<-
->

Jer / Jr 36:1 And it came to pass in the fourth year of Jehoiakim the son of Josiah king of Judah, that this word came unto Jeremiah from the Lord, saying, Ary tamin' ny taona fahefatra nanjakan' i Joiakima, zanak' i Josia, mpanjakan' ny Joda, dia tonga tamin' i Jeremia avy tamin' i Jehovah izao teny izao hoe: Tamin' ny taona fahefatra, nanjakan' i Joakima, zanak' i Josiasa, mpanjakan' i Jodà, dia izao no teny avy any amin' ny Tompo, tonga tamin' i Jeremia: La quatrième année de Joiaqim, fils de Josias, roi de Juda, la parole que voici fut adressée à Jérémie de la part de Yahvé
Jer / Jr 36:2 Take thee a roll of a book, and write therein all the words that I have spoken unto thee against Israel, and against Judah, and against all the nations, from the day I spake unto thee, from the days of Josiah, even unto this day. Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin' izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin' ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin' ny andro nilazako taminao dia hatramin' ny andron' i Josia ka mandraka androany. Mangalà horonan-taratasy hianao, ka soraty ao avokoa ny teny nolazaiko taminao, mamely an' Isaely sy Jodà ary ny firenena rehetra, hatramin' ny andro nitenenako taminao, hatramin' ny andron' i Josiasa ka mandrak' androany. Prends un rouleau et écris dessus toutes les paroles que je t' ai adressées touchant Israël, Juda et toutes les nations, depuis le jour où je commençai à te parler au temps de Josias jusqu' aujourd' hui.
Jer / Jr 36:3 It may be that the house of Judah will hear all the evil which I purpose to do unto them; that they may return every man from his evil way; that I may forgive their iniquity and their sin. Angamba hoheverin' ny taranak' i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin' ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany. Fa angamba dia hohenoin' ny taranak' i Jodà ny loza rehetra kasaiko hatao aminy, mba hiovany, hialany amin' ny làlan-dratsiny avy, ka hamelako ny helony amam-pahotany. Peut-être qu' en entendant tout le mal que j' ai dessein de leur faire, ceux de la maison de Juda reviendront chacun de sa voie mauvaise; alors je pourrai pardonner leur iniquité et leur péché.
Jer / Jr 36:4 Then Jeremiah called Baruch the son of Neriah: and Baruch wrote from the mouth of Jeremiah all the words of the Lord, which he had spoken unto him, upon a roll of a book. Ary Jeremia niantso an' i Baroka, zanak' i Neria, ary dia nosoratan' i Baroka tamin' ny horonan-taratasy ny tenin' i Jehovah rehetra avy tamin' ny vavan' i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy. Dia niantso an' i Baròka, zanak' i Nerià, Jeremia, ka ny teny rehetra nolazain' ny Tompo tamin' i Jeremia, dia nosoratan' i Baròka tamin' ny horonan-taratasy araka ny nanononany azy. Jérémie appela Baruch, fils de Nériyya, qui sous sa dictée écrivit sur un rouleau toutes les paroles que Yahvé avait adressées au prophète.
Jer / Jr 36:5 And Jeremiah commanded Baruch, saying, I am shut up; I cannot go into the house of the Lord: Ary Jeremia nandidy an' i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon' i Jehovah; Rahefa izany, nanome didy an' i Baròka Jeremia, nanao hoe; Izaho ity, voasakana, ka tsy afa-mankany an-tranon' ny Tompo. Alors Jérémie donna cet ordre à Baruch : "Je suis empêché, je ne peux plus entrer au Temple de Yahvé.
Jer / Jr 36:6 Therefore go thou, and read in the roll, which thou hast written from my mouth, the words of the Lord in the ears of the people in the Lord' s house upon the fasting day: and also thou shalt read them in the ears of all Judah that come out of their cities. fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan' ny vahoaka ao an-tranon' i Jehovah amin' ny andro fifadiankanina ny tenin' i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin' ny vavako, ary vakio eo anatrehan' ny Joda rehetra izay tonga avy any amin' ny tanànany koa. Ka mandehana ary hianao, ary vakio ao amin' ny horonan-taratasy nosoratanao, araka izay nanononako azy, ny tenin' ny Tompo mba ho ren' ny vahoaka ao an-tranon' ny Tompo amin' ny andro fifadian-kanina; vakio izany ho ren' izay rehetra an' i Jodà izay tonga avy any an-tanànany. Mais tu iras, toi, lire au peuple, dans le rouleau que tu as écrit sous ma dictée, toutes les paroles de Yahvé, en son Temple, le jour du jeûne. De même tu les liras à tous les Judéens venus de leurs villes.
