<-
->

Nom / Fan 4:1 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron et dit :
Nom / Fan 4:2 Take the sum of the sons of Kohath from among the sons of Levi, after their families, by the house of their fathers, Alao isa ny taranak' i Kehata eo amin' ny taranak' i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, Isao ny taranak' i Kaata amin' ny taranak' i Levì, araka ny fianakaviany sy ny fokom-pianakaviany avy, " Faites le recensement de ceux des Lévites qui sont fils de Qehat, par clans et par familles :
Nom / Fan 4:3 From thirty years old and upward even until fifty years old, all that enter into the host, to do the work in the tabernacle of the congregation. hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin' ny antokony hanao raharaha ao amin' ny trano-lay fihaonana. hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra ka hatramin' ny dimam-polo taona; dia izay rehetra voatendry hanao fanompoana hahavita raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana. tous les hommes de trente à cinquante ans, qui devraient faire campagne, et qui accompliront leur fonction dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:4 This shall be the service of the sons of Kohath in the tabernacle of the congregation, about the most holy things: Izao no ho fanompoan' ny taranak' i Kehata ao amin' ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masina indrindra: Izao no raharaha hataon' ny taranak' i Kaata ao amin' ny trano lay fihaonana: hitondra ny fanaka masina indrindra izy. Voici quel sera le service des fils de Qehat dans la Tente du Rendez-vous : la charge des choses très saintes.
Nom / Fan 4:5 And when the camp setteth forward, Aaron shall come, and his sons, and they shall take down the covering vail, and cover the ark of testimony with it: Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran' ny Vavolombelona' izany; Rahefa hifindra lasy, dia Aarona sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran' ny vavolombelona, dia hosaronany amin' io; Quand on lèvera le camp, Aaron et ses fils viendront déposer le rideau du voile. Ils en couvriront l' arche du Témoignage.
Nom / Fan 4:6 And shall put thereon the covering of badgers' skins, and shall spread over it a cloth wholly of blue, and shall put in the staves thereof. ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon' ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin' io, dia hataony eo aminy ny baony. ary hodi-dogaona no harakony eo ambonin' io; lamba jaky volomparasy iray volo no hovelariny ambonin' izay; izay vao hapetany eo ny baony. Ils mettront par-dessus une housse en cuir fin, sur laquelle ils étendront une étoffe toute de pourpre violette. Puis ils ajusteront les barres de l' arche.
Nom / Fan 4:7 And upon the table of shewbread they shall spread a cloth of blue, and put thereon the dishes, and the spoons, and the bowls, and covers to cover withal: and the continual bread shall be thereon: Ary hamelatra lamba, volon' ondry manga eo ambonin' ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny. Ny latabatry ny mofo alahatra, dia hovelarany lamba jaky volomparasy ka hapetrany eo amboniny, ny lovia, ny kalisy, ny kapaoka, ary ny kopy amin' ny fanatitra araraka, ary ny mofo mifandimby tsy tapaka, dia hatao eo ambonin' ny latabatra. Sur la table d' oblation, ils étendront une étoffe de pourpre, sur laquelle ils déposeront les plats, les coupes, les patères et les aiguières à libation ; le pain de l' oblation perpétuelle y sera aussi.
Nom / Fan 4:8 And they shall spread upon them a cloth of scarlet, and cover the same with a covering of badgers' skins, and shall put in the staves thereof. Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin' ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony. Hovelariny lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon' ny latabatra. Ils étendront par-dessus une étoffe de cramoisi, qu' ils recouvriront d' une housse en cuir fin. Puis ils ajusteront les barres de la table.
Nom / Fan 4:9 And they shall take a cloth of blue, and cover the candlestick of the light, and his lamps, and his tongs, and his snuffdishes, and all the oil vessels thereof, wherewith they minister unto it: Dia haka lamba volon' ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana; Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin' ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy; Ils prendront alors une étoffe de pourpre, dont ils couvriront le candélabre de lumière, ses lampes, ses mouchettes et ses cendriers, et tous les vases à huile employés pour son service.
