<-
->

Isa / Iz 8:1 Moreover the Lord said unto me, Take thee a great roll, and write in it with a man' s pen concerning Mahershalalhashbaz. Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an' i Mahera-salala-hasi-baza." Ary hoy Iaveh tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty eo, amin' ny soratra azon' ny olona rehetra vakina, izao: Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana. Yahvé me dit : Prends une grande tablette et écris dessus avec un stylet ordinaire : Maher-Shalal Hash-Baz.
Isa / Iz 8:2 And I took unto me faithful witnesses to record, Uriah the priest, and Zechariah the son of Jeberechiah. Ary haka vavolombelona mahatoky Aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria, zanakalahin' i Jeberekia. Ary naka vavalombelona mahatoky hiaraka amiko aho, dia Oria mpisorona sy Zakaria zanak' i Jebarakia. Et prends des témoins dignes de foi, le prêtre Uriyya et Zekaryahu fils de Yebèrèkyahu.
Isa / Iz 8:3 And I went unto the prophetess; and she conceived, and bare a son. Then said the Lord to me, Call his name Mahershalalhashbaz. Ary nankany amin' ny mpaminanivavy, aho; dia nanan' anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza. Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanan' anaka izy, ka niteraka zazalahy. Ary hoy Iaveh tamiko: Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany. Puis je m' approchai de la prophétesse, elle conçut et enfanta un fils. Et Yahvé me dit : Donne-lui le nom de Maher-Shalal Hash-Baz,
Isa / Iz 8:4 For before the child shall have knowledge to cry, My father, and my mother, the riches of Damascus and the spoil of Samaria shall be taken away before the king of Assyria. Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan' ny mpanjakan' i Asyria ny haren' i Damaskosy sy ny fananan' i Samaria. Fa alohan' ny hahaizan' io zaza io miantso hoe: Idada sy Ineny dia hoaterina eo anatrehan' ny mpanjakan' i Asiria ny haren' i Damasa sy ny babo azo tamin' i Samaria. car avant que le garçon ne sache dire " papa " et " maman ", on enlèvera la richesse de Damas et le butin de Samarie, en présence du roi d' Assur.
Isa / Iz 8:5 The Lord spake also unto me again, saying, Ary Jehovah dia mbola niteny tamiko indray hoe: Izao koa no nolazain' ny Tompo tamiko: Yahvé me parla encore en disant :
Isa / Iz 8:6 Forasmuch as this people refuseth the waters of Shiloah that go softly, and rejoice in Rezin and Remaliah' s son; Satria ity firenena ity mandà ny rano Siloa izay misononoka Ary mifaly amin-dRezina sy ny zanak' i Remalia, Satria ity firenena ity nanazimba ny ranon' i Siloe misononoka fandeha, sy mifaly noho ny amin-dRasina sy ny zana-dRomelia, Puisque ce peuple a méprisé les eaux de Siloé qui coulent doucement, et a tremblé devant Raçôn et le fils de Remalyahu,
Isa / Iz 8:7 Now therefore, behold, the Lord bringeth up upon them the waters of the river, strong and many, even the king of Assyria, and all his glory: and he shall come up over all his channels, and go over all his banks: Dia, indro, hampiakarin' ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin' ny Ony (Dia ny mpanjakan' i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; noho izany, indro hampiakarin' ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon' ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan' i Asiria mbamin' ny heriny rehetra: ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany; eh bien! voici que le Seigneur fait monter contre lui les eaux du Fleuve, puissantes et abondantes le roi d' Assur et toute sa gloire ; il grossira dans toutes ses vallées et franchira toutes ses rives;
Isa / Iz 8:8 And he shall pass through Judah; he shall overflow and go over, he shall reach even to the neck; and the stretching out of his wings shall fill the breadth of thy land, O Immanuel. Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin' ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô. ho tafatsofoka amin' i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrontra mandra-pahatongany havozona, ary ny fivelaran' ny elany handrakotra ny tampon' ny taninao rehetra ry Emmanoela ô! il passera en Juda, inondera et traversera; il atteindra jusqu' au cou, et le déploiement de ses ailes couvrira toute l'étendue de ton pays, Emmanuel.
