<-
->

Lev 8:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 8:2 Take Aaron and his sons with him, and the garments, and the anointing oil, and a bullock for the sin offering, and two rams, and a basket of unleavened bread; Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr' ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira. Alao Aarona sy ny zanany miaraka aminy, ny fanamiana, ny diloilo fanosorana; ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ny ondralahy roa, ary ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay; Prends Aaron, ses fils avec lui, les vêtements, l' huile d' onction, le taureau du sacrifice pour le péché, les deux béliers, la corbeille des azymes.
Lev 8:3 And gather thou all the congregation together unto the door of the tabernacle of the congregation. Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana. ka vorio ny fiangonana rehetra, ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana. Puis convoque toute la communauté à l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
Lev 8:4 And Moses did as the Lord commanded him; and the assembly was gathered together unto the door of the tabernacle of the congregation. Ary Mosesy nanao araka izay nandidian' i Jehovah azy; dia vory teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ny fiangonana. Dia nataon' i Moizy izay nandidian' ny Tompo azy, ka vory teo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana ny fiangonana, Moïse suivit les ordres de Yahvé, la communauté se réunit à l' entrée de la Tente du Rendez-vous,
Lev 8:5 And Moses said unto the congregation, This is the thing which the Lord commanded to be done. Ary hoy Mosesy tamin' ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian' i Jehovah. dia hoy Moizy tamin' ny fiangonana: Izao no nasain' ny Tompo hatao: et Moïse lui dit : " Voici ce que Yahvé a ordonné de faire. "
Lev 8:6 And Moses brought Aaron and his sons, and washed them with water. Ary Arona sy ny zanany dia nentin' i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin' ny rano. Nasain' i Moizy nanatona Aarona sy ny zanany, ka nodioviny tamin' ny rano. Il fit approcher Aaron et ses fils et les lava dans l' eau.
Lev 8:7 And he put upon him the coat, and girded him with the girdle, and clothed him with the robe, and put the ephod upon him, and he girded him with the curious girdle of the ephod, and bound it unto him therewith. Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin' ny efoda taminy izany. Ary Aarona nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, nohetràny ny fehin-kibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efoda izay nogiazany tamin' ny fehin' efoda, ary nafatony teo aminy. Il lui mit la tunique, lui passa la ceinture, le revêtit du manteau et plaça sur lui l'éphod. Puis il le ceignit de l'écharpe de l'éphod et la fixa sur lui.
Lev 8:8 And he put the breastplate upon him: also he put in the breastplate the Urim and the Thummim. Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima. Napetany taminy ny saron-tratra, ary nakambany tamin' ny saron-tratra ny Orima sy ny Tomima, Il lui imposa le pectoral, où il mit l' Urim et le Tummim.
Lev 8:9 And he put the mitre upon his head; also upon the mitre, even upon his forefront, did he put the golden plate, the holy crown; as the Lord commanded Moses. Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin' ny hamama, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan' ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Sur la tête il lui mit le turban, et sur le devant du turban la fleur d' or ; c' est le signe de sainte consécration tel que Yahvé le prescrivit à Moïse.
Lev 8:10 And Moses took the anointing oil, and anointed the tabernacle and all that was therein, and sanctified them. Ary nalain' i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy. Ary nalain' i Moizy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny Fonenana mbamin' izay rehetra tao anatiny, ka nohamasininy. Moïse prit alors l' huile d' onction, il oignit pour les consacrer la Demeure et tout ce qui s' y trouvait.
Lev 8:11 And he sprinkled thereof upon the altar seven times, and anointed the altar and all his vessels, both the laver and his foot, to sanctify them. Dia namafazany impito teo ambonin' ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin' ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy. Nofafazany izany impito ny otely; nohosorany avokoa ny otely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin' ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy. Il fit sept aspersions sur l' autel et oignit pour les consacrer l' autel et ses accessoires, le bassin et son socle.
Lev 8:12 And he poured of the anointing oil upon Aaron' s head, and anointed him, to sanctify him. Ary nanidinany teo amin' ny lohan' i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy. Dia norotsahany diloilo fanosorana ny lohan' i Aarona, ka nohosorany izy, mba hahamasina azy. Il versa de l' huile d' onction sur la tête d' Aaron, et l' oignit pour le consacrer.