Jer / Jr 36:7 It may be they will present their supplication before the Lord, and will return every one from his evil way: for great is the anger and the fury that the Lord hath pronounced against this people. Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan' i Jehovah, ka dia samy hiala amin' ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain' i Jehovah ny amin' ity firenena ity. Angamba ho tonga eo anatrehan' ny Tompo ny fifonany, ary hiova hiala amin' ny làlan-dratsiny avy izy; fa lehibe ny hatezerana amam-pahavinirana nolazain' ny Tompo hahatra amin' ity vahoaka ity. Peut-être leur supplication touchera-t-elle Yahvé et se convertiront-ils chacun de sa voie mauvaise; car grande sont la colère et la fureur dont Yahvé a menacé ce peuple."
Jer / Jr 36:8 And Baruch the son of Neriah did according to all that Jeremiah the prophet commanded him, reading in the book the words of the Lord in the Lord' s house. Ary Baroka, zanak' i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian' i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin' i Jehovah tamin' ny taratasy teo an-tranon' i Jehovah. Dia nataon' i Baròka, zanak' i Nerià, avokoa, izay nandidian' i Jeremia mpaminany azy; novakiny tao an-tranon' ny Tompo, tao amin' ny horonan-taratasy ny tenin' ny Tompo. Baruch, fils de Nériyya, observa ponctuellement l' ordre que lui avait donné le prophète Jérémie, de lire dans le livre les paroles de Yahvé, en son Temple.
Jer / Jr 36:9 And it came to pass in the fifth year of Jehoiakim the son of Josiah king of Judah, in the ninth month, that they proclaimed a fast before the Lord to all the people in Jerusalem, and to all the people that came from the cities of Judah unto Jerusalem. Fa tamin' ny volana fahasivy tamin' ny taona fahadimy manjakan' i Joiakima, zanak' i Josia, mpanjakan' ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan' i Jehovah izy tamin' ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin' ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin' ny tanànan' ny Joda. Tamin' ny taona fahadimy nanjakan' i Joakima, zanak' i Josiasa mpanjakan' i Jodà, tamin' ny volana fahasivy, dia nisy fifadian-kanina nantsoina teo anatrehan' ny Tompo hataon' ny olona rehetra ao Jerosalema, sy ny olona rehetra tonga tao Jerosalema, avy any amin' ny tanànan' i Jodà. La cinquième année de Joiaqim, fils de Josias, roi de Juda, au neuvième mois, on convoqua pour un jeûne devant Yahvé tout le peuple de Jérusalem et tout le peuple qui pourrait y venir de toutes les villes de Juda.
Jer / Jr 36:10 Then read Baruch in the book the words of Jeremiah in the house of the Lord, in the chamber of Gemariah the son of Shaphan the scribe, in the higher court, at the entry of the new gate of the Lord' s house, in the ears of all the people. Dia novakin' i Baroka teo anatrehan' ny vahoaka rehetra tao an-tranon' i Jehovah ny tenin' i Jeremia tamin' ny taratasy, dia tao amin' ny efi-tranon' i Gemaria, zanak' i Safana mpanoratra, teo amin' ny kianja ambony, teo anoloan' ny vavahady vaovao amin' ny tranon' i Jehovah. Ary novakin' i Baròka tamin' izay, tao amin' ny boky ny tenin' ny Tompo, tao an-tranon' ny Tompo, amin' ny efitranon' i Gamariasa, zanak' i Safana, mpanoratra, teo amin' ny kianja ambony, anoloan' ny vavahady Vaovao amin' ny tranon' ny Tompo, mba ho ren' ny vahoaka rehetra. Alors Baruch lut dans le livre les paroles de Jérémie; on était au Temple de Yahvé, dans la salle de Gemaryahu, le fils du scribe Shaphân, dans la cour d' en haut, à l' entrée de la porte Neuve du Temple de Yahvé : tout le peuple pouvait entendre.
