<-
->

Isa / Iz 10:1 Woe unto them that decree unrighteous decrees, and that write grievousness which they have prescribed; Lozan' izay mamorona fikasana tsy marina sy izay mpanoratra manoratra fampahoriana, Loza ho an' izay mamoaka fitsarana tsy marina, sy ho an' ny mpanoratra manoratra fanamelohana tsy ara-drariny. Malheur à ceux qui décrètent des décrets d' iniquité, qui écrivent des rescrits d' oppression
Isa / Iz 10:2 To turn aside the needy from judgment, and to take away the right from the poor of my people, that widows may be their prey, and that they may rob the fatherless! Hampialany ny mahantra amin' ny fitsarana sy hanalany ny rariny amin' izay ory eo amin' ny oloko, Handrobany ny mpitondratena sy hamaboany ny kamboty! Mampanalavitra ny tribonaly ny osa sy manendaka ny rariny amin' izay ory eo amin' ny vahoakako; ny mpitondratena ataony firemby; ary ny kamboty fambabony! pour priver les faibles de justice et frustrer de leur droit les humbles de mon peuple, pour faire des veuves leur butin et dépouiller les orphelins.
Isa / Iz 10:3 And what will ye do in the day of visitation, and in the desolation which shall come from far? to whom will ye flee for help? and where will ye leave your glory? Ary ahoana no hataonareo amin' ny andro famaliana sy amin' ny fandravana izay avy amin' ny lavitra? Ho any amin' iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo? Hanao ahoana re hianareo, amin' ny andro famangiana, sy amin' ny loza amin' antambo ho tonga avy lavitra? Any amin' iza no handosiranareo, hamonjy anareo, ary aiza no hanaovanareo ny harenanareo? Que ferez-vous au jour du châtiment, quand le malheur viendra de loin ? Vers qui fuirez-vous pour demander secours et où laisserez-vous vos richesses,
Isa / Iz 10:4 Without me they shall bow down under the prisoners, and they shall fall under the slain. For all this his anger is not turned away, but his hand is stretched out still. Tsy misy azony atao afa-tsy ny mihohoka voatsindrin' ny mpifatotra sy ny lavo voatsindrin' ny voavono. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany. Hany sisa hatao dia milefitra eo amin' ny babo, na lavo eo amin' ny maty. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tànany. pour ne pas ramper parmi les prisonniers, tomber parmi les tués ? Avec tout cela sa colère ne s' est pas détournée, sa main reste levée.
Isa / Iz 10:5 O Assyrian, the rod of mine anger, and the staff in their hand is mine indignation. Endrey! ry Asyria, tsorakazon' ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako! Loza ho an' i Asora, tsorakazon' ny fahatezerako! fiasan' ny havinirako ny tehina eny an-tànany! Malheur à Assur, férule de ma colère; c' est un bâton dans leurs mains que ma fureur.
Isa / Iz 10:6 I will send him against an hypocritical nation, and against the people of my wrath will I give him a charge, to take the spoil, and to take the prey, and to tread them down like the mire of the streets. Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan' ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe. Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra ahy, dia handroba sy hamabo azy, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dàlambe. Contre une nation impie je l' envoyais, contre le peuple objet de mon emportement je le mandais, pour se livrer au pillage et rafler le butin, pour les piétiner comme la boue des rues.
Isa / Iz 10:7 Howbeit he meaneth not so, neither doth his heart think so; but it is in his heart to destroy and cut off nations not a few. Kanjo tsy izany no kasainy, ary tsy izany no heverin' ny fony; Fa ny handringana sy ny hamongotra firenena tsy vitsy no ao am-pony. Kanjo tsy izany no heviny, ary tsy izany no heverin' ny fony; fa ny handringana no hany kendreny, sy hamongotra firenena tsy an-kavitsiana. Mais lui ne jugeait pas ainsi, et son coeur n' avait pas cette pensée, car il rêvait d' exterminer, d' extirper des nations sans nombre.
Isa / Iz 10:8 For he saith, Are not my princes altogether kings? Fa hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ireny governorako ireny? Hoy izy: Tsy mpanjaka avokoa va ny andriandahiko? Car il disait : " N' est-ce pas que tous mes chefs sont des rois ?
