<-
->

Lev 5:1 And if a soul sin, and hear the voice of swearing, and is a witness, whether he hath seen or known of it; if he do not utter it, then he shall bear his iniquity. Ary raha misy manota, satria mandre ny feon' ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany, Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin' ny mpitsara, amin' ny maha-vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran' ny helony izy. Si quelqu' un pèche en l' un de ces cas : Après avoir entendu la formule d' adjuration il aurait dû porter témoignage, car il avait vu ou il savait, mais il n' a rien déclaré et porte le poids de sa faute ;
Lev 5:2 Or if a soul touch any unclean thing, whether it be a carcase of an unclean beast, or a carcase of unclean cattle, or the carcase of unclean creeping things, and if it be hidden from him; he also shall be unclean, and guilty. na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin' ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin' ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin' ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany, Raha misy olona tsy nahita, ka nahakasika zavatra maloto, toy ny fatim-biby dia tsy madio, na fatim-biby fiompy tsy madio, na fatim-biby mandady tsy madio, dia tonga tsy madio koa izy amin' izany, ka nahazo fahotana; ou bien quelqu' un touche à une chose impure, quelle qu' elle soit, cadavre de bête impure, d' animal domestique impur, de bestiole impure, et à son insu il devient impur et responsable ;
Lev 5:3 Or if he touch the uncleanness of man, whatsoever uncleanness it be that a man shall be defiled withal, and it be hid from him; when he knoweth of it, then he shall be guilty. na misy mikasika ny fahalotoan' olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy, toy izany koa izy, raha nahakasika tsy nahy fahalotoan' olona, na inona na inona izany, izay mety hahatonga ho maloto, ka mahita nony avy eo, dia mahazo fahotana izy. ou bien il touche à une souillure humaine, quelle qu' elle soit, dont le contact rend impur ; il ne s' en aperçoit pas, puis, venant à l' apprendre, il en devient responsable ;
Lev 5:4 Or if a soul swear, pronouncing with his lips to do evil, or to do good, whatsoever it be that a man shall pronounce with an oath, and it be hid from him; when he knoweth of it, then he shall be guilty in one of these. na misy mianiana ka miteniteny foana amin' ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin' ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin' ny anankiray amin' ireo izy: Raha misy olona latsa-bava, mianiana hanao soa na ratsy, na inona na inona voalazany amim-pianianana tsy voahevitra, nefa tsy nahafantatra izany izy, fa aty aoriana vao fantany, dia mahazo fahotana izy amin' ny iray amin' ireo zavatra ireo. ou bien un individu laisse échapper un serment défavorable ou favorable, en toute matière où un homme peut jurer inconsidérément ; il ne s' en aperçoit pas, puis, venant à l' apprendre, il en devient responsable ;
Lev 5:5 And it shall be, when he shall be guilty in one of these things, that he shall confess that he hath sinned in that thing: koa raha meloka amin' ny anankiray amin' ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany, Koa izay nahazo fahotana tamin' ny iray amin' ireo zavatra ireo, dia hiaiky amin' izay nahadiso azy tamin' ireo. s' il est responsable en l' un de ces cas, il aura à confesser le péché commis,
Lev 5:6 And he shall bring his trespass offering unto the Lord for his sin which he hath sinned, a female from the flock, a lamb or a kid of the goats, for a sin offering; and the priest shall make an atonement for him concerning his sin. ary hitondra ny saziny ho an' i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany. Ary hitondra ho an' ny Tompo ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin' ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany. il amènera à Yahvé à titre de sacrifice de réparation pour le péché commis une femelle de petit bétail brebis ou chèvre en sacrifice pour le péché ; et le prêtre fera sur lui le rite d' expiation qui le délivrera de son péché.
Lev 5:7 And if he be not able to bring a lamb, then he shall bring for his trespass, which he hath committed, two turtledoves, or two young pigeons, unto the Lord; one for a sin offering, and the other for a burnt offering. Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an' i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana. Raha tsy manan-katao izy hahazoany ondrivavy na osivavy, dia domohina roa na vanto-boromailala roa no hateriny ho an' ny Tompo ho fanonerana ny otany; ny iray ho sorona noho ny ota; ny iray ho sorona dorana. S' il n' a pas les moyens de se procurer une tête de petit bétail, il amènera à Yahvé en sacrifice de réparation pour le péché qu' il a commis deux tourterelles ou deux pigeons, l' un en sacrifice pour le péché et l' autre en holocauste.
Lev 5:8 And he shall bring them unto the priest, who shall offer that which is for the sin offering first, and wring off his head from his neck, but shall not divide it asunder: Dia hitondra ireo ho eo amin' ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin' ny hoho ny lohany ho afaka amin' ny vozony, fa tsy hohenteriny izy. Hoentiny ireo ho eo amin' ny mpisorona izay hamonony atao sorona noho ny ota aloha. Hofolahin' ny mpisorona tsy ataony tangarana eo akaikin' ny hatony, ny lohany; Il les amènera au prêtre, qui offrira d' abord celui qui est destiné au sacrifice pour le péché. En pinçant le cou, le prêtre lui rompra la nuque sans détacher la tête.