Lev 8:13 And Moses brought Aaron' s sons, and put coats upon them, and girded them with girdles, and put bonnets upon them; as the Lord commanded Moses. Ary dia nentin' i Mosesy nanatona koa ny zanak' i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nasain' i Moizy nanatona koa ireo zanak' i Aarona dia nampiakanjoiny ny toniky, nohetràny fehin-kibo, ary nafatony teo aminy ny mitra, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse fit alors approcher les fils d' Aaron, qu' il revêtit de tuniques, auxquels il passa des ceintures et fixa des calottes, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 8:14 And he brought the bullock for the sin offering: and Aaron and his sons laid their hands upon the head of the bullock for the sin offering. Ary nentiny nanatona koa ny vantotr' ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin' ny lohan' ny vantotr' ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota. Dia nasainy naroso ny ombalahy hatao sorona noho ny ota, ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin' ny lohan' ny ombalahy hatao sorona noho ny ota. Puis il fit approcher le taureau du sacrifice pour le péché. Aaron et ses fils posèrent leur main sur la tête de cette victime,
Lev 8:15 And he slew it; and Moses took the blood, and put it upon the horns of the altar round about with his finger, and purified the altar, and poured the blood at the bottom of the altar, and sanctified it, to make reconciliation upon it. Dia novonoiny ny, ary nalain' i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin' ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin' ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin' ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy. Namono azy Moizy dia naka tamin' ny rà ka notentenany manodidina tamin' ny rantsan-tànany ny tandroky ny otely ary nanadio ny otely izy, naidiny teo an-tongotry ny otely ny rà ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy. et Moïse l' immola. Il prit alors le sang, avec son doigt il en déposa sur les cornes du pourtour de l' autel pour ôter le péché de celui-ci. Puis il versa le sang à la base de l' autel, qu' il consacra en faisant sur lui le rite d' expiation.
Lev 8:16 And he took all the fat that was upon the inwards, and the caul above the liver, and the two kidneys, and their fat, and Moses burned it upon the altar. Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin' ny fonom-boany, ka nodoran' i Mosesy ho fofona teo ambonin' ny alitara ireo. Manaraka izany nalainy avokoa ny sabora, ny saron-tsinainy, ny saron' atiny, ary ny voany roa mbamin' ny sabora momba azy ka nodorany hanetona teo ambonin' ny otely. Il prit ensuite toute la graisse qui enveloppe les entrailles, la masse de graisse qui part du foie, les deux rognons et leur graisse, et il les fit fumer à l' autel.
Lev 8:17 But the bullock, and his hide, his flesh, and his dung, he burnt with fire without the camp; as the Lord commanded Moses. Fa ny hoditry ny vantotr' ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin' ny afo teny ivelan' ny toby, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Fa ny tenan' ny ombalahy kosa, ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany, dia nodorany tany ivelan' ny toby, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Quant à la peau du taureau, sa chair et sa fiente, il les brûla hors du camp comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 8:18 And he brought the ram for the burnt offering: and Aaron and his sons laid their hands upon the head of the ram. Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin' ny lohan' ny ondrilahy. Dia nasainy naroso ny ondralahy hatao sorona dorana, ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin' ny lohan' ny ondralahy. Il fit alors approcher le bélier de l' holocauste. Aaron et ses fils posèrent leur main sur la tête de ce bélier,
Lev 8:19 And he killed it; and Moses sprinkled the blood upon the altar round about. Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin' ny lafin' ny alitara. Dia novonoina izy, ary Moizy nanidina ny ràny manodidina tamin' ny otely. et Moïse l' immola. Il en fit couler le sang sur le pourtour de l' autel.
Lev 8:20 And he cut the ram into pieces; and Moses burnt the head, and the pieces, and the fat. Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran' i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany. Rahefa izany norasainy ho voatetika ny ondralahy, dia nodoran' i Moizy hanetona ny lohany mbamin' ny tetiny ary ny saborany. Puis il dépeça le bélier en quartiers et fit fumer la tête, les quartiers et la graisse.