Isa / Iz 10:9 Is not Calno as Carchemish? is not Hamath as Arpad? is not Samaria as Damascus? Tsy tahaka an' i Karkemisy va Kalno? Tsy tahaka an' i Arpada va Hamata? Ary tsy tahaka an' i Damaskosy va Samaria ? Tsy toa an' i Karkemisa va no nahazo an' i Kalnao, tsy toa an' i Arfada va no nahazo an' i Hamata? ary tsy toa an' i Damasa va no nahazo an' i Samaria? N' est-ce pas que Kalno vaut bien Karkémish, que Hamat vaut bien Arpad, et Samarie Damas ?
Isa / Iz 10:10 As my hand hath found the kingdoms of the idols, and whose graven images did excel them of Jerusalem and of Samaria; Tahaka ny nahatraran' ny tanako ny fanjakan' ny andriamani-tsi-izy, na dia nihoatra noho ny an' i Jerosalema sy ny an' i Samaria aza ny sampin' ireo, Toy ny nanakaran' ny tànako an' ireo fanjakan' ny andriamanitra tsy mahomby, izay mahery noho ny an' i Jerosalema sy Samaria toy ny efa nataoko tamin' i Samaria sy ireo andriamaniny, Comme ma main a atteint les royaumes des faux dieux, où il y a plus d' idoles qu'à Jérusalem et à Samarie,
Isa / Iz 10:11 Shall I not, as I have done unto Samaria and her idols, so do to Jerusalem and her idols? Dia tsy tahaka ny nataoko tamin' i Samaria sy ny andriamanini-tsi-izy va no hataoko amin' i Jerosalema sy ny sampiny koa ? moa tsy toy izany koa va no hataoko amin' i Jerosalema sy ny sary sampiny? comme j' ai agi envers Samarie et ses faux dieux, ne puis-je pas agir aussi envers Jérusalem et ses statues ? "
Isa / Iz 10:12 Wherefore it shall come to pass, that when the Lord hath performed his whole work upon mount Zion and on Jerusalem, I will punish the fruit of the stout heart of the king of Assyria, and the glory of his high looks. Kanefa rehefa vitan' ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan' ny fon' ny mpanjakan' i Asyria sy ny reharehan' ny fiandranandran' ny masony; Nefa izao no hitranga raha avy izay hahatanterahan' ny Tompo ny asany manontolo, amin' ny tendrombohitra Siona sy amin' i Jerosalema, dia hosavako ny vokatry ny fo be anjonanjon' ny mpanjakan' i Asiria, sy ny reharehan' ny masony miandranandrana. Mais lorsque le Seigneur achèvera toute son oeuvre sur la montagne de Sion et à Jérusalem, il châtiera le fruit du coeur orgueilleux du roi d' Assur et la morgue de ses regards arrogants.
Isa / Iz 10:13 For he saith, By the strength of my hand I have done it, and by my wisdom; for I am prudent: and I have removed the bounds of the people, and have robbed their treasures, and I have put down the inhabitants like a valiant man: Fa izy manao hoe: Tamin' ny herin' ny tanako no nanaovako izany, sy tamin' ny fahendreko, fa mahira-tsaina aho; Ary nanaisotra ny faritanin' ny firenena aho sady namabo ny hareny, ary tahaka ny famotraky ny ombilahy no namotrahako mpanapaka; Satria izy nanao hoe: Ny nahefako izany dia noho ny herin' ny tànako, sy noho ny fahendreko, satria mahira-tsaina aho! Ny faritanin' ny firenena, nafindrako, ny hareny nobaboiko, ary ireo nipetraka teo amin' ny seza fiandrianany dia nanongana azy aho toy ny lehilahy mahery fo. Car il a dit : " C' est par ma main puissante que j' ai fait cela, par ma sagesse, car j' ai agi avec intelligence. Je supprimais les frontières des peuples; j' ai saccagé leurs trésors; comme un puissant je soumettais les habitants.
