<-
->

Isa / Iz 3:1 For, behold, the Lord, the Lord of hosts, doth take away from Jerusalem and from Judah the stay and the staff, the whole stay of bread, and the whole stay of water. Fa, indro, Jehovah, Tompon' ny maro, Manaisotra amin' i Jerosalema sy Joda izay andry sy tohana rehetra: Dia ny mofo sy ny rano rehetra, izay tohan' aina, Fa indro ny Tompo, Iavehn' ny tafika, hanesotra amin' i Jerosalema sy Jodà, ny vonjy aman-tohana rehetra, Oui, voici que le Seigneur Yahvé Sabaot va ôter de Jérusalem et de Juda ressource et provision - toute réserve de pain et toute réserve d' eau -,
Isa / Iz 3:2 The mighty man, and the man of war, the judge, and the prophet, and the prudent, and the ancient, Ny lehilahy mahery sy ny mpiady, Ny mpitsara sy ny mpaminany, Ny mpanao fankatovana sy ny loholona, ny vonjy rehetra momba ny mofo, ny vonjy rehetra momba ny rano, ny mahery fo mbamin' ny lehilahy mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany amam-pimasy, ny loholona, héros et homme de guerre, juge et prophète, devin et vieillard,
Isa / Iz 3:3 The captain of fifty, and the honourable man, and the counsellor, and the cunning artificer, and the eloquent orator. Ny mpifehy ny dimam-polo sy ny manan-kaja, Ny mpanolo-tsaina sy ny mahay zavatra Ary ny mahay ny fiboeriboeriky ny mpanao ody. ny kapiteny aman' olom-boalohandohany, mbamin' ny mpanolo-tsaina, ny mpanao taozavatra kinga amin' ny raharahany amam-panao fankatoavana famantsy lahy; capitaine et dignitaire, conseiller, architecte et enchanteur.
Isa / Iz 3:4 And I will give children to be their princes, and babes shall rule over them. Ary hanendry ankizilahy madinika ho lehibeny Aho, Ary ny haitraitran-jaza no hanapaka azy. dia zatovolahy no apetraka ho lehiben' izy ireo, ary ankizy no hanapaka azy. Je leur donnerai comme princes des adolescents, et des gamins feront la loi chez eux.
Isa / Iz 3:5 And the people shall be oppressed, every one by another, and every one by his neighbour: the child shall behave himself proudly against the ancient, and the base against the honourable. Ary hifanipaka izy samy iray firenena, Dia samy ny namany avy sy ny akaiky azy avy; Ny tovolahy hirehareha amin' ny anti-panahy, Ary ny tsy manan-daza amin' ny manan-daza. Ka hiantoraka hifamely ny lehilahy amin' ny lehilahy ary ny olona samy amin' ny mifanakaiky aminy; hiantoraka hifamely izy ireo, ny tovolahy amin' ny anti-panahy, ary ny olom-poana amin' ny olo-manan-daza indrindra. Les gens se molesteront l' un l' autre, et entre voisins; le jeune garçon s' en prendra au vieillard, l' homme de peu au notable.
Isa / Iz 3:6 When a man shall take hold of his brother of the house of his father, saying, Thou hast clothing, be thou our ruler, and let this ruin be under thy hand: Raha misy olona angatahin' ny rahalahiny ao an-tranon-drainy ka ataony hoe: Hianao no manana lamba, koa aoka ho mpanapaka anay, Ary aoka ity faharavana ity ho raharahanao, Nony halain' ny rahalahiny ny olona anankiray, ao an-tranon-drainy ilazany hoe: Manan-damba hianao, ka aoka ho lehibenay, ary aoka ho ambany fiambenanao izao faharavana izao! Oui, un homme saisira son frère dans la maison paternelle : " Tu as un manteau, tu seras notre chef, et cette chose branlante, qu' elle te soit confiée! "
Isa / Iz 3:7 In that day shall he swear, saying, I will not be an healer; for in my house is neither bread nor clothing: make me not a ruler of the people. Dia namaly izy amin' izany andro izany hoe: Tsy mety ho dokotera aho, Fa ao an-tranoko tsy misy hanina na lamba; Koa tsy azonareo hatao mpanapaka ny olona aho. Dia hikafankafana izy, amin' izany andro izany, hanao hoe: Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben' ny vahoaka. Et l' autre, en ce jour-là, s'écriera : " Je ne suis pas un guérisseur; chez moi, il n' y a ni pain ni manteau, ne me faites pas chef du peuple! "
Isa / Iz 3:8 For Jerusalem is ruined, and Judah is fallen: because their tongue and their doings are against the Lord, to provoke the eyes of his glory. Fa tafintohina Jerosalema, Ary potraka Joda, satria ny lelany sy ny asany dia samy manohitra an' i Jehovah Mba hihaika ny mason' ny voninahiny. Satria mangozohozo Jerosalema ary mirodana Jodà, noho ny teny aman' asan' izy ireo manohitra an' ny Tompo, mba hihaika ny fijerin' ny fiandrianany. Car Jérusalem a trébuché et Juda est tombé, oui, leurs paroles et leurs actes s' adressent à Yahvé, pour insulter ses regards glorieux.