Nom / Fan 4:10 And they shall put it and all the vessels thereof within a covering of badgers' skins, and shall put it upon a bar. ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin' ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin' ny filanjana azy. ary hataony ao anatin' ny firakotra hodi-dogaona izy mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, vao hapetrany eo ambonin' ny filanjana azy. Ils le déposeront avec tous ses accessoires sur une housse en cuir fin et le placeront sur le brancard.
Nom / Fan 4:11 And upon the golden altar they shall spread a cloth of blue, and cover it with a covering of badgers' skins, and shall put to the staves thereof: Ary hamelatra lamba manga eo ambonin' ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony; Ny otely volamena dia hovelarany lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hametahany ny baony. Sur l' autel d' or, ils étendront une étoffe de pourpre, et le recouvriront d' une housse en cuir fin. Puis ils y ajusteront les barres.
Nom / Fan 4:12 And they shall take all the instruments of ministry, wherewith they minister in the sanctuary, and put them in a cloth of blue, and cover them with a covering of badgers' skins, and shall put them on a bar: dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon' ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin' ny filanjana azy. Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin' ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin' ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona vao hapetrany eo ambonin' ny filanjana azy. Ils prendront ensuite tous les objets employés pour le service du sanctuaire. Ils les déposeront sur une étoffe de pourpre, ils les recouvriront d' une housse en cuir fin, et mettront le tout sur le brancard.
Nom / Fan 4:13 And they shall take away the ashes from the altar, and spread a purple cloth thereon: Dia hanaisotra ny lavenona amin' ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny. Hesoriny ny lavenona eo amin' ny otely dia hovelarany lamba jaky mena mangatrakatraka eo amboniny; Après avoir retiré de l' autel ses cendres grasses, ils étendront dessus une étoffe d'écarlate,
Nom / Fan 4:14 And they shall put upon it all the vessels thereof, wherewith they minister about it, even the censers, the fleshhooks, and the shovels, and the basons, all the vessels of the altar; and they shall spread upon it a covering of badgers' skins, and put to the staves of it. Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran' afony sy ny fitrebiny sy ny sotron' afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony. ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin' ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron' afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny otely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony. sur laquelle ils déposeront tous les objets que l' on emploie pour officier, les encensoirs, les fourchettes, les pelles, les coupes d' aspersion, tous les accessoires de l' autel. Ils étendront par-dessus une housse en cuir fin ; puis ils ajusteront les barres.
Nom / Fan 4:15 And when Aaron and his sons have made an end of covering the sanctuary, and all the vessels of the sanctuary, as the camp is to set forward; after that, the sons of Kohath shall come to bear it: but they shall not touch any holy thing, lest they die. These things are the burden of the sons of Kohath in the tabernacle of the congregation. Ary rehefa vitan' i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak' i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan' ny taranak' i Kehata. Rahefa vitan' i Aarona sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak' i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan' ny taranak' i Kaata. Lorsque Aaron et ses fils auront fini d' envelopper les choses sacrées et tous leurs accessoires, au moment de lever le camp, les fils de Qehat viendront les porter, mais sans toucher à ce qui est consacré : ils mourraient. Telle est la charge des fils de Qehat dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:16 And to the office of Eleazar the son of Aaron the priest pertaineth the oil for the light, and the sweet incense, and the daily meat offering, and the anointing oil, and the oversight of all the tabernacle, and of all that therein is, in the sanctuary, and in the vessels thereof. Ary ny raharahan' i Eleazara, zanak' i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan' andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin' ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin' ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy. Elezara zanak' i Aarona mpisorona, no hitandrina ny diloilon' ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin' izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin' ny fanaka rehetra momba azy. Mais à Éléazar, fils d' Aaron le prêtre, il incombera de veiller à l' huile du luminaire, aux parfums d' herbes odorantes, à l' oblation perpétuelle, à l' huile d' onction ; il devra veiller sur toute la Demeure, sur tout ce qui s' y trouve : les choses sacrées et leurs accessoires. "
Nom / Fan 4:17 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
Nom / Fan 4:18 Cut ye not off the tribe of the families of the Kohathites from among the Levites: Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon' ny Kehatita tsy ho amin' ny Levita: Tandremo sao ho voafongotra ny fokon' ny fianakavian' ny Kaatita eo afovoan' ny Levita. " Ne retranchez pas du nombre des Lévites la tribu des clans Qehatites.
