<-
->

Nom / Fan 1:1 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the tabernacle of the congregation, on the first day of the second month, in the second year after they were come out of the land of Egypt, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay, tao amin' ny trano-lay fihaonana tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa, tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanao hoe: Tany an' efitra Sinaia, tao amin' ny trano lay fihaonana, tamin' ny andro voalohan' ny volana faharoa, taona faharoa taorian' ny nivoahana tany amin' ny tany Ejipta, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, au désert du Sinaï, dans la Tente du Rendez-vous, le premier jour du second mois, la deuxième année après la sortie du pays d'Égypte. Il dit :
Nom / Fan 1:2 Take ye the sum of all the congregation of the children of Israel, after their families, by the house of their fathers, with the number of their names, every male by their polls; Alao isa ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, ary araka ny anarany tsirairay, Alao isa ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ka ny anaran' ny lehilahy rehetra isam-batan' olona no hisaina tsirairay avy, " Faites le recensement de toute la communauté des Israélites, par clans et par familles, en comptant les noms de tous les mâles, tête par tête.
Nom / Fan 1:3 From twenty years old and upward, all that are able to go forth to war in Israel: thou and Aaron shall number them by their armies. dia ny lehilahy rehetra amin' ny Isiraely hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo alefa hanafika; handamina azy araka ny antokony avy ianao sy Arona. hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, dia ny lehilahy rehetra amin' Israely izay mahatam-piadiana. Hianao sy Aarona no hanisa azy araka ny isan-tokony avy; Tous ceux d' Israël qui ont vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne, vous les enregistrerez, toi et Aaron, selon leurs formations au combat.
Nom / Fan 1:4 And with you there shall be a man of every tribe; every one head of the house of his fathers. Ary aoka hisy lehilahy iray avy isam-pirenena ho namanareo, dia izay samy lohan' ny fianakaviany avy. ary lehilahy iray avy amin' ny isam-pokony, izay filohan' ny fokom-pianakaviany avy, no hiaraka aminareo. Il vous sera adjoint un homme par tribu, un chef de famille.
Nom / Fan 1:5 And these are the names of the men that shall stand with you: of the tribe of Reuben; Elizur the son of Shedeur. Ary izao no anaran' ireo lehilahy ho namanareo ireo: Ny avy amin' i Robena dia Elizora, zanak' i Sedeora; Ireto no anaran' ny lehilahy hiaraka aminareo: Ny amin' i Robena: Elisora zanak' i Sedeora; " Voici les noms de ceux qui vous assisteront : Pour Ruben, Éliçur, fils de Shedéur.
Nom / Fan 1:6 Of Simeon; Shelumiel the son of Zurishaddai. ny avy amin' i Simeona dia Selomiela, zanak' i Zorisaday; ny amin' i Simeona: Salamiela zanak' i Sorisadaia; Pour Siméon, Shelumiel, fils de Çurishaddaï.
Nom / Fan 1:7 Of Judah; Nahshon the son of Amminadab. ny avy amin' i Joda dia Nasona, zanak' i Aminadaba; ny amin' i Jodà: Nahasona zanak' i Aminadaba; Pour Juda, Nahshôn, fils d' Amminadab.
Nom / Fan 1:8 Of Issachar; Nethaneel the son of Zuar. ny avy amin' Isakara dia Netanela, zanak' i Zoara; ny amin' Isakara: Natanaela zanak' i Soara; Pour Issachar, Netanéel, fils de Çuar.
Nom / Fan 1:9 Of Zebulun; Eliab the son of Helon. ny avy amin' i Zebolona dia Eliaba, zanak' i Helona; ny amin' i Zabolona: Eliaba zanak' i Helona; Pour Zabulon, Éliab, fils de Hélôn.
Nom / Fan 1:10 Of the children of Joseph: of Ephraim; Elishama the son of Ammihud: of Manasseh; Gamaliel the son of Pedahzur. ny avy amin' ny zanak' i Josefa dia Elisama, zanak' i Amihoda, avy amin' i Efraima, ary Gamaliela, zanak' i Pedazora, avy amin' i Manase kosa; ny amin' ny terak' i Josefa: ny amin' i Efraima: Elisamà zanak' i Amioda; ny amin' i Manase: Gamaliela zanak' i Fadasora: Pour les fils de Joseph : pour Éphraïm, Élishama, fils d' Ammihud ; pour Manassé, Gamliel, fils de Pedahçur.
Nom / Fan 1:11 Of Benjamin; Abidan the son of Gideoni. ny avy amin' i Benjamina dia Abidana, zanak' i Gideony; ny amin' i Benjamina: Abidana zanak' i Jedeona; Pour Benjamin, Abidân, fils de Gidéoni.
