<-
->

Nom / Fan 18:1 And the Lord said unto Aaron, Thou and thy sons and thy father' s house with thee shall bear the iniquity of the sanctuary: and thou and thy sons with thee shall bear the iniquity of your priesthood. Ary hoy Jehovah tamin' i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masina; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo. Hoy Iaveh tamin' i Aarona: Hianao sy ny zanakao ary ny fianakavian-drainao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fitoerana masina; hianao sy ny zanakao miaraka aminao no hitondra ny heloka momba ny fisoronanareo. Alors Yahvé dit à Aaron :" Toi, tes fils et la maison de ton père avec toi, vous porterez le poids des fautes commises envers le sanctuaire. Toi et tes fils avec toi vous porterez le poids des fautes de votre sacerdoce.
Nom / Fan 18:2 And thy brethren also of the tribe of Levi, the tribe of thy father, bring thou with thee, that they may be joined unto thee, and minister unto thee: but thou and thy sons with thee shall minister before the tabernacle of witness. Ary ny rahalahinao avy amin' ny firenen' i Levy izay firenen' ny razanao koa dia ento miaraka aminao, mba hikambana aminao izy ka hanompo anao; fa ianao sy ny zanakao ho eo anoloan' ny trano-lain' ny Vavolombelona. Ento manatona miaraka aminao koa ny rahalahinao, ny fokon' i Levì, ny fokon-drainao, ho mpanampy anao, hanompoany anao, rahefa mby anoloan' ny trano lain' ny vavolombelona hianao sy ny zanakao miaraka aminao. Fais aussi, avec toi, approcher tes frères du rameau de Lévi, la tribu de ton père. Qu' ils te soient adjoints et qu' ils te servent, toi et tes fils, devant la Tente du Témoignage.
Nom / Fan 18:3 And they shall keep thy charge, and the charge of all the tabernacle: only they shall not come nigh the vessels of the sanctuary and the altar, that neither they, nor ye also, die. Dia hitandrina ny anjara-raharahanao sy ny anjara-raharaha rehetra momba ny trano-lay izy; kanefa ny fanaky ny fitoerana masina sy ny alitara dia tsy mba hakekeny, fandrao maty ireo sy ny tenanareo koa. Hanatanteraka ny fanompoanao sy ny fanompoana momba ny trano lay rehetra izy, nefa tsy hanakaiky ny fanaky ny fitoerana masina na ny an' ny otely, fandrao maty hianareo, dia izy sy hianareo. Ils assureront ton service et celui de toute la Tente. A condition qu' ils ne s' approchent pas des objets sacrés ni de l' autel, ils ne mourront pas plus que vous.
Nom / Fan 18:4 And they shall be joined unto thee, and keep the charge of the tabernacle of the congregation, for all the service of the tabernacle: and a stranger shall not come nigh unto you. Dia hikambana aminao izy ka hitandrina ny anjara-raharaha momba ny trano-lay fihaonana, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano-lay; ary tsy hisy olon-kafa hanakaiky anareo. Ho mpanampy anao izy ireo, ary hanatanteraka ny fanompoana momba ny trano lay fihaonana amin' ny asa rehetra ao an-trano lay. Fa ny olon-kafa tsy hanakaiky anareo. Ils te seront adjoints, ils assumeront la charge de la Tente du Rendez-vous, pour tout le service de la Tente et aucun profane n' approchera de vous.
Nom / Fan 18:5 And ye shall keep the charge of the sanctuary, and the charge of the altar: that there be no wrath any more upon the children of Israel. Dia hotandremanareo ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina sy ny anjara-raharaha momba ny alitara, mba tsy hisy fahatezerana hahazo ny Zanak' Isiraely intsony. Dia hotanterahinareo ny fanompoana momba ny fitoerana masina sy ny fanompoana momba ny otely, mba tsy hisy fahatezerana amin' ny zanak' Israely intsony. Vous assumerez la charge du sanctuaire et la charge de l' autel, et la Colère ne sévira plus contre les Israélites.
