<-
->

Jer / Jr 33:1 Moreover the word of the Lord came unto Jeremiah the second time, while he was yet shut up in the court of the prison, saying, Ary tonga fanindroany tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan' ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe: Tonga fanindroany tamin' i Jeremia indray ny tenin' ny Tompo, raha mbola voafahy teo amin' ny kianjan' ny fiambenana izy, nanao hoe: Pendant que Jérémie était encore enfermé dans la cour de garde, la parole de Yahvé lui fut adressée une seconde fois en ces termes
Jer / Jr 33:2 Thus saith the Lord the maker thereof, the Lord that formed it, to establish it; the Lord is his name; Izao no lazain' i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany; Izao no tenin' ny Tompo izay manao izany, dia Iaveh izay misaina izany mba hanatanterahany azy, - Iaveh no anarany: Ainsi parle Yahvé qui a fait la terre, lui donnant forme et stabilité son nom est Yahvé!
Jer / Jr 33:3 Call unto me, and I will answer thee, and shew thee great and mighty things, which thou knowest not. Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao. Antsoy aho dia hamaly anao, haneho zava-dehibe aminao, zava-tsy takatry ny saina, izay tsy fantatrao. Invoque-moi et je te répondrai; je t' annoncerai des choses grandes et cachées dont tu ne sais rien.
Jer / Jr 33:4 For thus saith the Lord, the God of Israel, concerning the houses of this city, and concerning the houses of the kings of Judah, which are thrown down by the mounts, and by the sword; Fa izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin' ny trano amin' ity tanàna ity sy ny amin' ny lapan' ny mpanjakan' ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra, Fa izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely, ny amin' ireo trano eto amin' ity tanàna ity, mbamin' ireo tranon' ny mpanjakan' i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra; Car ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël, au sujet des maisons de cette ville et des maisons des rois de Juda, qui vont être détruites grâce aux terrassements et à l'épée;
Jer / Jr 33:5 They come to fight with the Chaldeans, but it is to fill them with the dead bodies of men, whom I have slain in mine anger and in my fury, and for all whose wickedness I have hid my face from this city. Raha mandroso hiady amin' ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin' ny fatin' olona, izay novonoiko tamin' ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin' ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra: ary koa ny amin' ireo ndeha hiady amin' ny Kaldeana, mba hameno ireo trano ireo amin' ny fatin' olona, izay hovonoiko noho ny fahatezerako amam-pahavinirako, ary noho ny amin' ny haratsian' izy ireo ka hanafenako ny tavako amin' ity tanàna ity: au sujet de ceux qui combattent contre les Chaldéens pour remplir la ville de cadavres, eux que j' ai frappés dans ma colère et dans ma fureur, eux dont la méchanceté m' a fait me détourner de cette ville.
Jer / Jr 33:6 Behold, I will bring it health and cure, and I will cure them, and will reveal unto them the abundance of peace and truth. Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren' ny fiadanana sy ny fahamarinana. Indro asiako bandy ny feriny, sy tsaboiko izy, mba ho sitrana; ary hanehoako ny fiadanana sy fandriam-pahalemana be dia be izy ireo. Voici que moi, je leur porte remède et guérison; je vais les guérir et leur révéler une ordonnance de paix et de fidélité.
Jer / Jr 33:7 And I will cause the captivity of Judah and the captivity of Israel to return, and will build them, as at the first. Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin' ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy. Hampodiko ny babo tamin' i Jodà sy ny babo tamin' Israely, ka haoriko ho tahaka ny taloha indray. Je ramènerai les captifs de Juda et les captifs d' Israël, et je les rétablirai comme avant.
Jer / Jr 33:8 And I will cleanse them from all their iniquity, whereby they have sinned against me; and I will pardon all their iniquities, whereby they have sinned, and whereby they have transgressed against me. Ary hodioviko ho afaka amin' ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko. Hodioviko izy ho afaka amin' ny haratsiany rehetra izay nanotany tamiko. Havelako izy amin' ny helony rehetra izay nanevatevany ahy, izay niodinany tamiko. Je les purifierai de toute faute par laquelle ils m' ont offensé, je pardonnerai toutes les fautes par lesquelles ils m' ont offensé et se sont révoltés contre moi.