Isa / Iz 8:9 Associate yourselves, O ye people, and ye shall be broken in pieces; and give ear, all ye of far countries: gird yourselves, and ye shall be broken in pieces; gird yourselves, and ye shall be broken in pieces. Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy. Manaova akoran' ady, ry vahoaka, nefa ho resy hianareo! Manongilàna sofina hianareo rehetra, ry faravazan' ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy hianareo e! Sachez, peuples, et soyez épouvantés; prêtez l' oreille, tous les pays lointains. Ceignez-vous et soyez épouvantés. Ceignez-vous et soyez épouvantés.
Isa / Iz 8:10 Take counsel together, and it shall come to nought; speak the word, and it shall not stand: for God is with us. Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra. Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra! Faites un projet : il sera anéanti, prononcez une parole : elle ne tiendra pas, car " Dieu est avec nous ".
Isa / Iz 8:11 For the Lord spake thus to me with a strong hand, and instructed me that I should not walk in the way of this people, saying, Fa izao no nolazain' i Jehovah tamiko, raha nanindry ahy mafy ny tànany, Ka nanariny tsy handeha amin' ny falehan' ity firenena ity aho: Fa izao no nolazain' ny Tompo tamiko, raha mandray ahy ny tànany, sy nanoro ahy tsy hanaraka ny làlan' ity firenena ity, nanao hoe: Oui, ainsi m' a parlé Yahvé lorsque sa main m' a saisi et qu' il m' a appris à ne pas suivre le chemin de ce peuple, en disant :
Isa / Iz 8:12 Say ye not, A confederacy, to all them to whom this people shall say, A confederacy; neither fear ye their fear, nor be afraid. Aza mba lazainareo ho tetika fikomiana izay lazain' ity firenena ity ho tetika fikomiana; Ary aza matahotra izay atahorany na mangovitra ianareo. Aza miantso hoe tetika fikomiana izay rehetra ataon' ity vahoaka ity hoe tetika fikomiana. Aza matahotra izay atahorany, na mangovitra akory hianareo. " Vous n' appellerez pas complot tout ce que ce peuple appelle complot, vous ne partagerez pas ses craintes et vous n' en serez pas terrifiés.
Isa / Iz 8:13 Sanctify the Lord of hosts himself; and let him be your fear, and let him be your dread. Jehovah, Tompon' ny maro, no hasino; Ary aoka Izy ihany no hatahoranareo, Ary Izy ihany no hangovitanareo. Iavehn' ny tafika, dia izy no hohamasininareo, izy no aoka hatahoranareo sy hangovitanareo. C' est Yahvé Sabaot que vous proclamerez saint, c' est lui qui sera l' objet de votre crainte et de votre terreur.
Isa / Iz 8:14 And he shall be for a sanctuary; but for a stone of stumbling and for a rock of offence to both the houses of Israel, for a gin and for a snare to the inhabitants of Jerusalem. Dia ho fitoerana masina ho anareo Izy, Fa ho vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka kosa Amin' ny firenena roa amin' ny Isiraely, sady ho fandrika sy tonta Amin' ny mponina any Jerosalema. Dia ho fitoerana masina izy, nefa koa ho vato fanafintohinana sy ho vatolampy mahasolafaka ho an' ny firenena roa amin' Israely, ho fandrika aman-tonta ho an' ny mponina eny Jerosalema. Il sera un sanctuaire, un rocher qui fait tomber, une pierre d' achoppement pour les deux maisons d' Israël, un filet et un piège pour les habitants de Jérusalem.
Isa / Iz 8:15 And many among them shall stumble, and fall, and be broken, and be snared, and be taken. Ary maro ao aminy no ho tafintohina sady ho lavo sy ho ringana Ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Maro amin' izy ireo no ho tafintohina, ho lavo, sady ho montsamontsana; ary ho voafandrika sy ho voasambotra. Beaucoup y achopperont, tomberont et se briseront, il seront pris au piège et capturés.