Lev 5:9 And he shall sprinkle of the blood of the sin offering upon the side of the altar; and the rest of the blood shall be wrung out at the bottom of the altar: it is a sin offering. Ary hamafazany eo amin' ny rindrin' ny alitara ny ran' ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin' ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany. hofafazany amin' ny ràn-tsorona noho ny ota ny lafiny amin' ny otely, ary hofiazana eo an-tongotry ny otely ny rà sisa; sorona noho ny ota io. Avec le sang de la victime il aspergera la paroi de l' autel, puis le reste du sang sera exprimé à la base de l' autel. C' est un sacrifice pour le péché.
Lev 5:10 And he shall offer the second for a burnt offering, according to the manner: and the priest shall make an atonement for him for his sin which he hath sinned, and it shall be forgiven him. Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony. Ary ny vorona anankiray hanaovany sorona dorana araka ny fombany. Toy izany no hanaovan' ny mpisorona ho an' izany olona izany ny fanonerana ny fahotana nataony; dia ho voavela ny otany. Quant à l' autre oiseau, il en fera un holocauste suivant la règle. Le prêtre fera ainsi sur l' homme le rite d' expiation pour le péché qu' il a commis, et il lui sera pardonné.
Lev 5:11 But if he be not able to bring two turtledoves, or two young pigeons, then he that sinned shall bring for his offering the tenth part of an ephah of fine flour for a sin offering; he shall put no oil upon it, neither shall he put any frankincense thereon: for it is a sin offering. Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon' ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany. Raha tsy manan-katao hahazoany domohina roa na vanto-boromailala roa izy, dia lafarina tsara indrindra ampahafolon' ny efah no hoentiny ho fanatitra noho ny otany, hatao sorona noho ny ota; tsy horarahany diloilo eo amboniny, na hampiany emboka, fa sorona noho ny ota izany. S' il n' a pas les moyens de se procurer deux tourterelles ou deux pigeons, il amènera à titre d' offrande pour le péché commis un dixième de mesure de fleur de farine ; il n' y mettra pas d' huile et n' y déposera pas d' encens, car c' est un sacrifice pour le péché.
Lev 5:12 Then shall he bring it to the priest, and the priest shall take his handful of it, even a memorial thereof, and burn it on the altar, according to the offerings made by fire unto the Lord: it is a sin offering. Dia hitondra azy ho eo amin' ny mpisorona izy, ary handraofan' ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin' ny alitara miaraka amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany. Hitondra izany ho eo amin' ny mpisorona izy, ary ny mpisorona haka eran-tànan' ila amin' izany ho fahatsiarovana, dia handoro azy hanetona eo ambonin' ny otely, eo ambonin' ny sorona atao amin' ny afo, ho an' ny Tompo; sorona noho ny ota izany. Il l' apportera au prêtre et celui-ci en prendra une pleine poignée en mémorial qu' il fera fumer à l' autel en plus des mets consumés pour Yahvé. C' est un sacrifice pour le péché.
Lev 5:13 And the priest shall make an atonement for him as touching his sin that he hath sinned in one of these, and it shall be forgiven him: and the remnant shall be the priest' s, as a meat offering. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin' ny anankiray amin' ireo, dia havela ny helony; ary ho an' ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina. Toy izany no hanaovan' ny mpisorona fanonerana ho an' izany olona izany, noho ny ota nataony amin' ny iray amin' ireny zavatra ireny; dia ho voavela ny otany. Izay sisa dia ho an' ny mpisorona, toy ny amin' ny fanatitra. Le prêtre fera ainsi sur l' homme le rite d' expiation pour le péché qu' il a commis en l' un de ces cas, et il sera pardonné. Le prêtre a dans ce cas les mêmes droits que pour l' oblation.
Lev 5:14 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 5:15 If a soul commit a trespass, and sin through ignorance, in the holy things of the Lord; then he shall bring for his trespass unto the Lord a ram without blemish out of the flocks, with thy estimation by shekels of silver, after the shekel of the sanctuary, for a trespass offering. Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin' ny zava-masin' i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an' i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana. Raha misy olona manao ny tsy marina, ka manota tsy nahy ny amin' ny fanatitra masina fanao amin' ny Tompo, dia ondralahy iray tsy misy kilema avy amin' ny andian' ondry izay hotombananao sikla volafotsy araka ny sikla masina no hatolony amin' ny Tompo, hatao sorona fanonerana: dia sorona fanonerana izany. Si quelqu' un commet une fraude et pèche par inadvertance en retranchant sur les droits sacrés de Yahvé, il amènera à Yahvé en sacrifice de réparation un bélier sans défaut de son troupeau, à estimer en sicles d' argent au taux du sicle du sanctuaire.