Isa / Iz 10:14 And my hand hath found as a nest the riches of the people: and as one gathereth eggs that are left, have I gathered all the earth; and there was none that moved the wing, or opened the mouth, or peeped. Ary tahaka ny fakàna ny ao amin' ny akanim-borona no nakan' ny tanako ny haren' ny firenena; Ary tahaka ny famory atody nilaozan-dreniny no namoriako ny any amin' ny tany rehetra, Ka tsy nisy nikopaka elatra, na nisoka-bava, na nikiakiaka. Toy ny fisambotra akany no nisamboran' ny tanako ny haren' ny firenena, ary toy ny fanangona atody nilaozana no namoriako ny tany rehetra, ka tsy nisy nikopak' elatra, na nisoka-bava na mba nikiaka akory! Ma main a cueilli, comme au nid, les richesses des peuples, et comme on ramasse des oeufs abandonnés, j' ai ramassé toute la terre; pas un n' a battu des ailes, ni ouvert le bec pour pépier. "
Isa / Iz 10:15 Shall the axe boast itself against him that heweth therewith? or shall the saw magnify itself against him that shaketh it? as if the rod should shake itself against them that lift it up, or as if the staff should lift up itself, as if it were no wood. Ny famaky va hirehareha amin' izay mikapa aminy? Ny tsofa va hiavonavona amin' izay manatsofa aminy? Toy ny tsorakazo, raha manetsika izay manainga azy! Ary toy ny tehina, raha manandratra ny tompony! Mirehareha amin' ny tànana mampandihy azy va ny famaky, miavonavona amin' izay mampandeha azy va ny tsofa? Sa hoe: ny tsorakazo indray va no manetsika izay manainga azy; sa hoe: ny tehina indray no manangana izay tsy hazo! Fanfaronne-t-elle, la hache, contre celui qui la brandit ? Se glorifie-t-elle, la scie, aux dépens de celui qui la manie ? Comme si le bâton faisait mouvoir ceux qui le lèvent, comme si le gourdin levait ce qui n' est pas de bois!
Isa / Iz 10:16 Therefore shall the Lord, the Lord of hosts, send among his fat ones leanness; and under his glory he shall kindle a burning like the burning of a fire. Koa izany no anateran' ny Tompo, dia ny Tompon' ny maro, fahahiazana amin' ny tremalahiny; Ary ao ambanin' ny voninahiny dia hisy mirehitra toy ny firehitry ny afo. Noho izany, ny Tompo, Iavehn' ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin' ny voninahiny, hisy afo mirehitra toy ny afo amin' ny hain-trano. C' est pourquoi le Seigneur Yahvé Sabaot enverra contre ses hommes gras la maigreur, et sous sa gloire un brasier s' embrasera, comme s' embrase le feu.
Isa / Iz 10:17 And the light of Israel shall be for a fire, and his Holy One for a flame: and it shall burn and devour his thorns and his briers in one day; Ary ny fahazavan' ny Isiraely ho tonga afo, ary ny Iray Masiny ho tonga lelafo, ka hodorany ho levona indray andro monja ny tsilony sy ny heriny; Ny fahazavan' Israely no ho afo; ary ny Masiny no ho lelafo, handoro sy handevona, indray andro monja, ny tsilo sy ny heriny. La lumière d' Israël deviendra un feu et son Saint une flamme, elle brûlera et consumera ses épines et ses ronces en un jour.
Isa / Iz 10:18 And shall consume the glory of his forest, and of his fruitful field, both soul and body: and they shall be as when a standard-bearer fainteth. Ary ny voninahitry ny alany sy ny sahany mahavokatra dia holevoniny, na ny fanahiny, na ny nofony, ka ho tahaka ny fifezak' izay marary mafy izany. Ka ny voninahitry ny ala amam-boly hazo mamoa ho foanany hatramin' ny fanahy ka hatramin' ny vatana; hanahaka ny marary matin' ny singotr' aty izany. La luxuriance de sa forêt et de son verger, il l' anéantira corps et âme, et ce sera comme un malade qui s'éteint.
Isa / Iz 10:19 And the rest of the trees of his forest shall be few, that a child may write them. Ary ho vitsy ny hazo sisa any an' alany, ka na dia izay mbola zaza aza hahasoratra azy. Ho azo isaina ny hazo sisa any an' alany; zaza iray dia hahalatsaka an-tsoratra azy. Le reste des arbres de sa forêt sera un petit nombre, un enfant l'écrirait.
Isa / Iz 10:20 And it shall come to pass in that day, that the remnant of Israel, and such as are escaped of the house of Jacob, shall no more again stay upon him that smote them; but shall stay upon the Lord, the Holy One of Israel, in truth. Ary amin' izany andro izany ny Isiraely sisa, izay tsy ringana amin' ny taranak' i Jakoba, dia tsy hiankina amin' izay namely azy intsony; Fa Jehovah, Iray Masin' ny Isiraely, ihany no hiankinany marina tokoa. Ary izao no hiseho amin' izany andro izany: Ny sisa amin' Israely ary izay afaka tsy lany amin' ny taranak' i Jakoba, dia hitsahatra tsy hiankina amin' izay namely azy intsony, fa hiankina amin' ny Tompo izy ireo amin' ny Masin' Israely, tsy hivadika aminy. Ce jour-là, le reste d' Israël et les survivants de la maison de Jacob cesseront de s' appuyer sur qui les frappe; ils s' appuieront en vérité sur Yahvé, le Saint d' Israël.
