<-
->

Lev 7:1 Likewise this is the law of the trespass offering: it is most holy. Ary izao no lalàna ny amin' ny fanati-panonerana: masina dia masina izany. Izao no lalàna momba ny sorona fanonerana; zava-masina dia masina izany. Voici le rituel du sacrifice de réparation : C' est une chose très sainte.
Lev 7:2 In the place where they kill the burnt offering shall they kill the trespass offering: and the blood thereof shall he sprinkle round about upon the altar. Eo amin' izay famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanati-panonerana; ary ny rà dia hatopiny manodidina amin' ny lafin' ny alitara. Ao amin' ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin' ny otely ny rany. On immolera la victime là où l' on immole les holocaustes et le prêtre en fera couler le sang sur le pourtour de l' autel.
Lev 7:3 And he shall offer of it all the fat thereof; the rump, and the fat that covereth the inwards, Ary dia hateriny avokoa ny hofany sy ny saborany rehetra, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy Hatolotra daholo ny saborany, ny hofany, ny sabora saron-tsinainy, Puis il en offrira toute la graisse : la queue, la graisse qui couvre les entrailles,
Lev 7:4 And the two kidneys, and the fat that is on them, which is by the flanks, and the caul that is above the liver, with the kidneys, it shall he take away: ary ny voany roa mbamin' ny fonom-boany, izay eo amin' ny takibany, ary ny ila-atiny lehibe; hatao indray manala amin' ny voany no fanaisony izany. ny voany roa mbamin' ny fonom-boany izay miraikitra amin' ny faritry ny voany, ny saron' atiny izay hoendahana ao akaikin' ny voany. les deux rognons, la graisse qui y adhère ainsi qu' aux lombes, la masse graisseuse qu' il détachera du foie et des rognons.
Lev 7:5 And the priest shall burn them upon the altar for an offering made by fire unto the Lord: it is a trespass offering. Ary hodoran' ny mpisorona ho fofona eo ambonin' ny alitara ireo ho fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; dia fanati-panonerana izany. Hodoran' ny mpisorona hanetona eo ambonin' ny otely izany ho sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Sorona fanonerana izany. Le prêtre fera fumer ces morceaux à l' autel comme mets consumés pour Yahvé. C' est un sacrifice de réparation :
Lev 7:6 Every male among the priests shall eat thereof: it shall be eaten in the holy place: it is most holy. Ny lehilahy rehetra amin' ny mpisorona no mahazo mihinana izany; eo amin' izay fitoerana masina no hihinanany azy: masina dia masina izany. Ny lehilahy rehetra amin' ny mpisorona no hihinana amin' izany, ka eo amin' ny toerana masina no hihinanany azy; zava-masina dia masina izany. tout mâle parmi les prêtres en pourra manger. On en mangera dans un lieu sacré, c' est une chose très sainte.
Lev 7:7 As the sin offering is, so is the trespass offering: there is one law for them: the priest that maketh atonement therewith shall have it. Ho tahaka ny fanatitra noho ny ota ny fanati-panonerana, ka lalàna iray no ho amin' izy roa: ho an' ny mpisorona izay manao fanavotana aminy izany. Sahala amin' ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana; iray ny lalàna amin' izy roa: an' izay mpisorona manao ny fisoronana ny sorona. Tel le sacrifice pour le péché, tel le sacrifice de réparation : il y a pour eux même rituel. Au prêtre reviendra l' offrande avec laquelle il a fait le rite d' expiation.
Lev 7:8 And the priest that offereth any man' s burnt offering, even the priest shall have to himself the skin of the burnt offering which he hath offered. Ary ilay mpisorona manatitra ny fanatitra dorana izay aterin' ny olona dia hahazo ny hoditr' izany fanatitra dorana nateriny izany. Ny mpisorona manolotra ny sorona dorana avy amin' ny olona, dia hanana ny hoditry ny zavatra natao sorona dorana avy aminy. La peau de la victime qu' un homme aura présentée à un prêtre pour être offerte en holocauste reviendra à ce prêtre.
Lev 7:9 And all the meat offering that is baken in the oven, and all that is dressed in the fryingpan, and in the pan, shall be the priest' s that offereth it. Ary ny fanatitra hohanina rehetra izay voaendy am in' ny fanendasa-mofo sy izay rehetra atao amin' ny vilany fandrahoana, na amin' ny lapoely, dia ho an' ilay mpisorona manatitra azy. Ny fanatitra rehetra nendasina tamin' ny lafaoro, na nandrahoina tamin' ny kasitrola, na tamin' ny lapoaly, dia an' izay mpisorona manolotra azy. Toute oblation cuite au four, toute oblation préparée dans un moule ou sur la plaque reviendra au prêtre qui l' aura offerte.
