<-
->

Nom / Fan 31:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 31:2 Avenge the children of Israel of the Midianites: afterward shalt thou be gathered unto thy people. Valio ny Midianita noho ny nataony tamin' ny Zanak' Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin' ny razanao ianao. Valio amin' ny Madianita ny nataony tamin' ny zanak' Israely: rahefa afaka izany dia hangonina any amin' ny razanao hianao. " Accomplis la vengeance des Israélites sur les Madianites. Ensuite tu seras réuni aux tiens. "
Nom / Fan 31:3 And Moses spake unto the people, saying, Arm some of yourselves unto the war, and let them go against the Midianites, and avenge the Lord of Midian. Dia niteny tamin' ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian' i Jehovah azy. Dia niteny tamin' ny vahoaka Moizy nanao hoe: Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an' i Madiana izy, mba hahatanteraka ny famalian' ny Tompo an' i Madiana. Moïse parla ainsi au peuple : " Que certains d' entre vous s' arment pour la campagne de Yahvé contre Madiân, pour payer à Madiân le salaire de la vengeance de Yahvé.
Nom / Fan 31:4 Of every tribe a thousand, throughout all the tribes of Israel, shall ye send to the war. Arivo lahy avy isam-pirenena amin' ny firenen' Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika. Mandefasa arivo lahy isam-pokony avy ho any an-tafika hianareo, avy amin' ny fokon' Israely rehetra. Vous mettrez en campagne mille hommes pour chacune des tribus d' Israël. "
Nom / Fan 31:5 So there were delivered out of the thousands of Israel, a thousand of every tribe, twelve thousand armed for war. Dia navahana tamin' ny firenen' Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady. Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan' arivon' Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady. Les milliers d' Israël fournirent, à raison d' un millier par tribu, douze mille hommes armés pour la campagne.
Nom / Fan 31:6 And Moses sent them to the war, a thousand of every tribe, them and Phinehas the son of Eleazar the priest, to the war, with the holy instruments, and the trumpets to blow in his hand. Ary nampandehanin' i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak' i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo. Dia nalefan' i Moizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy Finea, zanak' i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trompetra mikarantsana. Moïse les mit en campagne, un millier par tribu, et leur joignit Pinhas, fils d'Éléazar le prêtre, porteur des objets sacrés et des trompettes pour les acclamations.
Nom / Fan 31:7 And they warred against the Midianites, as the Lord commanded Moses; and they slew all the males. Dia niady tamin' ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy Nandroso hamely an' i Madiana izy, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra. Ils firent campagne contre Madiân, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, et tuèrent tous les mâles.
Nom / Fan 31:8 And they slew the kings of Midian, beside the rest of them that were slain; namely, Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, five kings of Midian: Balaam also the son of Beor they slew with the sword. ary ny mpanjakan' i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin' ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak' i Beora, koa dia novonoiny tamin' ny sabatra. Afa-tsy izay maty an' ady dia novonoiny koa ny mpanjakan' i Madiana: Evy, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpanjakan' i Madiana dimy lahy. Novonoiny tamin' ny sabatra koa Balaama zanak' i Beora. En outre, ils tuèrent les rois de Madiân, Évi, Réqem, Çur, Hur et Réba, cinq rois madianites ; ils passèrent aussi au fil de l'épée Balaam, fils de Béor.
Nom / Fan 31:9 And the children of Israel took all the women of Midian captives, and their little ones, and took the spoil of all their cattle, and all their flocks, and all their goods. Ary ny Zanak' Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman' ondriny rehetra ary ny fananany rehetra. Nobaboin' ny zanak' Israely avokoa ny vadin' ny Madianita mbamin' ny zanany madinika; norobainy daholo ny biby mpitondra entana sy ny biby fiompiny rehetra ary ny fananany rehetra. Les Israélites emmenèrent captives les femmes des Madianites avec leurs petits enfants, ils razzièrent tout leur bétail, tous leurs troupeaux et tous leurs biens.
Nom / Fan 31:10 And they burnt all their cities wherein they dwelt, and all their goodly castles, with fire. Ary ny tanànany rehetra izay teo amin' ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin' ny afo. Nodorany avokoa ny tanàna rehetra teo amin' ny tany nonenany, mbamin' ny tobiny rehetra. Ils mirent le feu aux villes qu' ils habitaient ainsi qu'à tous leurs campements.