Isa / Iz 8:16 Bind up the testimony, seal the law among my disciples. Fehezo ny teni-vavolombelona, Ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin' ny mpianatro. Fehezo ny teni-vavolombelona, asio tombo-kase ny fampianarana ao am-pon' ny mpianatro. Enferme un témoignage, scelle une instruction au coeur de mes disciples. "
Isa / Iz 8:17 And I will wait upon the Lord, that hideth his face from the house of Jacob, and I will look for him. Ary hiandry an' i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin' ny taranak' i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho. Manantena an' ny Tompo izay manafina ny tavany amin' ny taranak' i Jakoba aho, ary matoky azy. J' espère en Yahvé qui cache sa face à la maison de Jacob, et je mets mon attente en lui.
Isa / Iz 8:18 Behold, I and the children whom the Lord hath given me are for signs and for wonders in Israel from the Lord of hosts, which dwelleth in mount Zion. Indreto, izaho sy ireo zaza nomen' i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin' ny Isiraely Avy amin' i Jehovah, Tompon' ny maro, Izay monina ao an-tendrombohitra Ziona. Inty aho sy ireo zaza nomen' Andriamanitra ahy, dia famantarana sy fambara amin' Israely izahay, avy amin' ny Tompon' ny tafika, izay monina ao an-tendrombohitra Siona. Voici que moi et les enfants que Yahvé m' a donnés nous devenons signes et présages en Israël, de la part de Yahvé Sabaot qui habite sur la montagne de Sion.
Isa / Iz 8:19 And when they shall say unto you, Seek unto them that have familiar spirits, and unto wizards that peep, and that mutter: should not a people seek unto their God? for the living to the dead? Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin' ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan' ny olona saina? Fa hila saina amin' ny maty ho an' ny velona va izy? Raha avy izay hilazany aminareo hoe: Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin' ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika, valio hoe: Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian' ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an' ny velona? Et si on vous dit : " Allez consulter les spectres et les devins qui murmurent et qui marmonnent ", n' est-il pas vrai qu' un peuple consulte ses dieux, et les morts pour les vivants ?
Isa / Iz 8:20 To the law and to the testimony: if they speak not according to this word, it is because there is no light in them. Ho amin' ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan' ny fahazavan' ny maraina. Ny fampianarana sy ny teny vavolombelona ihany e! Fa raha manao teny hafa noho izany ny vahoaka, dia tsy misy fahazavan' ny marina ho azy. Pour l' instruction et le témoignage, sûrement on s' exprimera selon cette parole d' après laquelle il n' y a pas d' aurore.
Isa / Iz 8:21 And they shall pass through it, hardly bestead and hungry: and it shall come to pass, that when they shall be hungry, they shall fret themselves, and curse their king and their God, and look upward. Dia samy hivezivezy amin' ny tany izy rehetra sady mahantra no mosarena; Ary rehefa mosarena izy, dia ho sosotra ka hanozona ny mpanjakany sy Andriamaniny, ary dia hiandrandra; Hirenireny amin' ny tany, votom-pahoriana sy mosarena, ary rahefa noana izy hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny amin' ny fiafonafonany. Et il passera dans le pays, opprimé et affamé; il arrivera que lorsqu' il sera affamé, il s' irritera, il maudira son roi et son Dieu, et se tournera vers le ciel.
Isa / Iz 8:22 And they shall look unto the earth; and behold trouble and darkness, dimness of anguish; and they shall be driven to darkness. Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin' ny aizim-pito izy. Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin' ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin' ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin' i Jordana, Dia Galilia, tanin' ny jentilisa. Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin' ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny aizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin' ny aizim-pito izy. Puis il regardera vers la terre; et voici : angoisse, obscurité, nuit de détresse, ténèbres dissolvantes.
Isa / Iz 8:23 Tsy hisy intsony anefa ny aizim-pito, amin' ny tany nozoim-pahoriana. Toy ny nanotofan' ny andro taloha fahafaham-baraka, ny tany Zabolona sy ny tany Neftali, no hamenoan' ny andro farany voninahitra, ny làlan' ny ranomasina, ny tany an-dafin' i Jordany, ary ny faritanin' ny firenena. Car n' est-ce pas la nuit pour le pays qui est dans la détresse ? Comme le passé a humilié le pays de Zabulon et le pays de Nephtali, l' avenir glorifiera le chemin de la mer, au-delà du Jourdain, le district des nations.

<-
->