Jer / Jr 36:11 When Michaiah the son of Gemariah, the son of Shaphan, had heard out of the book all the words of the Lord, Ary nony ren' i Mikaia, zanak' i Gemaria, zanak' i Safana, ny tenin' i Jehovah rehetra tamin' ny boky, Nandre ny tenin' ny Tompo rehetra, tao amin' ny boky, Mikea, zanak' i Gamariasa, zanak' i Safana; Or Mikayehu, fils de Gemaryahu, fils de Shaphân, ayant écouté les paroles de Yahvé tirées du livre,
Jer / Jr 36:12 Then he went down into the king' s house, into the scribe' s chamber: and, lo, all the princes sat there, even Elishama the scribe, and Delaiah the son of Shemaiah, and Elnathan the son of Achbor, and Gemariah the son of Shaphan, and Zedekiah the son of Hananiah, and all the princes. dia nidina nankany amin' ny tranon' ny mpanjaka izy ka nankao amin' ny efi-tranon' ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak' i Semaia, sy Elnatana zanak' i Akbora, sy Gemaria, zanak' i Safana, sy Zedekia, zanak' i Hanania, mbamin' ny mpanapaka rehetra. ka dia nidina nankany an-tranon' ny mpanjaka, tao amin' ny efitranon' ny mpanoratra; ka indro fa nipetraka tao avokoa ny lehibe, dia Elisama, mpanoratra, Dalaiasa, zanak' i Semeiasa, Elinatana, zanak' i Akobora, Gamariasa, zanak' i Safana, Sedekiasa, zanak' i Hananiasa, mbamin' ny lehibe rehetra. descendit au palais royal, à la salle du scribe. Là, tous les princes tenaient séance : Elishama, le scribe; Delayahu, fils de Shemayahu; Elnatân, fils de Akbor; Gemaryahu, fils de Shaphân; Cidqiyyahu, fils de Hananyahu, et tous les autres princes.
Jer / Jr 36:13 Then Michaiah declared unto them all the words that he had heard, when Baruch read the book in the ears of the people. Dia nambaran' i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin' ny namakian' i Baroka ny taratasy teo anatrehan' ny vahoaka. Ary nambaran' i Mikea tamin' izy ireo avokoa, ny teny reny tamin' ny namakian' i Baròka azy tao amin' ny boky ho ren' ny sofin' ny vahoaka. Mikayehu leur rapporta toutes les paroles qu' il avait entendues quand Baruch en faisait lecture aux oreilles du peuple.
Jer / Jr 36:14 Therefore all the princes sent Jehudi the son of Nethaniah, the son of Shelemiah, the son of Cushi, unto Baruch, saying, Take in thine hand the roll wherein thou hast read in the ears of the people, and come. So Baruch the son of Neriah took the roll in his hand, and came unto them. Dia nirahin' ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak' i Netania, zanak' i Selemia, zanak' i Kosy, ho any amin' i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan' ny vahoaka, ka mankanesa atý. Dia nentin' i Baroka, zanak' i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy. Tamin' izay ireo lehibe rehetra, naniraka an' i Jodì, zanak' i Nataniasa, zanak' i Selemiasa, zanak' i Kosi, ho any amin' i Baròka, hilaza aminy hoe: Raiso ny horonan-taratasy, izay namakianao teny teo an-tsofin' ny vahoaka, ary mankanesa atý hianao. dia norasin' i Baròka zanak' i Nerià ilay horonan-taratasy ka nankany amin' izy ireo izy. Alors, à l' unanimité, les princes envoyèrent à Baruch Yehudi, fils de Netanyahu, et Shélémyahu, fils de Kushi, pour lui dire : "Ce rouleau dont tu as fait lecture au peuple, prends-le et viens!" Baruch, fils de Nériyya, prit donc le rouleau et arriva près d' eux.
