<-
->

Jer / Jr 32:1 The word that came to Jeremiah from the Lord in the tenth year of Zedekiah king of Judah, which was the eighteenth year of Nebuchadrezzar. Izao no teny tonga tamin' i Jeremia avy tamin' i Jehovah tamin' ny taona fahafolo nanjakan' i Zedekia, mpanjakan' ny Joda, dia ny taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Nebokadnezara. Teny avy amin' ny Tompo tamin' i Jeremia, tamin' ny taona fahafolo nanjakan' i Sedesiasa mpanjakan' i Jodà. Taona fahavalo ambin' ny folo nanjakan' i Nabokodonozora kosa izany. Parole qui fut adressée à Jérémie de la part de Yahvé, dans la dixième année de Sédécias, roi de Juda, c' est-à-dire la dix-huitième année de Nabuchodonosor.
Jer / Jr 32:2 For then the king of Babylon' s army besieged Jerusalem: and Jeremiah the prophet was shut up in the court of the prison, which was in the king of Judah' s house. Fa tamin' izany no nanaovan' ny miaramilan' ny mpanjakan' i Babylona fahirano an' i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany nambenana teo an-kianjan' ny trano fiambenana, izay teo amin' ny tranon' ny mpanjakan' ny Joda. Tamin' izany, ny tafiky ny mpanjakan' i Babilona, nanao fahirano an' i Jerosalema; ary Jeremia mpaminany, nafahy tao amin' ny kianjan' ny fiambenana, tao amin' ny tranon' ny mpanjakan' i Jodà. L' armée du roi de Babylone assiégeait alors Jérusalem, et le prophète Jérémie se trouvait enfermé dans la cour de garde, au palais du roi de Juda,
Jer / Jr 32:3 For Zedekiah king of Judah had shut him up, saying, Wherefore dost thou prophesy, and say, Thus saith the Lord, Behold, I will give this city into the hand of the king of Babylon, and he shall take it; Fa Zedekia, mpanjakan' ny Joda, nampiambina azy ka nanao hoe: Nahoana ianao no maminany hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Indro, hatolotro eo an-tànan' ny mpanjakan' i Babylona ity tanàna ity, ka ho afany; Fa nasain' i Sedesiasa mpanjakan' i Jodà notànana izy, nataony hoe; Nahoana hianao no maminany manao hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Indro hatolotro ny mpanjakan' i Babilona ity tanàna ity, ka ho azony; Sédécias, roi de Juda, l' avait fait enfermer en lui disant "Pourquoi prophétises-tu en ces termes : Ainsi parle Yahvé. Voici, je vais livrer cette ville aux mains du roi de Babylone pour qu' il la prenne;
Jer / Jr 32:4 And Zedekiah king of Judah shall not escape out of the hand of the Chaldeans, but shall surely be delivered into the hand of the king of Babylon, and shall speak with him mouth to mouth, and his eyes shall behold his eyes; ary Zedekia, mpanjakan' ny Joda, dia tsy ho afa-mandositra ny tanan' ny Kaldeana, fa hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Babylona tokoa izy, ary hiteny aminy mifanatrika izy sady hifankahita maso aminy; ary Sedesiasa mpanjakan' i Jodà tsy ho afaka eo an-tànan' ny Kaldeana, fa hatolotra mihitsy eo an-tànan' ny mpanjakan' i Babilona, ka hiteny aminy mifanatrika, sy hifankahita maso aminy. Sédécias, roi de Juda, n'échappera pas au pouvoir des Chaldéens, mais sûrement il sera livré aux mains du roi de Babylone et pourra l' entretenir face à face et le regarder les yeux dans les yeux;
Jer / Jr 32:5 And he shall lead Zedekiah to Babylon, and there shall he be until I visit him, saith the Lord: though ye fight with the Chaldeans, ye shall not prosper. ary ho any Babylona no hitondrana an' i Zedekia, ka ho any izy ambara-pamangiko azy, hoy Jehovah; na dia miady amin' ny Kaldeana aza ianareo, dia tsy hambinina. Dia hoentina any Babilona Sedesiasa, ary hitoetra any, mandra-pamangiko azy, - teny marin' ny Tompo. Raha miady amin' ny Kaldeana hianareo, tsy hahomby tsy akory. à Babylone il emmènera Sédécias qui y restera jusqu'à ce que je le visite, oracle de Yahvé. Si vous combattez les Chaldéens, vous ne réussirez pas" .
