Entrée (1/3) | 1 raha |
Partie du discours | 2 conjonction [Liste complète] |
Explications en malgache |
3 [1.1] Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan' ny fahatanterahan' ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola |
Explications en anglais |
4 [1.2, 1.7] when, if 5 [1.2] as for, since 6 [1.7] when and if |
Explications en français |
7 [1.3#498, 1.8] si, quand 8 [1.3#498] lorsque |
Exemples |
9 [2.470] raha sakafo no manimanitra, mazoto homana ny mpihinana.
|
Tous les mots composés | 10 38 mots contenant raha |
Analogues | 11 fony, nony, rehefa |
Entrée (2/3) | 12 raha |
Partie du discours | 13 nom |
Explications en malgache |
14 [1.78] zavatra [Tambahoaka, Taisaka, Bezanozano, Sihanaka, Tanala]
15 [1.78] anona [Tanala] 16 [1.1] Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin' io rano io Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha |
Explications en anglais |
17 [1.2#488] for raharaha and zavatra [Provincial]
|
Explications en français |
18 [1.3#498] chose, comme zavatra [Provincial]
19 [1.13] substance 20 [1.405] quelque chose, chose, objet [Sakalava-Mayotte] |
Tous les mots composés | 21 22 mots contenant raha |
Proverbes | 22 Proverbes contenant le mot raha |
Entrée (3/3) | 23 Raha |
Partie du discours | 24 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 25 raha |
Vocabulaire | 26 Littérature: poèmes |
Auteur |
27 Ratany Samuël |
Texte complet |
28 Raha sendra midona ny voalohan' orana, 29 Nefa ny ambiaty tsy mbola mitsiry ; 30 Raha vorona ompiana no tapa-patorana, 31 Kefa ny mpiompy tsy rototra firy; 32 Raha sendra ka ravan-tadio ny akany, 33 Kanefa tsy taitran' izany ny fody ; 34 Raha zaza tinaiza no re mitomany, 35 Ny reniny anefa tsy mahalala mody ; 36 Raha fo te-hiverina vonon-kifona, 37 Kinanjo mitodika voatsipi-drora; 38 Raha toa fanekena sendra midona, 39 Kanefa voatifitry ny harika mora ; 40 Raha volana maro no niandry fitia, 41 Kanefa tsy misy minitra hifaliana; 42 Raha toa efa tony ny rano maria, 43 Ny lakana anefa tsy manim-podiana; 44 Raha sendra mba taitra ny fo nanantena, 45 Kanefa ny tiana vao maika matory ; 46 Raha tiana ho tanteraka ilay fanenkena, 47 Kanefa voavadiky ny andro mahory; 48 Raha sendra mitsiky maraina ny lisy, 49 Kanefa tsy hita eo akaiky ny lolo 50 Nandrasako ho avy , kinanjo tsy nisy 51 Tandindona akory tonga hisolo 52 Ahoana ? Inona ary ny anton' izany ? 53 Miangatra ve ny lalàn' ny tany ? 54 Tsy izany tsy akory fa izao no efa didy, 55 Raha ny efa mivadika indray no mivalo, 56 Dia miova ny lahatra sy ny safidy 57 Ka lasa ho tompony ilay natakalo. 58 Raha toa mpisompatra indray no ho marina, 59 Izay no atao hoe : Fitia nangalarina; 60 Raha ny efa tsy tia no tiavina indray, 61 Aleo dia mamoy azy mandrakizay. |
Anagrammes | 62 hara, 63 Raha, raha |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |