<-
->

Nom / Fan 28:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 28:2 Command the children of Israel, and say unto them, My offering, and my bread for my sacrifices made by fire, for a sweet savour unto me, shall ye observe to offer unto me in their due season. Mandidia ny Zanak' Isiraely hoe: Ny fanatitra ho Ahy, dia ny haniko, izay fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Ahy, dia aoka hotandremanareo ny hanaterana izany ho Ahy amin' ny fotoany avy. Ento amin' ny zanak' Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho ahy, dia ny fahana ho ahy amin' ny sorona atao amin' ny afo izay mani-pofona amiko. " Ordonne ceci aux Israélites :Vous aurez soin de m' apporter au temps fixé mon offrande, ma nourriture, sous forme de mets consumés en parfum d' apaisement.
Nom / Fan 28:3 And thou shalt say unto them, This is the offering made by fire which ye shall offer unto the Lord; two lambs of the first year without spot day by day, for a continual burnt offering. Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin' ny afo, izay haterinareo ho an' i Jehovah: zanak' ondry roa isan' andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva Lazao aminy hoe: Izao no sorona atao amin' ny afo, haterinareo ho an' ny Tompo: isan' andro, zanak' ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka. Tu leur diras : Voici le mets que vous offrirez à Yahvé . " Chaque jour, deux agneaux d' un an, sans défaut, comme holocauste perpétuel.
Nom / Fan 28:4 The one lamb shalt thou offer in the morning, and the other lamb shalt thou offer at even; (ny zanak' ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak' ondry iray koa haterinao nony hariva), Ny iray amin' ireo zanak' ondry, haterinao ny maraina, ary ny iray haterinao amin' ny àty takariva; Tu feras du premier agneau l' holocauste du matin et du second l' holocauste du crépuscule,
Nom / Fan 28:5 And a tenth part of an ephah of flour for a meat offering, mingled with the fourth part of an hin of beaten oil. ary koba tsara toto ampahafolon' ny efaha, voaharo diloilo voavely ampahefatry ny hina, ho fanatitra hohanina. ary ny lafarina tsara indrindra ampahafolon' ny efah, voadity tamin' ny diloilo oliva voatoto, ampahefatry ny hina, hatao fanatitra. avec l' oblation d' un dixième de mesure de fleur de farine pétrie dans un quart de setier d' huile vierge.
Nom / Fan 28:6 It is a continual burnt offering, which was ordained in mount Sinai for a sweet savour, a sacrifice made by fire unto the Lord. Fanatitra dorana mandrakariva izany, izay voatendry tao an-tendrombohitra Sinay ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Sorona dorana tsy tapaka izany, izay efa natolotra tao an-tendrombohitra Sinaia, ho hanitra mahafinaritra, dia sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. C' est l' holocauste perpétuel accompli jadis au mont Sinaï en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé.
Nom / Fan 28:7 And the drink offering thereof shall be the fourth part of an hin for the one lamb: in the holy place shalt thou cause the strong wine to be poured unto the Lord for a drink offering. Ary ny fanatitra aidina momba azy dia ampahefatry ny hina amin' ny isan-janak' ondry iray; ao amin' ny fitoerana masina no hanidinanao divay ho an' i Jehovah ho fanatitra aidina. Ny fanatitra araraka momba azy dia ampahefatry ny hina amin' ny isan-janak' ondry iray, ka ao amin' ny fitoerana masina, no hanaovana ny fanatitra araraka amin' ny divay madio ho an' ny Tompo. La libation conjointe sera d' un quart de setier pour chaque agneau ; c' est dans le sanctuaire que sera répandue la libation de boisson fermentée pour Yahvé.
Nom / Fan 28:8 And the other lamb shalt thou offer at even: as the meat offering of the morning, and as the drink offering thereof, thou shalt offer it, a sacrifice made by fire, of a sweet savour unto the Lord. Ary ny zanak' ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin' ny fanatitra maraina no hampombainao azy ho fanatitra atao amin' ny afo, ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah. Ny zanak' ondry iray haterina amin' ny àty takariva; hataonao toy ny nanaovana ny fanatitra tamin' ny maraina, mbamin' ny fanatitra araraka momba azy. Sorona atao amin' ny afo izany, ho hanitra mahafinaritra amin' ny Tompo. Pour le second agneau, tu en feras l' holocauste du crépuscule ; tu le feras avec la même oblation et la même libation que le matin, comme mets consumé en parfum d' apaisement pour Yahvé.