Nom / Fan 1:12 Of Dan; Ahiezer the son of Ammishaddai. ny avy amin' i Dana dia Ahiezera, zanak' i Amisaday; ny amin' i Dana: Ahiesera zanak' i Amisadaia; Pour Dan, Ahiézer, fils d' Ammishaddaï.
Nom / Fan 1:13 Of Asher; Pagiel the son of Ocran. ny avy amin' i Asera dia Fagiela, zanak' i Okrana; ny amin' i Azera: Fegiela zanak' i Okrana; Pour Asher, Pagiel, fils d' Okrân.
Nom / Fan 1:14 Of Gad; Eliasaph the son of Deuel. ny avy amin' i Gada dia Eliasafa, zanak' i Doela; ny amin' i Gada: Eliasafa zanak' i Doela; Pour Gad, Élyasaph, fils de Réuel.
Nom / Fan 1:15 Of Naphtali; Ahira the son of Enan. ny avy amin' i Naftaly dia Ahira, zanak' i Enana. ny amin' i Neftalì: Ahira zanak' i Enana. Pour Nephtali, Ahira, fils d'Énân. "
Nom / Fan 1:16 These were the renowned of the congregation, princes of the tribes of their fathers, heads of thousands in Israel. Ireo no voafidin' ny fiangonana, dia samy lohan' ny fireneny avy sady mpifehy arivo amin' ny Isiraely. Ireo no voafidy tamin' ny fiangonana. Lohan' ny firenena avy amin' ny razany izy sy mpifehy arivo amin' Israely. C'étaient des hommes considérés dans la communauté ; ils étaient princes de la tribu de leur ancêtre ; ils étaient à la tête des milliers d' Israël.
Nom / Fan 1:17 And Moses and Aaron took these men which are expressed by their names: Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo, Nalain' i Moizy sy Aarona ireo olona izay efa voantendry amin' ny anarany avy, Moïse et Aaron prirent ces hommes qui avaient été désignés par leur nom
Nom / Fan 1:18 And they assembled all the congregation together on the first day of the second month, and they declared their pedigrees after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, by their polls. dia namory ny fiangonana rehetra tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa; ary samy nampanoratra ny anarany avy izy araka ny firazanany, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra. dia nanaika ny fiangonana rehetra izy, ka ny hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra rehetra, dia samy nosoratana araka ny fianakaviany sy ny fokony, ary noisaina ny anarany isam-batan' olona. et rassemblèrent toute la communauté, le premier jour du second mois. Les Israélites déterminèrent leurs parentés, par clans et par familles, et l' on relevait les noms des hommes de vingt ans et au-dessus, tête par tête.
Nom / Fan 1:19 As the Lord commanded Moses, so he numbered them in the wilderness of Sinai. Araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr' Sinay. Araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy dia nataony ny fanisana tany an' efitra Sinaia. Comme Yahvé le lui avait ordonné, Moïse les enregistra dans le désert du Sinaï
Nom / Fan 1:20 And the children of Reuben, Israel' s eldest son, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, by their polls, every male from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Robena, lahimatoan' Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika, Ny tera-dRobena lahimatoan' Israely, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, no nisainy araka ny anarany isam-batan' olona, ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Ruben, premier-né d' Israël, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:21 Those that were numbered of them, even of the tribe of Reuben, were forty and six thousand and five hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Robena dia diman-jato amby enina arivo sy efatra alina. dia nisy diman-jato amby enina arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan' ny fokon-dRobena. On en recensa quarante-six mille cinq cents pour la tribu de Ruben.
Nom / Fan 1:22 Of the children of Simeon, by their generations, after their families, by the house of their fathers, those that were numbered of them, according to the number of the names, by their polls, every male from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Simeona araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia izay rehetra voalamina, araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, izay azo nalefa hanafika Ny terak' i Simeona, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, ny voasoratra ho isan' ireo, rahefa nisaina ny anarany isam-batan' olona, ny lehilahy rehetra hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Siméon, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:23 Those that were numbered of them, even of the tribe of Simeon, were fifty and nine thousand and three hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Simeona dia telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina. dia nisy telon-jato amby sivy arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Simeona. On en recensa cinquante-neuf mille trois cents pour la tribu de Siméon.
Nom / Fan 1:24 Of the children of Gad, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Gada, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Gad, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:25 Those that were numbered of them, even of the tribe of Gad, were forty and five thousand six hundred and fifty. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Gada dia dimam-polo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina. dia nisy dimampolo amby enin-jato sy dimy arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Gada. On en recensa quarante-cinq mille six cent cinquante pour la tribu de Gad.
Nom / Fan 1:26 Of the children of Judah, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Joda araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Jodà, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Juda, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:27 Those that were numbered of them, even of the tribe of Judah, were threescore and fourteen thousand and six hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Joda dia enin-jato amby efatra arivo sy fito alina. dia nisy enin-jato amby efatra arivo sy fito alina novoasoratra ho isan' ny fokon' i Jodà. On en recensa soixante-quatorze mille six cents pour la tribu de Juda.
