<-
->

Jer / Jr 11:1 The word that came to Jeremiah from the Lord saying, Izao no teny tonga tamin' i Jeremia avy tamin' i Jehovah: Ny teny avy amin' ny Tompo natao tamin' i Jeremia toy izao: Parole qui fut adressée à Jérémie de la part de Yahvé
Jer / Jr 11:2 Hear ye the words of this covenant, and speak unto the men of Judah, and to the inhabitants of Jerusalem; Mihainoa ny tenin' izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin' ny Joda sy amin' ny mponina any Jerosalema, Mihainoa ny teny amin' izao fanekena izao, hianareo; ary mitenena amin' ny olona any Jodà, sy amin' ny mponina ao Jerosalema, Ecoutez les paroles de cette alliance; vous les direz aux hommes de Juda et aux habitants de Jérusalem.
Jer / Jr 11:3 And say thou unto them, Thus saith the Lord God of Israel; Cursed be the man that obeyeth not the words of this covenant, Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin' izao fanekena izao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitr' Israely: Ho voaozona ny olona tsy mihaino ny tenin' ity fanekena ity, Tu leur diras : Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël. Maudit soit l' homme qui n'écoute pas les paroles de cette alliance
Jer / Jr 11:4 Which I commanded your fathers in the day that I brought them forth out of the land of Egypt, from the iron furnace, saying, Obey my voice, and do them, according to all which I command you: so shall ye be my people, and I will be your God: Izay nandidiako ny razanareo tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, dia avy tao amin' ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, izay nandidiako ny razanareo, tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, avy any amin' ny memim-by, nanaovako taminy hoe: Henoy ny feoko ary ataovy izany zavatra izany, araka izay rehetra andidiako anareo, dia hianareo ho oloko, ary izaho ho Andriamanitrareo; que j' ai prescrite à vos pères le jour où je les tirai du pays d' Egypte, de cette fournaise pour le fer. Je leur dis : Ecoutez ma voix et conformez-vous à tout ce que je vous ordonne; alors vous serez mon peuple et moi je serai votre Dieu,
Jer / Jr 11:5 That I may perform the oath which I have sworn unto your fathers, to give them a land flowing with milk and honey, as it is this day. Then answered I, and said, So be it, O Lord. Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin' ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin' izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô! mba hanatanterahako ny fianianana, nataoko tamin' ny razanareo, dia ny hanomezako azy tany tondra-dronono sy tantely, araka izao hita anio izao. Ary izao no navaliko: Eny! Ry Iaveh ô! pour accomplir le serment que j' ai fait à vos pères, de leur donner une terre qui ruisselle de lait et de miel, comme c' est le cas aujourd' hui même. Et je répondis : Amen, Yahvé!
Jer / Jr 11:6 Then the Lord said unto me, Proclaim all these words in the cities of Judah, and in the streets of Jerusalem, saying, Hear ye the words of this covenant, and do them. Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan' ny Joda sy any an-dalamben' i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin' izao fanekena izao, ka ankatoavy izy. Dia hoy Iaveh tamiko: Torio any an-tanànan' i Jodà sy eny an-dàlamben' i Jerosalema izany teny rehetra izany ka ataovy hoe: Henoy ny teny amin' ity fanekena ity, ka tanteraho amin' ny asa izany. Et Yahvé me dit : Dans les villes de Juda et les rues de Jérusalem, proclame toutes ces paroles en disant : Ecoutez les paroles de cette alliance et observez-les.
Jer / Jr 11:7 For I earnestly protested unto your fathers in the day that I brought them up out of the land of Egypt, even unto this day, rising early and protesting, saying, Obey my voice. Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko. Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin' ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin' ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo aho nanao hoe: Henoy ny feoko! Car j' ai instamment averti vos pères, quand je les fis monter du pays d' Egypte, et jusqu' aujourd' hui même, sans me lasser je les ai avertis en disant : Ecoutez ma voix!
Jer / Jr 11:8 Yet they obeyed not, nor inclined their ear, but walked every one in the imagination of their evil heart: therefore I will bring upon them all the words of this covenant, which I commanded them to do: but they did them not. Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin' ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin' izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony. Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran' ny fo ratsiny; ka dia notanterahako taminy ny teny rehetra amin' ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany. Or on n' a pas écouté ni prêté l' oreille; chacun a suivi l' obstination de son coeur mauvais. Alors j' ai accompli contre eux toutes les paroles de cette alliance, que je leur avais ordonné d' observer et qu' ils n' ont pas observées.