Jer / Jr 32:6 And Jeremiah said, The word of the Lord came unto me, saying, Ary hoy Jeremia: Tonga tamiko ny tenin' i Jehovah hoe: Ary hoy Jeremia: Ny tenin' ny Tompo tonga tamiko nanao hoe: Or Jérémie dit : La parole de Yahvé m' a été adressée en ces termes
Jer / Jr 32:7 Behold, Hanameel the son of Shallum thine uncle shall come unto thee saying, Buy thee my field that is in Anathoth: for the right of redemption is thine to buy it. Indro Hanamela, zanak' i Saloma, rahalahin-drainao, ho avy eto aminao hanao hoe: Vidionao ny sahako izay ao Anatota, fa ianao no havana akaiky tokony hanavotra azy. Indro ho avy atý aminao Hananeela zanak' i Seloma rahalahin-drainao, hanao hoe: Vidio ny sahako ao Anatota, fa manana ny rariny hanavotanao azy hianao, ka azonao vidina. Voici, Hanaméel, fils de ton oncle Shallum, va venir te trouver pour te dire : "Achète mon champ d' Anatot car tu as droit de rachat pour l' acquérir."
Jer / Jr 32:8 So Hanameel mine uncle' s son came to me in the court of the prison according to the word of the Lord, and said unto me, Buy my field, I pray thee, that is in Anathoth, which is in the country of Benjamin: for the right of inheritance is thine, and the redemption is thine; buy it for thyself. Then I knew that this was the word of the Lord. Ary Hanamela, zana-drahalahin' ikaky, dia tonga tamiko teo an-kianjan' ny trano fiambenana araka ny tenin' i Jehovah, ka hoy izy tamiko: Masìna ianao, vidio ny sahako izay ao Anatota, dia ilay ao amin' ny tanin' ny Benjamina, fa ianao no havana akaiky tokony handova sy hanavotra azy, vidio re ho anao. Ka dia fantatro fa tenin' i Jehovah izany. Dia tonga tatý amiko tokoa tao amin' ny kianja fiambenana araka ny tenin' ny Tompo, Hananeela zana-drahalahin-draiko, ka nanao tamiko hoe: Mba vidio ny sahako ao Anatota, amin' ny faritanin' i Benjamina, fa manana ny rariny handovanao sy hanavotanao azy hianao, ka mba vidio àry. Fantatro tamin' izany fa tenin' ny Tompo izany. Mon cousin Hanaméel vint me trouver selon la parole de Yahvé, dans la cour de garde, et il me dit : "Achète donc mon champ d' Anatot, au pays de Benjamin, car tu as droit d' héritage et droit de rachat, achète-le." Je reconnus alors que c'était un ordre de Yahvé.
Jer / Jr 32:9 And I bought the field of Hanameel my uncle' s son, that was in Anathoth, and weighed him the money, even seventeen shekels of silver. Ary novidiko tamin' i Hanamela, zana-drahalahin' ikaky, ny saha izay tao Anatota, ary nolanjaiko ny vola, dia sekely volafotsy fito ambin' ny folo. Ka novidiko tamin' i Hananeela zana-drahalahin-draiko, ilay saha ao Anatota, ary nolanjaiko ny vola ho azy, sikla volafotsy fito ambin' ny folo. J' achetai donc ce champ à mon cousin Hanaméel d' Anatot et lui pesai l' argent : dix-sept sicles d' argent.
Jer / Jr 32:10 And I subscribed the evidence, and sealed it, and took witnesses, and weighed him the money in the balances. Ary nosoratako tamin' ny taratasy izany ka nasiako tombo-kase sady nasiako vavolombelona, ary nolanjaiko tamin' ny mizana ny vola. Dia nosoratako ny fanekena sady nasiako tombo-kase, sy nangalako vavolombelona, vao nolanjaiko tamin' ny mizàna ny vola. Je rédigeai l' acte et le scellai, je pris des témoins et je pesai l' argent avec une balance.
