<-
->

Isa / Iz 29:1 Woe to Ariel, to Ariel, the city where David dwelt! add ye year to year; let them kill sacrifices. Lozan' i Ariela, lozan' i Ariela, Tanàna nitoeran' i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingeringerina ny andro firavoravoana; Loza ho an' i Ariela, dia Ariela, ilay tanàna nilasian' i Davida! Ampio taona ny taona, aoka ho tafatsingerina ireo fety lehibe, Malheur, Ariel, Ariel, cité où campa David! ajoutez année sur année, que les fêtes accomplissent leur cycle,
Isa / Iz 29:2 Yet I will distress Ariel, and there shall be heaviness and sorrow: and it shall be unto me as Ariel. Dia hampahory an' i Ariela Aho, ka hisy fisentoana sy fitarainana ao aminy; Ary ho tonga Ariela tokoa amiko izy. dia hoporetiko mafy Ariela, ka tsy hisy afa-tsy sento amam-pitarainana ao; fa ho tahaka an' i Ariela ho ahy izy; j' opprimerai Ariel; ce sera gémissements et sanglots, et elle sera pour moi comme Ariel.
Isa / Iz 29:3 And I will camp against thee round about, and will lay siege against thee with a mount, and I will raise forts against thee. Ary hanao fahiranao anao Aho, ka hasiako miaramila hanemitra anao, ary hananganako manda hamelezana anao. Izaho hitoby manodidina anao, hanisy miaramila hanemitra anao, ary hanangana manda hamelezana anao. Je camperai en cercle contre toi, j' entreprendrai contre toi un siège et je dresserai contre toi des retranchements.
Isa / Iz 29:4 And thou shalt be brought down, and shalt speak out of the ground, and thy speech shall be low out of the dust, and thy voice shall be, as of one that hath a familiar spirit, out of the ground, and thy speech shall whisper out of the dust. Dia haetry ianao ka hiteny ao amin' ny tany, ary ao amin' ny vovoka no hibitsibitsihanao, eny, ny feonao hivoaka avy amin' ny tany tahaka ny an' ny manao azy ho tsindrian-javatra, ary avy ao amin' ny vovoka no ikiakiahan' ny teninao. Haetry hianao ka avy amin' ny tany no hisandratan' ny feonao, ho re avy amin' ny vovoka ny feonao mimonomonona, hivoaka avy amin' ny tany toy ny an' ny matoatoa, ny feonao; ary hiakatra avy amin' ny vovoka, toa bitsibitsika malemy, ny teninao. Tu seras abaissée, ta voix s'élèvera de la terre, de la poussière elle s'élèvera comme un murmure; ta voix comme celle d' un esprit viendra de la terre, comme venant de la poussière elle murmurera.
Isa / Iz 29:5 Moreover the multitude of thy strangers shall be like small dust, and the multitude of the terrible ones shall be as chaff that passeth away: yea, it shall be at an instant suddenly. Kanefa ny fahavalonao betsaka ho tonga tahaka ny vovoka madinika, ary ny olon-dozabe maro ho tahaka ny akofa indaosina; Eny, ho avy tampoka dia tampoka izany. Ny habetsahan' ny fahavalonao, ho tahaka ny vovoka madinika; ary ny habetsahan' ny mpiady, ho toy ny akofa manidina. La horde de tes ennemis sera comme des grains de poussière, la horde des guerriers, comme la bale qui s' envole. Et soudain, en un instant,
Isa / Iz 29:6 Thou shalt be visited of the Lord of hosts with thunder, and with earthquake, and great noise, with storm and tempest, and the flame of devouring fire. Avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro, no hihavian' ny famaliana, dia kotrokorana sy horohoron-tany ary rohondrohona mafy, tadio sy tafio-drivotra ary lelafo mandevona. Ary indro fa amin' izay dia tampoka sy amin' ny indray mipy maso no hisavan' ny Tompon' ny tafika anao, amin-kotrokotroka, kotro-baratra, rohondrohona mafy, tadio, tafio-drivotra, ary lelafo mandevona. tu seras visitée de Yahvé Sabaot dans le fracas, le tremblement, le vacarme, ouragan et tempête, flamme de feu dévorant.