Nom / Fan 31:11 And they took all the spoil, and all the prey, both of men and of beasts. Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy, Rahefa nalainy daholo ny babo rehetra sy ny zavatra voaroba rehetra, na olona na biby, Puis, prenant tout leur butin, tout ce qu' ils avaient capturé, bêtes et gens,
Nom / Fan 31:12 And they brought the captives, and the prey, and the spoil, unto Moses, and Eleazar the priest, and unto the congregation of the children of Israel, unto the camp at the plains of Moab, which are by Jordan near Jericho. dia nentiny tany amin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko. dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin' i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan' Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan' i Moaba, akaikin' i Jordany tandrifin' i Jerikao. ils amenèrent captifs, prises et butin à Moïse, à Éléazar le prêtre et à toute la communauté des Israélites, jusqu' au camp, aux Steppes de Moab qui se trouvent près du Jourdain vers Jéricho.
Nom / Fan 31:13 And Moses, and Eleazar the priest, and all the princes of the congregation, went forth to meet them without the camp. Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan' ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan' ny toby. Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan' ny toby Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin' ny fiangonana. Moïse, Éléazar le prêtre et tous les princes de la communauté sortirent du camp à leur rencontre.
Nom / Fan 31:14 And Moses was wroth with the officers of the host, with the captains over thousands, and captains over hundreds, which came from the battle. Ary tezitra tamin' ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin' ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika, Ary tezitra Moizy tamin' ny mpitari-tafika, dia ireo tompon' arivo sy tompon-jato, avy any amin' ny ady. Moïse s' emporta contre les commandants des forces, chefs de milliers et chefs de centaines, qui revenaient de cette expédition guerrière.
Nom / Fan 31:15 And Moses said unto them, Have ye saved all the women alive? ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra? Hoy izy tamin' ireo: Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e? Il leur dit : " Pourquoi avez-vous laissé la vie à toutes les femmes ?
Nom / Fan 31:16 Behold, these caused the children of Israel, through the counsel of Balaam, to commit trespass against the Lord in the matter of Peor, and there was a plague among the congregation of the Lord. Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak' Isiraely tamin' i Jehovah ny amin' i Peora, araka ny tenin' i Balama, ka nahazo ny fiangonan' i Jehovah ny areti-mandringana. Ireo ihany anefa, noho ny tenin' i Balaama, no nitarika ny zanak' Israely hivadika tamin' ny Tompo tamin' ilay raharaha tamin' i Fogora, ka voan' ny loza tamin' izay ny fiangonan' ny Tompo; Ce sont elles qui, sur les conseils de Balaam, ont été pour les Israélites une cause d' infidélité à Yahvé dans l' affaire de Péor : d' où le fléau qui a sévi sur la communauté de Yahvé.
Nom / Fan 31:17 Now therefore kill every male among the little ones, and kill every woman that hath known man by lying with him. Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy. koa ankehitriny vonoy ny lahy rehetra amin' ireo ankizy madinika ireo, vonoy koa ny vehivavy rehetra efa nandry tamin-dehilahy, Tuez donc tous les enfants mâles. Tuez aussi toutes les femmes qui ont connu un homme en partageant sa couche.
Nom / Fan 31:18 But all the women children, that have not known a man by lying with him, keep alive for yourselves. Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo. fa ny zazavavy rehetra tsy mbola nandry tamin-dehilahy no velomy ho anareo. Ne laissez la vie qu' aux petites filles qui n' ont pas partagé la couche d' un homme, et qu' elles soient à vous.
Nom / Fan 31:19 And do ye abide without the camp seven days: whosoever hath killed any person, and whosoever hath touched any slain, purify both yourselves and your captives on the third day, and on the seventh day. Ary mitobia eo ivelan' ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin' ny andro fahatelo sy ny andro fahafito. Ary hianareo dia mitobia any ivelan' ny toby mandritra ny hafitoana, ka izay rehetra nahafaty olona, na nikasika faty, dia samia mandio tena, amin' ny andro fahatelo sy amin' ny andro fahafito, na hianareo na ny sambotrareo. Quant à vous, campez durant sept jours hors du camp, vous tous qui avez tué quelqu' un ou touché un cadavre. Purifiez-vous, vous et vos prisonniers, le troisième et le septième jour ;
Nom / Fan 31:20 And purify all your raiment, and all that is made of skins, and all work of goats' hair, and all things made of wood. Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon' osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa. Diovy koa ny fitafiana rehetra, ny fanaka hoditra rehetra, ny lamba volon' osy rehetra, ary ny fanaka hazo rehetra. purifiez aussi tous les vêtements, tous les objets en peau, tous les tissus en poil de chèvre, tous les objets en bois. "
Nom / Fan 31:21 And Eleazar the priest said unto the men of war which went to the battle, This is the ordinance of the law which the Lord commanded Moses; Ary hoy Eleazara mpisorona tamin' ny mpanafika, izay efa tany amin' ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian' i Jehovah' an i Mosesy: Hoy Eleazara mpisorona tamin' ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an' ady: Izao no tapaky ny lalàna nandidian' ny Tompo an' i Moizy: Éléazar le prêtre dit aux combattants qui revenaient de cette campagne : " Voici un article de la Loi que Yahvé a prescrite à Moïse.