Lev 7:10 And every meat offering, mingled with oil, and dry, shall all the sons of Aaron have, one as much as another. Fa ny fanatitra hohanina rehetra, izay voaharo diloilo, na ny maina, dia ho an' ny zanak' i Arona rehetra kosa, ka hiara-misalahy izy. Ny fanatitra rehetra voadity tamin' ny diloilo, na maina, dia an' ny zanak' i Aarona rehetra, ka hiara-misalahy izy. Toute oblation pétrie à l' huile ou sèche reviendra à tous les fils d' Aaron sans distinction.
Lev 7:11 And this is the law of the sacrifice of peace offerings, which he shall offer unto the Lord. Ary izao no lalàna ny amin' ny fanati-pihavanana izay haterina ho an' i Jehovah: Izao no lalàn' ny sorom-pihavanana haterina ho an' ny Tompo. Voici le rituel du sacrifice de communion qu' on offrira à Yahvé :
Lev 7:12 If he offer it for a thanksgiving, then he shall offer with the sacrifice of thanksgiving unleavened cakes mingled with oil, and unleavened wafers anointed with oil, and cakes mingled with oil, of fine flour, fried. Raha misy manatitra izany ho fanati-pisaorana, dia izao no hateriny ho fanampiny: mofo izay tsy misy masirasira sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo ary mofo atao amin' ny koba tsara toto voaendy sady voaharo diloilo. Raha fisaorana no hanaterana izany, dia izao no hatolotra miaraka amin' ny sorom-pisaorana: mofo mamy tsy misy lalivay voadity tamin' ny diloilo, ary lafarina nendasina ho mofo mamy voadity tamin' ny diloilo. Si on le joint à un sacrifice avec louange, on ajoutera à celui-ci une offrande de gâteaux sans levain pétris à l' huile, de galettes sans levain frottées d' huile et de fleur de farine sous forme de gâteaux pétris à l' huile.
Lev 7:13 Besides the cakes, he shall offer for his offering leavened bread with the sacrifice of thanksgiving of his peace offerings. Ary miaraka amin' ny mofo tsy misy masirasira dia mofo misy masirasira kosa no hateriny ho fanampin' ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana. Ary hampiana mofo mamy misy lalivay, ny fanatitra izay haterina miaraka amin' ny sorom-pisaorana hanaovana sorom-pihavanana. On ajoutera donc cette offrande aux gâteaux de pain fermenté et au sacrifice de communion avec louange.
Lev 7:14 And of it he shall offer one out of the whole oblation for an heave offering unto the Lord, and it shall be the priest' s that sprinkleth the blood of the peace offerings. Ary hangalany iray avy ny isam-panatitra ho fanatitra asandratra ho an' i Jehovah; ho an' ilay mpisorona manopy ny ran' ny fanati-pihavanana izany. Dia samy hanolorana anankiray avy ireo fanatitra ireo natokana ho an' ny Tompo, dia ho an' ny mpisorona izay hamafy ny ràn' ny sorom-pihavanana izany. On présentera l' un des gâteaux de cette offrande à titre de prélèvement pour Yahvé ; il reviendra au prêtre qui aura fait couler le sang du sacrifice de communion.
Lev 7:15 And the flesh of the sacrifice of his peace offerings for thanksgiving shall be eaten the same day that it is offered; he shall not leave any of it until the morning. Ary ny henan' ny fanati-pihavanana izay ataony ho fanati-pisaorana dia hohanina amin' ny andro anaterana azy; tsy hisy havela ho tra-maraina. Amin' ny andro anaterana azy ihany no ihinanana ny henan' ny sorom-pisaorana amin' ny sorom-pihavanana, fa tsy avela hisy tra-maraina. La chair de la victime sera mangée le jour même où sera faite l' offrande, sans en rien laisser jusqu' au lendemain matin.