Isa / Iz 29:7 And the multitude of all the nations that fight against Ariel, even all that fight against her and her munition, and that distress her, shall be as a dream of a night vision. Ary ho tahaka ny fahitana eo amin' ny nofy amin' ny alina Ireo firenena betsaka rehetra ireo, izay mivory hamely an' i Ariela, dia izay rehetra mivory hamely azy sy ny mandany ka hampahatahotra azy. Ary ho tahaka ny nofy, tahaka ny fahitana amin' ny alina no hahazo ireo firenena maro rehetra izay hiady amin' i Ariela, sy izay rehetra hanafika azy sy ny tranony mimanda, sy hamoritra azy mafy. Ce sera comme un rêve, une vision nocturne : la horde de toutes les nations en guerre contre Ariel, tous ceux qui le combattent, l' assiègent et l' oppriment.
Isa / Iz 29:8 It shall even be as when an hungry man dreameth, and, behold, he eateth; but he awaketh, and his soul is empty: or as when a thirsty man dreameth, and, behold, he drinketh; but he awaketh, and, behold, he is faint, and his soul hath appetite: so shall the multitude of all the nations be, that fight against mount Zion. Ary ho tahaka ny olona noana manonofy, fa, indro, mihinana izy; kanjo nony mahatsiaro, dia noana ihany izy; Na ho tahaka ny olona mangetaheta manonofy, fa, indro, misotro izy; kanjo nony mahatsiaro, indro, ana ihany izy, ary ny fanahiny mbola maniry ihany: Dia ho tahaka izany ireo firenena betsaka rehetra ireo Izay mivory hamely ny tendrombohitra Ziona. Tahaka ny olona noana, manonofy hoe mihinana, kanjo nony mahatsiaro dia foana ihany ny fanahiny; ary tahaka ny olona mangetaheta manonofy hoe misotro, kanjo nony mahatsiaro, hanan' ny hasasarana sy mangetaheta ihany izy. Dia tahaka izany no hahazo an' ireo firenena maro ireo, izay mandeha hamely ny tendrombohitra Siona. Et ce sera comme le rêve de l' affamé : le voici qui mange, puis il s'éveille, l' estomac creux; ou comme le rêve de l' assoiffé : le voici qui boit, puis il s'éveille épuisé, la gorge sèche. Ainsi en sera-t-il de la horde de toutes les nations en guerre contre la montagne de Sion.
Isa / Iz 29:9 Stay yourselves, and wonder; cry ye out, and cry: they are drunken, but not with wine; they stagger, but not with strong drink. Mijanona ianareo, ka mitalanjona, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo! Mamo ireo, nefa tsy tamin' ny divay; Mivembena izy, nefa tsy tamin' ny toaka. Migagà hianareo, ka aoka hitanaka foana hianareo! Manajambà tena hianareo, ka aoka ho voajamba! Mamo izy ireo nefa tsy tamin-divay, mivembena izy ireo nefa tsy tamim-pisotro mahery. Soyez stupides et stupéfaits, devenez aveugles et sans vue; soyez ivres, mais non de vin, titubants, mais non de boisson,
Isa / Iz 29:10 For the Lord hath poured out upon you the spirit of deep sleep, and hath closed your eyes: the prophets and your rulers, the seers hath he covered. Fa Jehovah efa nampidina fanahy mahasondrian-tory ao aminareo, ary efa nakimpiny ny masonareo (dia ny mpaminany izany), ary efa nosaronany ny lohanareo (dia ny mpahita izany). Fa Iaveh no nampidina ao aminareo fanahy mampatoritory; nakimpiny ny masonareo - ny mpaminany izany; nosaronany ny lohanareo - ny mpahita izany. car Yahvé a répandu sur vous un esprit de torpeur, il a fermé vos yeux les prophètes , il a voilé vos têtes les voyants .
