<-
->

Isa / Iz 17:1 The burden of Damascus. Behold, Damascus is taken away from being a city, and it shall be a ruinous heap. Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy. Faminaniana ny amin' i Damasa. Indro fa Damasa voaesotra tsy ho isan-tanàna intsony; dia ho korontan-javatra foana izy! Oracle sur Damas. Voici Damas qui cesse d'être une ville, elle va devenir un tas de décombres;
Isa / Iz 17:2 The cities of Aroer are forsaken: they shall be for flocks, which shall lie down, and none shall make them afraid. Efa lao ny tanànan' i Aroera ka ho an' ny andian' ny ondry aman' osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy, Ny tanànan' i Aroera ilaozana, nafoy ho an' ny biby fiompy izy, ka mijanona ao tsy misy mampiala azy. abandonnées pour toujours, ses villes appartiendront aux troupeaux, ils s' y coucheront sans qu' on les effraie.
Isa / Iz 17:3 The fortress also shall cease from Ephraim, and the kingdom from Damascus, and the remnant of Syria: they shall be as the glory of the children of Israel, saith the Lord of hosts. Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin' i Syria dia hitovy voninahitra amin' ny Zanak' Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Halana amin' i Efraima ny manda, ary ny fanjakana amin' i Damasa; ny sisa amin' i Siria, ho toy ny voninahitry ny zanak' Israely, - teny ton' ny Tompon' ny tafika. Plus de place-forte en Éphraïm, plus de royauté à Damas, et le reste d' Aram sera traité comme la gloire des enfants d' Israël. Oracle de Yahvé Sabaot.
Isa / Iz 17:4 And in that day it shall come to pass, that the glory of Jacob shall be made thin, and the fatness of his flesh shall wax lean. Ary amin' izany andro izany dia hihena ny voninahitr' i Jakoba, ary hihena ny hataviny. Izao no hiseho amin' izany andro izany: ny voninahitr' i Jakoba halazo, ny tavin' ny vatany hihamahia. Il arrivera, ce jour-là, que la gloire de Jacob faiblira, et que son embonpoint deviendra maigreur;
Isa / Iz 17:5 And it shall be as when the harvestman gathereth the corn, and reapeth the ears with his arm; and it shall be as he that gathereth ears in the valley of Rephaim. Ary ho tahaka ny fanangon' ny olona ny vary an-tahony amin' ny fararano izany, ka tangosan' ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon' ny olona salohim-bary eny amin' ny lohosahan' ny Refaita; Amin' izany dia ho toy ny raha manangona ny amboarany ny mpijinja, sy raha mitango ny salohim-bary ny tànany; ho tahaka ny raha manangona salohim-bary ny olona, eny amin' ny lohasahan-dRefaima. ce sera comme lorsque le moissonneur récolte le blé, que son bras moissonne les épis; ce sera comme lorsqu' on glane les épis au val des Rephaïm;
Isa / Iz 17:6 Yet gleaning grapes shall be left in it, as the shaking of an olive tree, two or three berries in the top of the uppermost bough, four or five in the outmost fruitful branches thereof, saith the Lord God of Israel. Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin' ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin' ny rantsan' ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. Mbola hisy hotsimponina ihany izy, toy ny raha manozongozona ny hazo oliva misy oliva roa na telo eny an-tendrony indrindra, misy efatra na dimy eny amin' ny rantsan' ny hazo, - teny ton' ny Tompo, Andriamanitr' Israely. il ne restera que des grappillons, comme au gaulage de l' olivier : deux, trois baies en haut de la cime, quatre, cinq aux branches de l' arbre. Oracle de Yahvé, Dieu d' Israël.
Isa / Iz 17:7 At that day shall a man look to his Maker, and his eyes shall have respect to the Holy One of Israel. Amin' izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin' ny Isiraely, Amin' izany andro izany ny olona hijery any amin' ilay nahary azy, ary hibanjina ny Masin' Israely ny masony. Ce jour-là, l' homme regardera vers son créateur, et ses yeux se tourneront vers le Saint d' Israël.