Jer / Jr 33:9 And it shall be to me a name of joy, a praise and an honour before all the nations of the earth, which shall hear all the good that I do unto them: and they shall fear and tremble for all the goodness and for all the prosperity that I procure unto it. Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an' ny firenena rehetra ambonin' ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy. Ary ny anaran' ity tanàna ity ho ahy dia ho anaram-pifaliana sy fiderana amam-boninahitra, any amin' ny firenen-drehetra ambonin' ny tany, izay handre ny soa rehetra hataoko aminy; ho raiki-tahotra sy hangovitra ireny, mahita ny fiadanana amam-panambinana rehetra homeko azy ireo. Jérusalem deviendra pour moi un nom plein d' allégresse, un honneur, une splendeur devant toutes les nations du monde quand elles apprendront tout le bien que je vais faire, elles seront prises de crainte et de tremblement, à cause de tout le bonheur et de toute la paix que je vais lui accorder.
Jer / Jr 33:10 Thus saith the Lord; Again there shall be heard in this place, which ye say shall be desolate without man and without beast, even in the cities of Judah, and in the streets of Jerusalem, that are desolate, without man, and without inhabitant, and without beast, Izao no lazain' i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin' ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin' ny tanànan' ny Joda sy ao amin' ny lalamben' i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy Izao no lazain' ny Tompo: Eto amin' ity tany ity, izay lazainareo hoe: Efitra tsy misy olona na biby; eo amin' ny tanànan' i Jodà, mbamin' ny araben' i Jerosalema, izay efa lao monina tsy misy olona, na mponina, na biby, Ainsi parle Yahvé. En ce lieu dont vous dites : "C' est une ruine, sans hommes ni bêtes", dans les villes de Juda et les rues désolées de Jérusalem où il n' y a ni hommes ni bêtes, on entendra de nouveau
Jer / Jr 33:11 The voice of joy, and the voice of gladness, the voice of the bridegroom, and the voice of the bride, the voice of them that shall say, Praise the Lord of hosts: for the Lord is good; for his mercy endureth for ever: and of them that shall bring the sacrifice of praise into the house of the Lord. For I will cause to return the captivity of the land, as at the first, saith the Lord. Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon' ny mpampakatra sy ny feon' ny ampakarina ary ny feon' izay manao hoe: Miderà an' i Jehovah, Tompon' ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon' i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah. dia ho re indray ny feo fifaliana amam-peo firavoravoana, ny hiran' ny mpampakatra aman-kiran' ny ampakarina, ny feon' ireo manao hoe: miderà an' ny Tompon' ny tafika, fa tsara Iaveh, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony; ny feon' ireo tonga hanatitra sorona fisaorana ao an-tranon' ny Tompo. Fa hampodiko indray ireo babo avy amin' ity tany ity, mba ho tahaka ny tamin' ny voalohany indray izy ireo. les cris de joie et d' allégresse, les appels du fiancé et de la fiancée, le chant de ceux qui diront, en apportant au Temple de Yahvé les sacrifices d' actions de grâces : "Rendez grâces à Yahvé Sabaot car Yahvé est bon, car éternel est son amour!" Car je ramènerai les captifs du pays comme avant, dit Yahvé.
Jer / Jr 33:12 Thus saith the Lord of hosts; Again in this place, which is desolate without man and without beast, and in all the cities thereof, shall be an habitation of shepherds causing their flocks to lie down. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Eto amin' ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin' ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan' ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman' osiny, Izao no lazain' ny Tompon' ny tafika: Eto amin' ity fitoerana ity, izay efitra tsy misy olona na biby, sy eo amin' ny tanànany rehetra dia hisy fialofana ho an' ny mpiandry biby, hampandriany eo ny biby fiompiny. Ainsi parle Yahvé Sabaot. Il y aura encore dans ce lieu en ruines, privé d' hommes et de bêtes, et dans toutes ses villes, des pâturages où les bergers feront reposer leurs brebis.
