<-
->

Isa / Iz 5:1 Now will I sing to my wellbeloved a song of my beloved touching his vineyard. My wellbeloved hath a vineyard in a very fruitful hill: Aoka aho hihira ny amin' ny Malalako, dia hiran' ny Malalako ny amin' ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka; Andeha hihira ho an' ny malalako aho, ilay hiran' ny malalako, ny amin' ny tanim-boalobony. Ny malalako dia nanan-tanimboaloboka, teo amin' ny tanety mahavokatra. Que je chante à mon bien-aimé le chant de mon ami pour sa vigne. Mon bien-aimé avait une vigne, sur un coteau fertile.
Isa / Iz 5:2 And he fenced it, and gathered out the stones thereof, and planted it with the choicest vine, and built a tower in the midst of it, and also made a winepress therein: and he looked that it should bring forth grapes, and it brought forth wild grapes. Dia nasainy io, ka nesoriny ny vato, Ary novoleny karazam-boaloboka tsara, Sady nanao tilikambo teo afovoany Izy Ary nandavaka famiazam-boaloboka teo; Dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy, Kanjo namoa voalobo-dratsy. Ka nasainy ny tany, nesoriny ny vato taminy; ary namboly karazam-boaloboka teo izy. Nanorina tilikambo teo afovoany izy, ary nandavaka famiazam-boaloboka koa. Nampoiziny hamoa voaloboka tsara izy, kanjo divay marikivy no vokany. Il la bêcha, il l'épierra, il y planta du raisin vermeil. Au milieu il bâtit une tour, il y creusa même un pressoir. Il attendait de beaux raisins : elle donna des raisins sauvages.
Isa / Iz 5:3 And now, O inhabitants of Jerusalem, and men of Judah, judge, I pray you, betwixt me and my vineyard. Koa noho izany, ry mponina any Jerosalema sy ry lehilahy amin' ny Joda, Masìna ianareo, tsarao Aho sy ny tanim-boaloboko. Ary izao kosa, ry mponina ao Jerosalema, sy olona any Jodà, masìna hianareo, tsarao aho, sy ny tanim-boaloboko! Et maintenant, habitants de Jérusalem et gens de Juda, soyez juges entre moi et ma vigne.
Isa / Iz 5:4 What could have been done more to my vineyard, that I have not done in it? wherefore, when I looked that it should bring forth grapes, brought it forth wild grapes? Inona moa no mbola azo natao tamin' ny tanim-boaloboko, Ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, Nahoana no namoa voalobo-dratsy izy? Inona moa no mbola tokony ho natao tamin' ny tanim-boaloboko, ka tsy nataoko taminy? Nahoana no voaloboka no nantenaiko ho voany, kanjo tsy namoa afa-tsy divay marikivy izy? Que pouvais-je encore faire pour ma vigne que je n' aie fait ? Pourquoi espérais-je avoir de beaux raisins, et a-t-elle donné des raisins sauvages ?
Isa / Iz 5:5 And now go to; I will tell you what I will do to my vineyard: I will take away the hedge thereof, and it shall be eaten up; and break down the wall thereof, and it shall be trodden down: Koa noho izany dia aoka hambarako anareo izay hataoko amin' ny tanim-boaloboko: Hesoriko ny fefy tsilony, ka dia holevonina izy; Ary harodako ny fefy vatony, ka dia ho voahitsakitsaka izy; Koa ankehitriny haposako aminareo, izay hataoko amin' ny tanim-boaloboko: hongotako ny fefiny, dia horaotina izy; harodako ny tambohony, dia ho voahosihosy izy. Et maintenant, que je vous apprenne ce que je vais faire à ma vigne! en ôter la haie pour qu' on vienne la brouter, en briser la clôture pour qu' on la piétine;
Isa / Iz 5:6 And I will lay it waste: it shall not be pruned, nor digged; but there shall come up briers and thorns: I will also command the clouds that they rain no rain upon it. Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian' ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony. j' en ferai un maquis : elle ne sera ni taillée ni sarclée, ronces et épines y croîtront, j' interdirai aux nuages d' y faire tomber la pluie.
Isa / Iz 5:7 For the vineyard of the Lord of hosts is the house of Israel, and the men of Judah his pleasant plant: and he looked for judgment, but behold oppression; for righteousness, but behold a cry. Fa ny taranak' i Isiraely no tanim-boalobok' i Jehovah, Tompon' ny maro, Ary ny lehilahy amin' ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana. Fa ny taranak' Israely, no tanim-boalobok' Iavehn' ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita. Eh bien! la vigne de Yahvé Sabaot, c' est la maison d' Israël, et l' homme de Juda, c' est son plant de choix. Il attendait le droit et voici l' iniquité, la justice et voici les cris.
