<-
->

Isa / Iz 34:1 Come near, ye nations, to hear; and hearken, ye people: let the earth hear, and all that is therein; the world, and all things that come forth of it. Manatona, ianareo jentilisa, mba handre; Ary mihainoa, ianareo firenena; Aoka handre ny tany sy ny ao aminy rehetra, Izao tontolo izao sy ny vokatra rehetra avy aminy. Manatona hihaino, hianareo firenena, mampandria sofina, hianareo vahoaka! Aoka hihaino avokoa ny tany mbamin' izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao mbamin' ny vokatra rehetra avy aminy. Approchez, nations, pour écouter, peuples, soyez attentifs, que la terre écoute, et ce qui l' emplit, le monde et tout son peuplement.
Isa / Iz 34:2 For the indignation of the Lord is upon all nations, and his fury upon all their armies: he hath utterly destroyed them, he hath delivered them to the slaughter. Fa Jehovah dia tezitra amin' ny jentilisa rehetra, ary mirehitra amin' ny miaramilany rehetra ny fahatezerany; Efa nodidiany haringana ireo ary natolony hovonoina. Fa mihatra amin' ny firenena rehetra ny haviniran' ny Tompo, ary amin' ny miaramilany rehetra ny hatezerany; nataony anatema, natolony hovonoina ireny. Car c' est une colère de Yahvé contre toutes les nations, une fureur contre toute leur armée. Il les a vouées à l' anathème, livrées au carnage.
Isa / Iz 34:3 Their slain also shall be cast out, and their stink shall come up out of their carcases, and the mountains shall be melted with their blood. Ary izay voavono amin' ireo dia hariana, ka hamofona ny hamaimbon' ny fatiny, ary ny tendrombohitra hiempo azon' ny ràny. Ny maty amin' izy ireo hariana, ny fatiny hitera-pofona maimbo, ary hiempo azon' ny rany ny tendrombohitra. Leurs victimes sont jetées dehors, la puanteur de leurs cadavres se répand, les montagnes ruissellent de sang,
Isa / Iz 34:4 And all the host of heaven shall be dissolved, and the heavens shall be rolled together as a scroll: and all their host shall fall down, as the leaf falleth off from the vine, and as a falling fig from the fig tree. Izay rehetra eny amin' ny lanitra dia ho levona, Ary ny lanitra hahorona tahaka ny fangorona taratasy; Ary ny eny aminy rehetra dia halazo tahaka ny fahalazon' ny ravina mihintsana avy amin' ny voaloboka, ary tahaka ny ravina malazo mihintsana avy amin' ny aviavy. Ny tafiky ny lanitra rehetra ho zary vovoka; ny lanitra hahorona hoatra ny taratasy; ary ny tafiny rehetra hiraraka hoatra ny firaraky ny ravim-boaloboka, hoatra ny firaraky ny ravina malazo amin' ny aviavy. toute l' armée des cieux se disloque. Les cieux s' enroulent comme un livre, toute leur armée se flétrit, comme se flétrissent les feuilles qui tombent de la vigne, comme se flétrissent celles qui tombent du figuier.
Isa / Iz 34:5 For my sword shall be bathed in heaven: behold, it shall come down upon Idumea, and upon the people of my curse, to judgment. Fa ny sabatro dia mamon-drà any amin' ny lanitra; Indro, hidina hihatra amin' i Edoma iny sy amin' ny firenena voatendriko haringana, mba ho fitsarana azy. Fa efa mamon-drà teny amin' ny lanitra ny sabatro, ka indro izy midina ho any Edoma, ho any amin' ny firenena nataoko anatema hitsarana azy. Car mon épée s' est abreuvée dans les cieux : Voici qu' elle s' abat sur Édom, sur le peuple voué à l' anathème, pour le punir.