Lev 7:16 But if the sacrifice of his offering be a vow, or a voluntary offering, it shall be eaten the same day that he offereth his sacrifice: and on the morrow also the remainder of it shall be eaten: Fa raha fanati-panalamboady na fanati-tsitrapo kosa no ateriny, dia amin' ny andro anaterany ny fanatiny no hihinanana azy, ary ampitson' iny no hihinanana izay ambiny. Raha sorona aterina ho fanalam-boady na ho fanatitra an-tsitra-po dia hohanina amin' ny andro hanaterana azy ny sorona, ary izay sisa tavela dia hohanina ny ampitso; Si la victime est offerte à titre de sacrifice votif ou volontaire, elle sera mangée le jour où on l' offrira ainsi que le lendemain,
Lev 7:17 But the remainder of the flesh of the sacrifice on the third day shall be burnt with fire. Fa ny sisa amin' ny henan' ny fanatitra dia hodorana amin' ny afo amin' ny andro fahatelo. izay henan-tsorona tavela hatramin' ny andro fahatelo, dia hodorana amin' ny afo. mais on jettera au feu le troisième jour ce qui resterait de la chair de la victime.
Lev 7:18 And if any of the flesh of the sacrifice of his peace offerings be eaten at all on the third day, it shall not be accepted, neither shall it be imputed unto him that offereth it: it shall be an abomination, and the soul that eateth of it shall bear his iniquity. Ary raha tahìny hihinanana amin' ny andro fahatelo ny henan' ny fanati-pihavanana, na dia kely aza, dia tsy horaisina na hisaina ho an' izay manatitra azy izany, fa fahavetavetana; ary ny olona izay mihinana amin' izany dia ho meloka. Raha misy olona mihinana amin' ny andro fahatelo ny hena avy amin' ny sorom-pihavanana nateriny, dia tsy hankasitrahana ny sorona nateriny, tsy ho isaina ho azy nanatitra, ho fahavetavetana izany; ary izay rehetra nihinana amin' izany dia hivesatra ny otany. S' il arrive qu' au troisième jour on mange de la chair offerte en sacrifice de communion, celui qui l' aura offerte ne sera pas agréé. Il ne lui en sera pas tenu compte, c' est de la viande avariée et la personne qui en mangera portera le poids de sa faute.
Lev 7:19 And the flesh that toucheth any unclean thing shall not be eaten; it shall be burnt with fire: and as for the flesh, all that be clean shall eat thereof. Ary na ny hena izay mikasika zava-maloto aza dia tsy hohanina, fa hodorana amin' ny afo; ary ny amin' ny hena, dia izay madio rehetra no mahazo mihinana azy; Tsy fihinana ny hena mikasi-java-maloto, fa hodorana amin' ny afo. Fa ny henan' ny sorom-pihavanana, samy mahazo mihinana amin' izany izay olona madio rehetra. La chair qui aura touché quoi que ce soit d' impur ne pourra être mangée, on la jettera au feu. Quiconque est pur pourra manger de la chair,
Lev 7:20 But the soul that eateth of the flesh of the sacrifice of peace offerings, that pertain unto the Lord, having his uncleanness upon him, even that soul shall be cut off from his people. fa ny olona izay misy fahalotoana, nefa mihinana hena avy amin' ny fanati-pihavanana, izay an' i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. Fa izay ao anatin' ny fahalotoana kosa, raha mihinana amin' ny hena avy amin' ny sorom-pihavanana, izay an' ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin' ny fireneny. mais si quelqu' un se trouve en état d' impureté et mange de la chair d' un sacrifice de communion offert à Yahvé, celui-là sera retranché de sa race.
Lev 7:21 Moreover the soul that shall touch any unclean thing, as the uncleanness of man, or any unclean beast, or any abominable unclean thing, and eat of the flesh of the sacrifice of peace offerings, which pertain unto the Lord, even that soul shall be cut off from his people. Ary ny olona izay mikasika zava-maloto, na fahalotoan' olona, na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto, ka mihinana amin' ny henan' ny fanati-pihavanana izay an' i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. Ary izay nikasi-java-maloto, na loton' olona na biby maloto, na izay zava-betaveta maloto; raha mihinana amin' ny henan' ny sorom-pihavanana, izay an' ny Tompo, dia hofongorana tsy ho eo amin' ny fireneny izany olona izany. Si quelqu' un touche à une impureté quelconque, d' homme, d' animal ou d' une chose immonde quelle qu' elle soit, et mange ensuite la chair d' un sacrifice de communion offert à Yahvé, celui-là sera retranché de sa race.
Lev 7:22 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 7:23 Speak unto the children of Israel, saying, Ye shall eat no manner of fat, of ox, or of sheep, or of goat. Mitenana amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Aza mihinana sabora akory ianareo, na ny an' ny omby, na ny an' ny ondry, nany an' ny osy. Mitenena amin' ny zanak' i Israely, ka izao no lazao azy: Aza mihinana saboran' omby, na ondry, na osy, hianareo. Parle aux Israélites, dis-leur : Vous ne mangerez pas de graisse de taureau, de mouton ou de chèvre.