Jer / Jr 36:15 And they said unto him, Sit down now, and read it in our ears. So Baruch read it in their ears. Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin' i Baroka teo anatrehany. Ary hoy ireo taminy: Mipetraha hianao ka vakio izany ho ren' ny sofinay. Dia namaky izany teo an-tsofin' izy ireo Baròka. Ils lui dirent : "Assieds-toi et donne-nous en lecture." Et Baruch leur en donna lecture.
Jer / Jr 36:16 Now it came to pass, when they had heard all the words, they were afraid both one and other, and said unto Baruch, We will surely tell the king of all these words. Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin' i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin' ny mpanjaka izany teny rehetra izany. Nony efa nandre izany teny rehetra izany izy ireo dia nifampijery tamin-tahotra, ka nanao tamin' i Baròka hoe: Tsy maintsy ambaranay amin' ny mpanjaka avokoa izany teny rehetra izany. Après avoir entendu toutes les paroles, ils se tournèrent effrayés l' un vers l' autre et dirent à Baruch : "Il nous faut absolument informer le roi de tout cela."
Jer / Jr 36:17 And they asked Baruch, saying, Tell us now, How didst thou write all these words at his mouth? Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin' ny vavany. Ary nanontany an' i Baròka izy ireo, nanao hoe: Lazao aminay izay nanoratanao izany teny rehetra izany avy tamin' ny vavany. Et ils interrogèrent Baruch : "Apprends-nous comment tu as écrit toutes ces paroles."
Jer / Jr 36:18 Then Baruch answered them, He pronounced all these words unto me with his mouth, and I wrote them with ink in the book. Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin' ny ranomainty. Ka hoy Baròka taminy: Nanonona am-bava izany teny rehetra izany izy; ka nosoratako tao amin' ny boky, tamin' ny ranomainty. Baruch leur répondit : "Jérémie me les dictait toutes, et moi je les écrivais avec de l' encre sur ce livre."
Jer / Jr 36:19 Then said the princes unto Baruch, Go, hide thee, thou and Jeremiah; and let no man know where ye be. Dia hoy ny mpanapaka tamin' i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo. Dia hoy ireto lehibe tamin' i Baròka: Mandehana miery, hianao sy Jeremia, ka aoka tsy hisy olona hahalala izay misy anareo. Les princes dirent alors à Baruch : "Va-t-en, cache-toi, ainsi que Jérémie : que nul ne sache où vous êtes."
Jer / Jr 36:20 And they went in to the king into the court, but they laid up the roll in the chamber of Elishama the scribe, and told all the words in the ears of the king. Dia niditra tao amin' ny mpanjaka tao amin' ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin' ny efi-tranon' i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan' ny mpanjaka ny teny rehetra. Rehefa izany izy ireo, namela ilay horonan-taratasy tao amin' ny efitranon' i Elisama mpanoratra, dia niditra tao amin' ny mpanjaka, tao amin' ny kianja, sy nilaza teo an-tsofin' ny mpanjaka io raharaha rehetra io. Puis ils se rendirent chez le roi, à la cour du palais, laissant le rouleau en dépôt dans la salle du scribe Elishama. Et ils informèrent le roi de toute cette affaire.
Jer / Jr 36:21 So the king sent Jehudi to fetch the roll: and he took it out of Elishama the scribe' s chamber. And Jehudi read it in the ears of the king, and in the ears of all the princes which stood beside the king. Ary nirahin' ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin' ny efi-tranon' i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin' i Jehody teo anatrehan' ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan' ny mpanjaka izany. Nirahin' ny mpanjaka Jodì haka ilay horonan-taratasy, dia noraisiny tao amin' ny efitranon' i Elisama, mpanoratra, dia novakiny teo an-tsofin' ny mpanjaka sy teo an-tsofin' ny lehibe rehetra nitsangana teo anatrehan' ny mpanjaka. Le roi envoya Yehudi chercher le rouleau; celui-ci l' apporta de la salle du scribe Elishama et en fit lecture devant le roi et devant tous les princes, debout autour du roi.
Jer / Jr 36:22 Now the king sat in the winterhouse in the ninth month: and there was a fire on the hearth burning before him. Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin' ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany. Ny mpanjaka izany nipetraka tao an' efitrano ririnina tamin' ny volana fahasivy; ary voarehitra afo teo anoloany ny fatana. Le roi était assis dans ses appartements d' hiver on était au neuvième mois et le feu d' un brasero brûlait devant lui.