Isa / Iz 3:9 The shew of their countenance doth witness against them; and they declare their sin as Sodom, they hide it not. Woe unto their soul! for they have rewarded evil unto themselves. Ny fisehon' ny tarehiny miampanga azy; Ary mampiharihary ny fahotany tahaka an' i Sodoma izy ka tsy manafina azy. Lozan' ny fanahiny! Fa mampidi-doza amin' ny tenany izy. Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an' i Sodoma izy, fa tsy miery amin' izany akory. Loza ho an' ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany. Leur complaisance témoigne contre eux, ils étalent leur péché comme Sodome. Ils n' ont pas dissimulé, malheur à eux! car ils ont préparé leur propre ruine.
Isa / Iz 3:10 Say ye to the righteous, that it shall be well with him: for they shall eat the fruit of their doings. Lazaonareo ny amin' ny marina fa hahita soa izy, Fa ny vokatry ny asany no hohaniny. Lazao amin' ny marina fa sambatra izy, satria hihinana ny vokatry ny asany. Dites : le juste, qu' il est heureux! car il se nourrira du fruit de ses actes.
Isa / Iz 3:11 Woe unto the wicked! it shall be ill with him: for the reward of his hands shall be given him. Lozan' ny ratsy fanahy! hiharan' ny ratsy izy, Satria ny valin' ny nataon' ny tànany ihany no hanody azy. Loza ho an' ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon' ny tànany. Malheur au méchant, malfaisant! car il sera traité selon ses oeuvres.
Isa / Iz 3:12 As for my people, children are their oppressors, and women rule over them. O my people, they which lead thee cause thee to err, and destroy the way of thy paths. Ny amin' ny oloko, dia zaza no mampahory azy, Ary ireo vehivavy no manapaka azy. Ry oloko ô, ny mpitarika anao no mampivily anao Sady mandrava ny lalana alehanao. Zaza no mampahory ny vahoakako, ary vehivavy no manapaka azy. Ry vahoakako, mampania anao izay mitondra anao, ary mandrava ny làlana tsy maintsy halehanao izy ireo. O mon peuple, ses oppresseurs le mettent au pillage, et des exacteurs font la loi chez lui. O mon peuple, tes guides t'égarent, ils ont effacé les chemins que tu suis.
Isa / Iz 3:13 The Lord standeth up to plead, and standeth to judge the people. Jehovah mitsangana handahatra Ka miatrika hitsara ny firenena. Nitsangana Iaveh hamoaka ny fitsarana, ary nijoro hitsara ny vahoaka izy. Yahvé s' est levé pour accuser, il est debout pour juger les peuples.
Isa / Iz 3:14 The Lord will enter into judgment with the ancients of his people, and the princes thereof: for ye have eaten up the vineyard; the spoil of the poor is in your houses. Jehovah miampanga ny loholona sy ny lehiben' ny olony amin' ny fitsarana hoe: Hianareo no efa nandevona ny tanim-boaloboka; Ary ao an-tranonareo ny fananan' ny malahelo izay efa nalaina an-keriny. Mifandahatra amin' ny loholona eo amin' ny fitsarana Iaveh, sy amin' ny mpanapaka ny vahoakany manao hoe: Niraotra ny voaloboka hianareo; ny fananan' ny malahelo nobaboinareo dia ao an-tranonareo. Yahvé entre en jugement, avec les anciens et les princes de son peuple : " C' est vous qui avez dévasté la vigne, la dépouille du malheureux est dans vos maisons.
Isa / Iz 3:15 What mean ye that ye beat my people to pieces, and grind the faces of the poor? saith the Lord GOD of hosts. Ahoana no hevitrareo no dia hosihosenareo ny oloko, Ary torotoroinareo ny tavan' ny malahelo ? Hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Lalàna avy aiza no anosihosenareo ny vahoakako, sy anorotoroanareo ny tavan' ny ory? Teny ton' ny Tompo Iavehn' ny tafika, izany. De quel droit écraser mon peuple et broyer le visage des malheureux ? " Oracle du Seigneur Yahvé Sabaot. Les femmes de Jérusalem.