Isa / Iz 5:8 Woe unto them that join house to house, that lay field to field, till there be no place, that they may be placed alone in the midst of the earth! Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin' ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran' ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin' ny tany ianareo! Loza ho an' izay manampy trano amin' ny trano, sy manitatra saha amin' ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan' ny tany. Malheur à ceux qui ajoutent maison à maison, qui joignent champ à champ jusqu'à ne plus laisser de place et rester seuls habitants au milieu du pays.
Isa / Iz 5:9 In mine ears said the Lord of hosts, Of a truth many houses shall be desolate, even great and fair, without inhabitant. Izao no ren' ny sofiko avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro: Marina tokoa fa ho foana ny trano maro, Eny, na dia izay lehibe sady tsara aza dia tsy hisy mpitoetra. Ity no teny ren' ny sofiko avy amin' ny Tompon' ny tafika: Eny, ho foana ireo trano maro ireo, tsy hisy mpitoetra intsony ireo trano lehibe sy tsara tarehy ireo. A mes oreilles, Yahvé Sabaot l' a juré : Oui, nombre de maisons seront réduites en ruine, grandes et belles, elles seront inhabitées.
Isa / Iz 5:10 Yea, ten acres of vineyard shall yield one bath, and the seed of an homer shall yield an ephah. Ary bata iray monja no ho vokatry ny tanim-boaloboka folo Zemeda, Ary rehefa iray monja no ho vokatry ny voan-javatra eran' ny homera. Fa ny tanim-boaloboka telonjato ara tsy hahavokatra afa tsy iray bata, ny voan-javatra iray homera tsy hahavokatra afa tsy iray efah. Car dix arpents de vigne ne donneront qu' un tonnelet, et un muid de semence ne produira qu' une mesure.
Isa / Iz 5:11 Woe unto them that rise up early in the morning, that they may follow strong drink; that continue until night, till wine inflame them! Lozan' izay mifoha maraina koa ka mitady toaka! Izay miboboka mandra-paharivan' ny andro ka ampirehetin' ny divay! Loza ho an' izay mihazakazaka hatramin' ny vao maraina mitady fisotro mahamamo, ary manalava ny filerany amin' ny hariva, efa voarehitry ny divay. Malheur à ceux qui se lèvent tôt le matin pour courir à la boisson, qui s' attardent le soir, ivres de vin.
Isa / Iz 5:12 And the harp, and the viol, the tabret, and pipe, and wine, are in their feasts: but they regard not the work of the Lord, neither consider the operation of his hands. Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan' i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon' ny tanany tsy mba hitany. Harpa amam-baliha sy langoraona, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan' izy ireo; fa ny asan' ny Tompo tsy asiany fiheverana, ary ny ataon' ny tànany tsy jereny akory. Ce ne sont que harpes et cithares, tambourins et flûtes, et du vin pour leurs beuveries. Mais pour l' oeuvre de Yahvé, pas un regard, l' action de ses mains, ils ne la voient pas.
Isa / Iz 5:13 Therefore my people are gone into captivity, because they have no knowledge: and their honourable men are famished, and their multitude dried up with thirst. Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main' ny hetaheta. Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo, tsy manampo izany akory; ny andriany ho zary andian' olo-noana, ary ny valalabemandry aminy ho main' ny hetaheta. C' est pourquoi mon peuple est exilé, faute de connaissance; sa noblesse : des gens affamés! ses foules séchant de soif!
Isa / Iz 5:14 Therefore hell hath enlarged herself, and opened her mouth without measure: and their glory, and their multitude, and their pomp, and he that rejoiceth, shall descend into it. Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an' i Jerosalema; Ary any no hivarinan' ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin' izay mifalifaly ao aminy; Koa dia mitatra ny seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan' i Siona, mbamin' ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly. C' est pourquoi le shéol dilate sa gorge et bée d' une gueule démesurée. Ils y descendent, ses nobles, ses foules et ses criards, et ils y exultent.
Isa / Iz 5:15 And the mean man shall be brought down, and the mighty man shall be humbled, and the eyes of the lofty shall be humbled: Ary ny zanak' olombelona dia hatao mitanondrika, Ary ny olona haetry, Ary ny mason' ny miandranandrana dia haidina. Haetry ny olombelona, haongana ny olona, ary haondrika ny mason' ny mpiandranandrana; Le mortel a été humilié, l' homme a été abaissé et les yeux des orgueilleux sont baissés.