Nom / Fan 1:28 Of the children of Issachar, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' Isakara araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' Isakara, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils d' Issachar, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:29 Those that were numbered of them, even of the tribe of Issachar, were fifty and four thousand and four hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' Isakara dia efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina. dia nisy efa-jato amby efatra arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan' ny fokon' Isakara. On en recensa cinquante-quatre mille quatre cents pour la tribu d' Issachar.
Nom / Fan 1:30 Of the children of Zebulun, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Zebolona araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Zabolona, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Zabulon, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:31 Those that were numbered of them, even of the tribe of Zebulun, were fifty and seven thousand and four hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Zebolona dia efa-jato amby fito arivo sy dimy alina. dia nisy efa-jato amby fito arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Zabolona. On en recensa cinquante-sept mille quatre cents pour la tribu de Zabulon.
Nom / Fan 1:32 Of the children of Joseph, namely, of the children of Ephraim, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Josefa: dia avy tamin' ny taranak' i Efraima araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny zanak' i Josefa: ny terak' i Efraima, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Fils de Joseph : Quand on eut déterminé les parentés des fils d'Éphraïm, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:33 Those that were numbered of them, even of the tribe of Ephraim, were forty thousand and five hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Efraima dia diman-jato amby efatra alina; dia nisy diman-jato amby efatra alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Efraima. On en recensa quarante mille cinq cents pour la tribu d'Éphraïm.
Nom / Fan 1:34 Of the children of Manasseh, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; ary tamin' ny taranak' i Manase araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Manase, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Manassé, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:35 Those that were numbered of them, even of the tribe of Manasseh, were thirty and two thousand and two hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina. dia nisy roan-jato amby roa arivo sy telo alina, no voasoratra ho isan' ny fokon' i Manase. On en recensa trente-deux mille deux cents pour la tribu de Manassé.
Nom / Fan 1:36 Of the children of Benjamin, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Benjamina, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Benjamin, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:37 Those that were numbered of them, even of the tribe of Benjamin, were thirty and five thousand and four hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina. dia nisy efa-jato amby dimy arivo sy telo alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Benjamina. On en recensa trente-cinq mille quatre cents pour la tribu de Benjamin.
Nom / Fan 1:38 Of the children of Dan, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Dana araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Dana, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Dan, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:39 Those that were numbered of them, even of the tribe of Dan, were threescore and two thousand and seven hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Dana dia fiton-jato amby roa arivo sy enina alina. dia nisy fiton-jato amby roa arivo sy enina alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Dana. On en recensa soixante-deux mille sept cents pour la tribu de Dan.
Nom / Fan 1:40 Of the children of Asher, by their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Asera araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika Ny terak' i Asera, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils d' Asher, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:41 Those that were numbered of them, even of the tribe of Asher, were forty and one thousand and five hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Asera dia diman-jato amby arivo sy efatra alina. dia nisy diman-jato amby arivo sy efatra alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Asera. On en recensa quarante et un mille cinq cents pour la tribu d' Asher.
Nom / Fan 1:42 Of the children of Naphtali, throughout their generations, after their families, by the house of their fathers, according to the number of the names, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war; Ary tamin' ny taranak' i Naftaly araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika, Ny terak' i Neftalì, ny taranak' ireo araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, rahefa nisaina ny anarany hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra mahatam-piadiana, Quand on eut déterminé les parentés des fils de Nephtali, par clans et par familles, on releva, tête par tête, les noms de tous les mâles de vingt ans et au-dessus, aptes à faire campagne.
Nom / Fan 1:43 Those that were numbered of them, even of the tribe of Naphtali, were fifty and three thousand and four hundred. izay voalamina avy tamin' ny firenen' i Asera dia efa-jato amby telo arivo sy dimy alina. dia nisy efa-jato amby telo arivo sy dimy alina no voasoratra ho isan' ny fokon' i Neftalì. On en recensa cinquante-trois mille quatre cents pour la tribu de Nephtali.
Nom / Fan 1:44 These are those that were numbered, which Moses and Aaron numbered, and the princes of Israel, being twelve men: each one was for the house of his fathers. Ireo no voalamin' i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin' ny folo lahy lehibe amin' ny Isiraely, izay samy lohan' ny fianakaviany avy. Ireo no voaisa nisain' i Moizy sy Aarona, mbamin' izy roa ambin' ny folo lahy, filohany amin' Israely, lehilahy iray avy isam-pokony. Tels furent ceux que recensèrent Moïse, Aaron et les princes d' Israël, au nombre de douze, un pour chacune de leurs familles.