Nom / Fan 18:6 And I, behold, I have taken your brethren the Levites from among the children of Israel: to you they are given as a gift for the Lord, to do the service of the tabernacle of the congregation. Ary, indro, Izaho efa naka ny Levita rahalahinareo avy tamin' ny Zanak' Isiraely; omena anareo izy ho fanomezana ho an' i Jehovah mba hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. Indro efa nalaiko teo afovoan' ny zanak' Israely ny Levita rahalahinareo. Efa natolotra an' ny Tompo izy ka atolotra aminareo ho fanomezana mba hanao ny raharahan' ny trano lay fihaonana. C' est moi qui ai pris vos frères les Lévites d' entre les Israélites pour vous en faire don. A titre de "donnés", ils appartiennent à Yahvé, pour faire le service de la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 18:7 Therefore thou and thy sons with thee shall keep your priest' s office for everything of the altar, and within the vail; and ye shall serve: I have given your priest' s office unto you as a service of gift: and the stranger that cometh nigh shall be put to death. Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin' ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin' ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty. Hianao sy ny zanakao miaraka aminao hanatanteraka ny raharaham-pisoronanareo amin' ny zavatra rehetra momba ny otely, mbamin' izay rehetra ao anatin' ny efitra lamba. Izany no raharaha hataonareo. Raharaha azo maimaim-poana no anomezako anareo ny fisoronanareo. Izay olon-kafa manakaiky hatao maty. Toi et tes fils, vous assumerez les fonctions sacerdotales pour tout ce qui concerne l' autel et pour tout ce qui est derrière le rideau. Vous accomplirez le service cultuel dont j' accorde l' office à votre sacerdoce. Mais le profane qui s' approchera mourra.
Nom / Fan 18:8 And the Lord spake unto Aaron, Behold, I also have given thee the charge of mine heave offerings of all the hallowed things of the children of Israel; unto thee have I given them by reason of the anointing, and to thy sons, by an ordinance for ever. Ary Jehovah niteny tamin' i Arona hoe: Indro, Izaho efa nampitandrina anao ny fanatitra ho Ahy, dia ny zava-masina rehetra aterin' ny Zanak' Isiraely; efa nomeko ho anjaranao sy ny taranakao izany, ho anjara mandrakizay. Ary hoy Iaveh tamin' i Aarona: Indro omeko anao ny fizakàna ny zavatra rehetra voavaka ho ahy, dia ny zava-drehetra voatokana avy amin' ny zanak' Israely. Ny fanosorana anao no antony anomezako izany ho anao sy ny zanakao ho lalàna mandrakizay. Yahvé dit à Aaron : " Moi, je t' ai donné la charge de ce qu' on prélève pour moi. Tout ce que consacrent les Israélites, je te le donne comme la part qui t' est assignée, ainsi qu'à tes fils, en vertu d' un décret perpétuel.
Nom / Fan 18:9 This shall be thine of the most holy things, reserved from the fire: every oblation of theirs, every meat offering of theirs, and every sin offering of theirs, and every trespass offering of theirs which they shall render unto me, shall be most holy for thee and for thy sons. Izao no ho anao amin' ny zavatra masina indrindra, avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo; ny fanatiny rehetra sy ny fanatiny noho ny ota rehetra ary ny fanati-panonerany rehetra, izay hanonerany ho Ahy; ho masina indrindra ho anao sy ny taranakao izany. Izao no ho anjaranao amin' ny zava-masina indrindra, ialan' izay holevonin' ny afo: ny zavatra hatolony rehetra, izany hoe ny fanatiny rehetra, ny sorona rehetra noho ny ota, ny sorom-panonerana rehetra hatolony ho ahy; izany rehetra izany izay zava-masina indrindra, dia ho anao sy ny zanakao. Voici ce qui te reviendra sur les choses très saintes, sur les mets offerts : toutes les offrandes que me restituent les Israélites, à titre d' oblation, de sacrifice pour le péché, de sacrifice de réparation ; c' est chose très sainte, qui te reviendra ainsi qu'à tes fils.
Nom / Fan 18:10 In the most holy place shalt thou eat it; every male shall eat it: it shall be holy unto thee. Toy ny fihinananao ny zavatra masina indrindra no hihinananao azy; ny lehilahy rehetra no mahazo mihinana azy: masina ho anao izany. Amin' ny toerana masina indrindra no hihinananareo azy, ny lehilahy rehetra no mihinana azy; masina ho anao izany. Vous vous nourrirez des choses très saintes. Tout mâle en pourra manger. Tu les tiendras pour sacrées.