Jer / Jr 32:11 So I took the evidence of the purchase, both that which was sealed according to the law and custom, and that which was open: Ka dia noraisiko ny taratasy nisy ny fanekena tamin' ny vidin-tany, dia ilay voaisy tombo-kase araka ny lalàna sy ny fanao, mbamin' ny taratasy mivelatra koa; Manaraka izany, nalaiko ny fanekem-pividianana, dia ilay anankiray efa voaisy tombo-kase, ilay misy ny famarafarana sy ny fepetra, sy ilay anankiray mivelatra koa. Puis je pris l' acte d' acquisition, son exemplaire scellé avec les stipulations et les clauses et son exemplaire ouvert,
Jer / Jr 32:12 And I gave the evidence of the purchase unto Baruch the son of Neriah, the son of Maaseiah, in the sight of Hanameel mine uncle' s son, and in the presence of the witnesses that subscribed the book of the purchase, before all the Jews that sat in the court of the prison. dia natolotro an' i Baroka, zanak' i Neria, zanak' i Mahaseia, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin' ny vidin-tany, teo imason' i Hanamela, zana-drahalahin' ikaky, sy teo anatrehan' ny vavolombelona izay nanao sonia tamin' ny taratasy nisy ny fanekena tamin' ny vidin-tany, dia teo anatrehan' ny Jiosy rehetra izay nipetraka teo an-kianjan' ny trano fiambenana. Dia natolotro an' i Baròka, zanak' i Nerià, zanak' i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan' i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan' ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pividianana sy teo anatrehan' ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan' ny fiambenana. et je remis l' acte d' acquisition à Baruch, fils de Nériyya, fils de Mahséya, en présence de mon cousin Hanaméel et des témoins signataires de l' acte d' acquisition, et en présence de tous les Judéens qui se trouvaient dans la cour de garde.
Jer / Jr 32:13 And I charged Baruch before them, saying, Ary nandidy an' i Baroka teo anatrehan' ireo aho nanao hoe: Ary izao no didy nomeko an' i Baròka, teo anatrehan' ireo: Devant eux, je donnai cet ordre à Baruch
Jer / Jr 32:14 Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Take these evidences, this evidence of the purchase, both which is sealed, and this evidence which is open; and put them in an earthen vessel, that they may continue many days. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ento ireto taratasy ireto, dia ireto taratasy misy ny fanekena amin' ny vidin-tany, dia ilay misy tombo-kase, mbamin' ny taratasy mivelatra, ary ataovy ao anaty vilany tany izy mba haharitra ela. Izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Raiso ireto fanekena ireto, dia ity fanekem-pividianana voaisy tombo-kase, sy ity fanekena mivelatra koa, ka ataovy ao anaty siny tany mba haharitra ela. "Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Prends ces documents, cet acte d' acquisition, l' exemplaire scellé comme la copie ouverte, et mets-les dans un vase de terre de façon qu' ils se conservent longtemps.
Jer / Jr 32:15 For thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Houses and fields and vineyards shall be possessed again in this land. Fa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola hisy trano sy saha ary tanim-boaloboka hovidina indray eto amin' ity tany ity. Fa izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Mbola hividy trano sy saha ary tanim-boaloboka amin' ity tany ity ny olona. Car ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël : On achètera encore des maisons, des champs et des vignes en ce pays."
Jer / Jr 32:16 Now when I had delivered the evidence of the purchase unto Baruch the son of Neriah, I prayed unto the Lord, saying, Ary rehefa voatolotra an' i Baroka, zanak' i Neria, ilay taratasy nisy ny fanekena tamin' ny vidin-tany, dia nivavaka tamin' i Jehovah aho hoe: Nony voatolotro an' i Baròka zanak' i Nerià ny fanekem-pividianana, dia izao no vavaka nataoko tamin' ny Tompo: Après avoir confié l' acte d' acquisition à Baruch, fils de Nériyya, j' adressai cette prière à Yahvé
Jer / Jr 32:17 Ah Lord GOD! behold, thou hast made the heaven and the earth by thy great power and stretched out arm, and there is nothing too hard for thee: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin' ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao. Eny iky, ry Iaveh Tompo ô, hianao no nanao ny lanitra sy ny tany, tamin' ny hery lehibe sy ny sandrinao nahinjitra, tsy misy zavatra tsy hainao atao. "Ah! Seigneur Yahvé, voici que tu as fait le ciel et la terre par ta grande puissance et ton bras étendu. A toi rien n' est impossible!