Lev 8:21 And he washed the inwards and the legs in water; and Moses burnt the whole ram upon the altar: it was a burnt sacrifice for a sweet savour, and an offering made by fire unto the Lord; as the Lord commanded Moses. Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin' ny rano; dia nodoran' i Mosesy ho fofona teo ambonin' ny alitara ny tenan' ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nosasana tamin' ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon' i Moizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahana izany, sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il lava dans l' eau les entrailles et les pattes et fit fumer à l' autel le bélier tout entier. C'était un holocauste en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 8:22 And he brought the other ram, the ram of consecration: and Aaron and his sons laid their hands upon the head of the ram. Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin' ny lohan' ny ondrilahy. Nasainy naroso koa ny ondralahy anankiray, ny ondralahy fanokanana; ka Aarona sy ny zanany nametra-tànana teo ambonin' ny lohan' ny ondralahy aloha, Il fit alors approcher le second bélier, bélier du sacrifice d' investiture. Aaron et ses fils posèrent leur main sur la tête de ce bélier,
Lev 8:23 And he slew it; and Moses took of the blood of it, and put it upon the tip of Aaron' s right ear, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot. Dia novonoiny iny; ary nangalan' i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin' ny tendron' ny ravin-tsofin' i Arona ankavanana sy tamin' ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin' ny ankihiben-tongony ankavanana. izay vao namono azy Moizy, dia naka tamin' ny rany, nanentenany ny tendron-dravin-tsofin' i Aarona ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. et Moïse l' immola. Il en prit du sang qu' il déposa sur le lobe de l' oreille droite d' Aaron, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit.
Lev 8:24 And he brought Aaron' s sons, and Moses put of the blood upon the tip of their right ear, and upon the thumbs of their right hands, and upon the great toes of their right feet: and Moses sprinkled the blood upon the altar round about. Ary nentiny nanatona koa ny zanak' i Arona, ka notentenan' i Mosesy ny rà ny tendron' ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin' i Mosesy manodidina tamin' ny lafin' ny alitara. Nampanatoniny koa ny zanak' i Aarona, dia notentenany rà ny tendron-dravin-tsofin' izy ireo ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina amin' ny otely ny rà. Puis il fit approcher les fils d' Aaron et déposa de ce sang sur le lobe de leur oreille droite, sur le pouce de leur main droite et sur le gros orteil de leur pied droit. Moïse fit ensuite couler le sang sur le pourtour de l' autel ;
Lev 8:25 And he took the fat, and the rump, and all the fat that was upon the inwards, and the caul above the liver, and the two kidneys, and their fat, and the right shoulder: Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim' ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana. Rahefa izany nalainy ny sabora, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy rehetra, ny saron' atiny, ny voany roa mbamin' ny saborany ary ny feny havanana. il prit aussi la graisse : la queue, toute la graisse qui adhère aux entrailles, la masse de graisse qui part du foie, les deux rognons et leur graisse, la cuisse droite.
Lev 8:26 And out of the basket of unleavened bread, that was before the Lord, he took one unleavened cake, and a cake of oiled bread, and one wafer, and put them on the fat, and upon the right shoulder: Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan' i Jehovah, dia nangalany iray tamin' ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin' ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin' ny mofo manify ka napetrany teo ambonin' ny saborany sy ny sorok' ondry ankavanana. Ny sobika misy ny mofo tsy misy lalivay izay napetraka teo anatrehan' ny Tompo, nangalany mofomamy tsy misy lalivay iray, mofomamy misy diloilo iray, ary mofo manify iray, napetrany teo ambonin' ny sabora sy ny fe havanana, De la corbeille des azymes placée devant Yahvé il prit un gâteau d' azyme, un gâteau de pain à l' huile, et une galette qu' il joignit aux graisses et à la cuisse droite.
Lev 8:27 And he put all upon Aaron' s hands, and upon his sons' hands, and waved them for a wave offering before the Lord. Dia napetrany teo amin' ny tànan' i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah. nataony teo an-tànan' i Aarona sy ny zanany ireo zavatra ireo, dia nahevahevany ho fanatitra teo anatrehan' ny Tompo. Il mit le tout dans les mains d' Aaron et dans celles de ses fils et fit le geste de présentation devant Yahvé.
Lev 8:28 And Moses took them from off their hands, and burnt them on the altar upon the burnt offering: they were consecrations for a sweet savour: it is an offering made by fire unto the Lord. Dia nalain' i Mosesy tamin' ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin' ny alitara niaraka tamin' ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Dia nesorin' i Moizy avy teo an-tànany indray ireo ka nodorany hanetona eo ambonin' ny otely teo ambonin' ny sorona dorana, fa sorona fanokanana izany, ho hanitra ankasitrahana, sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Moïse les reprit alors de leurs mains et les fit fumer à l' autel en plus de l' holocauste. C'était le sacrifice d' investiture en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé.