Nom / Fan 31:22 Only the gold, and the silver, the brass, the iron, the tin, and the lead, Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka, Ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny vy, ny fira-potsy ary ny fira-mainty, Toutefois l' or, l' argent, le bronze, le fer, l'étain, le plomb,
Nom / Fan 31:23 Every thing that may abide the fire, ye shall make it go through the fire, and it shall be clean: nevertheless it shall be purified with the water of separation: and all that abideth not the fire ye shall make go through the water. dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin' ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin' ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin' ny rano ihany. mbamin' ny zavatra rehetra sahy afo, ataovy amin' ny afo dia hadio izy; nefa mbola hodiovina amin' ny rano fandiovana izy. Ary izay rehetra tsy sahy afo, dia ataovy amin' ny rano. tout ce qui peut aller au feu, vous le ferez passer par le feu et cela sera pur ; mais c' est par les eaux lustrales que cela sera purifié. Et tout ce qui ne peut aller au feu, vous le ferez passer par l' eau. "
Nom / Fan 31:24 And ye shall wash your clothes on the seventh day, and ye shall be clean, and afterward ye shall come into the camp. Ary sasao ny fitafianareo amin' ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin' ny toby ianareo. Sasao ny lambanareo amin' ny andro fahafito dia hadio hianareo, ka hahazo miditra amin' ny toby rahefa afaka izany. Vous laverez vos vêtements le septième jour et vous serez purs. Vous pourrez ensuite rentrer au camp.
Nom / Fan 31:25 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 31:26 Take the sum of the prey that was taken, both of man and of beast, thou, and Eleazar the priest, and the chief fathers of the congregation: Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan' ny fianakaviana amin' ny fiangonana ny isan' ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy; Alaonao sy Eleazara mpisorona ary ny loham-pianakaviana amin' ny fiangonana, ny isan' ny zavatra nentin-ko babo, na olona na biby fiompy, " Avec Éléazar le prêtre et les chefs de famille de la communauté, fais le compte des prises et des captifs, gens et bêtes.
Nom / Fan 31:27 And divide the prey into two parts; between them that took the war upon them, who went out to battle, and between all the congregation: ary sasaho ny babo ho an' izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an' ny fiangonana rehetra; ka zarao ny babo ho an' ny mpiady nandeha tany an-tafika sy ho an' ny fiangonana rehetra. Puis tu partageras les prises, par moitié, entre les combattants qui ont fait la campagne et l' ensemble de la communauté.
Nom / Fan 31:28 And levy a tribute unto the Lord of the men of war which went out to battle: one soul of five hundred, both of the persons, and of the beeves, and of the asses, and of the sheep: kanefa makà anjara ho an' i Jehovah avy amin' ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman' osy; Ny an' ny miaramila niantafika angalao iray isan-diman-jato, na olona na omby na boriky na ondry, ho anjara aloa amin' ny Tompo. Comme redevance pour Yahvé, tu prélèveras, sur la part des combattants qui ont fait la campagne, un sur cinq cents des gens, du gros bétail, des ânes et du petit bétail.
Nom / Fan 31:29 Take it of their half, and give it unto Eleazar the priest, for an heave offering of the Lord. ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an' i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an' i Jehovah. Ny azy ireo antsasany no hangalanareo an' izany, ka omeo an' i Eleazara mpisorona ho anjara natokana ho an' ny Tompo. Tu prendras cela sur la moitié qui leur revient, et tu le donneras à Éléazar le prêtre, comme prélèvement pour Yahvé.
Nom / Fan 31:30 And of the children of Israel' s half, thou shalt take one portion of fifty, of the persons, of the beeves, of the asses, and of the flocks, of all manner of beasts, and give them unto the Levites, which keep the charge of the tabernacle of the Lord. Ary ny antsasany an' ny Zanak' Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman' osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an' ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin' i Jehovah. Ny antsasany an' ny zanak' Israely kosa, anavaho iray isan-dimampolo, na olona na omby na boriky na ondry sy ny biby fiompy rehetra, ka omeo ny Levita, izay miambina ny Fonenan' ny Tompo. Sur la moitié qui revient aux Israélites tu prendras un sur cinquante des gens, du gros bétail, des ânes et du petit bétail, de toutes les bêtes, et tu le donneras aux Lévites qui assument la charge de la Demeure de Yahvé. "
Nom / Fan 31:31 And Moses and Eleazar the priest did as the Lord commanded Moses. Dia nataon' i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nataon' i Moizy sy Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse et Éléazar le prêtre firent comme Yahvé l' avait commandé à Moïse.
