<-
->

Jer / Jr 42:1 Then all the captains of the forces, and Johanan the son of Kareah, and Jezaniah the son of Hoshaiah, and all the people from the least even unto the greatest, came near, Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak' i Karea, sy Jazania, zanak' i Hosaia, mbamin' ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona Tamin' izay, nanatona an' i Jeremia avokoa ny mpifehy miaramila rehetra mbamin' i Johanana, zanak' i Kare, Jezoniasa, zanak' i Osaiasa, ary ny vahoaka rehetra na kely na lehibe, Alors tous les officiers, notamment Yohanân, fils de Qaréah, et Azarya, fils de Hoshaya, ainsi que tout le peuple, petits et grands, vinrent
Jer / Jr 42:2 And said unto Jeremiah the prophet, Let, we beseech thee, our supplication be accepted before thee, and pray for us unto the Lord thy God, even for all this remnant; (for we are left but a few of many, as thine eyes do behold us:) ka niteny tamin' i Jeremia mpaminany hoe: Masìna ianao, aoka hoborahina eto anatrehanao ny fifonanay, ary mba ivavaho amin' i Jehovah Andriamanitrao re izahay, dia ireto sisa rehetra ireto (fa vitsy izahay no sisa, na dia maro aza fahiny, dia araka izao hitan' ny masonao izao), ka nanao taminy hoe: Aoka ho tonga eo anatrehanao anie izao fihantanay izao; mivavaha amin' ny Tompo Andriamanitrao, ho an' izao sisa rehetra izao, fa maro izahay taloha, nefa efa tonga vitsy sisa araka izao hitan' ny masonao izao. dire au prophète Jérémie : "Que notre supplication puisse te toucher! Intercède auprès de Yahvé ton Dieu en notre faveur et en faveur de tout ce reste car nous sommes restés bien peu du nombre que nous étions, comme tu le vois de tes propres yeux
Jer / Jr 42:3 That the Lord thy God may shew us the way wherein we may walk, and the thing that we may do. mba hambaran' i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay. Aoka hambaran' ny Tompo Andriamanitrao aminay, izay làlana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay. pour que Yahvé ton Dieu nous indique quelle voie nous devons suivre et ce que nous devons faire."
Jer / Jr 42:4 Then Jeremiah the prophet said unto them, I have heard you; behold, I will pray unto the Lord your God according to your words; and it shall come to pass, that whatsoever thing the Lord shall answer you, I will declare it unto you; I will keep nothing back from you. Dia hoy Jeremia mpaminany taminy: Efa reko izany; koa, indro, hivavaka amin' i Jehovah Andriamanitrareo ary aho araka ny teninareo; ary ny teny rehetra Izay havalin' i Jehovah anareo dia hambarako anareo, fa tsy hisy hafeniko. Ary hoy Jeremia mpaminany, namaly azy ireo: Dia reko izany; ka indro aho, hivavaka amin' ny Tompo Andriamanitrareo araka ny teninareo; ary hambarako aminareo avokoa, fa tsy misy hanafenako izay havalin' ny Tompo anareo. Le prophète Jérémie leur répondit : "J' entends. Je vais intercéder auprès de Yahvé votre Dieu selon votre demande; et toute parole que Yahvé vous répondra, je vous la ferai savoir, sans vous en rien cacher."
Jer / Jr 42:5 Then they said to Jeremiah, The Lord be a true and faithful witness between us, if we do not even according to all things for the which the Lord thy God shall send thee to us. Dia hoy izy tamin' i Jeremia: Jehovah no aoka ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika, raha tsy manao araka ny teny rehetra izay anirahan' i Jehovah Andriamanitrao anao aminay izahay. Dia hoy izy ireo tamin' i Jeremia: Aoka Iaveh no ho vavolombelona marina sy mahatoky miampanga anay, raha tsy manatanteraka ny zavatra rehetra araka ny tenin' ny Tompo Andriamanitrao izay hampitondrainy anao ho anay izahay. Hanaiky ny feon' ny Tompo Andriamanitray, izay nanirahanay anao izahay, De leur côté, ils dirent à Jérémie : "Que Yahvé soit témoin contre nous, véridique et fidèle, si nous n' agissons pas exactement selon la parole que Yahvé ton Dieu t' aura envoyée pour nous.