Jer / Jr 33:13 In the cities of the mountains, in the cities of the vale, and in the cities of the south, and in the land of Benjamin, and in the places about Jerusalem, and in the cities of Judah, shall the flocks pass again under the hands of him that telleth them, saith the Lord. Dia amin' ny tanàna any amin' ny tany havoana sy amin' ny tanàna any amin' ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin' ny tanana any amin' ny tany atsimo sy amin' ny tanin' ny Benjamina sy amin' ny manodidina an' i Jerosalema ary amin' ny tanànan' ny Joda, ary ny ondry aman' osy mbola handroso araka ny fitondran' ny mpanisa azy, hoy Jehovah. Eo amin' ny tanànan' ny tendrombohitra sy eo amin' ny tanànan' ny Sefelah sy eo amin' ny tanànan' ny negeba, eo amin' ny tanin' i Benjamina sy eo amin' ny manodidina an' i Jerosalema, ary eo amin' ny tanànan' i Jodà, dia mbola hizoran' ny biby fiompy eo ambanin' ny tànan' izay manisa azy, hoy Iaveh. Dans les villes de la Montagne, du Bas-Pays et du Négeb, au pays de Benjamin, aux alentours de Jérusalem et dans les villes de Juda, les brebis passeront sous la main de celui qui les compte, dit Yahvé.
Jer / Jr 33:14 Behold, the days come, saith the Lord, that I will perform that good thing which I have promised unto the house of Israel and to the house of Judah. Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin' ny aranak' Isiraely sy ny taranak' i Joda. Indro avy ny andro, - teny marin' ny Tompo, hanatanterahako ny teny soa nolazaiko momba ny taranak' Israely aman-taranak' i Jodà. Voici venir des jours oracle de Yahvé où j' accomplirai la promesse de bonheur que j' ai prononcée sur la maison d' Israël et sur la maison de Juda.
Jer / Jr 33:15 In those days, and at that time, will I cause the Branch of righteousness to grow up unto David; and he shall execute judgment and righteousness in the land. Amin' izany andro izany sy amin' izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an' i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin' ny tany Izy. Amin' izany andro izany, sy amin' izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an' i Davida aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin' ny tany. En ces jours-là, en ce temps-là, je ferai germer pour David un germe de justice qui exercera droit et justice dans le pays.
Jer / Jr 33:16 In those days shall Judah be saved, and Jerusalem shall dwell safely: and this is the name wherewith she shall be called, The Lord our righteousness. Amin' izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika. Amin' izany andro izany Jodà, hovonjena; ary Jerosalema, handry fahizay, ka hantsoina hoe: Iaveh-fahamarinantsika. En ces jours-là, Juda sera sauvé et Jérusalem habitera en sécurité. Voici le nom dont on appellera la Ville "Yahvé-notre-Justice.
Jer / Jr 33:17 For thus saith the Lord; David shall never want a man to sit upon the throne of the house of Israel; Fa izao no lazain' i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' ny taranak' Isiraely; Fa izao no lazain' ny Tompo: Davida tsy ho diso zanakalahy na oviana na oviana hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' ny taranak' Israely. Car ainsi parle Yahvé : Jamais David ne manquera d' un descendant qui prenne place sur le trône de la maison d' Israël.
Jer / Jr 33:18 Neither shall the priests the Levites want a man before me to offer burnt offerings, and to kindle meat offerings, and to do sacrifice continually. Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà. Ireo levita mpisorona koa, tsy ho diso lehilahy na oviana na oviana eo anatrehako, hanolotra sorona dorana, hampanentona ny fanatitra, ary hanao ny sorona isan' andro isan' andro. Et jamais les prêtres lévites ne manqueront de descendants qui se tiennent devant moi pour offrir l' holocauste, faire fumer l' oblation et offrir tous les jours le sacrifice.