Nom / Fan 31:32 And the booty, being the rest of the prey which the men of war had caught, was six hundred thousand and seventy thousand and five thousand sheep, Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon' ny mpanafika, dia ondry aman' osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, Tamin' ny zavatra norobainy, ny sisan' ny babo azon' ny mpanafika, dia nisy ondry dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy, Or les prises, le reste du butin que la troupe partie en campagne avait razzié, se montaient à six cent soixante-quinze mille têtes de petit bétail,
Nom / Fan 31:33 And threescore and twelve thousand beeves, sy omby roa arivo amby fito alina, omby roa arivo amby fito alina, soixante-douze mille têtes de gros bétail,
Nom / Fan 31:34 And threescore and one thousand asses, sy boriky arivo amby enina alina, boriky arivo amby enina alina, soixante et un mille ânes,
Nom / Fan 31:35 And thirty and two thousand persons in all, of women that had not known man by lying with him. ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina. ary vehivavy mbola tsy nandry tamin-dehilahy roa arivo amby telo alina. et, en fait de gens, de femmes n' ayant pas partagé la couche d' un homme, trente-deux mille personnes en tout.
Nom / Fan 31:36 And the half, which was the portion of them that went out to war, was in number three hundred thousand and seven and thirty thousand and five hundred sheep: Ary ny antsasany izay anjaran' ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan' ny ondry aman' osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy; Ny antsasany anjaran' ny tany an-tafika, dia ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, La moitié en fut assignée à ceux qui avaient fait campagne, soit trois cent trente-sept mille cinq cents têtes de petit bétail,
Nom / Fan 31:37 And the Lord' s tribute of the sheep was six hundred and threescore and fifteen. ary ny anjaran' i Jehovah avy tamin' ny ondry aman' osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato. ka dimy amby fitopolo sy enin-jato no anjara naloa ho an' ny Tompo tamin' ireo; dont six cent soixante-quinze en redevance pour Yahvé,
Nom / Fan 31:38 And the beeves were thirty and six thousand; of which the Lord' s tribute was threescore and twelve. Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran' i Jehovah avy tamin' ireo dia roa amby fito-polo. omby enina arivo amby telo alina, ka ny roa amby fitopolo no anjara naloa ho an' ny Tompo tamin' ireo; trente-six mille têtes de gros bétail, dont soixante-douze en redevance pour Yahvé,
Nom / Fan 31:39 And the asses were thirty thousand and five hundred; of which the Lord' s tribute was threescore and one. Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran' i Jehovah avy tamin' ireo dia iraika amby enim-polo. boriky diman-jato amby telo alina, ka iraika amby enimpolo no anjara naloa ho an' ny Tompo tamin' ireo. trente mille cinq cents ânes, dont soixante et un en redevance pour Yahvé,
Nom / Fan 31:40 And the persons were sixteen thousand; of which the Lord' s tribute was thirty and two persons. Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran' i Jehovah avy tamin' ireo dia roa amby telo-polo. ary olona enina arivo amby iray alina, ka roa amby telopolo no anjara naloa ho an' ny Tompo tamin' ireo. et seize mille personnes, dont trente-deux en redevance pour Yahvé.
Nom / Fan 31:41 And Moses gave the tribute, which was the Lord' s heave offering, unto Eleazar the priest, as the Lord commanded Moses. Dia nomen' i Mosesy an' i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an' i Jehovah, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nomen' i Moizy an' i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse donna à Éléazar le prêtre la redevance prélevée pour Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 31:42 And of the children of Israel' s half, which Moses divided from the men that warred, Ary avy tamin' ny antsasany an' ny Zanak' Isiraely, izay nozarain' i Mosesy avy tamin' ny mpanafika Ny amin' ilay antsasany an' ny zanak' Israely kosa, izay navahan' i Moizy tamin' ny an' ny mpanafika, Quant à la moitié qui revenait aux Israélites, et que Moïse avait séparée de celle des combattants,
Nom / Fan 31:43 (Now the half that pertained unto the congregation was three hundred thousand and thirty thousand and seven thousand and five hundred sheep, (fa ny antsasany an' ny fiangonana dia ondry aman' osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, io antsasany an' ny fiangonana io, dia nisy ondry diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy, cette moitié, part de la communauté, se montait à trois cent trente-sept mille cinq cents têtes de petit bétail,
Nom / Fan 31:44 And thirty and six thousand beeves, sy omby enina arivo amby telo alina, omby enina arivo sy telo alina, trente-six mille têtes de gros bétail,
Nom / Fan 31:45 And thirty thousand asses and five hundred, sy boriky diman-jato amby telo alina, boriky diman-jato amby telo alina, trente mille cinq cents ânes
Nom / Fan 31:46 And sixteen thousand persons;) ary olona enina arivo amby iray alina), ary olona enina arivo sy iray alina. et seize mille personnes.