Jer / Jr 36:23 And it came to pass, that when Jehudi had read three or four leaves, he cut it with the penknife, and cast it into the fire that was on the hearth, until all the roll was consumed in the fire that was on the hearth. Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin' ny mpanjaka tamin' ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon' ny afo azy rehetra teo am-patana. Vao toko telo na efatra no voavakin' i Jodì, dia notapahan' ny mpanjaka tamin' ny antsipikan' ny mpanoratra, ilay taratasy, ka natsipiny tao anatin' ny afo tao am-patana, mandra-pahalevon' ny afo tao am-patana ny horonan-taratasy manontolo. Chaque fois que Yehudi avait lu trois ou quatre colonnes, le roi les lacérait avec le canif du scribe et les jetait au feu sur le brasero, jusqu'à ce que le rouleau entier fût consumé dans le feu du brasero.
Jer / Jr 36:24 Yet they were not afraid, nor rent their garments, neither the king, nor any of his servants that heard all these words. Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany. Tsy mba natahotra na nandriatra ny fitafiana akory ny mpanjaka sy ireto mpanompony rehetra izay nandre izany teny rehetra izany. Mais ni le roi ni aucun de ses serviteurs, à entendre toutes ces paroles, ne furent effrayés ni ne déchirèrent leurs vêtements;
Jer / Jr 36:25 Nevertheless Elnathan and Delaiah and Gemariah had made intercession to the king that he would not burn the roll: but he would not hear them. Ary na dia efa nifona tamin' ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy. Efa nihanta mafy tamin' ny mpanjaka anefa Elnatana sy Dalaiasa, ary Gamariasa, mba tsy handoro ilay horonan-taratay; fa tsy nohenoiny izy ireo. et pourtant Elnatân, Delayahu et Gemaryahu avaient insisté auprès du roi pour qu' il ne brûlât pas le rouleau; mais il ne les écouta pas.
Jer / Jr 36:26 But the king commanded Jerahmeel the son of Hammelech, and Seraiah the son of Azriel, and Shelemiah the son of Abdeel, to take Baruch the scribe and Jeremiah the prophet: but the Lord hid them. Ary ny mpanjaka nandidy an' i Jeremela, zanak' andriana, sy Seraia, zanak' i Azriela, ary Selemia, zanak' i Abdela, hisambotra an' i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin' i Jehovah izy roa lahy. Rahefa izany dia nodidian' ny mpanjaka Jermiely zanak' andriana, sy Saraiasa zanak' i Ezriely, ary Selemiasa zanak' i Abdeely, hisambotra an' i Baròka mpanoratra, sy Jeremia mpaminany, nefa nafenin' ny Tompo izy ireo. Et il ordonna à Yerahméel, fils du roi, à Serayahu, fils de Azriel, et à Shélémyahu, fils de Abdéel, de saisir Baruch, le scribe, et Jérémie, le prophète. Mais Yahvé les avait cachés.
Jer / Jr 36:27 Then the word of the Lord came to Jeremiah, after that the king had burned the roll, and the words which Baruch wrote at the mouth of Jeremiah, saying, Dia tonga tamin' i Jeremia ny tenin' i Jehovah, taorian' ny nandoroan' ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan' i Baroka avy tamin' ny vavan' i Jeremia, nanao hoe: Ary natao tamin' i Jeremia ny tenin' ny Tompo, taorian' ny nandoran' ny mpanjaka ny horonan-taratasy, mbamin' ny teny nosoratan' i Baròka araka ny nanononan' i Jeremia avy, dia toy izao: Alors la parole de Yahvé fut adressée à Jérémie, après que le roi eut brûlé le rouleau avec les paroles qu' avait écrites Baruch sous la dictée de Jérémie
Jer / Jr 36:28 Take thee again another roll, and write in it all the former words that were in the first roll, which Jehoiakim the king of Judah hath burned. Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin' ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda. Mandehana maka horonan-taratasy hafa indray hianao; ka soraty ao avokoa ireo teny voalohany, tao amin' ilay horonan-taratasy voalohany, nodoran' i Joakima, mpanjakan' i Jodà. "Prends un autre rouleau; écris dessus toutes les paroles qui figuraient déjà dans le premier rouleau brûlé par Joiaqim, roi de Juda.