Nom / Fan 18:11 And this is thine; the heave offering of their gift, with all the wave offerings of the children of Israel: I have given them unto thee, and to thy sons and to thy daughters with thee, by a statute for ever: every one that is clean in thy house shall eat of it. Ary izao koa no ho anao: ny zavatra omeny ho fanatitra, dia ny fanatitra ahevaheva rehetra aterin' ny Zanak' Isiraely; efa nomeko ho anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy koa izany ho anjara mandrakizay; izay rehetra madio amin' ny ankohonanao no mahazo mihinana izany. Izao koa no ho anao: ny zavatra rehetra voavaka amin' ny fanomezany, dia amin' ny fanatitra ahevaheva rehetra avy amin' ny zanak' Israely, omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao ho lalàna mandrakizay; na iza na iza madio ao an-tranonao, dia hihinana amin' izany avokoa. Ceci encore te reviendra : ce qui est prélevé sur les offrandes des Israélites, sur tout ce qui est tendu en geste de présentation, je te le donne, ainsi qu'à tes fils et à tes filles, en vertu d' un décret perpétuel. Quiconque est pur dans ta maison en pourra manger.
Nom / Fan 18:12 All the best of the oil, and all the best of the wine, and of the wheat, the firstfruits of them which they shall offer unto the Lord, them have I given thee. Izay rehetra tsara indrindra amin' ny diloilo sy ny ranom-boaloboka ary ny vary, dia ny voaloham-bokatra aminy, izay ateriny ho an' i Jehovah, dia efa nomeko anao. Omeko anao avokoa ny tsara indrindra amin' ny diloilo, sy ny tsara indrindra amin' ny divay vaovao sy amin' ny vary, dia ny voaloham-bokatra hateriny ho an' ny Tompo. Tout le meilleur de l' huile, tout le meilleur du vin nouveau et du blé, ces prémices qu' ils offrent à Yahvé, je te les donne.
Nom / Fan 18:13 And whatsoever is first ripe in the land, which they shall bring unto the Lord, shall be thine; every one that is clean in thine house shall eat of it. Ny voaloham-bokatra rehetra eo amin' ny taniny, izay hateriny ho an' i Jehovah, dia ho anao; izay rehetra madio amin' ny ankohonanao no mahazo mihinana azy. Ho anao ny voaloham-bokatry ny taniny haterin' izy ireo ho an' ny Tompo. Hihinana amin' izany izay rehetra madio ao an-tranonao. Tous les premiers produits de leur pays, qu' ils apportent à Yahvé, te reviendront ; quiconque est pur dans ta maison en pourra manger.
Nom / Fan 18:14 Every thing devoted in Israel shall be thine. Ny zavatra rehetra voatokana amin' ny Isiraely dia ho anao. Ho anao ny zavatra rehetra nivoadiana ho anatema ao amin' Israely. Tout ce qui est frappé d' anathème en Israël te reviendra.
Nom / Fan 18:15 Every thing that openeth the matrix in all flesh, which they bring unto the Lord, whether it be of men or beasts, shall be thine: nevertheless the firstborn of man shalt thou surely redeem, and the firstling of unclean beasts shalt thou redeem. Ny voalohan-teraka rehetra, izay ateriny ho an' i Jehovah, na olona, na biby, dia ho anao avokoa; kanefa tsy maintsy havotanao ny voalohan-teraky ny biby maloto dia havotanao koa. Ny voalohan-teraky ny nofo rehetra ateriny ho an' ny Tompo, na olona na biby, dia ho anao avokoa. Kanefa asaovy havotana ny voalohan-teraky ny olona, sy ny voalohan-teraky ny biby maloto. Tout premier-né qu' on apporte à Yahvé te reviendra, issu de tout être de chair, homme ou animal ; mais tu devras faire racheter le premier-né de l' homme, et tu feras racheter le premier-né d' un animal impur.
Nom / Fan 18:16 And those that are to be redeemed from a month old shalt thou redeem, according to thine estimation, for the money of five shekels, after the shekel of the sanctuary, which is twenty gerahs. Ary ny amin' ny fanavotana azy, dia izay efa iray volana no havotanao, araka izay ataonao tombany, dia sekely dimy, araka ny sekely masina (gera roa-polo izany). Ny amin' ny fanavotana azy dia asaovy havotana rahefa teraka iray volana izy, araka izay nanombanana azy, dia dimy sikla volafotsy araka ny sikla masina izay roapolo gera avy. Tu le feras racheter dans le mois de la naissance, en l'évaluant à cinq sicles d' argent, selon le sicle du sanctuaire qui est de vingt géras.