Nom / Fan 1:45 So were all those that were numbered of the children of Israel, by the house of their fathers, from twenty years old and upward, all that were able to go forth to war in Israel; Ary izay rehetra avy tamin' ny Zanak' Isiraely araka ny fianakaviany, hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika avy amin' ny Isiraely, Ny zanak' Israely rehetra izay nisaina araka ny fokom-pianakaviany avy, hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, ny lehilahy rehetra amin' Israely izay mahatam-piadiana, Tous les Israélites de vingt ans et au-dessus, tous ceux d' Israël qui étaient aptes à faire campagne, furent recensés par familles.
Nom / Fan 1:46 Even all they that were numbered were six hundred thousand and three thousand and five hundred and fifty. dia dimam-polo amby dimam-jato sy telo arivo sy enina hetsy. ny voaisa rehetra dia nisy dimam-polo amby diman-jato sy telo arivo sy enina hetsy. Le total des recensés fut de six cent trois mille cinq cent cinquante.
Nom / Fan 1:47 But the Levites after the tribe of their fathers were not numbered among them. Fa ny Levita, araka ny fireneny kosa dia tsy mba nalamina ho isan' ireo. Tsy mba nisaina niaraka tamin' ireo ny Levita araka ny fokom-pianakaviany. Mais on ne recensa pas avec eux les Lévites, ni leur tribu patriarcale.
Nom / Fan 1:48 For the Lord had spoken unto Moses, saying, Fa Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 1:49 Only thou shalt not number the tribe of Levi, neither take the sum of them among the children of Israel: Ny firenen' ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin' ny Zanak' Isiraely; Aza mba isaina ny fokon' i Levì, ary aza mba alaina isa miaraka amin' ny zanak' Israely izy. " N' enregistre pas cependant la tribu de Lévi, et ne la recense pas au milieu des Israélites.
Nom / Fan 1:50 But thou shalt appoint the Levites over the tabernacle of testimony, and over all the vessels thereof, and over all things that belong to it: they shall bear the tabernacle, and all the vessels thereof; and they shall minister unto it, and shall encamp round about the tabernacle. fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin' ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany. Fa apetraho aminy kosa ny fikarakarana ny Fonenan' ny vavolombelona mbamin' ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy. Izy ireo no hitondra ny Fonenana mbamin' ny fanaka aman-javatra rehetra momba azy; izy no hanao ny fanompoana ao aminy; ary izy no hitoby manodidina ny Fonenana. Mais inscris toi-même les Lévites pour le service de la Demeure du Témoignage, de tout son mobilier et de tout ce qui lui appartient. Ce sont eux qui porteront la Demeure et tout son mobilier, ils en auront le ministère et camperont alentour.
Nom / Fan 1:51 And when the tabernacle setteth forward, the Levites shall take it down: and when the tabernacle is to be pitched, the Levites shall set it up: and the stranger that cometh nigh shall be put to death. Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. Rahefa hifindra ny Fonenana dia ny Levita no hangorona azy; rahefa hiorin-dasy indray ny Fonenana, izy koa no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia hohelohin-ko faty. Lorsque la Demeure se déplacera, les Lévites la démonteront ; lorsque la Demeure fera halte, les Lévites la dresseront. Tout profane qui s' en approchera sera mis à mort.
Nom / Fan 1:52 And the children of Israel shall pitch their tents, every man by his own camp, and every man by his own standard, throughout their hosts. Dia hitoby ny Zanak' Isiraely, samy eo amin' ny tobiny avy, ary samy eo amin' ny fanevany ary, araka ny antokony. Ny zanak' Israely, dia samy hiorin-dasy ao amin' ny anjara tobiny samy manakaiky ny fanevany araka ny isan-tokony avy. Les Israélites camperont chacun dans son camp, chacun près de son étendard, selon leurs unités.
Nom / Fan 1:53 But the Levites shall pitch round about the tabernacle of testimony, that there be no wrath upon the congregation of the children of Israel: and the Levites shall keep the charge of the tabernacle of testimony. Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin' ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin' ny Vavolombelona. Fa ny Levita kosa dia hitoby manodidina ny Fonenan' ny vavolombelona, mba tsy hipoahan' ny hatezerako ny fiangonan' ny zanak' Israely, ary ny Levita no hiambina ny Fonenan' ny vavolombelona. Mais les Lévites camperont autour de la Demeure du Témoignage. Ainsi la Colère n'éclatera pas contre la communauté des Israélites. Et les Lévites assureront le service de la Demeure du Témoignage. "
Nom / Fan 1:54 And the children of Israel did according to all that the Lord commanded Moses, so did they. Dia nataon' ny Zanak' Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataony. Dia notanterahin' ny zanak' Israely avokoa izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy; nataony izany. Les Israélites se conformèrent en tout point à ce que Yahvé avait ordonné à Moïse. C' est ainsi qu' ils firent.

<-
->