Jer / Jr 36:29 And thou shalt say to Jehoiakim king of Judah, Thus saith the Lord; Thou hast burned this roll, saying, Why hast thou written therein, saying, The king of Babylon shall certainly come and destroy this land, and shall cause to cease from thence man and beast? Ary ny amin' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin' iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan' i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin' ny biby eto? Ary lazao amin' i Joakima mpanjakan' i Jodà, hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Hianao nandoro iny horonan-taratasy iny, sady nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin' iny fa hoe ho avy tokoa ny mpanjakan' i Babilona, ka handrava ity tany ity, ary ataony tsy hisy olona na biby intsony eto. Et contre Joiaqim, roi de Juda, tu diras : Ainsi parle Yahvé. Toi, tu as brûlé ce rouleau en disant : Pourquoi y avoir écrit Il est certain que le roi de Babylone viendra, saccagera ce pays et en fera disparaître hommes et bêtes?
Jer / Jr 36:30 Therefore thus saith the Lord of Jehoiakim king of Judah; He shall have none to sit upon the throne of David: and his dead body shall be cast out in the day to the heat, and in the night to the frost. Koa izao no lazain' i Jehovah ny amin' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin' ny seza fiandrianan' i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian' ny hainandro amin' ny antoandro ary ny fanala amin' ny alina. Noho izany, izao no lazain' ny Tompo, ny amin' i Joakima, mpanjakan' i Jodà: Tsy hisy amin' ny fianakaviany na iray aza hipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' i Davida, sady hatsipy any ivelany ny fatiny hasian' ny hainandro, amin' ny antoandro, sy ny hatsiaka amin' ny alina. C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé contre Joiaqim, roi de Juda. Il n' aura plus personne pour siéger sur le trône de David, et son cadavre sera exposé à la chaleur du jour et au froid de la nuit.
Jer / Jr 36:31 And I will punish him and his seed and his servants for their iniquity; and I will bring upon them, and upon the inhabitants of Jerusalem, and upon the men of Judah, all the evil that I have pronounced against them; but they hearkened not. Ary hampijaliko izy mbamin' ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin' ny mponina any Jerosalema ary amin' ny lehilahy amin' ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny. Hafototro hamely azy mbamin' ny taranany sy ny mpanompony rehetra, ny helony; ary hataoko mihatra aminy, sy amin' ny mponina ao Jerosalema, ary amin' ny olona amin' i Jodà, ny loza rehetra nolazaiko taminy, fa tsy nohainoiny aho. Lui, sa descendance et ses serviteurs, je les châtierai de leurs fautes; j' amènerai sur eux, sur les habitants de Jérusalem et sur les gens de Juda tout le malheur dont je les ai menacés sans qu' ils m'écoutent."
Jer / Jr 36:32 Then took Jeremiah another roll, and gave it to Baruch the scribe, the son of Neriah; who wrote therein from the mouth of Jeremiah all the words of the book which Jehoiakim king of Judah had burned in the fire: and there were added besides unto them many like words. Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an' i Baroka mpanoratra, zanak' i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin' ny vavan' i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin' ilay horonan-taratasy nodoran' i Joiakima, mpanjakan' ny Joda, tamin' ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza. Dia naka horonan-taratasy hafa indray Jeremia, natolony an' i Baròka mpanoratra, zanak' i Neriàsa, ka nosoratan' i Baròka araka ny nanononan' i Jeremia azy ny teny rehetra tamin' ilay boky nodoran' i Joakima mpanjakan' i Jodà tamin' ny afo; ary teny hafa maro tahaka ireny no niampy. Jérémie prit un autre rouleau et le remit au scribe Baruch, fils de Nériyya, qui y écrivit, sous la dictée de Jérémie, toutes les paroles du livre qu' avait brûlé Joiaqim, roi de Juda. De plus, beaucoup de paroles du même genre y furent ajoutées.

<-
->