Nom / Fan 28:9 And on the sabbath day two lambs of the first year without spot, and two tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, and the drink offering thereof: Ary amin' ny andro Sabata kosa dia izao no atero: zanak' ondry roa izay iray taona' sady tsy misy kilema, ary koba tsara toto roa ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary ny fanatitra aidina momba azy. Amin' ny andro sabata kosa, dia zanak' ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, no haterinao, ary lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin' ny diloilo, hatao fanatitra, mbamin' ny fanatitra araraka momba azy. " Le jour du sabbat, vous offrirez deux agneaux d' un an, sans défaut, et deux dixièmes de fleur de farine, en oblation pétrie dans l' huile, ainsi que la libation conjointe.
Nom / Fan 28:10 This is the burnt offering of every sabbath, beside the continual burnt offering, and his drink offering. Fanatitra dorana amin' ny isan-tSabata izany, ho fanampin' ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra aidina momba azy. Sorona dorana amin' ny sabata izany, atao isan-tsabata, manampy ny sorona dorana tsy tapaka, mbamin' ny fanatitra araraka momba azy. L' holocauste du sabbat s' ajoutera chaque sabbat à l' holocauste perpétuel et de même la libation conjointe.
Nom / Fan 28:11 And in the beginnings of your months ye shall offer a burnt offering unto the Lord; two young bullocks, and one ram, seven lambs of the first year without spot; Ary izao no atero amin' ny voaloham-bolanareo ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah: vantotr' ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak' ondry fito, izay iray taona sady tsy misy kilema, Amin' ny voaloham-bolanareo, ny haterinareo ho sorona dorana ho an' ny Tompo dia vantotr' ombalahy roa, ondralahy iray, zanak' ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema; " Au commencement de vos mois, vous ferez un holocauste pour Yahvé : deux taureaux, un bélier, et sept agneaux d' un an, sans défaut ;
Nom / Fan 28:12 And three tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, for one bullock; and two tenth deals of flour for a meat offering, mingled with oil, for one ram; ary koba tsara toto telo ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina amin' ny isam-bantotr' ombilahy iray, ary koba tsara toto roa ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin' ny isan-ondrilahy iray, ary lafarina tsara indrindra telo ampahafolony, voadity tamin' ny diloilo, hatao fanatitra amin' ny isam-bantotr' ombalahy iray; lafarina tsara indrindra roa ampahafolony, voadity tamin' ny diloilo, hatao fanatitra amin' ny ondrilahy; pour chaque taureau, trois dixièmes de fleur de farine, en oblation pétrie dans l' huile ; pour chaque bélier, deux dixièmes de fleur de farine, en oblation pétrie dans l' huile ;
Nom / Fan 28:13 And a several tenth deal of flour mingled with oil for a meat offering unto one lamb; for a burnt offering of a sweet savour, a sacrifice made by fire unto the Lord. ary koba tsara toto ampahafolon' ny efaha voaharo diloilo, ho fanatitra hohanina amin' ny isan-janak' ondry iray; ho fanatitra dorana izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. ary lafarina tsara indrindra iray ampahafolony, voadity tamin' ny diloilo, hatao fanatitra amin' ny isan-janak' ondry iray; sorona dorana atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. pour chaque agneau, un dixième de fleur de farine, en oblation pétrie dans l' huile. C' est un holocauste offert en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé.
Nom / Fan 28:14 And their drink offerings shall be half an hin of wine unto a bullock, and the third part of an hin unto a ram, and a fourth part of an hin unto a lamb: this is the burnt offering of every month throughout the months of the year. Ary ny fanatitra aidina momba izany dia divay antsasaky ny hina amin' ny isam-bantotr' ombilahy iray, ary ampahatelon' ny hina ho amin' ny isan-ondrilahy iray, ary ampahefatry ny hina ho amin' ny isan-janak' ondry iray. Izany no fanatitra dorana amin' ny isam-bolana, araka ny volana amin' ny taona. Ny fanatitra araraka momba izany, dia divay antsasaky ny hina, amin' ny isam-bantotr' ombalahy iray, ampahatelon' ny hina, amin' ny isan' ondralahy iray, ary ampahefatry ny hina amin' ny isan-janak' ondry iray. Izany no sorona dorana isaky ny voaloham-bolana, dia isam-bolana, amin' ny volana mandritra ny taona. Les libations conjointes seront d' un demi-setier de vin par taureau, d' un tiers de setier par bélier et d' un quart de setier par agneau. Tel sera mois après mois l' holocauste du mois, pour tous les mois de l' année.