Nom / Fan 4:19 But thus do unto them, that they may live, and not die, when they approach unto the most holy things: Aaron and his sons shall go in, and appoint them every one to his service and to his burden: fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin' ny fanompoany avy sy amin' ny entany avy; Izao no ataovy amin' izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Aarona sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy, Agissez donc ainsi pour eux, afin qu' ils vivent et n' encourent pas la mort en s' approchant des choses très saintes : Aaron et ses fils viendront placer chacun d' eux au lieu de son service et près de son fardeau.
Nom / Fan 4:20 But they shall not go in to see when the holy things are covered, lest they die. fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masina, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty. fa ny Levita kosa dia tsy hiditra hijery ny zavatra masina, na dia indray mipy maso aza, fandrao maty izy. Ils éviteront ainsi d' entrer et de porter le regard, ne fût-ce qu' un instant, sur les choses sacrées : ils mourraient ! "
Nom / Fan 4:21 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 4:22 Take also the sum of the sons of Gershon, throughout the houses of their fathers, by their families; Alao isa koa ny taranak' i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy; Isao koa ny taranak' i Gersona, araka ny fianakaviany avy; " Fais aussi le recensement des fils de Gershôn, par familles et par clans :
Nom / Fan 4:23 From thirty years old and upward until fifty years old shalt thou number them; all that enter in to perform the service, to do the work in the tabernacle of the congregation. ny hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin' ny antokony hanao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana. ny hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin' ny dimam-polo, no alao isa, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana izay manana anjara raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana. Tu recenseras tous les hommes de trente à cinquante ans, aptes à faire campagne, et qui feront le service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:24 This is the service of the families of the Gershonites, to serve, and for burdens: Izao no ho fanompoan' ny fokon' ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana: Izao no fanompoana hataon' ny fokon' ny Gersonita, dia ny anjara raharahany sy ny anjara entany. Voici quel sera le service des clans Gershonites, leurs fonctions et leurs fardeaux.
Nom / Fan 4:25 And they shall bear the curtains of the tabernacle, and the tabernacle of the congregation, his covering, and the covering of the badgers' skins that is above upon it, and the hanging for the door of the tabernacle of the congregation, ny ambain' ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, Hitondra ny ambain' ny Fonenana sy ny trano lay fihaonana izy, mbamin' ny firakony ary ny sarona hodi-dogaona izay fanao eo amboniny, ny varavarana lamba izay ao amin' ny fidiran' ny trano lay fihaonana, Ils porteront les tentures de la Demeure, la Tente du rendez-vous avec sa bâche et la bâche en cuir fin qui la recouvre, la portière d' entrée de la Tente du Rendez-vous,
Nom / Fan 4:26 And the hangings of the court, and the hanging for the door of the gate of the court, which is by the tabernacle and by the altar round about, and their cords, and all the instruments of their service, and all that is made for them: so shall they serve. ary ny fefy lamban' ny kianja sy ny vavahady lamba amin' ny vavahadin' ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin' ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin' ireo no ho fanompoany. ny fefy lamban' ny kianja, ny vavahady lamba izay eo amin' ny fidiran' ny kianja manodidina ny Fonenana, sy ny otely, ary ny kofehy amam-panaka rehetra momba azy; dia izy ireo no hanao ny fanompoana rehetra momba izany. les rideaux du parvis, le voile d' entrée de la porte du parvis qui entoure la Demeure et l' autel, les cordages et tous les accessoires du culte, tout le matériel nécessaire. Ils feront leur service.
Nom / Fan 4:27 At the appointment of Aaron and his sons shall be all the service of the sons of the Gershonites, in all their burdens, and in all their service: and ye shall appoint unto them in charge all their burdens. Araka ny tenin' i Arona sy ny zanany no hanaovan' ny Gersonita ny fanompoany amin' ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny. Aarona sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon' ny taranaky ny Gersonita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny. Tout ce service des fils de Gershôn - fonctions et fardeaux - se fera sous les ordres d' Aaron et de ses fils : vous aurez à les surveiller dans l' observance de leur charge.