Isa / Iz 29:11 And the vision of all is become unto you as the words of a book that is sealed, which men deliver to one that is learned, saying, Read this, I pray thee: and he saith, I cannot; for it is sealed: Ary ny fahitana ny amin' izany rehetra izany raha aminareo dia tahaka ny teny amin' ny taratasy voaisy tombo-kase, izay atolotra olona mahavaky teny ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity; Fa hoy izy: Tsy azoko vakina, fa efa voaisy tombo-kase izy; Ary ny fahitana rehetra aminareo, dia tonga toy ny teny amin' ny boky voaisy tombo-kase; ka atolotra ny olona mahavaky teny izy, atao hoe: Vakio ity, dia valiany hoe: Tsy azoko atao, fa voaisy tombo-kase ity boky ity. Et toutes les visions sont devenues pour vous comme les mots d' un livre scellé que l' on remet à quelqu' un qui sait lire en disant : " Lis donc cela. " Mais il répond : " Je ne puis, car il est scellé. "
Isa / Iz 29:12 And the book is delivered to him that is not learned, saying, Read this, I pray thee: and he saith, I am not learned. Fa raha atolotra izay tsy mahavaky teny kosa izany ka atao hoe: Masìna ianao, vakio ity, dia hoy izy: Tsy mahavaky teny aho. Atolotra ny olona tsy mahavaky teny indray atao hoe: Vakio ity dia valiany hoe: Tsy mahavaky teny aho. Et on remet le livre à quelqu' un qui ne sait pas lire en disant : " Lis donc cela. " Mais il répond : " Je ne sais pas lire. "
Isa / Iz 29:13 Wherefore the Lord said, Forasmuch as this people draw near me with their mouth, and with their lips do honour me, but have removed their heart far from me, and their fear toward me is taught by the precept of men: Ary hoy ny Tompo: Satria manatona Ahy amin' ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin' ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin' olombelona ampianarina azy ihany, Ary hoy ny Tompo: Satria ity firenena ity manatona ahy amin' ny vavany sy mankalaza ahy amin' ny molony, nefa ny fony hampanalaviriny ahy, ary ny fivavahana ataony amiko dia didy nianarany tamin' olombelona, Le Seigneur a dit : Parce que ce peuple est près de moi en paroles et me glorifie de ses lèvres, mais que son coeur est loin de moi et que sa crainte n' est qu' un commandement humain, une leçon apprise,
Isa / Iz 29:14 Therefore, behold, I will proceed to do a marvellous work among this people, even a marvellous work and a wonder: for the wisdom of their wise men shall perish, and the understanding of their prudent men shall be hid. Dia, indro koa, mbola hanao zava-mahagaga amin' ity firenena ity Aho, dia zava-mahagaga sy mahatalanjona; Ka ho foana ny fahendrena kendriny, ary tsy ho hita ny fahalalan' ny mazava sainany. noho izany mbola hanohy ny fanaovana zava-mahagaga aho, amin' izany vahoaka izany, dia zava-mahagaga tsy fahita, tsy fahita amin' ity firenena ity. Ka ny fahendren' ny olon-kendriny ho foana, ary ny fahazavan-tsain' ny mpampianatra azy hihamaizina. eh bien! voici que je vais continuer à étonner ce peuple par des prodiges et des merveilles; la sagesse des sages se perdra et l' intelligence des intelligents s' envolera.
Isa / Iz 29:15 Woe unto them that seek deep to hide their counsel from the Lord, and their works are in the dark, and they say, Who seeth us? and who knoweth us? Lozan' izay manafina lalina ny saina ataony mba tsy ho hitan' i Jehovah, sady ao amin' ny maizina ny asany, ka dia hoy izy: Iza no mahita antsika, ary iza no mahalala antsika? Loza ho an' izay manafina lalina tsy ho hitan' ny Tompo, ny hevi-mifono voakasany, sady manao ny asany ao amin' ny maizina, ka manao hoe: Iza no mahita antsika sy mahalala antsika? Malheur à ceux qui se terrent pour dissimuler à Yahvé leurs desseins, qui trament dans les ténèbres leurs actions et disent : " Qui nous voit ? qui nous connaît ? "
Isa / Iz 29:16 Surely your turning of things upside down shall be esteemed as the potter' s clay: for shall the work say of him that made it, He made me not? or shall the thing framed say of him that framed it, He had no understanding? Endrey izato fahadalanareo! Moa ny mpanefy tanimanga va no hoheverina ho tahaka ny tanimanga, ka ny natao va hilaza izay nanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy? Na ny zavatra voaforona va hilaza izay namorona azy hoe: Tsy manam-pahalalana izy? Hadalana re izany: Hatao ho tanimanga va ny mpanefy tanimanga no ilazan' ny taozavatra ny mpanao azy hoe: Tsy nanao ahy izy, sy ilazan' ny siny amin' ny mpanefy hoe: Tsy mahalala na inona na inona izy? Quelle perversité! Le potier ressemble-t-il à l' argile pour qu' une oeuvre ose dire à celui qui l' a faite : " Il ne m' a pas faite ", et un pot à son potier : " Il ne sait pas travailler " ?
Isa / Iz 29:17 Is it not yet a very little while, and Lebanon shall be turned into a fruitful field, and the fruitful field shall be esteemed as a forest? Tsy vetivety foana va dia hovana ho saha mahavokatra Libanona, Ary ny saha mahavokatra hoheverina ho ala? Tsy vetivety foana va dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna, ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala? N' est-il pas vrai que dans peu de temps le Liban redeviendra un verger, et le verger fera penser à une forêt ?