Jer / Jr 11:9 And the Lord said unto me, A conspiracy is found among the men of Judah, and among the inhabitants of Jerusalem. Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin' ny Joda sy amin' ny mponina any Jerosalema. Hoy Iaveh tamiko: Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin' ny olon' i Jodà, sy amin' ny mponin' i Jerosalema. Yahvé me dit : On s' est vraiment donné le mot chez les gens de Juda et chez les habitants de Jérusalem!
Jer / Jr 11:10 They are turned back to the iniquities of their forefathers, which refused to hear my words; and they went after other gods to serve them: the house of Israel and the house of Judah have broken my covenant which I made with their fathers. Fa izy niverina nankamin' ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin' ny razany. Fa izy ireo niverina ho amin' ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin' ny razany, ny taranak' Israely sy ny taranak' i Jodà. Ils sont retournés aux fautes de leurs pères qui refusèrent d'écouter mes paroles : les voilà, eux aussi, à la suite d' autres dieux pour les servir. La maison d' Israël et la maison de Juda ont rompu mon alliance que j' avais conclue avec leurs pères.
Jer / Jr 11:11 Therefore thus saith the Lord, Behold, I will bring evil upon them, which they shall not be able to escape; and though they shall cry unto me, I will not hearken unto them. Koa izao no lazain' i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho. Noho izany, izao no lazain' ny Tompo: Indro aho hahatonga loza aminy, tsy ho azony idifiana. Ka na hitaraina amiko aza izy, tsy ho henoiko akory. C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé : Voici, je vais leur amener un malheur auquel ils ne pourront échapper; ils crieront vers moi et je ne les écouterai pas.
Jer / Jr 11:12 Then shall the cities of Judah and inhabitants of Jerusalem go, and cry unto the gods unto whom they offer incense: but they shall not save them at all in the time of their trouble. Dia handeha ny tanànan' ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin' ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin' ny andro fahoriany. Dia hiainga ny tanànan' i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema hiantso an' ireo andriamanitra anaterany emboka manitra; nefa ireo andriamanitra ireo tena tsy hahavonjy azy akory, amin' ny andron' ny fahoriany. Alors les villes de Juda et les habitants de Jérusalem iront crier vers les dieux qu' ils encensent, mais ces dieux ne pourront absolument pas les sauver au temps de leur malheur!
Jer / Jr 11:13 For according to the number of thy cities were thy gods, O Judah; and according to the number of the streets of Jerusalem have ye set up altars to that shameful thing, even altars to burn incense unto Baal. Fa araka ny isan' ny tanànanao, ry Joda, no isan' ny andriamanitrao, Ary araka ny isan' ny lalamben' i Jerosalema no isan' ny alitara naorinareo ho an' ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an' i Bala. Fa araka ny isan' ny tanànanao, no isan' ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan' ny làlambe ao Jerosalema, no isan' ny otely natsanganareo ho an' ilay sampy maha-afabaraka, dia ireo otely anaterana emboka manitra ho an' i Baala. Car aussi nombreux que tes villes, sont tes dieux, ô Juda! Et autant Jérusalem a de rues, autant vous avez érigé d' autels pour la Honte, des autels qui fument pour Baal!
Jer / Jr 11:14 Therefore pray not thou for this people, neither lift up a cry or prayer for them: for I will not hear them in the time that they cry unto me for their trouble. Koa aza mivavaka ho an' ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin' ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho. Ary hianao, aza mifona ho an' ity firenena ity, na manandra-pitarainana amam-bavaka ho azy; fa tsy hihaino azy akory aho, raha avy izay hitarainany amiko, amin' ny andron' ny fahoriany. Quant à toi, n' intercède pas pour ce peuple-là, n'élève en leur faveur ni plainte ni prière. Car je ne veux pas écouter, quand ils crieront vers moi à cause de leur malheur!
Jer / Jr 11:15 What hath my beloved to do in mine house, seeing she hath wrought lewdness with many, and the holy flesh is passed from thee? when thou doest evil, then thou rejoicest. Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin' ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary! Inona no hataon' ny malalako ao an-tranoko? Fihatsaram-belatsihy va? Moa va ny voady aman-kena masina, hahafaka anao amin' ny loza manindry anao, no mety mirobiroby amin' ny firavoravoana hianao? Que vient faire en ma Maison ma bien-aimée? Elle a accompli ses mauvais desseins. Est-ce que les voeux et la viande sacrée te débarrasseront de ton mal, pour que tu puisses exulter?
Jer / Jr 11:16 The Lord called thy name, A green olive tree, fair, and of goodly fruit: with the noise of a great tumult he hath kindled fire upon it, and the branches of it are broken. Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon' i Jehovah anaranao; Tamin' ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany. Fototr' oliva maitso tsara, miravaka voa tsara tarehy, no anarana nomen' ny Tompo anao. Ary tamin' ny horakoraka be, no nandrehetrany afo taminy, ka tapaka ny rantsany. "Olivier verdoyant orné de fruits superbes", ainsi Yahvé t' avait nommée. Avec un bruit fracassant il y a mis le feu, ses rameaux sont atteints.