Isa / Iz 5:16 But the Lord of hosts shall be exalted in judgment, and God that is holy shall be sanctified in righteousness. Fa Jehovah, Tompon' ny maro, no hisandratra amin' ny fitsarana, Ary Andriamanitra masina dia hiseho ho masina amin' ny fahamarinana. dia hiseho ho lehibe, amin' ny fitsarana, Iavehn' ny tafika, ary hiseho ho masina amin' ny fahamarinana ny Andriamanitra masina. Yahvé Sabaot fut exalté dans son jugement et le Dieu saint a révélé sa sainteté dans la justice.
Isa / Iz 5:17 Then shall the lambs feed after their manner, and the waste places of the fat ones shall strangers eat. Ary ny zanak' ondry hikania toy ny eny amin' ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan' ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao. Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin' ny fiandrasana azy, sy olon-kafa handevona ny sahan' ny mpanan-karena efa voasimba. Les agneaux paîtront comme dans leurs pâtures, les pacages dévastés des bêtes grasses seront la nourriture des chevreaux.
Isa / Iz 5:18 Woe unto them that draw iniquity with cords of vanity, and sin as it were with a cart rope: Lozan' izay mitari-keloka amin' ny kofehin' ny faharatsiana Ary mitarika ota toy ny amin' ny mahazakan-tsariety, Loza ho an' izay mitari-keloka amin' ny kofehim-pitaka, sy ota, toy ny amin' ny mahazakan-tsarety! Malheur à qui tire la faute avec les liens de la tromperie, et le péché comme avec un trait de chariot;
Isa / Iz 5:19 That say, Let him make speed, and hasten his work, that we may see it: and let the counsel of the Holy One of Israel draw nigh and come, that we may know it! Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain' ny Iray Masin' ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika! izay manao hoe: Aoka ho dodona izy, aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy! Aoka hihakeky sy ho tanteraka ny didin' Ilay Masin' Israely, ka hahafantarantsika! à ceux qui disent : " Qu' il fasse vite, qu' il hâte son oeuvre, pour que nous la voyions; que s' approche et se réalise le projet du Saint d' Israël, que nous le reconnaissions. "
Isa / Iz 5:20 Woe unto them that call evil good, and good evil; that put darkness for light, and light for darkness; that put bitter for sweet, and sweet for bitter! Lozan' izay milaza ny ratsy ho tsara ary na tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy! Loza ho an' izay miantso ny ratsy soa, ary ny soa, ratsy; izay manao ny aizina ho fahazavana, sy ny fahazavana ho aizina; izay manao mamy ho mangidy, sy ny mangidy ho mamy. Malheur à ceux qui appellent le mal bien et le bien mal, qui font des ténèbres la lumière et de la lumière les ténèbres, qui font de l' amer le doux et du doux l' amer.
Isa / Iz 5:21 Woe unto them that are wise in their own eyes, and prudent in their own sight! Lozan' izay manao azy ho hendry sy manao azy ho mazava saina! Loza ho an' izay manao ny tenany ho hendry, sy mihevitra azy ho mazava saina! Malheur à ceux qui sont sages à leurs propres yeux et s' estiment intelligents.
Isa / Iz 5:22 Woe unto them that are mighty to drink wine, and men of strength to mingle strong drink: Lozan' izay fatratra nefa amin' ny fisotroan-divay ihany, sy izay kanto nefa amin' ny fampiharoharoana toaka ihany! Loza ho an' izay mahery amin' ny fisotroan-divay, sy matanjaka amin' ny fampiharoharoana ny fitsotro mahery! Malheur à ceux qui sont des héros pour boire du vin et des champions pour mélanger la boisson,
Isa / Iz 5:23 Which justify the wicked for reward, and take away the righteousness of the righteous from him! Ary izay manamarina ny meloka noho ny kolikoly sy manala ny rariny amin' ny marina! ho an' izany manamarina ny meloka, noho ny kolikoly, sy tsy manome ny rariny ananan' ny marina! qui acquittent le coupable pour un pot-de-vin, et refusent au juste la justice.
Isa / Iz 5:24 Therefore as the fire devoureth the stubble, and the flame consumeth the chaff, so their root shall be as rottenness, and their blossom shall go up as dust: because they have cast away the law of the Lord of hosts, and despised the word of the Holy One of Israel. Koa toy ny fandevonan' ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan' ny fakany sy hijofoan' ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn' i Jehovah, Tompon' ny maro izy Sy nanamavo ny tenin' ny Iray Masin' ny Isiraely. Noho izany, toy ny fandevon' ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin' ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka ny zavatra lo; ary ny voniny hofaohina toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn' ny Tompon' ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin' Ilay Masin' Israely. Oui, comme la flamme dévore la paille, comme le foin s' enflamme et disparaît, leur racine ressemblera à de la pourriture, leur bourgeon sera emporté comme la poussière. Car ils ont rejeté la loi de Yahvé Sabaot, ils ont méprisé la parole du Saint d' Israël.