Lev 7:24 And the fat of the beast that dieth of itself, and the fat of that which is torn with beasts, may be used in any other use: but ye shall in no wise eat of it. Ary ny saboran' ny biby izay maty ho azy sy ny saboran' izay noviraviraim-biby dila azo atao amin' ny zavatra hafa ihany, fa aza mihinana azy ianareo. Ny saboram-biby maty ho azy na voaviravira, dia azo anaovan-javatra hafa ihany, fa tsy azonareo hanina velively. La graisse d' une bête morte ou déchirée pourra servir à tout usage, mais vous n' en mangerez point.
Lev 7:25 For whosoever eateth the fat of the beast, of which men offer an offering made by fire unto the Lord, even the soul that eateth it shall be cut off from his people. Fa izay rehetra mihinana saboran' ny biby fiompy, izay fanao fanatitra, atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. Fa na zovy na zovy mihinana saboram-biby izay aterina amin' ny Tompo hatao sorona amin' ny afo, dia hofongorana amin' ny fireneny. Quiconque en effet mange la graisse d' un animal dont on offre un mets à Yahvé, celui-là sera retranché de sa race.
Lev 7:26 Moreover ye shall eat no manner of blood, whether it be of fowl or of beast, in any of your dwellings. Ary aza mihinana rà eny amin' izay rehetra itoeranareo, na ny an' ny vorona, na ny an' ny biby fiompy. Aza mihinana ràm-borona, na ràm-biby efa-tongotra, na aiza na aiza hitoeranareo. Où que vous habitiez, vous ne mangerez pas de sang, qu' il s' agisse d' oiseau ou d' animal.
Lev 7:27 Whatsoever soul it be that eateth any manner of blood, even that soul shall be cut off from his people. Izay rehetra mihinana rà dia hofongorana tsy ho amin' ny fireneny. Izay mihinan-drà, na ràn' inona na ràn' inona, dia hofongorana amin' ny fireneny. Quiconque mange du sang, quel qu' il soit, celui-là sera retranché de sa race.
Lev 7:28 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 7:29 Speak unto the children of Israel, saying, He that offereth the sacrifice of his peace offerings unto the Lord shall bring his oblation unto the Lord of the sacrifice of his peace offerings. Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Izay manatitra ny fanati-pihavanany ho an' i Jehovah dia hitondra ny fanatiny ho an' i Jehovah avy amin' ny fanati-pihavanany. Mitenena amin' ny zanak' Israely ka lazao hoe: Izay hanatitra sorom-pihavanana ho an' ny Tompo dia hitondra amin' ny Tompo fanatitra navahana amin' io sorom-pihavanana io. Parle aux Israélites, dis-leur : Celui qui offrira un sacrifice de communion à Yahvé lui apportera pour offrande une part de son sacrifice.
Lev 7:30 His own hands shall bring the offerings of the Lord made by fire, the fat with the breast, it shall he bring, that the breast may be waved for a wave offering before the Lord. Ny tànany ihany no hitondra ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah; ny saborany mbamin' ny tratrany no ho entiny, ka ny tratrany dia hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah. Hitondra ao an-tànany izay tsy maintsy haterina atao amin' ny afo, ho an' ny Tompo, izy, dia hitondra ny sabora mbamin' ny tratrany, ka ny tratrany hahevaheva eo anatrehan' ny Tompo; Il apportera de ses propres mains le mets de Yahvé, c' est-à-dire la graisse qui adhère à la poitrine. Il l' apportera ainsi que la poitrine avec laquelle il doit faire le geste de présentation devant Yahvé.
Lev 7:31 And the priest shall burn the fat upon the altar: but the breast shall be Aaron' s and his sons'. Ary hodoran' ny mpisorona ho fofona eo ambonin' ny alitara ny saborany; fa ny tratrany kosa dia ho an' i Arona sy ireo zanany. ny sabora hodoran' ny mpisorona hanetona eo ambonin' ny otely; ary ny tratrany dia ho an' i Aarona mbamin' ny zanany. Le prêtre fera fumer la graisse à l' autel et la poitrine reviendra à Aaron et à ses fils.