Jer / Jr 32:18 Thou shewest lovingkindness unto thousands, and recompensest the iniquity of the fathers into the bosom of their children after them: the Great, the Mighty God, the Lord of hosts, is his name, Mamindra fo amin' ny arivo arivo Hianao ary mamaly ny heloky ny ray ho ao an-tratran' ny zanany mandimby azy dia Andriamanitra lehibe sy mahery, Jehovah, Tompon' ny maro, no anarany, hianao no mamindra fo amin' ny arivony sy mamaly ny heloky ny ray, eo an-kibon' ny zaza mandimby azy, hianao no Andriamanitra lehibe sy mahery, izay manana anarana hoe: Iavehn' ny tafika, Tu fais grâce à des milliers, mais punis la faute des pères, à pleine mesure, sur leurs fils après eux. O Dieu grand et fort dont le nom est Yahvé Sabaot,
Jer / Jr 32:19 Great in counsel, and mighty in work: for thine eyes are open upon all the ways of the sons of men: to give every one according to his ways, and according to the fruit of his doings: lehibe amin' ny fisainana sy mahery amin' ny atao; fa ny masonao mibanjina ny alehan' ny zanak' olombelona rehetra mba hanome azy rehetra araka ny lalany avy sy araka ny vokatry ny asany, lehibe amin' ny fisainana sy mahery amin' ny asa; ny masonao ajerinao ny làlan' ny taranak' i Adama rehetra, mba hamalianao azy, araka ny làlany avy, sy araka ny vokatry ny asany avy. grand dans tes desseins, puissant dans tes hauts faits, toi dont les yeux sont ouverts sur toutes les voies des humains pour rendre à chacun selon sa conduite et d' après le fruit de ses actes!
Jer / Jr 32:20 Which hast set signs and wonders in the land of Egypt, even unto this day, and in Israel, and among other men; and hast made thee a name, as at this day; dia Ilay nanisy famantarana sy fahagagana tany amin' ny tany Egypta ka mandraka androany koa, na ao amin' ny Isiraely, na ao amin' ny olona hafa koa, ka dia nanao anarana ho Anao tahaka ny amin' izao anio izao. Hianao no nanao famantarana amam-pahagagana tany amin' ny tany Ejipta ka mandrak' androany, eo amin' Israely sy eo amin' ny olona, ka nampahalaza ny anaranao, araka izao hitanay anio izao. Toi qui produisis signes et prodiges au pays d' Egypte, et jusqu' aujourd' hui en Israël et parmi les hommes. Tu t' es fait un nom, comme on le voit aujourd' hui.
Jer / Jr 32:21 And hast brought forth thy people Israel out of the land of Egypt with signs, and with wonders, and with a strong hand, and with a stretched out arm, and with great terror; Ary nitondra ny Isiraely olonao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta Hianao tamin' ny famantarana sy ny fahagagana ary ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, hianao no nanatsoaka an' Israely olonao, tany amin' ny tany Ejipta, tamin' ny famantarana amam-pahagagana, tamin' ny tànanao mahery aman-tsandry nahinjitra, ary tamin' ny fandatsahana fampahatahorana lehibe; Tu fis sortir ton peuple Israël du pays d' Egypte par signes et prodiges, à main forte et à bras étendu, et par une grande terreur.
Jer / Jr 32:22 And hast given them this land, which thou didst swear to their fathers to give them, a land flowing with milk and honey; ka dia nanome azy ity tany ity, izay efa nianiananao nolazainao tamin' ny razany homena azy, dia tany tondra-dronono sy tantely. ka nanome azy ireo ity tany ity, izay efa nianiananao tamin' ny razany homena azy, tany tondra-dronono aman-tantely. Puis tu leur donnas ce pays que tu avais promis par serment à leurs pères, pays qui ruisselle de lait et de miel.