Isa / Iz 34:6 The sword of the Lord is filled with blood, it is made fat with fatness, and with the blood of lambs and goats, with the fat of the kidneys of rams: for the Lord hath a sacrifice in Bozrah, and a great slaughter in the land of Idumea. Ny sabatr' i Jehovah feno rà, eny, mihosi-menaka amin' ny matavy sy amin' ny ran' ny zanak' ondry sy ny osilahy ary amin' ny fonomboan' ny ondrilahy; Fa Jehovah mamono zavatra hatao fanatitra ao Bozra Ary mahafaty be ao amin' ny tany Edoma. Ny sabatry ny Tompo dia feno ra, mihosi-menaka, sy ran-janak' ondry aman' osilahy, ary sabora fonom-boan' ondralahy. Fa manao sorona ao Bosrà, Iaveh, sy famonoam-be ao amin' ny tanin' i Edoma. L'épée de Yahvé est pleine de sang, gluante de graisse, du sang des agneaux et des boucs, de la graisse de rognons de béliers; car il y a pour Yahvé un sacrifice à Boçra, un grand carnage au pays d'Édom.
Isa / Iz 34:7 And the unicorns shall come down with them, and the bullocks with the bulls; and their land shall be soaked with blood, and their dust made fat with fatness. Ary ny ombimanga miaraka aripaka aminy mbamin' ny vantotr' omby sy ny ombilahy, ka dia vonton-drà ny taniny, ary mihosi-menaka ny vovo-taniny. Miaraka aripaka amin' izany koa ny ombimanga, sy ny omby miaraka amin' ny ombilahy. Vonto ra ny taniny, mandriaka ny menaka ao amin' ny vovok' izy ireo. Les buffles tombent avec eux, les veaux avec les boeufs gras, leur terre est abreuvée de sang, leur poussière engluée de graisse.
Isa / Iz 34:8 For it is the day of the Lord' s vengeance, and the year of recompences for the controversy of Zion. Fa Jehovah manana andro famaliana, dia taona famaliana hiadiana ho an' i Ziona. Fa andro famalian' ny Tompo izany, ary taona famaliana ny nataony tamin' i Siona. Car c' est un jour de vengeance pour Yahvé, l' année de la rétribution, dans le procès de Sion.
Isa / Iz 34:9 And the streams thereof shall be turned into pitch, and the dust thereof into brimstone, and the land thereof shall become burning pitch. Ary hovana ho tonga dity ny renirano any Edoma, ary ho solifara ny vovo-taniny, ary ny taniny ho dity mirehitra. Hanjary dity ny reniranony, ho solifara ny vovo-taniny, ary ho tonga dity mahamay ny taniny, Ses torrents se changent en poix, sa poussière en soufre, son pays devient de la poix brûlante.
Isa / Iz 34:10 It shall not be quenched night nor day; the smoke thereof shall go up for ever: from generation to generation it shall lie waste; none shall pass through it for ever and ever. Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin' ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay. ka ny firehiny tsy hovonoina na andro na alina, ary ny setrony, hisavoana mandrakizay. Nuit et jour il ne s'éteint pas, éternellement s'élève sa fumée, d'âge en âge il sera desséché, toujours et à jamais, personne n' y passera.
Isa / Iz 34:11 But the cormorant and the bittern shall possess it; the owl also and the raven shall dwell in it: and he shall stretch out upon it the line of confusion, and the stones of emptiness. Fa ho zara-tanin' ny sama sy ny sokina izy, ny vorondolo lehibe sy ny goaika dia hitoetra ao; Ary hohenjaniny eo aminy ny famolaina fikorontanana sy ny pilao fahafoanana. Ny pelikano aman-tsokina no hivolo-tompony ao; ny vorondolo sy ny goaika no honina ao; ary hohenjanina eo aminy ny famolain' ny fikorontanana sy ny levin' ny fanafoanana. Ce sera le domaine du pélican et du hérisson, la chouette et le corbeau l' habiteront; Yahvé y tendra le cordeau du chaos et le niveau du vide.
Isa / Iz 34:12 They shall call the nobles thereof to the kingdom, but none shall be there, and all her princes shall be nothing. Ary ny lehibe dia tsy hisy ao intsony hifidy izay hanjaka, fa ho fongana ny mpanapaka rehetra ao aminy. Tsy hisy intsony ny lehibe hanangana mpanjaka; ary hofoanana avokoa ny mpanapaka ao. De nobles, il n' y en a plus pour proclamer la royauté, c' en est fini de tous ses princes.