Nom / Fan 4:28 This is the service of the families of the sons of Gershon in the tabernacle of the congregation: and their charge shall be under the hand of Ithamar the son of Aaron the priest. Izany no ho fanompoan' ny fokon' ny Gersonita ny amin' ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin' izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak' i Arona mpisorona. Izany no fanompoan' ny fianakavian' ny zanaky ny Gersonita amin' ny trano lay fihaonana, izany no raharahany eo ambanin' ny fitandreman' Itamara, zanak' i Aarona mpisorona. Tel sera le service des clans Gershonites dans la Tente du Rendez-vous. Leur ministère dépendra d' Itamar, fils d' Aaron le prêtre.
Nom / Fan 4:29 As for the sons of Merari, thou shalt number them after their families, by the house of their fathers; Ny amin' ny taranak' i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy; Alao isa ny taranak' i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, " Tu feras le recensement des fils de Merari, par clans et par familles.
Nom / Fan 4:30 From thirty years old and upward even unto fifty years old shalt thou number them, every one that entereth into the service, to do the work of the tabernacle of the congregation. ny hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin' ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana. ny hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin' ny dimam-polo taona no hisainao, dia izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana. Tu feras le recensement de tous les hommes de trente à cinquante ans aptes à faire campagne, et qui feront le service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:31 And this is the charge of their burden, according to all their service in the tabernacle of the congregation; the boards of the tabernacle, and the bars thereof, and the pillars thereof, and sockets thereof, Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin' ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin' ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin' ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany, Ka izao no homena hokarakarainy, dia ny zavatra hoentiny araka ny fanompoany rehetra ao amin' ny trano lay fihaonana: ny hazo fisaka amin' ny Fonenana, ny barany, ny andriny, ny faladiany, Voici le fardeau qu' ils assumeront, et tout le service qui leur incombera dans la Tente du Rendez-vous : les cadres de la Demeure, ses traverses, ses colonnes et ses socles.
Nom / Fan 4:32 And the pillars of the court round about, and their sockets, and their pins, and their cords, with all their instruments, and with all their service: and by name ye shall reckon the instruments of the charge of their burden. sy ny tsangantsangan' ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina. ny andry amin' ny kianja manodidina azy, ny faladian' ireo, ny tsimany, ny kofehiny, mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran' ny zavatra nomena hoentiny. Les colonnes qui entourent le parvis, leurs socles, leurs piquets, leurs cordages et tout leur appareil. Vous ferez le relevé de leurs noms avec les objets dont ils assumeront le fardeau.
Nom / Fan 4:33 This is the service of the families of the sons of Merari, according to all their service, in the tabernacle of the congregation, under the hand of Ithamar the son of Aaron the priest. Izany no ho fanompoan' ny fokon' ny taranak' i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin' ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak' i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy. Izany no fanompoan' ny fianakavian' ny zanak' i Merary, dia ny fanompoana rehetra momba ny trano lay fihaonana, eo ambany fifehezan' Itamara, zanak' i Aarona mpisorona. Tel sera le service des clans Merarites. Pour tout leur service dans la Tente du Rendez-vous, ils dépendront d' Itamar, fils d' Aaron le prêtre.
Nom / Fan 4:34 And Moses and Aaron and the chief of the congregation numbered the sons of the Kohathites after their families, and after the house of their fathers, Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan' ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Ary Moizy sy Aarona mbamin' ny filohan' ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, Moïse, Aaron et les princes de la communauté firent le recensement des fils de Qehat, par clans et par familles ;
Nom / Fan 4:35 From thirty years old and upward even unto fifty years old, every one that entereth into the service, for the work in the tabernacle of the congregation: hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin' ny antokony hanao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana. hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra, dia hatramin' ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana. tous les hommes de trente à cinquante ans, aptes à faire campagne et chargés du service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:36 And those that were numbered of them by their families were two thousand seven hundred and fifty. Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo. Dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo no isan' ny voaisa araka ny fianakaviany. On compta pour leurs clans deux mille sept cent cinquante recensés.