Lev 8:29 And Moses took the breast, and waved it for a wave offering before the Lord: for of the ram of consecration it was Moses' part; as the Lord commanded Moses. Dia nalain' i Mosesy koa ny tratran' ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah; anjaran' i Mosesy avy amin' ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah azy. Dia nalain' i Moizy ny tratran' ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan' ny Tompo; io no anjaran' i Moizy araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse prit aussi la poitrine et fit le geste de présentation devant Yahvé. Ce fut la part du bélier d' investiture qui revint à Moïse, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 8:30 And Moses took of the anointing oil, and of the blood which was upon the altar, and sprinkled it upon Aaron, and upon his garments, and upon his sons, and upon his sons' garments with him; and sanctified Aaron, and his garments, and his sons, and his sons' garments with him. Ary nangalan' i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin' ny alitara ka nafafiny tamin' i Arona sy tamin' ny fitafiany ary tamin' ny zanany sy tamin' ny fitafian' ny zanany koa; dia nanamasina an' i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian' ny zanany koa Izy. Dia nakan' i Moizy ny diloilo fanosorana sy ny rà teo ambonin' ny otely, nafafiny tamin' i Aarona sy tamin' ny fanamiany, ary tamin' ireo zanak' i Aarona sy tamin' ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa Aarona sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany. Moïse prit ensuite de l' huile d' onction et du sang qui était sur l' autel ; il en aspergea Aaron et ses vêtements ainsi que ses fils et leurs vêtements. Il consacra par là Aaron et ses vêtements ainsi que ses fils et leurs vêtements.
Lev 8:31 And Moses said unto Aaron and to his sons, Boil the flesh at the door of the tabernacle of the congregation: and there eat it with the bread that is in the basket of consecrations, as I commanded, saying, Aaron and his sons shall eat it. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin' ny mofo izay eo amin' ny haron' ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin' ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: Aarona sy ny zanany no hihinana azy. Moïse dit alors à Aaron et à ses fils : " Faites cuire la viande à l' entrée de la Tente du Rendez-vous ; vous la mangerez là, ainsi que le pain déposé dans la corbeille du sacrifice d' investiture, comme je l' ai ordonné en disant : "Aaron et ses fils le mangeront. "
Lev 8:32 And that which remaineth of the flesh and of the bread shall ye burn with fire. Ary izay sisa amin' ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin' ny afo. Ary dory amin' ny afo izay sisa tsy lany amin' ny hena sy ny mofo. Ce qui reste de la viande et du pain, vous le brûlerez.
Lev 8:33 And ye shall not go out of the door of the tabernacle of the congregation in seven days, until the days of your consecration be at an end: for seven days shall he consecrate you. Ary tsy hiala eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo. Tsy hiala eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana hianareo, mandritra ny hafitoana, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo, fa haharitra hafitoana ny fanokanana anareo. Sept jours durant vous ne quitterez pas l' entrée de la Tente du Rendez-vous jusqu'à ce que s' achève le temps de votre investiture, car il faudra sept jours pour votre investiture.
Lev 8:34 As he hath done this day, so the Lord hath commanded to do, to make an atonement for you. Tahaka ny efa natao androany no nandidian' i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo. Izao atao anio izao, dia nodidian' ny Tompo hatao mandritra ny hafitoana hanaovana ny fanonerana ho anareo. Yahvé a commandé de procéder comme on a procédé aujourd' hui pour accomplir sur vous le rite d' expiation,
Lev 8:35 Therefore shall ye abide at the door of the tabernacle of the congregation day and night seven days, and keep the charge of the Lord, that ye die not: for so I am commanded. Ary hitoetra eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman' alina ianareo ka hitandrina izay asain' i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy. Hijanona hafitoana andro aman' alina, eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana hianareo, ka hitandrina ny didin' ny Tompo mba tsy ho faty hianareo, fa izany no didy azoko. et, pendant sept jours, jour et nuit, vous demeurerez à l' entrée de la Tente du Rendez-vous en observant le rituel de Yahvé ; ainsi vous ne mourrez pas. C' est en effet l' ordre que j' ai reçu. "
Lev 8:36 So Aaron and his sons did all things which the Lord commanded by the hand of Moses. Dia nataon' i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian' i Jehovah ka nampilazainy an' i Mosesy. Dia nataon' i Aarona sy ny zanany ny zavatra rehetra nandidian' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Aaron et ses fils firent tout ce que Yahvé avait ordonné par l' intermédiaire de Moïse.

<-
->