Isa / Iz 10:21 The remnant shall return, even the remnant of Jacob, unto the mighty God. Ary izay sisa amin' i Jakoba dia hiverina ho amin' Andriamanitra Mahery. Misy sisa hiverina, dia sisa amin' i Jakoba, ho amin' ny Andriamanitra mahery. Un reste reviendra, le reste de Jacob, vers le Dieu fort.
Isa / Iz 10:22 For though thy people Israel be as the sand of the sea, yet a remnant of them shall return: the consumption decreed shall overflow with righteousness. Fa na dia tahaka ny fasika any amin' ny ranomasina aza ny isan' ny Isiraely olonao, dia izay sisa aminy ihany no hiverina; Voatendry ny fandringanana izay hanafotra ho famaliana marina; Satria na dia hoatra ny fasika amin' ny ranomasina aza ny vahoakanao, ry Israely, dia izay sisa eo ihany no hiverina; ka efa raikitra ny fandringanana hampisafoaka ny fahamarinana, Mais ton peuple serait-il comme le sable de la mer, ô Israël, ce n' est qu' un reste qui en reviendra : destruction décidée, débordement de justice!
Isa / Iz 10:23 For the Lord GOD of hosts shall make a consumption, even determined, in the midst of all the land. Fa fahafonganana voatendry no hataon' i Jehovah, Tompon' ny maro, Ao amin' ny tany. fa ny fandringanana efa naraikiny dia hotanterahin' ny Tompo, Iavehn' ny tafika, amin' ny tany rehetra. Car c' est une destruction bien décidée que le Seigneur Yahvé Sabaot exécute au milieu de tout le pays.
Isa / Iz 10:24 Therefore thus saith the Lord GOD of hosts, O my people that dwellest in Zion, be not afraid of the Assyrian: he shall smite thee with a rod, and shall lift up his staff against thee, after the manner of Egypt. Koa izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Ry oloko, izay monina any Ziona, Aza matahotra ny Asyriana, raha mamely anao amin' ny tsorakazo izy ary manainga ny tehina aminao, tahaka ny fanao tany Egypta; Izany no hilazan' ny Tompo, Iavehn' ny tafika hoe: Aza matahotra na inona na inona avy amin' i Asora, ry vahoakako monina any Siona, raha mamely anao amin' ny tsorakazo izy, ka manainga ny tehina aminao, toy i Ejipta taloha. C' est pourquoi, ainsi parle le Seigneur Yahvé Sabaot : O mon peuple qui habites en Sion, n' aie pas peur d' Assur! Il te frappe du bâton, il lève le gourdin contre toi sur le chemin d'Égypte ;
Isa / Iz 10:25 For yet a very little while, and the indignation shall cease, and mine anger in their destruction. Fa rehefa afaka vetivety, dia hitsahatra ny fahavinirana, ary ny fahatezerako dia handringana azy kosa. Fa rahefa afaka kely foana, dia hitsahatra ny hatezerako, ary hifotitra aminy, handringana azy, ny fahavinirako. mais encore quelques instants et la fureur prendra fin, et ma colère causera leur perte.
Isa / Iz 10:26 And the Lord of hosts shall stir up a scourge for him according to the slaughter of Midian at the rock of Oreb: and as his rod was upon the sea, so shall he lift it up after the manner of Egypt. Eny, Jehovah, Tompon' ny maro, hamely azy amin' ny kotopia, tahaka ny namelezana ny Midiana teo am-batolampy Oreba; ary ny tsorakazony haingainy eny ambonin' ny ranomasina ka hatsangany tahaka ny fanao tany Egypta. Hanainga kotopia hamelezana azy Iavehn' ny tafika, toy ny namelezany an' i Madiana, teo amin' ny vatolampin' i Oreba, ary toy ny tehiny teny ambony ranomasina; ary hoaingainy izany toy ny taloha tany Ejipta. Yahvé Sabaot va brandir contre lui un fouet, comme il frappa Madiân au rocher d' Oreb; il va brandir son bâton contre la mer, comme il l' a levé sur le chemin d'Égypte.