Isa / Iz 5:25 Therefore is the anger of the Lord kindled against his people, and he hath stretched forth his hand against them, and hath smitten them: and the hills did tremble, and their carcases were torn in the midst of the streets. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still. Koa izany no irehetan' ny fahatezeran' i Jehovah amin' ny olony sy aninjirany ny tànany aminy ka amelezany azy; Dia mihorohoro ny tendrombohitra, ary ny fatin' ny olona dia tonga tahaka ny diky eny an-dalambe. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, fa mbola mihinjitra ihany ny tànany. Noho izany, nirehitra tamin' ny vahoakany ny fahatezeran' ny Tompo, nahinjiny tany aminy ny tànany, dia nikapoka azy izy; mihozongozona ny tendrombohitra; miampatra toy ny diky eny an-dàlana, ny fatin' izy ireo. Na dia izany rehetra izany aza anefa tsy mbola afaka ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany. C' est pourquoi la colère de Yahvé s' est enflammée contre son peuple; il a levé la main contre lui pour le frapper, les montagnes ont tremblé, et les cadavres sont comme des ordures au milieu des rues. Avec tout cela la colère de Yahvé ne s' est pas calmée, sa main reste levée.
Isa / Iz 5:26 And he will lift up an ensign to the nations from far, and will hiss unto them from the end of the earth: and, behold, they shall come with speed swiftly: Ary hanangana faneva ho amin' ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran' ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo; Manangan-tsaina ho an' ireo firenena lavitra izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran' ny tany. Dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka. Il dresse un signal pour le peuple lointain, il le siffle des extrémités de la terre, et voici qu' aussitôt il accourt, léger.
Isa / Iz 5:27 None shall be weary nor stumble among them; none shall slumber nor sleep; neither shall the girdle of their loins be loosed, nor the latchet of their shoes be broken: Tsy hisy reraka na tafintohina ao aminy; Tsy ho rendrehana na hatory izy: Tsy hiboraka ny fehin-kibony, ary tsy ho tapaka ny fehin-kapany, Tsy misy reraka na mangozohozo, na dia iray aza, tsy misy rendremana na matory, na dia iray aza, tsy misy olona miala fehin-kibo eny am-balahany, na tapa-kofehin-kiraro akory. Chez lui nul n' est fatigué, nul ne trébuche, nul ne dort ni ne sommeille, nul ne dénoue la ceinture de ses reins, nul n' a la courroie de ses sandales rompue.
Isa / Iz 5:28 Whose arrows are sharp, and all their bows bent, their horses' hoofs shall be counted like flint, and their wheels like a whirlwind: Maranitra ny zana-tsipìkany, Ary voahenjana avokoa ny tsipìkany; Ny kitron-tsoavaliny atao ho tahaka ny afovato; Ary ny kodiany ho tahaka ny tadio; Voaranitra avokoa ny zana-tsipìkany, voahenjana avokoa ny tsipìkany; mafy tahaka ny vato ny kitron-tsoavaliny; tahaka ny tadio ny kodiaran-tsaretiny. Ses flèches sont aiguisées et tous ses arcs tendus, les sabots de ses chevaux, on dirait du rocher, et ses roues, un tourbillon.
Isa / Iz 5:29 Their roaring shall be like a lion, they shall roar like young lions: yea, they shall roar, and lay hold of the prey, and shall carry it away safe, and none shall deliver it. Ny fierony dia tahaka ny fieron' ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony. Fieron' ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony. Son rugissement est celui d' une lionne, il rugit comme les lionceaux, il gronde et saisit sa proie, il l' emporte et nul ne le fait lâcher;
Isa / Iz 5:30 And in that day they shall roar against them like the roaring of the sea: and if one look unto the land, behold darkness and sorrow, and the light is darkened in the heavens thereof. Ary hirohondrohona aminy amin' izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon' ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin' ny rahona. Amin' izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin' ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon' ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro aizina no eo! Tebiteby mafy sy fahazavana! Rahefa izany dia mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny aizina. il gronde contre lui, en ce jour-là, comme gronde la mer. Il regarde le pays : et voici les ténèbres, l' angoisse, et la lumière est obscurcie par les nuages.

<-
->