Jer / Jr 32:23 And they came in, and possessed it; but they obeyed not thy voice, neither walked in thy law; they have done nothing of all that thou commandedst them to do: therefore thou hast caused all this evil to come upon them: Ary tonga teto izy, dia nandova azy, nefa tsy nihaino ny feonao izy sady tsy nandeha araka ny lalànao; ary tsy nanao na inona na inona tamin' izay rehetra nasainao nataony izy, ka dia nataonao mihatra aminy izao loza rehetra izao. Dia tonga teto izy ireo, ka nandray azy ho zakainy; kanefa tsy nihaino ny feonao izy, na nandeha araka ny lalànao; ary izay rehetra nandidianao azy hataony, dia tsy nataony, ka nentinao hanjo azy izao loza rehetra izao. Ils vinrent dont et en prirent possession, mais ils n'écoutèrent pas ta voix et ne marchèrent pas selon ta Loi ils ne pratiquèrent rien de ce que tu leur avais ordonné, alors tu fis venir sur eux tout ce malheur.
Jer / Jr 32:24 Behold the mounts, they are come unto the city to take it; and the city is given into the hand of the Chaldeans, that fight against it, because of the sword, and of the famine, and of the pestilence: and what thou hast spoken is come to pass; and, behold, thou seest it. Indro, ny tovon-tany efa miorina akaikin' ny tanàna hanafahana azy, ary ny tanàna dia atolotra eo an-tànan' ny Kaldeana izay mamely azy noho ny sabatra sy ny mosary sy ny areti-mandringana; ary izay nolazainao dia tonga, ka indro, hitan' ny masonao izany. Indro ny tovontany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tànan' ny Kaldeana izay mamely azy, amin' ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany hianao. Voici que les terrassements pour l' assaut atteignent la ville; par l'épée, la famine et la peste, elle est livrée aux mains des Chaldéens qui l' attaquent. Ce que tu as dit arrive, et tu le vois.
Jer / Jr 32:25 And thou hast said unto me, O Lord GOD, Buy thee the field for money, and take witnesses; for the city is given into the hand of the Chaldeans. Ary Hianao, Jehovah Tompo ô, dia niteny tamiko ka nanao hoe: Vidionao vola ny saha, ary makà vavolombelona, na dia efa voatolotra eo an-tànan' ny Kaldeana aza ny tanàna. Ary hianao, ry Iaveh Tompo ô, nanao tamiko hoe: Vidio vola io saha io ho anao, ka asio vavolombelona; ary ny tanàna ity voatolotra eo an-tànan' ny Kaldeana!... Et c' est toi, Seigneur Yahvé qui me dis : Achète ce champ à prix d' argent et prends des témoins, alors que la ville est livrée aux mains des Chaldéens!"
Jer / Jr 32:26 Then came the word of the Lord unto Jeremiah, saying, Dia tonga tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah hoe: Dia tonga tamin' i Jeremia ny tenin' ny Tompo nanao hoe: Or la parole de Yahvé me fut adressée en ces termes
Jer / Jr 32:27 Behold, I am the Lord, the God of all flesh: is there any thing too hard for me? Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va? Izaho no Iaveh Andriamanitry ny nofo rehetra; moa amiko va hisy zavatra tsy azo atao? Voici, je suis Yahvé, le Dieu de toute chair; y a-t-il pour moi quelque chose d' impossible?
Jer / Jr 32:28 Therefore thus saith the Lord; Behold, I will give this city into the hand of the Chaldeans, and into the hand of Nebuchadrezzar king of Babylon, and he shall take it: Koa izao no lazain' i Jehovah: Indro, efa hatolotro eo an-tànan' ny Kaldeana ity tanàna ity sy eo an-tànan' i Nebokadnezara mpanjakan' i Babylona, ka ho afany. Koa izao no lazain' ny Tompo: Indro ity tanàna ity, hatolotro eo an-tanan-ny Kaldeana, sy eo an-tanan' i Nabokodonozora, mpanjakan' i Babilona, ka ho azony. C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé : Je vais livrer cette ville aux mains des Chaldéens et aux mains de Nabuchodonosor, roi de Babylone, qui la prendra;
Jer / Jr 32:29 And the Chaldeans, that fight against this city, shall come and set fire on this city, and burn it with the houses, upon whose roofs they have offered incense unto Baal, and poured out drink offerings unto other gods, to provoke me to anger. Ary ny Kaldeana, izay efa mamely ity tanàna ity dia hiditra ary handrehitra afo eto ka handoro azy mbamin' ny trano izay efa nandoroana ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an' i Bala, sady nanidinana fanatitra aidina ho an' andriamani-kafa mba hampahatezitra Ahy. Hiditra amin' ity tanàna ity ny Kaldeana izay mamely azy ; dia handrehitra ity tanàna ity izy, dia handoro azy mbamin' ny trano nanaterana emboka manitra ho an' i Baala teo ambonin' ny tafony, sy nandrarahany fanatitra araraka ho an' andriamani-kafa, mba hampahatezitra ahy. les Chaldéens qui attaquent cette ville entreront et y mettront le feu; ils brûleront les maisons sur le toit desquelles on a allumé l' encens pour Baal et répandu des libations en l' honneur de dieux étrangers pour m' irriter.