Nom / Fan 28:15 And one kid of the goats for a sin offering unto the Lord shall be offered, beside the continual burnt offering, and his drink offering. Ary osilahy iray koa hatao fanatitra noho ny ota ho an' i Jehovah; ho fanampin' ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. Ary osilahy iray koa no haterina ho sorona noho ny ota ho an' ny Tompo, manampy ny sorona dorana tsy tapaka sy ny fanatitra araraka momba azy. En plus de l' holocauste perpétuel, il sera offert à Yahvé un bouc, en sacrifice pour le péché, avec la libation conjointe.
Nom / Fan 28:16 And in the fourteenth day of the first month is the passover of the Lord. Ary ny andro fahefatra ambin' ny folo amin' ny volana voalohany dia Paskan' i Jehovah. Amin' ny volana voalohany, andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana, dia Pakan' ny Tompo. " Le premier mois, le quatorzième jour du mois, c' est la Pâque de Yahvé,
Nom / Fan 28:17 And in the fifteenth day of this month is the feast: seven days shall unleavened bread be eaten. Ary ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' izany volana izany dia andro firavoravoana; hafitoana no hihinanana mofo tsy misy masirasira. Ary ny andro fahadimy ambin' ny folon' izany volana izany, dia ho andro fety. Hafitoana hihinana mofo tsy misy lalivay hianareo. et le quinzième jour de ce mois est un jour de fête. Pendant sept jours on mangera des azymes.
Nom / Fan 28:18 In the first day shall be an holy convocation; ye shall do no manner of servile work therein: Amin' ny andro voalohany dia hisy fivoriana maina; aza manao taozavatra akory; Amin' ny andro voalohany, dia hisy fivoriana masina; aza manao asa fanaon' ny mpiasa na inona na inona. Le premier jour, il y aura une sainte assemblée. Vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Nom / Fan 28:19 But ye shall offer a sacrifice made by fire for a burnt offering unto the Lord; two young bullocks, and one ram, and seven lambs of the first year: they shall be unto you without blemish: fa izao no atero ho fanatitra atao amin' ny afo, dia fanatitra dorana ho an' i Jehovah: vantotr' ombilahy roa sy ondrilahy iray ary zanak' ondry fito izay iray taona (izay tsy misy kilema no haterinareo). Ary izao no haterinareo ho sorona amin' ny afo, sorona dorana ho an' ny Tompo, vantotr' ombalahy roa, ondralahy iray, zanak' ondry fito, efa iray taona, tsy misy kilema, Vous offrirez à Yahvé des mets consumés en holocauste : deux taureaux, un bélier, sept agneaux d' un an, sans défaut.
Nom / Fan 28:20 And their meat offering shall be of flour mingled with oil: three tenth deals shall ye offer for a bullock, and two tenth deals for a ram; ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba izany (telo ampahafolon' ny efaha no hiaraka haterinareo amin' ny isam-bantotr' ombilahy iray, ary roa ampahafolon' ny efaha amin' ny isan-ondrilahy iray, ary ny hatao fanatitra momba izany dia lafarina tsara indrindra voadity tamin' ny diloilo telo ampahafolony, atao amin' ny ombalahy iray, roa ampahafolony amin' ny ondralahy iray, L' oblation conjointe, en fleur de farine pétrie dans l' huile, sera de trois dixièmes par taureau, de deux dixièmes par bélier,
Nom / Fan 28:21 A several tenth deal shalt thou offer for every lamb, throughout the seven lambs: ary ampahafolon' ny efaha no hiaraka haterinao amin' ny isan-janak' ondry, dia ny zanak' ondry fito), iray ampahafolony amin' ny zanak' ondry fito tsirairay avy. et d' un dixième pour chacun des sept agneaux.
Nom / Fan 28:22 And one goat for a sin offering, to make an atonement for you. ary osilahy iray ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana ho anareo. Ary osilahy iray no hatao sorona noho ny ota, hanaovana ny fanonerana ho anareo. Et il y aura un bouc en sacrifice pour le péché, pour faire sur vous le rite d' expiation.
Nom / Fan 28:23 Ye shall offer these beside the burnt offering in the morning, which is for a continual burnt offering. Atero ireo ho fanampin' ny fanatitra dorana isa-maraina, izay atao fanatitra dorana mandrakariva. Izany no hataonareo, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana isa-maraina, dia ny sorona dorana tsy tapaka. Vous ferez cela en plus de l' holocauste du matin offert à titre d' holocauste perpétuel.