Lev 5:16 And he shall make amends for the harm that he hath done in the holy thing, and shall add the fifth part thereto, and give it unto the priest: and the priest shall make an atonement for him with the ram of the trespass offering, and it shall be forgiven him. Ary izay efa nanotany ny amin' ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin' ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin' ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony. Ary izay tokony ho anjaran' ny fitoerana masina ka notanany, dia haveriny mitongoa ny ampaha-diminy, ka homeny ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy amin' ny ondralahy natolony ho sorona fanonerana; ka dia ho voavela ny otany. Il acquittera ce que son péché aura retranché au droit sacré, en en majorant la valeur d' un cinquième, et le remettra au prêtre. Celui-ci fera sur lui le rite d' expiation avec le bélier du sacrifice de réparation, et il lui sera pardonné.
Lev 5:17 And if a soul sin, and commit any of these things which are forbidden to be done by the commandments of the Lord; though he wist it not, yet is he guilty, and shall bear his iniquity. Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin' ny didin' i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy, Raha misy olona manota, fa nahavita tsy nahy ny anankiray amin' ny zavatra noraran' ny Tompo tsy hatao, dia ho meloka izy sady hivesatra ny otany. Si quelqu' un pèche et fait sans s' en apercevoir l' une des choses interdites par les commandements de Yahvé, il sera responsable et portera le poids de sa faute.
Lev 5:18 And he shall bring a ram without blemish out of the flock, with thy estimation, for a trespass offering, unto the priest: and the priest shall make an atonement for him concerning his ignorance wherein he erred and wist it not, and it shall be forgiven him. dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin' ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony; Ka ondralahy iray, tsy misy kilema, avy amin' ny andian' ondriny izay hotombananao, no hoentiny ho eo amin' ny mpisorona hatao sorona fanonerana. Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny ota nataony tsy nahy, fa tsy fantany, dia ho voavela ny otany. Il amènera au prêtre à titre de sacrifice de réparation un bélier sans défaut de son troupeau, sujet à estimation. Le prêtre fera sur lui le rite d' expiation pour l' inadvertance commise sans le savoir, et il lui sera pardonné.
Lev 5:19 It is a trespass offering: he hath certainly trespassed against the Lord. dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin' i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin' i Jehovah, fa mandainga amin' ny namany ny amin' izay nampitehirizina azy, na amin' ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin' izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin' izany sady mianian-tsy tò ny amin' izay mety ho fahotan' ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin' ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin' ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an' i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin' ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan' i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony. Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan' ny Tompo izany olona izany. C' est un sacrifice de réparation, cet homme était certainement responsable envers Yahvé.
Lev 5:20 Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 5:21 Raha misy olona manota, sy manao ny tsy marina amin' ny Tompo, fa mandainga amin' ny namana izy ny amin' ny zavatra napetraka taminy, na amin' ny zavatra natao eo an-tànany ho antoka, na amin' ny zavatra nangalariny, na amin' ny zavatra nalainy an-keriny tamin' ny namana, Si quelqu' un pèche et commet une fraude envers Yahvé en trompant son compatriote au sujet d' un dépôt, d' une garde ou d' un retrait d' objet, ou s' il exploite ce compatriote,
Lev 5:22 na mandainga amin' ny zava-bery hitany, na nanao fianianana tsy marina amin' ny iray amin' ireo zavatra mety hanotan' ny olona ireo: ou s' il trouve un objet perdu et le nie, ou s' il prête un faux serment à propos de n' importe quel péché que peut commettre un homme,
Lev 5:23 raha nanota tamin' izany izy ka mahazo heloka, dia hamerina ny zavatra nangalariny na nalainy an-keriny, ny zavatra napetraka hotehiriziny, ny zava-bery hitany; s' il pèche et devient ainsi responsable, il devra restituer ce qu' il a retiré ou exigé en trop : le dépôt qui lui fut confié, l' objet perdu qu' il a trouvé,
Lev 5:24 na izay zavatra rehetra nanaovany fianianana tsy marina. Hamerina ny zavatra manontolo izy, no sady hanampy ampahadimin-tombany koa ambonin' izany; ary androtry ny hanaterany ny sorony fanonerana ihany no hanomezany izany an' izay tompon-javatra. ou tout objet au sujet duquel il a prêté un faux serment. En le majorant d' un cinquième, il versera ce capital au détenteur de l' objet au jour où lui-même est devenu responsable.
Lev 5:25 Ondralahy iray tsy misy kilema, avy amin' ny andian' ondriny, izay hotombananao, no hoentiny eo amin' ny mpisorona, hateriny ho an' ny Tompo, hatao sorona fanonerana. Puis il amènera à Yahvé comme sacrifice de réparation un bélier sans défaut de son troupeau ; on l' estimera à la valeur versée au prêtre pour un sacrifice de réparation.
Lev 5:26 Ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy eo anatrehan' ny Tompo, dia ho voavela ny otany, na inona na inona ota nahadiso azy. Celui-ci fera sur lui le rite d' expiation devant Yahvé, et il lui sera pardonné, quel que soit l' acte qui a entraîné sa culpabilité.

<-
->