Jer / Jr 32:30 For the children of Israel and the children of Judah have only done evil before me from their youth: for the children of Israel have only provoked me to anger with the work of their hands, saith the Lord. Fa izay ratsy eo imasoko ihany no nataon' ny Zanak' Isiraely sy ny taranak' i Joda hatry ny fony ireo mbola kely; fa ny Zanak' Isiraely efa nampahatezitra Ahy tamin' ny asan' ny tànany, hoy Jehovah. Satria ny zanak' Israely aman-janak' i Jodà, tsy nanao afa-tsy izay ratsy teo imasoko, hatramin' ny fahatanorany; ary ny zanak' Israely tsy nanao afa-tsy izay hampahatezitra ahy tamin' ny asan' ny tànany, - teny marin' ny Tompo. Car les enfants d' Israël et ceux de Juda n' ont fait, depuis leur jeunesse, que ce qui est mal à mes yeux les enfants d' Israël, en effet, n' ont fait que m' irriter par l' oeuvre de leurs mains oracle de Yahvé .
Jer / Jr 32:31 For this city hath been to me as a provocation of mine anger and of my fury from the day that they built it even unto this day; that I should remove it from before my face, Fa ity tanàna ity dia efa nampahatezitra sy nampahavinitra Ahy hatramin' ny andro nanorenana azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako, Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako, hatramin' ny andro nanorenany azy ka mandrak' androany, mba hanesorako azy tsy ho eo anatrehako; Oui, cette ville a été pour moi un sujet de colère et de fureur, depuis le jour où on l' a bâtie jusqu' aujourd' hui; j' en viendrai à l'ôter de devant ma face,
Jer / Jr 32:32 Because of all the evil of the children of Israel and of the children of Judah, which they have done to provoke me to anger, they, their kings, their princes, their priests, and their prophets, and the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem. noho ny ratsy rehetra nataon' ny Zanak' Isiraely sy ny taranak' i Joda, dia izy sy ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy sy ny mpisorony sy ny mpaminaniny sy ny lehilahy amin' ny Joda ary ny mponina any Jerosalema, mba hampahatezitra Ahy. noho ny ratsy rehetra nataon' ny zanak' Israely sy ny zanak' i Jodà mba hampahatezitra ahy, dia izy ireo, ny mpanjakany, ny mpanapaka azy, ny mpisorony amam-paminaniny, ny lehilahy amin' i Jodà sy ny mponina ao Jerosalema. à cause de tout le mal que les enfants d' Israël et les enfants de Juda ont commis pour m' irriter, eux, leurs rois, leurs princes, leurs prêtres, leurs prophètes, les hommes de Juda et les habitants de Jérusalem.
Jer / Jr 32:33 And they have turned unto me the back, and not the face: though I taught them, rising up early and teaching them, yet they have not hearkened to receive instruction. Fa efa niamboho Ahy izy, fa tsy nanatrika Ahy, ary na dia nampianariko aza izy - eny, nifoha maraina koa Aho ka nampianatra azy, dia tsy nihaino mba hahazoany anatra izy. Ny lamosiny no natodiny ahy, fa tsy ny tavany; ary nony mba nampianatra azy aho, nampianatra azy hatramin' ny vao maraina, dia tsy nihaino izy, mba hahazoany ny fampianarana. Ils ont tourné vers moi le dos, non la face, et quand je les instruisais avec constance et sans me lasser, aucun ne m'écoutait pour accueillir la leçon.
