| Entrée | 1 maditra |
| Radical | 2 ditra |
| Partie du discours | 3 adjectif |
| Explications en malgache |
4 Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho
5 Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao [1.1] |
| Explications en anglais |
6 stubborn
[1.2, 1.7] 7 obstinate, pertinacious [1.2] 8 disobedient [1.7] |
| Explications en français |
9 obstiné, délinquant (se dit des jeunes)
[1.8] |
| Exemples |
10 Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony.
[2.470#124]
11 angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996] |
| Morphologie |
|
| Analogues | 15 be bohihy, 16 be bohika, 17 be di-doha, 18 be kiry, 19 be marenina, 20 be tohika, 21 donto, 22 kafiry, 23 kirina, 24 kizitina, 25 madity, 26 mafy hatoka, 27 mafy kitroka, 28 mafy loha, 29 mafy sofina, 30 mafy tadiny, 31 mahafotsy teny, 32 mahalava vava, 33 mahery loha, 34 mahery setra, 35 mahery vaika, 36 mahery zaka, 37 makikitra, 38 mamotsy rora, 39 manata-bava, 40 matevin-koditra, 41 mihizihizy, 42 mitsivalam-pandry, 43 tokam-bolana, 44 tsy andairan' anatra, 45 tsy azo akisoka, 46 tsy azo anarina, 47 tsy azo atao ahoana amin' ahoana, 48 tsy azo tenenina, 49 tsy hay toroana, 50 tsy laitra akisoka, 51 tsy maty manota, 52 tsy misy famavany |
| Combinaisons | 53 1 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot maditra |
| Proverbes | 54 Proverbes contenant ce mot |
| Mis à jour le 2026/04/22 |
|