Nom / Fan 18:17 But the firstling of a cow, or the firstling of a sheep, or the firstling of a goat, thou shalt not redeem; they are holy: thou shalt sprinkle their blood upon the altar, and shalt burn their fat for an offering made by fire, for a sweet savour unto the Lord. Fa ny voalohan-teraky ny omby, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy kosa tsy mba havotanao, fa masina ireny; ny ràny dia hatopinao amin' ny alitara, ary ny saborany hodoranao ho fofona, ho fanatitra atao amin' ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah. Fa ny voalohan-teraky ny omby kosa, na ny voalohan-teraky ny ondry, na ny voalohan-teraky ny osy, dia aza asaina havotana, fa masina ireny; ka hararakao eo ambonin' ny otely ny rany, hodoranao hanetona ny saborany, sorona atao amin' ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra ho an' ny Tompo; Seuls les premiers-nés de la vache, de la brebis et de la chèvre ne seront pas rachetés. Ils sont chose sainte : tu en verseras le sang sur l' autel, tu en feras fumer la graisse, comme mets consumé en parfum d' apaisement pour Yahvé,
Nom / Fan 18:18 And the flesh of them shall be thine, as the wave breast and as the right shoulder are thine. Dia ho anao ny henany, ho anao tahaka ny tratra ahevaheva sy tahaka ny soroka ankavanana. ary ny henany dia ho anao, tahaka ny tratrany ahevaheva, sy ny feny havanana. et la viande t' en reviendra, ainsi que la poitrine de présentation et la cuisse droite.
Nom / Fan 18:19 All the heave offerings of the holy things, which the children of Israel offer unto the Lord, have I given thee, and thy sons and thy daughters with thee, by a statute for ever: it is a covenant of salt for ever before the Lord unto thee and to thy seed with thee. Ny fanatitra rehetra izay alaina avy amin' ny zava-masina aterin' ny Zanak' Isiraely ho an' i Jehovah dia efa nomeko anao sy ny zanakao-lahy ary ny zanakao-vavy ho anjara mandrakizay; dia fanekena mandrakizay asian-tsira eo anatrehan' i Jehovah izany ho aminao sy ny taranakao koa. Izay rehetra voavaka avy amin' ny zavatra masina, izay avahan' ny zanak' Israely ho an' ny Tompo, dia omeko anao sy ny zanakao lahy ary ny zanakao vavy miaraka aminao, ho lalàna mandrakizay, fanekena voasira mandrakizay eo anatrehan' ny Tompo izany, ho aminao sy ny taranakao miaraka aminao. Tous les prélèvements que les Israélites font pour Yahvé sur les choses saintes, je te les donne, ainsi qu'à tes fils et à tes filles, en vertu d' un décret perpétuel. C' est là une alliance éternelle par le sel devant Yahvé, pour toi et pour ta descendance avec toi.
Nom / Fan 18:20 And the Lord spake unto Aaron, Thou shalt have no inheritance in their land, neither shalt thou have any part among them: I am thy part and thine inheritance among the children of Israel. Ary hoy Jehovah tamin' i Arona: Tsy mba hanana lova eo amin' ny tany ianao sady tsy mba hanana anjara eo aminy; Izaho no anjaranao sy lovanao eo amin' ny Zanak' Isiraely. Ary hoy Iaveh tamin' i Aarona: Tsy mba hanan-dova eo amin' ny taniny hianao, ary tsy mba hisy izay ho anjaranao eo afovoan' izy ireo; fa izaho no anjaranao sy lovanao eo afovoan' ny zanak' Israely. Yahvé dit à Aaron : " Tu n' auras point d' héritage dans leur pays, il n' y aura pas de part pour toi au milieu d' eux. C' est moi qui serai ta part et ton héritage au milieu des Israélites.