Jer / Jr 32:34 But they set their abominations in the house, which is called by my name, to defile it. Fa nametraka ny fahavetavetany tato amin' ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy handotoany azy; Ary nametraka ireo fahavetavetany tao an-trano fiantsoana ny anarako, handotoany azy. Ils ont installé leurs Horreurs dans le Temple qui porte mon nom pour le souiller.
Jer / Jr 32:35 And they built the high places of Baal, which are in the valley of the son of Hinnom, to cause their sons and their daughters to pass through the fire unto Molech; which I commanded them not, neither came it into my mind, that they should do this abomination, to cause Judah to sin. ary nanorina ny fitoerana avon' i Bala, izay ao amin' ny Lohasahan' ny taranak' i Hinoma, izy mba hampandeha ny zananilahy sy ny zananivavy hamaky ny afo ho an' i Moloka, izay tsy nandidiako azy, na tao an-tsaiko akory aza, ka dia nanao izany fahavetavetana izany izy mba hampanota ny Joda. Nanorina ny fitoerana avon' i Baala tao an-dohasahan' ny taranak' i Hinnoma izy, ka mandeha amin' ny afo ny zanany lahy aman-janany vavy ho an' i Molòka: nefa zavatra tsy nandidiako azy akory izany na zavatra mby tao an-tsaiko velively; nanao izany fahavetavetana izany izy hampanota an' i Jodà. Ils ont construit les hauts lieux de Baal dans la vallée de Ben-Hinnom pour faire passer par le feu leurs fils et leurs filles en l' honneur de Molek ce que je n' avais point ordonné, ce à quoi je n' avais jamais songé : commettre une telle abomination pour faire pécher Juda!
Jer / Jr 32:36 And now therefore thus saith the Lord, the God of Israel, concerning this city, whereof ye say, It shall be delivered into the hand of the king of Babylon by the sword, and by the famine, and by the pestilence; Koa noho izany dia izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny amin' ity tanàna ity, izay ataonareo hoe: Hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Babylona amin' ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy: Koa ankehitriny, izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely ny amin' ity tanàna lazainareo hoe: hatolotra eo an-tànan' ny mpanjakan' i Babilona, amin' ny sabatra, ny mosary, ny pesta, izy: C' est pourquoi, maintenant, ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël, à propos de cette ville dont tu viens de dire : "Par l'épée, la famine et la peste, elle est livrée au roi de Babylone."
Jer / Jr 32:37 Behold, I will gather them out of all countries, whither I have driven them in mine anger, and in my fury, and in great wrath; and I will bring them again unto this place, and I will cause them to dwell safely: Indro izy hangoniko avy any amin' ny tany rehetra izay nandroahako azy tamin' ny fahatezerako sy ny fisafoahako ary ny fahavinirana be; ary ho entiko amin' ity tany ity indray izy ka hataoko mandry fahizay; Indro hangoniko izy ireo avy any amin' ny tany rehetra nandroahako azy azon' ny hatezerako amam-pahavinirako sy fisafoahako mafy; haveriko amin' ity fitoerana ity indray izy, ary hataoko mandry fahizay eto. Moi, je vais les rassembler de tous les pays où je les ai chassés dans ma colère, ma fureur et ma grande indignation; en ce lieu je les ramènerai et les ferai demeurer en sécurité.
Jer / Jr 32:38 And they shall be my people, and I will be their God: ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny. Izy ireo dia ho oloko; ary izaho ho Andriamaniny. Alors ils seront mon peuple et moi, je serai leur Dieu.
Jer / Jr 32:39 And I will give them one heart, and one way, that they may fear me for ever, for the good of them, and of their children after them: Dia homeko fo iray sy lalana iray izy, mba hatahorany Ahy lalandava hahasoa azy sy ny zanany mandimby azy; Homeko fo iray izy ary hampombaiko lalana iray mba hatahorany ahy mandrakariva, hiadanan' izy mbamin' ny taranany mandimby azy. Je leur donnerai un seul coeur et une seule manière d' agir, de façon qu' ils me craignent toujours, pour leur bien et celui de leurs enfants après eux.