Isa / Iz 29:18 And in that day shall the deaf hear the words of the book, and the eyes of the blind shall see out of obscurity, and out of darkness. Amin' izany andro izany dia ho ren' ny marenina ny tenin' ny taratasy, ary na dia ao amin' ny aizina sy ny aizim-pito aza dia hahita ihany ny mason' ny jamba. Amin' izany andro izany, ny marenina handre ny tenin' ny boky, ary ny jamba hivoaka amin' ny aizina aman' aizim-pito ka hahita. En ce jour-là, les sourds entendront les paroles du livre et, délivrés de l' ombre et des ténèbres, les yeux des aveugles verront.
Isa / Iz 29:19 The meek also shall increase their joy in the Lord, and the poor among men shall rejoice in the Holy One of Israel. Ny mpandefitra hitombo hafaliana amin' i Jehovah; Ary ny malahelo ao amin' ny olona hifaly amin' ny Iray Masin' ny Isiraely, Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany, amin' ny Tompo, ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana ao amin' Ilay Masin' Israely. Les malheureux trouveront toujours plus de joie en Yahvé, les plus pauvres des hommes exulteront à cause du Saint d' Israël.
Isa / Iz 29:20 For the terrible one is brought to nought, and the scorner is consumed, and all that watch for iniquity are cut off: Fa lasa ny olon-dozabe, tsy ao intsony ny mpaniratsira; Ary fongotra izay rehetra miari-torin-tsaina amin' ny ratsy, Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory ary maty ny mpaniratsira ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy, Car le tyran ne sera plus, le moqueur aura disparu, tous les veilleurs infâmes auront été retranchés :
Isa / Iz 29:21 That make a man an offender for a word, and lay a snare for him that reproveth in the gate, and turn aside the just for a thing of nought. Dia ireo manameloka olona amin' ny teny ary mamandrika izay mananatra eo am-bavahady sy mamadika ny marina amin' ny lainga foana. dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava; mamela-pandrika ho an' izay namaky betroka azy eo am-bavahady; ary mamery ny marina amin' ny laingany. ceux dont la parole porte condamnation, ceux qui tendent un piège à celui qui juge à la porte, et sans raison font débouter le juste.
Isa / Iz 29:22 Therefore thus saith the Lord, who redeemed Abraham, concerning the house of Jacob, Jacob shall not now be ashamed, neither shall his face now wax pale. Koa ny amin' ny taranak' i Jakoba dia izao no lazain' i Jehovah, Izay nanavotra an' i Abrahama: Tsy ho menatra intsony Jakoba, ary tsy hivaloarika intsony ny tavany. Noho izany, izao no lazain' ny Tompo amin' ny taranak' i Jakoba, dia izy izay nanavotra an' i Abrahama: Tsy hisy hahamenatra an' i Jakoba intsony tsy hivaloarika intsony ny handriny. C' est pourquoi, ainsi parle Yahvé, Dieu de la maison de Jacob, lui qui a racheté Abraham : Désormais Jacob ne sera plus déçu, désormais son visage ne blêmira plus,
Isa / Iz 29:23 But when he seeth his children, the work of mine hands, in the midst of him, they shall sanctify my name, and sanctify the Holy One of Jacob, and shall fear the God of Israel. Fa raha ny zanany mahita ny asan' ny tanako ao aminy, Dia hanamasina ny anarako izy, eny, hanamasina ny Iray Masin' i Jakoba izy ary hangovitra eo anatrehan' Andriamanitry ny Isiraely. Fa izy sy ireo taranany, rahefa mahita ny asan' ny tànako eo aminy, dia hanamasina ny anarako izy ireo, hanamasina an' Ilay Masin' i Jakoba izy ireo, ary hanaja ny Andriamanitr' Israely. Ireo mivily saina, hianatra fahendrena, ary ireo mimonomonona, handray fampianarana. car lorsqu' il verra ses enfants, l' oeuvre de mes mains, chez lui, il sanctifiera mon nom, il sanctifiera le Saint de Jacob, il redoutera le Dieu d' Israël.
Isa / Iz 29:24 They also that erred in spirit shall come to understanding, and they that murmured shall learn doctrine. Ary izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahalalana; Ary izay mimonomonona dia mbola hianatra fahendrena. Les esprits égarés apprendront l' intelligence, et ceux qui murmurent recevront l' instruction. Contre l' ambassade envoyée en Égypte.

<-
->