Nom / Fan 4:37 These were they that were numbered of the families of the Kohathites, all that might do service in the tabernacle of the congregation, which Moses and Aaron did number according to the commandment of the Lord by the hand of Moses. Ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana, izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah nampitondrainy an' i Mosesy. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Qehatites, tous ceux qui devaient servir dans la Tente du Rendez-vous, et que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
Nom / Fan 4:38 And those that were numbered of the sons of Gershon, throughout their families, and by the house of their fathers, Ary izay nalamina tamin' ny taranak' i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany, Ny voaisa tamin' ny taranak' i Gersona araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, On fit le recensement des fils de Gershôn, par clans et par familles :
Nom / Fan 4:39 From thirty years old and upward even unto fifty years old, every one that entereth into the service, for the work in the tabernacle of the congregation, hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin' ny antokony hanao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana ny hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin' ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manao fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana, tous les hommes de trente à cinquante ans, aptes à faire campagne et chargés du service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:40 Even those that were numbered of them, throughout their families, by the house of their fathers, were two thousand and six hundred and thirty. izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo. dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo no voaisa araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy. On compta deux mille six cent trente recensés, par clans et par familles.
Nom / Fan 4:41 These are they that were numbered of the families of the sons of Gershon, of all that might do service in the tabernacle of the congregation, whom Moses and Aaron did number according to the commandment of the Lord. Ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny taranak' i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny taranak' i Gersona, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin' ny trano lay fihaonana. Didin' ny Tompo no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Gershonites, tous ceux qui devaient servir dans la Tente du Rendez-vous, et que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé.
Nom / Fan 4:42 And those that were numbered of the families of the sons of Merari, throughout their families, by the house of their fathers, Ary izay nalamina tamin' ny fokon' ny taranak' i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany Ny voaisa tamin' ny fianakavian' ny taranak' i Merary, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, On fit le recensement des clans des fils de Merari par clans et par familles :
Nom / Fan 4:43 From thirty years old and upward even unto fifty years old, every one that entereth into the service, for the work in the tabernacle of the congregation, hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin' ny antokony, hanao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana, ny hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin' ny dimam-polo taona, izay tsy maintsy manao ny fanompoana, izay manana anjara raharaha ao amin' ny trano lay fihaonana, tous les hommes de trente à cinquante ans, aptes à faire campagne et chargés du service dans la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 4:44 Even those that were numbered of them after their families, were three thousand and two hundred. izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo; dia roan-jato sy telo arivo no voaisa, araka ny fianakaviany avy. On compta pour leurs clans trois mille deux cents recensés.
Nom / Fan 4:45 These be those that were numbered of the families of the sons of Merari, whom Moses and Aaron numbered according to the word of the Lord by the hand of Moses. ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny taranak' i Merary, izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny taranak' i Merary. Didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Merarites, que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
Nom / Fan 4:46 All those that were numbered of the Levites, whom Moses and Aaron and the chief of Israel numbered, after their families, and after the house of their fathers, Ny tontalin' ny taranak' i Levy izay nalamin' i Mosesy sy Arona mbamin' ny lohan' ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany Ny voaisa rehetra tamin' ny Levita, izay nisain' i Moizy sy Aarona mbamin' ny filohan' Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, Le nombre total des Lévites que Moïse, Aaron et les princes d' Israël recensèrent par clans et par familles -
Nom / Fan 4:47 From thirty years old and upward even unto fifty years old, every one that came to do the service of the ministry, and the service of the burden in the tabernacle of the congregation. hatramin' ny telo-polo taona ka hatramin' ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin' ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin' ny trano-lay fihaonana, hatramin' ny telopolo taona no ho miakatra dia hatramin' ny dimam-polo taona, izay rehetra tsy maintsy manana anjara raharaha amin' ny fanompoana sy ny fitondrana entana momba ny trano lay fihaonana. tous les hommes de trente à cinquante ans, aptes à servir dans le culte et à servir dans le service du transport de la Tente du Rendez-vous -
Nom / Fan 4:48 Even those that were numbered of them, were eight thousand and five hundred and fourscore, izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo. dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo no voaisa. se monta à huit mille cinq cent quatre-vingts recensés.
Nom / Fan 4:49 According to the commandment of the Lord they were numbered by the hand of Moses, every one according to his service, and according to his burden: thus were they numbered of him, as the Lord commanded Moses. Araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin' ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Noho ny didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy izy ireo. Sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse, on fit leur recensement en attribuant à chacun son service et son fardeau ; ils furent recensés comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.

<-
->