Nom / Fan 31:47 Even of the children of Israel' s half, Moses took one portion of fifty, both of man and of beast, and gave them unto the Levites, which kept the charge of the tabernacle of the Lord; as the Lord commanded Moses. ny antsasany an' ny Zanak' Isiraely dia nanalan' i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an' ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin' i Jehovah izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nangalan' i Moizy iray isan-dimampolo io antsasany an' ny zanak' Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan' ny Tompo araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Sur cette moitié, part des Israélites, Moïse prit un sur cinquante des gens et des bêtes et il les donna aux Lévites qui assumaient la charge de la Demeure de Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 31:48 And the officers which were over thousands of the host, the captains of thousands, and captains of hundreds, came near unto Moses: Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an' i Mosesy Dia nanatona an' i Moizy ny lehiben' ny arivo amin' ny tafika, ny tompon' arivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe: Les commandants des milliers qui avaient fait la campagne, chefs de milliers et chefs de centaines, vinrent trouver Moïse
Nom / Fan 31:49 And they said unto Moses, Thy servants have taken the sum of the men of war which are under our charge, and there lacketh not one man of us. ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan' ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza; Efa naka ny isan' ny mpanafika fehinay izahay mpanomponao, ka tsy nisy latsak' isa izahay, na dia iray aza. et lui dirent : " Tes serviteurs ont fait le compte des combattants dont ils disposaient : il n' en manque aucun.
Nom / Fan 31:50 We have therefore brought an oblation for the Lord, what every man hath gotten, of jewels of gold, chains, and bracelets, rings, earrings, and tablets, to make an atonement for our souls before the Lord. koa nitondra fanatitra ho an' i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an' ny ainay eo anatrehan' i Jehovah. Koa aterinay ho fanatitra ho an' ny Tompo kosa, ny firavaka volamena efa hitanay avy, dia fehin-tànana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan' ny Tompo. Aussi apportons-nous chacun en offrande à Yahvé ce que nous avons trouvé en fait d' objets d' or, bracelets de bras et de poignet, bagues, boucles d' oreille, pectoraux, qui serviront pour nous d' expiation devant Yahvé. "
Nom / Fan 31:51 And Moses and Eleazar the priest took the gold of them, even all wrought jewels. Dia noraisin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa. Dia noraisin' i Moizy sy Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin' izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany. Moïse et Éléazar le prêtre reçurent d' eux cet or, tous ces bijoux.
Nom / Fan 31:52 And all the gold of the offering that they offered up to the Lord, of the captains of thousands, and of the captains of hundreds, was sixteen thousand seven hundred and fifty shekels. Ary ny volamena rehetra tamin' ny fanatitra nalain' ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an' i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina Dimampolo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina sikla ny volamena rehetra voavaka nateriny ho an' ny Tompo avy amin' ny tompon' arivo sy tompon-jato. Ce prélèvement d' or qu' ils firent pour Yahvé donna un total de seize mille sept cent cinquante sicles, fourni par les chefs de milliers et chefs de centaines.
Nom / Fan 31:53 (For the men of war had taken spoil, every man for himself.) (fa ny mpanafika samy namabo ho an' ny tenany). Ny mpanafika tamin' ny foloalindahy dia samy nahazo ny babony ho azy ihany. Les combattants firent chacun leur butin.
Nom / Fan 31:54 And Moses and Eleazar the priest took the gold of the captains of thousands and of hundreds, and brought it into the tabernacle of the congregation, for a memorial for the children of Israel before the Lord. Dia noraisin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen' ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin' ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an' ny Zanak' Isiraely eo anatrehan' i Jehovah. Nony voarain' i Moizy sy Eleazara mpisorona ny volamena tamin' ny tompon' arivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin' ny trano lay fihaonana ho fahatsirovana ho an' ny zanak' Israely eo anatrehan' ny Tompo. Mais Moïse et Éléazar le prêtre reçurent l' or des chefs de milliers et de centaines, et l' apportèrent à la Tente du Rendez-vous pour faire mémoire des Israélites devant Yahvé.

<-
->