Nom / Fan 18:21 And, behold, I have given the children of Levi all the tenth in Israel for an inheritance, for their service which they serve, even the service of the tabernacle of the congregation. Ary, indro, ny taranak' i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin' ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin' ny trano-lay fihaonana. Indro omeko ho lovan' ny taranak' i Levì ny fahafolon-karena rehetra amin' Israely noho ny raharaha ataony, dia ny raharahan' ny trano lay fihaonana. Voici : aux fils de Lévi je donne pour héritage toute dîme perçue en Israël, en échange de leurs services, du service qu' ils font dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 18:22 Neither must the children of Israel henceforth come nigh the tabernacle of the congregation, lest they bear sin, and die. Ary tsy mahazo manakaiky ny trano-lay fihaonana intsony ny Zanak' Isiraely, fandrao meloka izy ka maty. Tsy hanakaiky ny trano lay fihaonana intsony ny zanak' Israely, fandrao dia hitondra ny helony izy ka maty. Les Israélites n' approcheront plus de la Tente du Rendez-vous : ils se chargeraient d' un péché et mourraient.
Nom / Fan 18:23 But the Levites shall do the service of the tabernacle of the congregation, and they shall bear their iniquity: it shall be a statute for ever throughout your generations, that among the children of Israel they have no inheritance. Fa ny Levita ihany no hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana, ary izy no hitondra ny helony; ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny taranaka fara mandimby izany, fa tsy hanan-tany ho lovany eo amin' ny Zanak' Isiraely izy. Ny Levita ihany no hanao ny raharahan' ny trano lay fihaonana, dia izy no hitondra ny helony. Ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo, no tsy hananany lova eo afovoan' ny zanak' Israely. C' est Lévi qui fera le service de la Tente du Rendez-vous, et les Lévites porteront le poids de leurs fautes. C' est un décret perpétuel pour vos générations : les Lévites ne posséderont point d' héritage au milieu des Israélites,
Nom / Fan 18:24 But the tithes of the children of Israel, which they offer as an heave offering unto the Lord, I have given to the Levites to inherit: therefore I have said unto them, Among the children of Israel they shall have no inheritance. Fa ny fahafolon-karen' ny Zanak' Isiraely, izay ateriny ho fanatitra ho an' i Jehovah, dia efa nomeko ho an' ny taranak' i Levy ho fananany; izany no nilazako taminy hoe: Tsy hanana lova eo amin' ny Zanak' Isiraely izy. Fa ny fahafolon-karena hatokan' ny zanak' Israely ho an' ny Tompo no omeko ho lovan' ny Levita; izany no ilazako aminy hoe: Tsy hanan-dova eo afovoan' ny zanak' Israely izy. car c' est la dîme que les Israélites prélèvent pour Yahvé que je donne pour héritage aux Lévites. Voilà pourquoi je leur ai dit qu' ils ne posséderaient point d' héritage au milieu des Israélites.
Nom / Fan 18:25 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 18:26 Thus speak unto the Levites, and say unto them, When ye take of the children of Israel the tithes which I have given you from them for your inheritance, then ye shall offer up an heave offering of it for the Lord, even a tenth part of the tithe. Mitenena indray amin' ny Levita hoe: Rehefa raisinareo amin' ny zanak' Isiraely ny fahafolon-karena, izay efa nomeko ho fanananareo avy aminy, dia hanalanareo ampahafolony kosa ho an' i Jehovah izany. Mitenena amin' ny Levita hianao, ka lazao amin' izy ireo hoe: Rahefa mandray ny fahafolon-karena avy amin' ny zanak' Israely hianareo, izay omeko ho lovanareo avy amin' ny fananan' izy ireo, dia hanokananareo izay ho fanatitra ho an' ny Tompo, ampahafolon' ny ampahafolon-karena. Tu parleras aux Lévites et tu leur diras :Quand vous percevrez sur les Israélites la dîme que je vous donne en héritage de leur part, vous en retiendrez le prélèvement de Yahvé, la dîme de la dîme.
Nom / Fan 18:27 And this your heave offering shall be reckoned unto you, as though it were the corn of the threshingfloor, and as the fulness of the winepress. Ary ny fanatitra alainareo dia hisaina ho anareo toy ny vary avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin' ny famiazana. Ary izany fanokanana hataonareo izany dia horaisina ho solon' ny vary atokana avy eo ampamoloana, ho solon' ny divay vaovao avy amin' ny barika. Elle tiendra lieu du prélèvement à prendre sur vous, au même titre que le blé pris sur l' aire et le vin nouveau pris sur la cuve.
Nom / Fan 18:28 Thus ye also shall offer an heave offering unto the Lord of all your tithes, which ye receive of the children of Israel; and ye shall give thereof the Lord' s heave offering to Aaron the priest. Toy izany koa no hanateranareo fanatitra ho an' i Jehovah avy amin' ny fahafolon-karenareo rehetra, izay horaisinareo amin' ny Zanak' Isiraely; ary avy amin' izany no hanateranareo ho an' i Jehovah, dia ho an' i Arona mpisorona. Dia mba toy izany koa no hanokananareo fanatitra ho an' ny Tompo, avy amin' ny fahafolon-karena horaisinareo amin' ny zanak' Israely; ary izany fanatitra voatokana ho an' ny Tompo izany, dia homenareo an' i Aarona mpisorona. Ainsi, vous aussi, vous retiendrez le prélèvement de Yahvé, sur toutes les dîmes que vous percevrez sur les Israélites. Vous donnerez ce que vous aurez prélevé pour Yahvé au prêtre Aaron.
Nom / Fan 18:29 Out of all your gifts ye shall offer every heave offering of the Lord, of all the best thereof, even the hallowed part thereof out of it. Ary ny zavatra rehetra omena anareo no hanateranareo ny fanatitra rehetra izay alaina ho an' i Jehovah, dia amin' izay rehetra tsara indrindra avy aminy, dia izay zavatra masina avy aminy. Amin' ny fanomezana rehetra horaisinareo, dia hanokananareo ny fanatitra rehetra izay an' ny Tompo: amin' ny tsara indrindra rehetra, dia hanokananareo ny anjara masina avahana aminy. Sur tous les dons que vous recevrez vous retiendrez le prélèvement de Yahvé ; c' est sur le meilleur de toutes choses que vous retiendrez la part sacrée.
Nom / Fan 18:30 Therefore thou shalt say unto them, When ye have heaved the best thereof from it, then it shall be counted unto the Levites as the increase of the threshingfloor, and as the increase of the winepress. Dia lazao aminy hoe: Raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo, dia hisaina ho an' ny Levita toy ny vokatra avy eo am-pamoloana sy ny divay avy eo amin' ny famiazana izany. Lazao aminy hoe: Raha manokana ny tsara indrindra amin' izany hianareo, dia hisaina ho an' ny Levita ny am-pahafolony, ho solon' ny vokatra avy eo am-pamoloana, sy ho solon' ny vokatra avy eo amin' ny famiazana. Tu leur diras : Lorsque vous en aurez prélevé le meilleur, tous ces dons tiendront lieu aux Lévites du produit de l' aire et du produit de la cuve.
Nom / Fan 18:31 And ye shall eat it in every place, ye and your households: for it is your reward for your service in the tabernacle of the congregation. Dia mahazo mihinana izany eo amin' ny fitoerana rehetra ianareo sy ny ankohonanareo; fa karamanareo izany noho ny fanompoanareo ao amin' ny trano-lay fihaonana. Hihinana izany amin' ny toerana rehetra hianareo sy ny finakavianareo, fa karamanareo izany, noho ny raharaha ataonareo ao amin' ny trano lay fihaonana. Vous pourrez les consommer, en tout lieu, vous et vos gens : c' est votre salaire pour votre service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 18:32 And ye shall bear no sin by reason of it, when ye have heaved from it the best of it: neither shall ye pollute the holy things of the children of Israel, lest ye die. Ary tsy hahazoanareo heloka ireny, raha maka ny tsara indrindra avy aminy ianareo; ary tsy holotoinareo ny zava-masina aterin' ny Zanak' Isiraely, dia tsy ho faty ianareo. Rahefa ny tsara indrindra aminy no natokanareo, dia tsy hahazo heloka ny amin' izany hianareo; tsy handoto ny fanatitra masina avy amin' ny zanak' Israely, ka tsy ho faty hianareo. Vous ne serez pour cela chargés d' aucun péché, du moment que vous en aurez prélevé le meilleur ; vous ne profanerez pas les choses consacrées par les Israélites et vous ne mourrez pas.

<-
->