Isa / Iz 34:13 And thorns shall come up in her palaces, nettles and brambles in the fortresses thereof: and it shall be an habitation of dragons, and a court for owls. Ary ho rakotry ny tsilo ny ao anatin' ny lapan' ny mpanjakany, amiana sy voaroy no ho ao amin' ny trano fiarovany; Ary ho fonenan' ny amboadia sy fitoeran' ny ostritsa izy. Tsilo no haniry ao an-dapany; ary voaroy amam-beroberokamboa no ho eo an-tranony mimanda, ka ho fieren' amboadia sy valan' ostritsa foana izy. Dans ses bastions croîtront les ronces, dans ses forteresses, l' ortie et l'épine; ce sera une tanière de chacals, un enclos pour les autruches.
Isa / Iz 34:14 The wild beasts of the desert shall also meet with the wild beasts of the island, and the satyr shall cry to his fellow; the screech owl also shall rest there, and find for herself a place of rest. Ny bibi-dia any an-efitra hihaona amin' ny kary; ary ny osilahy hiantso ny namany; Ary ilay mandehandeha amin' ny alina hitoetra any ka hahita fitoerana ho azy. Ny kary aman-amboadia, ho tafahoana ao; ary ny satira hifampiantsoantso ao. Ny lolovokatra mpiseho alina hiorim-ponenana ao koa, sy hahazo fitoerana fitsaharany. Les chats sauvages rencontreront les hyènes, le satyre appellera le satyre, là encore se tapira Lilith, elle trouvera le repos.
Isa / Iz 34:15 There shall the great owl make her nest, and lay, and hatch, and gather under her shadow: there shall the vultures also be gathered, every one with her mate. Ny bibilava miantoratoraka hanao ny lavany any ka hanatody sy hifana ary hikotrika ao amin' ny alokaloka any; Any koa no hiangonan' ny papango, samy eo amin' ny namany avy. Ao ny bibilava no hanao ny akaniny sy hanatody sy hikotrika azy hanangona ny zanany eo ambanin' ny alokalony. Hiangona ao avokoa ny papango. Là nichera le serpent, il pondra, fera éclore ses oeufs, groupera ses petits à l' ombre. Là encore se rassembleront les vautours, les uns vers les autres.
Isa / Iz 34:16 Seek ye out of the book of the Lord, and read: no one of these shall fail, none shall want her mate: for my mouth it hath commanded, and his spirit it hath gathered them. Izahao ao amin' ny bokin' i Jehovah, ka vakio; Tsy misy tsy ao ireo na dia iray akory aza. Tsy misy na dia iray akory aza hitady ny namany; Fa ny vavan' i Jehovah no nandidy izany, ary ny fanahiny ihany no nanangona azy. Izahao ao amin' ny bokin' ny Tompo ka vakio: Tsy misy tsy ao ireo na dia iray aza, na ity na itsy tsy misy tsy tonga ao. Fa ny vavan' ny Tompo no efa nandidy izany, ary ny fofon' ainy no nanangona azy. Cherchez dans le livre de Yahvé et lisez : il n' en manque pas un, pas un n' est privé de son compagnon. C' est ainsi que sa bouche l' a ordonné, son esprit, lui, les rassemble.
Isa / Iz 34:17 And he hath cast the lot for them, and his hand hath divided it unto them by line: they shall possess it for ever, from generation to generation shall they dwell therein. Ary Izy no efa tinendry anjara ho an' ireo ary ny tànany no efa nizara izany ho an' ireo tamin' ny famolaina; Handova izany mandrakizay ireo ary hitoetra ao hatramin' ny taranaka fara-mandimby. Tenany no nanao loka ho an' ireo, ary tànany no nizara ny tany ho azy ireo amin' ny famolaina; ka hanana izany mandrakizay ireo; ary honina ao amin' ny taona mifandimby. Et c' est lui qui pour eux a jeté le sort, sa main a fixé leur part au cordeau, pour toujours ils la posséderont, d'âge en âge ils y habiteront.

<-
->