Index

Proverbes : irobohana

Proverbe 1Aza manao tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo hirosoana, raha lalina hihemorana. [1.1]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : marivo mihanana, lalina miherina. [1.147 #T170]
Tsobo-dranon-dRamiangaly : raha marivo irobohana, raha lalina ihemorana. [2.558 #4466]
Interprétation malgacheIlazana ireo olona tsy mety manao zavatra sarotra fa ny mora ihany no ataony. [1.1]

Proverbe 2Farihy maty mamba ka irobohan' ny adala rehetra. [2.558 #1125]
Farihy maty mamba, ka itsobohan’ ny adala rehetra. [2.653 #938]

Proverbe 3Ingorifotsy manjono, ka raha tsy miakatra, dia hidinako. [2.653 #1139]
Ingorifotsy nanjono : Raha tsy miakatra dia hidinako. [2.558 #1438]
Rafotsibe manjono : rehefa tsy miakatra idinany. [2.558 #3512]
Rafotsibe nanjono: rehefa tsy miakatra, dia irobohany. [2.415 #1916, 2.653 #2618]
Randranobe nanjono : "raha tsy miakatra, hidinako" . [2.415 #1926]
Traduction françaiseRandranobe, la vieille qui pêche à l' appât : si le poisson ne monte pas, dit-elle, c' est moi qui descendrai. [2.415 #1926]
Vieille qui pêche à l' appât : si les poissons ne montent pas, dit-elle, j' entre dans l' eau. [2.415 #1916]
Interprétation françaiseSe disait des gens têtus, de ceux qui s'acharnent à une chose. [2.415 #1916]

Proverbe 4Ny fanompoana aza atao andran-drano: ka raha marivo hotsobohina; ary raha lalin-kihemorana. [2.165]
Ny fanompoana aza atao andran-drano : marivo irobohana, raha lalin-kihemorana. [2.558 #2965]
Ny fanompoana aza atao andran-drano: raha marivo hotsobohina, ary lalin-kihemorana. [2.653 #2217]
Ny fanompoana aza atao andran-drano : raha marivo hotsoboina, raha lalina hihemorana. [2.415 #382]
Traduction françaiseNe considérez pas la corvée comme le passage d' une rivière: et si l' eau est basse vous traverserez, mais si elle est profonde, vous reculerez. [2.165]
Ne faites pas pour la corvée ce que l' on fait avec l' eau qu' on sonde pour voir quelle est la profondeur : si l' eau est assez basse on passe. [2.415 #382]
Interprétation françaiseC. à. d. on y est toujours forcé, quelle soit facile ou difficile. [2.165]

Proverbe 5Raha monina amoron-drano, mahalala ny marivo irobohana. [2.558 #3623]

Index