Isa / Iz 17:8 And he shall not look to the altars, the work of his hands, neither shall respect that which his fingers have made, either the groves, or the images. Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan' ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon' ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an' ny masoandro. Fa tsy hijery intsony any amin' ny otely asan-tànany izy; tsy hibanjina intsony izay novolavolain' ny tànany; dia ny aserah sy ny andrin' ny Masoandro. Il ne regardera plus vers les autels, oeuvres de ses mains, et ce qu' ont fait ses doigts, il ne le verra plus, ni les pieux sacrés ni les brûle-parfums.
Isa / Iz 17:9 In that day shall his strong cities be as a forsaken bough, and an uppermost branch, which they left because of the children of Israel: and there shall be desolation. Amin' izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an' ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan' ny olona teo anoloan' ny Zanak' Isiraely, ka dia ho foana ny tany. Amin' izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho toy ny tanàna nilaozana eny an' ala aman-tendrombohitra, izay nilaozana teo anoloan' ny zanak' Israely: dia ho tany efitra. Ce jour-là, ses villes de refuge seront abandonnées, comme le furent les bois et les maquis devant les enfants d' Israël, et ce sera la désolation.
Isa / Iz 17:10 Because thou hast forgotten the God of thy salvation, and hast not been mindful of the rock of thy strength, therefore shalt thou plant pleasant plants, and shalt set it with strange slips: Fa nanadino an' Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin' ny firenena hafa no nambolenao teo; Satria hianao nanadino ny Andriamanitry ny famonjena anao, tsy nahatsiaro ny Vatolampin' ny herinao. Koa dia mamboly voly mahafinaritra hianao, ary foto-boaloboky ny olon-kafa firenena no ataonao ao. Tu as oublié le Dieu de ton salut, tu ne t' es pas souvenu du Rocher, ton refuge, c' est pourquoi tu plantes des plantations d' agrément, tu sèmes des semences étrangères;
Isa / Iz 17:11 In the day shalt thou make thy plant to grow, and in the morning shalt thou make thy seed to flourish: but the harvest shall be a heap in the day of grief and of desperate sorrow. Tamin' ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin' ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. Amin' ny andro ambolenao azy dia fefenao manodidina izy, ary ny ampitso maraina, dia mampamony ny voa nafafinao hianao; kanjo tsy azonao ny vokatra amin' ny andron' ny faharariana amam-pangirifiriana mahafaty! le jour où tu les plantes, tu les vois pousser, et dès le matin, tes semences fleurissent; mais la récolte échappe au jour de la maladie, du mal incurable.
Isa / Iz 17:12 Woe to the multitude of many people, which make a noise like the noise of the seas; and to the rushing of nations, that make a rushing like the rushing of mighty waters! Indrisy ny fihahohahon' ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon' ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon' ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon' ny rano manonja ny firohondrohony! Endrey izany fihahohahom-bahoaka be! mirohondrohona toy ny firohondrohon' ny ranomasina izy ireo. Firohondrohom-pirenena re izany! Malheur! Rumeur de peuples immenses, rumeur comme la rumeur des mers! grondement de peuples, qui grondent comme grondent les eaux puissantes!
Isa / Iz 17:13 The nations shall rush like the rushing of many waters: but God shall rebuke them, and they shall flee far off, and shall be chased as the chaff of the mountains before the wind, and like a rolling thing before the whirlwind. Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon' ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin' ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin' ny tadio. Mirohondrohona hoatra ny rano mahery izy. Mirohondrohona ny firenena toy ny firohondrohon' ny ranobe. Kanjo rahonany ireny dia mandositra lavitra, dia tafaely toy ny mololo tsofin' ny rivotra eny an-kavoana, toy ny vovoka mitambolombolona eo anoloan' ny tafio-drivotra. Des peuples qui grondent comme grondent les grandes eaux. Il les menace, et elles s' enfuient au loin, chassées comme la bale des montagnes par le vent, comme un tourbillon par l' ouragan.
Isa / Iz 17:14 And behold at eveningtide trouble; and before the morning he is not. This is the portion of them that spoil us, and the lot of them that rob us. Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran' izay mamabo antsika sy tambin' izay mandroba antsika. Amin' ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan' ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran' ireo mandroba antsika, izany no hanjo an' ireo mamabo antsika. Quand vient le soir c' est l' effroi, au matin tout a disparu. Tel est le partage de ceux qui nous pillent, le sort de nos dévastateurs.

<-
->