mena antitra ary hisopa. En vue d' un sacrifice pour le péché de la maison, il prendra deux oiseaux, du bois de cèdre, du rouge de cochenille et de l' hysope.
Lev 14:50 And he shall kill the one of the birds in an earthen vessel over running water: Dia hovonoiny eo ambonin' ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin' ny rano mandeha ny vorona anankiray; Dia hovonoiny eo ambony vilany tany, ambony rano velona, ny vorona iray. Il immolera un des oiseaux sur un pot d' argile au-dessus d' une eau courante.
Lev 14:51 And he shall take the cedar wood, and the hyssop, and the scarlet, and the living bird, and dip them in the blood of the slain bird, and in the running water, and sprinkle the house seven times: dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin' ny ran' ny vorona izay novonoina sy eo amin' ny rano nalaina tamin' ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito. Ary halainy ny hazo sedra sy ny hisopa, mbamin' ny lamba mena antitra, sy ny vorona mbola velona, hatsobony ao anatin' ny ran' ilay vorona novonoina sy ao anatin' ny rano velona ka amafazany ny trano impito. Puis il prendra le bois de cèdre, l' hysope, le rouge de cochenille et l' oiseau encore vivant, pour les plonger dans le sang de l' oiseau immolé et dans l' eau courante. Il fera sept aspersions sur la maison
Lev 14:52 And he shall cleanse the house with the blood of the bird, and with the running water, and with the living bird, and with the cedar wood, and with the hyssop, and with the scarlet: Dia hanadio ny trano amin' ny ran' ny vorona izy sy amin' ny rano nalaina tamin' ny rano mandeha sy amin' ny vorona velona sy amin' ny hazo sedera sy amin' ny hysopa ary amin' ny jaky. Dia handiovany ny trano ny ràn' ilay vorona, ny rano velona, ny vorona velona, ny hazo sedra, ny hisopa, ny lamba mena antitra; et, après avoir fait le sacrifice pour le péché de la maison par le sang de l' oiseau, l' eau courante, l' oiseau vivant, le bois de cèdre, l' hysope et le rouge de cochenille,
Lev 14:53 But he shall let go the living bird out of the city into the open fields, and make an atonement for the house: and it shall be clean. Fa hasainy ho entina eny ivelan' ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an' ny trano izy, ka dia hadio izany. ary halefany ho any ivelan-tanàna any an-tsaha ilay vorona velona. Toy izany no hanaovany ny fanonerana ho an' ny trano, dia hadio izy. il lâchera l' oiseau vivant hors de la ville, dans la campagne. Le rite d' expiation ainsi fait sur la maison, elle sera pure.
Lev 14:54 This is the law for all manner of plague of leprosy, and scall, Izany no lalàna ny amin' ny habokana rehetra sy ny kongonina, Izany no lalàna momba ny fery habokàna, sy ny kimavo, Telle est la loi concernant tous cas de lèpre et de teigne,
Lev 14:55 And for the leprosy of a garment, and of a house, ary amin' ny habokana amin' ny fitafiana sy amin' ny trano, ny habokàna amin' ny fitafiana sy ny trano, la lèpre des vêtements et des maisons,
Lev 14:56 And for a rising, and for a scab, and for a bright spot: ary ny amin' ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana, ny mamontsina, ny anakandro, ary ny hodi-potsy. les tumeurs, dartres et taches.
Lev 14:57 To teach when it is unclean, and when it is clean: this is the law of leprosy. hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin' ny habokana. Izany no hahalalana na maloto na madio ny zavatra anankiray. Izany no lalàna momba ny habokàna. Elle fixe les temps d' impureté et de pureté. Telle est la loi sur la lèpre.

<-
->