Jer / Jr 32:40 And I will make an everlasting covenant with them, that I will not turn away from them, to do them good; but I will put my fear in their hearts, that they shall not depart from me. dia hanao fanekena mandrakizay aminy Aho, dia ny tsy hitsaharako amin' ny fanasoavako azy; ary ny fahatahorana Ahy dia hataoko ao am-pony kosa, mba tsy hialany amiko. Hanao fanekena mandrakizay aminy aho, mba tsy hihatahako aminy tsy manao soa aminy intsony, ary halatsako ao am-pony ny fahatahorana ahy, mba tsy hihatahany amiko. Je conclurai avec eux une alliance éternelle : je ne cesserai pas de les suivre pour leur faire du bien et je mettrai ma crainte en leur coeur pour qu' ils ne s'écartent plus de moi.
Jer / Jr 32:41 Yea, I will rejoice over them to do them good, and I will plant them in this land assuredly with my whole heart and with my whole soul. Eny, ho faly aminy Aho ka hahasoa azy, dia hamboly azy amin' ity tany ity tokoa amin' ny foko rehetra sy ny fanahiko rehetra. Hataoko fifaliana ho ahy ny manao soa aminy, ka hamboleko marina tokoa amin' ity tany ity izy ireo, amin' ny foko rehetra sy amin' ny fanahiko rehetra. Je trouverai ma joie à leur faire du bien et je les planterai solidement en ce pays, de tout mon coeur et de toute mon âme.
Jer / Jr 32:42 For thus saith the Lord; Like as I have brought all this great evil upon this people, so will I bring upon them all the good that I have promised them. Fa izao no lazain' i Jehovah: Araka ny nampahatongavako izao loza lehibe rehetra izao tamin' ity firenena ity, dia araka izany asa no hampahatongavako ny soa rehetra izay nokasaiko ho azy. Satria izao no lazain' ny Tompo: Toy ny nitondrako ireo loza lehibe rehetra ireo, hanjo ity vahoaka ity, no hampidirako amin' izy ireo koa ny soa rehetra lazaiko momba azy. Car ainsi parle Yahvé. De même que j' ai amené sur ce peuple tout cet immense malheur, de même je leur amènerai tout le bien que je leur promets.
Jer / Jr 32:43 And fields shall be bought in this land, whereof ye say, It is desolate without man or beast; it is given into the hand of the Chaldeans. Ary mbola hisy fividianana saha eto amin' ity tany ity, izay ataonareo hoe Tany lao tsy misy olona na biby fiompy sady efa voatolotra eo an-tànan' ny Kaldeana. Mbola hividy saha amin' ity tany ity ny olona, izay lazainareo hoe: tany lao tsy misy olona na biby intsony, efa natolotra eo an-tanan' ny Kaldeana. On achètera des champs en ce pays dont tu dis : "C' est une solitude, sans hommes ni bêtes, il est livré aux mains des Chaldéens."
Jer / Jr 32:44 Men shall buy fields for money, and subscribe evidences, and seal them, and take witnesses in the land of Benjamin, and in the places about Jerusalem, and in the cities of Judah, and in the cities of the mountains, and in the cities of the valley, and in the cities of the south: for I will cause their captivity to return, saith the Lord. Eny, saha no hovidin' ny olona vola, ka hosoratany amin' ny taratasy sy hasiany tombo-kase ary hasiany vavolombelona ao amin' ny tanin' ny Benjamina sy amin' ny manodidina an' i Jerosalema sy amin' ny tanànan' ny Joda sy amin' ny tanàna any amin' ny tany havoana sy amin' ny tanàna ny amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka ary amin' ny tanàna any amin' ny tany atsimo; fa hampodiko avy amin' ny fahababoany izy, hoy Jehovah. Hovidin' ny olona vola ny saha dia hanaovana fanekena izany, hasiana tombo-kase sy hangalana vavolombelona eo amin' ny tanin' i Benjamina, sy eo amin' ny manodidina an' i Jerosalema sy eo amin' ny tanànan' i Jodà, eo amin' ny tanànan' ny tendrombohitra sy ny tanànan' ny Sefelah, ary amin' ny tanànan' ny negeba; satria hampodiko ireo lasan-ko babo, - teny marin' ny Tompo. On achètera des champs à prix d' argent, on rédigera un acte, on le scellera et on prendra des témoins au pays de Benjamin, aux alentours de Jérusalem, dans les villes de Juda, dans celles de la Montagne, du Bas-Pays et du Négeb. Car je ramènerai leurs captifs, oracle de Yahvé.

<-
->