Entrée maty (faty)
Partie du discours participe
Explications en malgache Afaka aina, tsy velona intsony: Maty omaly ilay sakanay be volo
Voakapoka mafy: Matin' i Dada aho raha manao izany
Tsy afa-miasa tsy afa-mihetsika, tsy mandeha simba: Maty ny tongony ilany ka mandringa izy ~ Maty ny famantaranandroko ~ Maty feo ny anao fa nikiahiaka loatra
Tsy mirehitra intsony, milentika, tsy hita intsony (afo, masoandro, volana): Omeo afo kely aho fa maty ny sigarako ~ Efa maty ny masoandro
Lany, very, resy an-doka: Maty ariary zato tamin' ny loka izy
Tsy ampiasaina intsony, nofoanana, tsy andehanana intsony, tsy miasa intsony: Lalana efa maty izany ~ Fiteny maty izany
Asiana izaitsizy: Matin' ny hafanana aho izany
Tia zavatra efa izaitsizy; entanin-javatra mihoa-pampana: Matin' ny filan-dera ny anao ka nandray ny kihony ~ Matin-kambo ~ Matimatim-boninahitra [1.1]
Explications en anglais Dead [1.2, 1.7]
 Gone out as a lamp, or a fire [1.2]
 Paralyzed (of the limbs) [1.7]
Explications en français Mort [1.3, 1.8, 1.196]
 Paralysé (se dit des membres du corps) [1.8]
 Paralysé [1.196]
Exemples 
1Tsy te-ho faty aho! [2.529]
2voatsipy tany anaty rano avokoa, hono, izy rehetra ka maty. [2.293]
3Maty marina ireo olona ireo, tompoko! [2.324]
4Saika maty aho lahy, hoy aho anakampo, raha raikitra tamin' ireny teo! [2.4]
5Asa na maty izy izay na mbola velona soa aman-tsara ihany. [2.470]
Morphologie 
Présent : maty, matiko, matinao, matiny, matinay, matintsika, matinareo, matin', matin-, matim-
Passé : maty, matiko, matinao, matiny, matinay, matintsika, matinareo, matin', matin-, matim-
Futur : ho faty, ho fatin', ho fatin-
Impératif : matesa
Dérivés 
Mots composés 
Phytonymes 
Titres Kabary amin' ny fampisehoan-dambamena ho entin' ny maty (Rasamuel Maurice)
Toponymes 
Analogues  dangy ~ diso ~ fohatra ~ jedana ~ jihitra ~ jingy ~ lasa any amin' ny varo-tsy mifody ~ lasa any an-koatra ~ lasan' andriamanitra ~ lasan-ko razana ~ latsaka aina ~ mandry ao ambany rangolahy ~ manjahana ~ miamboho ~ miondambato mangatsiaka ~ mitsitra ~ modimandry ~ nivoaka ny varavaran-kazo ka niditra ny varavaram-bato ~ nody vovoka ~ tapitra andro ~ tsy miaina ~ tsy tra-drano ~ Rabevoina ~ Ratompokolahy ~ Ratompokovavy
Proverbes 

Anagrammes 

Mis à jour le 2023/05/20