Jer / Jr 42:6 Whether it be good, or whether it be evil, we will obey the voice of the Lord our God, to whom we send thee; that it may be well with us, when we obey the voice of the Lord our God. Na ho soa, na ho ratsy, dia hohenoinay ny feon' i Jehovah Andriamanitray, izay nanirahanay anao, mba hahasoa anay, raha mihaino ny feon' i Jehovah Andriamanitray izahay. na ho soa na ho ratsy, mba hihavian' ny soa aminay amin' ny fanekenay ny feon' ny Tompo Andriamanitray. Que ce soit agréable ou désagréable, nous obéirons à la voix de Yahvé notre Dieu, auprès de qui nous te députons : ainsi serons-nous heureux pour avoir obéi à la voix de Yahvé notre Dieu."
Jer / Jr 42:7 And it came to pass after ten days, that the word of the Lord came unto Jeremiah. Ary nony afaka hafoloana, dia tonga tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah. Nony afaka folo andro, tonga tamin' i Jeremia ny tenin' ny Tompo, Au bout de dix jours, la parole de Yahvé fut adressée à Jérémie.
Jer / Jr 42:8 Then called he Johanan the son of Kareah, and all the captains of the forces which were with him, and all the people from the least even to the greatest, Ary izy niantso an' i Johanana, zanak' i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay teo aminy mbamin' ny olona rehetra, na kely na lehibe, ka nantsoiny Johanana zanak' i Karea, mbamin' ny mpifehy miaramila rehetra teo aminy, sy ny vahoaka rehetra na kely na lehibe, Alors il convoqua Yohanân, fils de Qaréah, et tous les officiers qui étaient auprès de lui, ainsi que tout le peuple, petits et grands.
Jer / Jr 42:9 And said unto them, Thus saith the Lord, the God of Israel, unto whom ye sent me to present your supplication before him; ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa nanirahanareo ahy mba hoborahiko eo anatrehany ny fifonanareo: dia nilazany hoe: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely, izay nanirahanareo ahy hitondra eo anatrehany ny hatakareo: Il leur dit : "Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël, auprès de qui vous m' avez député pour lui présenter votre supplication.
Jer / Jr 42:10 If ye will still abide in this land, then will I build you, and not pull you down, and I will plant you, and not pluck you up: for I repent me of the evil that I have done unto you. Raha mbola honina amin' ity tany ity ihany ianareo, dia haoriko ianareo, fa tsy horavako, ary hamboleko ianareo, fa tsy hongotako, fa manenina Aho ny amin' ny loza namelezako anareo. Raha manohy ny fonenana amin' ity tany ity hianareo, dia haoriko, fa tsy horavako, hamboleko, fa tsy hongotako, fa anenenako ny loza namelezako anareo. Si vraiment vous restez dans ce pays, je vous bâtirai et ne vous démolirai plus, je vous planterai et ne vous arracherai plus. Car je me repentirai du mal que je vous ai fait.
Jer / Jr 42:11 Be not afraid of the king of Babylon, of whom ye are afraid; be not afraid of him, saith the Lord: for I am with you to save you, and to deliver you from his hand. Aza matahotra ny mpanjakan' i Babylona izay atahoranareo; eny, aza matahotra azy, hoy Jehovah, fa momba anareo Aho hamonjy sy hanafaka anareo amin' ny tànany. Aza matahotra ny mpanjakan' i Babilona, izay atahoranareo; aza matahotra azy - teny marin' ny Tompo, - fa momba anareo aho, hamonjy sy hanafaka anareo amin' ny tànany. Ne craignez pas le roi de Babylone devant qui vous êtes tout craintifs. Ne le craignez pas oracle de Yahvé car je suis avec vous pour vous sauver et vous délivrer de sa main.