Isa / Iz 3:16 Moreover the Lord saith, Because the daughters of Zion are haughty, and walk with stretched forth necks and wanton eyes, walking and mincing as they go, and making a tinkling with their feet: Ary hoy koa Jehovah: Satria miavona ireo zanakavavin' i Ziona ka mandeha mianjonanjona sy manao maso meloka Sady kasikasy fandeha Ary mampikorintsandrintsana ny fehin-tongony, Efa niteny Iaveh nanao hoe: Noho ireo zanakavavin' i Siona tonga mpiavonavona, mandeha misolanandrana, mianjonajom-pijery, malako famindra, ary mampikorintsandrintsana ny masom-bola fehin-tongony, Yahvé dit : Parce qu' elles font les fières, les filles de Sion, qu' elles vont le cou tendu et les yeux provocants, qu' elles vont à pas menus, en faisant sonner les anneaux de leurs pieds,
Isa / Iz 3:17 Therefore the Lord will smite with a scab the crown of the head of the daughters of Zion, and the Lord will discover their secret parts. Noho izany dia hataon' ny Tompo feno tako-pery ny tampon-dohan' ny zanakavavin' i Ziona, Ary Jehovah hampiseho ny fitanjahany. dia hataon' ny Tompo sola ny tampon-dohan' ny zanakavavin' i Siona, ary asehon' ny Tompo ny fitanjahany. le Seigneur rendra galeux le crâne des filles de Sion, Yahvé dénudera leur front.
Isa / Iz 3:18 In that day the Lord will take away the bravery of their tinkling ornaments about their feet, and their cauls, and their round tires like the moon, Amin' izany andro izany dia hesorin' i Jehovah ny firavaka rehetra, na ny fehin-tongotra, Na ny fehi-loha, na ny sarim-bolan-tsinana, Amin' izany andro izany, hesorin' ny Tompo ny ravaky ny masom-bola, ny masoandro sy ny volantsinana, Ce jour-là le Seigneur ôtera l' ornement de chaînettes, les médaillons et les croissants,
Isa / Iz 3:19 The chains, and the bracelets, and the mufflers, Na ny kavina voavola, na ny rojo, na ny fisalobonana makarakara, ny kavina, ny fehin-tànana, ny voaly, les pendentifs, les bracelets, les breloques,
Isa / Iz 3:20 The bonnets, and the ornaments of the legs, and the headbands, and the tablets, and the earrings, Na ny satroka, na ny rojo parapaingo, na ny fehin-kibo misy haingony, Na ny fitoeran-dranomanitra, na ny ody fanaony ravaka, ny fehiloha, ny fehin-tongotra amam-pehin-kibo, les diadèmes et les chaînettes de chevilles, les parures, les boîtes à parfums et les amulettes,
Isa / Iz 3:21 The rings, and nose jewels, Na ny peratra, na ny kavin' orona, ny fitoeran-dranomanitra amam-pelana, ny peratra aman-kavin' orona; les bagues et les anneaux de narines,
Isa / Iz 3:22 The changeable suits of apparel, and the mantles, and the wimples, and the crisping pins, Na ny akanjo fihaingoana, na ny kapôty, Na ny saly, na ny poketra, ny akanjo fitondra amin' ny fety sy ny akanjo vity malalaka, ny kapaoty amam-poketra; les vêtements de fête et les manteaux, les écharpes et les bourses,
Isa / Iz 3:23 The glasses, and the fine linen, and the hoods, and the vails. Na ny fitaratra fizahana, na ny akanjo somizy anatiny, Na ny satroka fihaingoana, na ny lamba fisaronana; ny fitaratra aman' akanjo moselina, ny lamba fehiloha amam-boaly fisaronana. les miroirs, les linges fins, les turbans et les mantilles.
Isa / Iz 3:24 And it shall come to pass, that instead of sweet smell there shall be stink; and instead of a girdle a rent; and instead of well set hair baldness; and instead of a stomacher a girding of sackcloth; and burning instead of beauty. Ary ny manitra hosoloana ny maimbo; Ary ny fehin-kibo tsara hosoloana ny mahazaka; Ary ny volo voavoatra tsara hosoloana ny boriana; Ary ny akanjo miebanebana hosoloana ny lamba fisaonana; Ary ny hatsaran-tarehy hosoloana ny tomboka amin' ny vy mahamay. Ka ny zava-manitra hosoloana lo; ny fehin-kibo hosoloana mahazaka; ny volo mivona, hosoloana loha sola; ny akanjo vity malalaka, hosoloana lasaka; ny hatsaran-tarehy, hosoloana tomboka amin' ny afo. Alors, au lieu de baume, ce sera la pourriture, au lieu de ceinture, une corde, au lieu de coiffure, la tête rase, au lieu d' une robe d' apparat, un pagne de grosse toile, et la marque au fer rouge au lieu de beauté.
Isa / Iz 3:25 Thy men shall fall by the sword, and thy mighty in the war. Ny lehilahy ao aminao ho lavon-tsabatra, Ary ny mahery ao aminao ho faty an' ady; Ny mpiadinao halavon-tsabatra, ary ny maherinao ho faty an' ady. Tes hommes tomberont sous l'épée, et tes braves dans le combat.
Isa / Iz 3:26 And her gates shall lament and mourn; and she being desolate shall sit upon the ground. Ka dia hitomany sy hisaona ny vavahadiny; Ary ho lao ny tanàna ka hanjokaiky, Hitomany sy hisaona ny vavahadin' i Siona, ary efa ory izy, dia hipetraka amin' ny vovoka. Ses portes gémiront et seront dans le deuil; désertée, elle s' assiéra par terre.

<-
->