Lev 7:32 And the right shoulder shall ye give unto the priest for an heave offering of the sacrifices of your peace offerings. Ary ny soroka ankavanana dia homenareo ny mpisorona ho fanatitra asandratra avy amin' ny fanati-pihavananareo. Omeo ny mpisorona koa ny feny ankavanana, ho fanatitra nalaina avy amin' ny sorom-pihavananareo. A titre de prélèvement sur vos sacrifices de communion, vous donnerez au prêtre la cuisse droite.
Lev 7:33 He among the sons of Aaron, that offereth the blood of the peace offerings, and the fat, shall have the right shoulder for his part. Ny anankiray amin' ny zanak' i Arona izay manatitra ny ran' ny fanati-pihavanana sy ny saborany no hanana ny soroka ankavanana ho anjarany. Ny feny ankavanana dia ho anjaran' izay iray amin' ireo zanak' i Aarona hanolotra ny rà aman-tsaboran' ny sorom-pihavanana. Cette cuisse droite sera la part de celui des fils d' Aaron qui aura offert le sang et la graisse du sacrifice de communion.
Lev 7:34 For the wave breast and the heave shoulder have I taken of the children of Israel from off the sacrifices of their peace offerings, and have given them unto Aaron the priest and unto his sons by a statute for ever from among the children of Israel. Fa ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandrata dia efa nalaiko tamin' ny Zanak' Isiraely avy amin' ny fanati-pihavanany, ary nomeko ho an' i Arona mpisorona sy ny zanany, ho anjarany mandrakizay avy amin' ny Zanak' Isiraely. Fa efa natokako avy amin' ny sorom-pihavanan' ny zanak' Israely, ny tratrany ahevaheva, sy ny sorona avahana, ka atolotro ho an' i Aarona sy ny zanany ho anjara asain-kaloan' ny zanak' Israely ho azy hatrany hatrany. Je retiens en effet aux Israélites sur leurs sacrifices de communion la poitrine à offrir et la cuisse à prélever ; je les donne à Aaron le prêtre, et à ses fils : c' est une loi perpétuelle pour les Israélites.
Lev 7:35 This is the portion of the anointing of Aaron, and of the anointing of his sons, out of the offerings of the Lord made by fire, in the day when he presented them to minister unto the Lord in the priest' s office; Izany no anjaran' i Arona sy ny zanany avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, amin' ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an' i Jehovah, Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana, Telle fut la part d' Aaron sur les mets consumés de Yahvé et celle de ses fils, le jour où il les présenta à Yahvé pour qu' ils soient ses prêtres.
Lev 7:36 Which the Lord commanded to be given them of the children of Israel, in the day that he anointed them, by a statute for ever throughout their generations. dia izay nandidian' i Jehovah homena azy avy amin' ny Zanak' Isiraely amin' ilay andro anosorana azy, ho anjarany mandrakizay amin' ny taranany hatramin' ny fara mandimby. Izany no nasain' ny Tompo homen' ny zanak' Israely azy ireo, hatramin' ny andro nanosorana azy, ka tsy maintsy haloa tsy tapaka hatrany amin' ny taranany. C' est ce que Yahvé ordonne aux Israélites de leur donner le jour de leur onction : loi perpétuelle pour tous leurs descendants.
Lev 7:37 This is the law of the burnt offering, of the meat offering, and of the sin offering, and of the trespass offering, and of the consecrations, and of the sacrifice of the peace offerings; Izany no lalàna ny amin' ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota sy ny fanati-panonerana sy ny fanati-panokanana ary ny fanati-pihavanana, Izany no lalàna momba ny sorona dorana, ny fanatitra, ny sorona noho ny ota, ny sorona fanonerana, ny fanokanana, ary ny sorom-pihavanana, Tel est le rituel concernant l' holocauste, l' oblation, le sacrifice pour le péché, les sacrifices de réparation, d' investiture et de communion.
Lev 7:38 Which the Lord commanded Moses in mount Sinai, in the day that he commanded the children of Israel to offer their oblations unto the Lord, in the wilderness of Sinai. izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy tao amin' ny tendrombohitra Sinay, tamin' ny andro izay nandidiany ny Zanak' Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an' i Jehovah, tany an-efitr' i Sinay. izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin' ny andro nandidiany ny zanak' Israely hanatitra ny fanatiny amin' ny Tompo tany an' efitra Sinaia. C' est ce que Yahvé à ordonné à Moïse sur le mont Sinaï le jour où il ordonna aux Israélites de présenter leurs offrandes à Yahvé dans le désert du Sinaï.

<-
->