Jer / Jr 42:12 And I will shew mercies unto you, that he may have mercy upon you, and cause you to return to your own land. Ary hataoko mahita famindram-po ianareo, dia hamindra fo aminareo izy ka hampody anareo ho any amin' ny taninareo. Hataoko mahazo famindram-po hianareo, ka hamindra fo aminareo izy, dia hampody anareo amin' ny taninareo. Je vous ferai prendre en pitié, pour qu' il vous prenne en pitié et vous laisse revenir sur votre sol.
Jer / Jr 42:13 But if ye say, We will not dwell in this land, neither obey the voice of the Lord your God, Fa raha hoy kosa ianareo: Tsy honina amin' ity tany ity izahay, ka tsy hihaino ny feon' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, Fa raha hoy kosa hianareo: Tsy honina amin' ity tany ity izahay; ka tsy manaiky ny feon' ny Tompo Andriamanitrareo hianareo; Mais si vous dites : Nous ne resterons pas dans ce pays, désobéissant ainsi à la voix de Yahvé votre Dieu,
Jer / Jr 42:14 Saying, no; but we will go into the land of Egypt, where we shall see no war, nor hear the sound of the trumpet, nor have hunger of bread; and there will we dwell: fa manao hoe: Tsia; fa hankany amin' ny tany Egypta izahay, fa any no tsy hahitanay ady, na handrenesanay ny feon' ny anjomara na hahitanay mosary, ka dia any no honenanay, raha hoy hianareo: Tsia fa any Ejipta no halehanay, izay tsy hahitanay ady, tsy handrenesanay feon' anjomara, tsy hahatsiarovanay noana, ka any no honenanay; si vous dites : Non! C' est au pays d' Egypte que nous irons; là nous ne verrons plus la guerre, nous n' entendrons plus l' appel du cor et ne manquerons plus de pain; c' est là que nous voulons demeurer,
Jer / Jr 42:15 And now therefore hear the word of the Lord, ye remnant of Judah; Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; If ye wholly set your faces to enter into Egypt, and go to sojourn there; dia mihainoa ny tenin' i Jehovah ankehitriny ianareo izay sisa amin' ny Joda: Izao no lazain' i Jehovah. Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Raha dia mikiry hankany Egypta ihany ianareo ka mandeha hivahiny any, dia henoinareo ny tenin' ny Tompo, ry sisa amin' i Jodà: Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Raha mitodi-maso mankany Ejipta hianareo mba ho any ka miditra hitoetra any hianareo, eh bien! en ce cas, reste de Juda, écoutez la parole de Yahvé Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Si vous êtes résolus à aller en Egypte et que vous y entriez pour y séjourner,
Jer / Jr 42:16 Then it shall come to pass, that the sword, which ye feared, shall overtake you there in the land of Egypt, and the famine, whereof ye were afraid, shall follow close after you there in Egypt; and there ye shall die. dia hahatratra anareo any amin' ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo, ary ny mosary izay ahinareo no hanjohy anareo any amin' ny tany Egypta, ary any no hahafaty anareo. ny sabatra atahoranareo, hahatratra anareo any amin' ny tany Ejipta, ny mosary ahinareo mafy, hanjohy anareo any Ejipta, ary ho faty any hianareo. l'épée que vous redoutez, elle vous atteindra là, en terre d' Egypte; et la famine qui vous inquiète, elle s' attachera à vos pas, là en Egypte : c' est là que vous mourrez!
Jer / Jr 42:17 So shall it be with all the men that set their faces to go into Egypt to sojourn there; they shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence: and none of them shall remain or escape from the evil that I will bring upon them. Ary ny olona rehetra izay mikiry hankany Egypta hivahiny any dia ho fatin' ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana any; ary tsy hisy sisa ho afa-mandositra ny loza izay hataoko mihatra aminy. Izay rehetra mitodi-maso mankany Ejipta mba ho any sy honina any, dia ho fatin' ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta avokoa, fa tsy misy ho velona sy afa-mandositra ny loza hahatrako aminy. Et tous les hommes résolus à aller en Egypte pour y séjourner y mourront par l'épée, la famine et la peste : pas un seul survivant ni rescapé n'échappera au malheur que je vais leur amener.