Jer / Jr 33:19 And the word of the Lord came unto Jeremiah, saying, Ary tonga tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Ary ny tenin' ny Tompo dia natao tamin' i Jeremia, toy izao: Puis la parole de Yahvé fut adressée à Jérémie en ces termes
Jer / Jr 33:20 Thus saith the Lord; If ye can break my covenant of the day, and my covenant of the night, and that there should not be day and night in their season; Izao no lazain' i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin' ny andro sy ny fanekeko ny amin' ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin' ny fotoany, Izao no lazain' ny Tompo: Raha mahafoana ny fanekeko amin' ny andro, sy ny fanekeko amin' ny alina, hianareo, ka efa tsy amin' ny fotoanany intsony, ny andro sy ny alina; Ainsi parle Yahvé. Si vous pouvez rompre mon alliance avec le jour et mon alliance avec la nuit, de sorte que le jour et la nuit n' arrivent plus au temps fixé,
Jer / Jr 33:21 Then may also my covenant be broken with David my servant, that he should not have a son to reign upon his throne; and with the Levites the priests, my ministers. Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin' i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin' ny seza fiandrianany, sy ny amin' ny Levita mpisorona, mpanompoko. amin' izany, dia ho foana ny fanekeko tamin' i Davida mpanompoko, ka tsy hanan-janakalahy hanjaka eo amin' ny seza fiandrianany izy, sy ny fanekeko amin' ireo lefitra mpirosona, manao ny fanompoana ahy. mon alliance sera aussi rompue avec David mon serviteur, de sorte qu' il n' aura plus de fils régnant sur son trône, ainsi qu' avec les lévites, les prêtres qui assurent mon service.
Jer / Jr 33:22 As the host of heaven cannot be numbered, neither the sand of the sea measured: so will I multiply the seed of David my servant, and the Levites that minister unto me. Toy ny hamaroan' ny kintana eny amin' ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin' ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak' i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy. Toy ny tafiky ny lanitra, tsy azo isaina, sy toy ny fasika any amin' ny ranomasina tsy azo afatra, no hampitomboako ny taranak' i Davida mpanompoko, sy ireo levita manao ny fanompoana ahy. Comme l' armée des cieux qui ne peut être dénombrée, comme le sable de la mer qui ne peut être compté, ainsi multiplierai-je la postérité de David mon serviteur, et les lévites qui assurent mon service.
Jer / Jr 33:23 Moreover the word of the Lord came to Jeremiah, saying, Ary tonga tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah nanao hoe: Ary ny tenin' ny Tompo dia natao tamin' i Jeremia, toy izao: La parole de Yahvé fut adressée à Jérémie en ces termes
Jer / Jr 33:24 Considerest thou not what this people have spoken, saying, The two families which the Lord hath chosen, he hath even cast them off? thus they have despised my people, that they should be no more a nation before them. Tsy hitanao va izay nolazain' ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin' i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy. Tsy hitanao va ny lazain' ity vahoaka ity ataony hoe: Efa narian' ny Tompo ny fianakaviana roa nofidiny! Manamavo ny vahoakako izy izany ka ataony ho tsy firenena intsony aza ity eo anatrehan' izy ireo. N' as-tu pas remarqué ce que disent ces gens : "Les deux familles qu' avait élues Yahvé, il les a rejetées!" Aussi méprisent-ils mon peuple qui ne leur apparaît plus comme une nation.
Jer / Jr 33:25 Thus saith the Lord; If my covenant be not with day and night, and if I have not appointed the ordinances of heaven and earth; Izao no lazain' i Jehovah: Raha tsy amin' ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany, Izao no lazain' ny Tompo: Raha tahiny aho tsy nanao fanekena amin' ny andro sy ny alina sy tsy nandahatra ny lalàna arahan' ny lanitra sy ny tany, Ainsi parle Yahvé : Si je n' ai pas créé le jour et la nuit et établi les lois du ciel et de la terre,
Jer / Jr 33:26 Then will I cast away the seed of Jacob and David my servant, so that I will not take any of his seed to be rulers over the seed of Abraham, Isaac, and Jacob: for I will cause their captivity to return, and have mercy on them. Dia hariako ny taranak' i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin' ny fahababoana izy ka hamindrako fo. dia amin' izay aho vao hanary ny taranak' i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ho tsy amin' ny taranany intsony no hangalako filohany ho an' ny taranak' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba! Fa hampodiko ireo lasan-ko babo ary hangoraka azy ireo aho. alors je rejetterai la descendance de Jacob et de David mon serviteur et cesserai de prendre parmi ses descendants ceux qui gouverneront la postérité d' Abraham, d' Isaac et de Jacob! Car je vais ramener leurs captifs et les prendre en pitié.

<-
->