Entrée maditra (ditra)
Partie du discours adjectif
Explications en malgache Be ditra, mikiry tafahoatra hanao araka ny heviny ihany na dia fantatra fa tsy marina sy tsy tsara aza: Lahiantitra maditra, tsy mbola nahita ohatra azy io aho
Minia manao ny tsy mety sy ny tsy tsara na dia tenenina lava izao aza: Zazalahy maditra iny fa mpisotro sy mpiloka ka tsy azonay ekena ho vadinao
Mitovy hevitra: be bohihy ~ be bohika ~ be di-doha ~ be kiry ~ be marenina ~ be tohika ~ donto ~ kafiry ~ kirina ~ kizitina ~ madity ~ mafy hatoka ~ mafy kitroka ~ mafy loha ~ mafy sofina ~ mafy tadiny ~ mahafotsy teny ~ mahalava vava ~ mahery loha ~ mahery setra ~ mahery vaika ~ mahery zaka ~ makikitra ~ mamotsy rora ~ manata-bava ~ matevin-koditra ~ mihizihizy ~ mitsivalam-pandry ~ tokam-bolana ~ tsy andairan' anatra ~ tsy azo akisoka ~ tsy azo anarina ~ tsy azo atao ahoana amin' ahoana ~ tsy azo tenenina ~ tsy hay toroana ~ tsy laitra akisoka ~ tsy maty manota ~ tsy misy famavany [1.1]
Explications en anglais Stubborn [1.2, 1.7]
 Obstinate, pertinacious [1.2]
 Disobedient [1.7]
Explications en français Obstiné, délinquant (se dit des jeunes) [1.8]
Exemples 
1Adala sy maditra no fitsaran-dreniny azy, nefa ataony ahoana fa azy sy mankarary ny fony. [2.470]
2angamba mba ho fantany fa taranaka maditra izy. [2.996]
Morphologie 
Présent : maditra
Passé : naditra
Futur : haditra
Mots composés 
Proverbes 

Mis à jour le 2023/01/20