Jer / Jr 42:18 For thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; As mine anger and my fury hath been poured forth upon the inhabitants of Jerusalem; so shall my fury be poured forth upon you, when ye shall enter into Egypt: and ye shall be an execration, and an astonishment, and a curse, and a reproach; and ye shall see this place no more. Fa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Toy ny nanidinana ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin' ny mponina any Jerosalema, dia toy izany no hanidinana ny fahatezerako aminareo, raha mankany Egypta ianareo; ary ho fianianana sy ho figagana sy ho fanozonana ary ho fandatsa ianareo, sady tsy hahita ity tany ity intsony. Fa izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Toy ny niantefan' ny fahatezerako amam-pahavinirako tamin' ny mponina tao Jerosalema, no hiantefan' ny fahatezerako aminareo, nony tafiditra any Ejipta hianareo, ka dia ho fisahato, fitalanjonana, fanozonana ary fandatsan' ny olona hianareo sady tsy hahita ity tany ity intsony. Oui, ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël. Comme se sont déversées ma colère et ma fureur sur les habitants de Jérusalem, ainsi ma fureur se déversera sur vous, si vous vous rendez en Egypte. Vous serez objet d' exécration, de stupéfaction, de malédiction et de raillerie, et vous ne reverrez plus ces lieux.
Jer / Jr 42:19 The Lord hath said concerning you, O ye remnant of Judah; Go ye not into Egypt: know certainly that I have admonished you this day. Jehovah efa nilaza ny aminareo, ry sisa amin' ny Joda, hoe: Aza mankany Egypta ianareo; aoka ho fantatrareo tokoa fa efa nanariko androany ianareo. Ry sisa amin' i Jodà ô, izao no lazain' ny Tompo aminareo: Aza miditra any Ejipta hianareo; fantaro tsara fa efa nanariko am-pahibemaso hianareo izao androany. Reste de Juda, Yahvé vous a déclaré : N' allez pas en Egypte! Sachez bien qu' aujourd' hui, je vous ai avertis solennellement.
Jer / Jr 42:20 For ye dissembled in your hearts, when ye sent me unto the Lord your God, saying, Pray for us unto the Lord our God; and according unto all that the Lord our God shall say, so declare unto us, and we will do it. Kanjo efa nivily ianareo ka nahavoa ny ainareo tamin' ny nanirahanareo ahy ho amin' i Jehovah Andriamanitrareo hanao hoe: Mba ivavaho amin' i Jehovah Andriamanitsika re izahay, ary izay rehetra holazain' i Jehovah Andriamanitsika dia ambarao aminay, fa hataonay. Fa efa naningo-tena hianareo, tamin' ny nanirahanareo ahy ho amin' ny Tompo Andriamanitsika, nanao hoe: Mivavaha amin' ny Tompo Andriamanitsika ho anay, fa izay rehetra holazain' ny Tompo Andriamanitsika, dia ambarao anay fa hotanterahanay avokoa. Vous vous êtes égarés vous-mêmes quand vous m' avez député auprès de Yahvé votre Dieu en disant : Intercède pour nous auprès de Yahvé notre Dieu, et tout ce qu' aura ordonné Yahvé notre Dieu, annonce-le nous pour que nous l' exécutions.
Jer / Jr 42:21 And now I have this day declared it to you; but ye have not obeyed the voice of the Lord your God, nor any thing for the which he hath sent me unto you. Ary efa nambarako taminareo androany; nefa tsy nihaino ny feon' i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ny amin' izay zavatra nanirahany ahy ho aminareo. Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon' ny Tompo Andriamanitrareo kosa hianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo. Et aujourd' hui, je vous l' annonce mais vous n' obéissez à la voix de Yahvé votre Dieu en rien de ce qu' il m' envoie vous dire.
Jer / Jr 42:22 Now therefore know certainly that ye shall die by the sword, by the famine, and by the pestilence, in the place whither ye desire to go and to sojourn. Koa aoka ho fantatrareo marimarina fa ho fatin-tsabatra sy mosary ary areti-mandringana ianareo any amin' ny tany izay tianareo hivahiniana. Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin' ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin' ny tianareo aleha honenana hianareo. Sachez donc bien que vous mourrez par l'épée, la famine et la peste au lieu où vous avez désiré vous rendre pour y séjourner."

<-
->