Nom / Fan 28:24 After this manner ye shall offer daily, throughout the seven days, the meat of the sacrifice made by fire, of a sweet savour unto the Lord: it shall be offered beside the continual burnt offering, and his drink offering. Araka izany no hanateranareo isan' andro amin' ny hafitoana, ho hanina ho an' i Jehovah, dia fanatitra atao amin' ny afo ho hanitra ankasitrahana ho Azy; ho fanampin' ny fanatitra dorana mandrakariva no hanaterana azy sy ny fanatitra aidina momba azy. Isan' andro mandritra ny hafitoana no hanaovanareo izany; izany no fahana amin' ny sorona atao amin' ny afo, ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin' ny fanatitra araraka momba azy. Vous ferez ainsi chaque jour pendant sept jours. C' est une nourriture, un mets consumé en parfum d' apaisement pour Yahvé ; il est offert en plus de l' holocauste perpétuel et de sa libation conjointe.
Nom / Fan 28:25 And on the seventh day ye shall have an holy convocation; ye shall do no servile work. Ary amin' ny andro fahafito dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory. Amin' ny andro fahafito, dia hisy fivoriana masina ho anareo, dia tsy hanao asa fanaon' ny mpiasa na inona na inona hianareo. Le septième jour vous aurez une sainte assemblée ; vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Nom / Fan 28:26 Also in the day of the firstfruits, when ye bring a new meat offering unto the Lord, after your weeks be out, ye shall have an holy convocation; ye shall do no servile work: Ary amin' ny andro fanaterana ny voaloham-bokatra, raha manatitra fanatitra hohanina vaovao ho an' i Jehovah ianareo, rehefa afaka ireo herinandronareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo; aza manao tao-zavatra akory; Amin' ny andron' ny voaloham-bokatra, rahefa hanolotra fanatitra avy amin' ny vokatra vaovao ho an' ny Tompo hianareo, amin' ny fetin' ny Herinandro hataonareo, dia hisy fivoriana masina ho anareo, ka tsy hanao asa fanaon' ny mpiasa na inona na inona. " Le jour des prémices, quand vous offrirez à Yahvé une oblation de fruits nouveaux, à votre fête des Semaines, vous aurez une sainte assemblée ; vous ne ferez aucune oeuvre servile.
Nom / Fan 28:27 But ye shall offer the burnt offering for a sweet savour unto the Lord; two young bullocks, one ram, seven lambs of the first year; ary izao no atero ho fanatitra odorana ho hanitra ankasitrahana ho an' i Jehovah: vantotr' ombilahy roa sy ondrilahy iray sy zanak' ondry fito, izay iray taona avy, Ary izao no haterinareo ho sorona dorana, ho hanitra ankasitrahan' ny Tompo: vantotr' ombalahy roa, ondralahy iray, zanak' ondry fito, efa iray taona; Vous ferez un holocauste, en parfum d' apaisement pour Yahvé : deux taureaux, un bélier, sept agneaux d' un an.
Nom / Fan 28:28 And their meat offering of flour mingled with oil, three tenth deals unto one bullock, two tenth deals unto one ram, ary koba tsara toto voaharo diloilo ho fanatitra hohanina momba azy (telo ampahafolon' ny efaha amin' ny isam-bantotr' ombilahy iray, roa ampahafolon' ny efaha amin' ny isan' ondrilahy iray, ary ny hatao fanatitra momba azy, dia lafarina tsara indrindra voadity amin' ny diloilo, telo ampahafolony isan' ombalahy, roa ampahafolony amin' ny ondralahy, L' oblation conjointe, en fleur de farine pétrie dans l' huile, sera de trois dixièmes pour chaque taureau, de deux dixièmes pour chaque bélier,
Nom / Fan 28:29 A several tenth deal unto one lamb, throughout the seven lambs; ary ampahafolon' ny efaha amin' ny isan-janak' ondry iray, dia amin' ny zanak' ondry fito) ary iray ampahafolony amin' ny zanak' ondry fito tsirairay avy. d' un dixième pour chacun des sept agneaux.
Nom / Fan 28:30 And one kid of the goats, to make an atonement for you. ary osilahy iray, hanaovana fanavotana ho anareo. Ary osilahy iray koa no haterinareo hanaovana ny fanonerana ho anareo. Et il y aura un bouc en sacrifice pour le péché, pour faire sur vous le rite d' expiation.
Nom / Fan 28:31 Ye shall offer them beside the continual burnt offering, and his meat offering, (they shall be unto you without blemish) and their drink offerings. Dia haterinareo ireo sy ny fanatitra aidina momba azy ho fanampin' ny fanatitra dorana mandrakariva sy ny fanatitra hohanina momba azy; izay tsy misy kilema no haterinareo. Hataonareo izany, ka tsy hajanona anefa ny sorona dorana tsy tapaka mbamin' ny fanatitra momba azy; ary izay tsy misy kilema no atero, miaraka amin' ny fanatitra araraka momba azy. Vous ferez cela en plus de l' holocauste perpétuel, de son oblation et des libations conjointes.

<-
->