Jer / Jr 11:17 For the Lord of hosts, that planted thee, hath pronounced evil against thee, for the evil of the house of Israel and of the house of Judah, which they have done against themselves to provoke me to anger in offering incense unto Baal. Fa Jehovah, Tompon' ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon' ny taranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin' ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an' i Bala. Iavehn' ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjo anao. Noho ny ratsy nataon' ny taranak' Israely sy ny taranak' i Jodà, izay nataony hihantsy ny hatezerako, tamin' ny fanaterana emboka manitra ho an' i Baala. Et Yahvé Sabaot qui t' avait plantée a décrété contre toi le malheur à cause du mal que se sont fait la maison d' Israël et la maison de Juda en m' irritant, en encensant Baal.
Jer / Jr 11:18 And the Lord hath given me knowledge of it, and I know it: then thou shewedst me their doings. Ary nampahafantarin' i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin' izany dia nasehonao ahy ny fanaony. Nampahalalain' ny Tompo aho, ka nahalala; ... nampahafantarinao ahy tamin' izay ny ataon' izy ireo! Yahvé me l' a fait savoir et je l' ai su; tu m' as alors montré leurs agissements.
Jer / Jr 11:19 But I was like a lamb or an ox that is brought to the slaughter; and I knew not that they had devised devices against me, saying, Let us destroy the tree with the fruit thereof, and let us cut him off from the land of the living, that his name may be no more remembered. Fa izaho dia tahaka ny zanak' ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin' ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin' ny tanin' ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany. Izaho, tamin' izany, hoatra ny zanak' ondry bonaika entin' ny olona hovonoina, ka tsy nahalala ny tetika nataony hamelezana ahy hoe: Fongory mbamin' ny voany ny hazo! Esory eo amin' ny tanin' ny velona izy, ary aoka tsy ho tsaroana intsony ny anarany! Et moi, comme un agneau confiant qu' on mène à l' abattoir, j' ignorais qu' ils tramaient contre moi des machinations "Détruisons l' arbre dans sa vigueur, arrachons-le de la terre des vivants, qu' on ne se souvienne plus de son nom!"
Jer / Jr 11:20 But, O Lord of hosts, that judgest righteously, that triest the reins and the heart, let me see thy vengeance on them: for unto thee have I revealed my cause. Nefa, ry Jehovah, Tompon' ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko. Mitsara ara-drariny anefa Iavehn' ny tafika; mamantatra ny voa sy ny fo izy. Ka hahita ny famalianao azy ireo aho, fa hianao no efa nanankinako ny adiko. Yahvé Sabaot, qui juges avec justice, qui scrutes les reins et les coeurs, je verrai ta vengeance contre eux, car c' est à toi que j' ai exposé ma cause.
Jer / Jr 11:21 Therefore thus saith the Lord of the men of Anathoth, that seek thy life, saying, Prophesy not in the name of the Lord, that thou die not by our hand: Koa izao no lazain' i Jehovah ny amin' ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin' ny anaran' i Jehovah, fandrao matin' ny tananay ianao, Ka dia izao no lazain' ny Tompo, ny amin' ireo olona ao Anatota, izay mitady ny ainao, sy manao hoe: Aza maminany amin' ny anaran' ny Tompo, raha tsy te ho fatin' ny tànanay hianao! C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé Sabaot contre les gens d' Anatot qui en veulent à ma vie et qui me disent : "Tu ne prophétiseras pas au nom de Yahvé, sinon tu mourras de notre main"
Jer / Jr 11:22 Therefore thus saith the Lord of hosts, Behold, I will punish them: the young men shall die by the sword; their sons and their daughters shall die by famine: izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary; Noho izany, izao no lazain' ny Tompon' ny tafika: Indro aho hamay azy ireo, ny zatovo, ho fatin' ny sabatra; ny zanany lahy aman-janany vavy, ho faty mosary; ary tsy hisy miangana aminy; c' est pourquoi, ainsi parle Yahvé : Voici que je vais les visiter. Leurs jeunes gens mourront par l'épée, leurs fils et leurs filles par la famine.
Jer / Jr 11:23 And there shall be no remnant of them: for I will bring evil upon the men of Anathoth, even the year of their visitation. Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin' ny mponina ao Anatota Aho amin' ny taona hamaliana azy. fa hahatonga loza amin' ny olona ao Anatota aho, amin' ny taona hamangiako azy. Il n' en restera aucun quand j' amènerai le malheur sur les gens d' Anatot, l' année de leur châtiment.

<-
->