Isa / Iz 10:27 And it shall come to pass in that day, that his burden shall be taken away from off thy shoulder, and his yoke from off thy neck, and the yoke shall be destroyed because of the anointing. Ary amin' izany andro izany dia ho afaka eo an-tsorokao ny entany ary ny bao fitondrany ho afaka amin' ny vozonao, ary ho tapaka ny bao fitondrana noho ny fihatavezany. Ka izao no hiseho amin' izany andro izany: Ny entan' i Asora hesorina eo an-tsorokao; ary ny jiogany eo amin' ny vozonao, ka ny tanjakao no hahavaky ny jioga. Ce jour-là, son fardeau glissera de ton épaule et son joug de ta nuque, et le joug sera détruit ...
Isa / Iz 10:28 He is come to Aiath, he is passed to Migron; at Michmash he hath laid up his carriages: Injao! tonga any Aiata izy, mamaky an' i Migrona izy ary mametraka ny entany ao Mikmasy, Iny izy tonga ao Ajata, efa mamaky an' i Magrona, mametraka ny entany ao Makmasy. Il est arrivé sur Ayyat, il a passé à Migrôn, à Mikmas il a laissé ses bagages.
Isa / Iz 10:29 They are gone over the passage: they have taken up their lodging at Geba; Ramah is afraid; Gibeah of Saul is fled. Mihoatra ao an-kadilanana izy Ao Geba isika no handry, hoy izy; Mangovitra Rama, mandositra Gibean' i Saoly; Nihoatra ny hadilanana izy ireo, nitoby tao Gabà tamin' ny alina; raiki-tahotra mafy Ramà, vaky nandositra Gabaan' i Saola. Ils ont passé par le défilé, Géba est pour nous une étape, Rama a frémi, Gibéa de Saül a fui.
Isa / Iz 10:30 Lift up thy voice, O daughter of Gallim: cause it to be heard unto Laish, O poor Anathoth. Mikiakiaha mafy, ry zanakavavin' i Galima, Mampandria sofina, ry Laisy. Indrisy, ry Anatota mahantra! Manaova antso mafy fitarainana, ry zanakavavin' i Gallima! mampandria sofina, ry Laisa! Indrisy, ry Anatota mahantra! Fais retentir ta voix, Bat-Gallim, sois attentive, Laïsha! Réponds-lui, Anatot!
Isa / Iz 10:31 Madmenah is removed; the inhabitants of Gebim gather themselves to flee. Lasa mandositra Madmena, ny mponina any Gebima mitondra ny entany mandositra. Miparitaka Medmenà, lasa nandositra ny mponina ao Gabima, Madména s' est enfuie; les habitants de Gébîm se sont mis à l' abri.
Isa / Iz 10:32 As yet shall he remain at Nob that day: he shall shake his hand against the mount of the daughter of Zion, the hill of Jerusalem. Anio izy mbola mitoetra any Noba, Maninjitra ny tànany manambana ny tendrombohitr' i Ziona zanakavavy, dia ny havoan' i Jerosalema. Indray andro sisa, dia any Nobe izy; hanainga tànana hamely ny tendrombohitry ny zanakavavin' i Siona izy, hamely ny havoan' i Jerosalema!... Aujourd' hui même, à Nob, lors d' une halte, il agitera la main vers la montagne de la fille de Sion, la colline de Jérusalem.
Isa / Iz 10:33 Behold, the Lord, the Lord of hosts, shall lop the bough with terror: and the high ones of stature shall be hewn down, and the haughty shall be humbled. Indro, Jehovah, Tompon' ny maro, manapaka ny rantsany madinika amin' ny heriny mahatahotra; Ary izay mijoaka lava no voakapa, ary izay avo no aetry; Indro ny Tompo, Iavehn' ny tafika, mikapa ny sampan-kazo, ataony mikotrokotroka; ny avo indrindra, voakapa; ny lasa ambony indrindra voazera amin' ny tany. Voici que le Seigneur Yahvé Sabaot émonde la frondaison avec violence, les plus hautes cimes sont coupées, les plus fières sont abaissées.
Isa / Iz 10:34 And he shall cut down the thickets of the forest with iron, and Lebanon shall fall by a mighty one. Ary kapaina vy ny ala mikirindro, ary Libanona dia alamaky ny iray Mahery. Ny ala milobolobo voakapa amin' ny vy; ary lavo i Libana alamaky ny Mahefa anankiray. Ils seront coupés par le fer, les halliers de la forêt, et sous les coups d' un Puissant, le Liban tombera.

<-
->