<-
->

Isa / Iz 50:1 Thus saith the Lord, Where is the bill of your mother' s divorcement, whom I have put away? or which of my creditors is it to whom I have sold you? Behold, for your iniquities have ye sold yourselves, and for your transgressions is your mother put away. Izao no lazain' i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin' izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo. Izao no lazain' ny Tompo: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo. Ainsi parle Yahvé : Où est la lettre de divorce de votre mère par laquelle je l' ai répudiée ? Ou encore : Auquel de mes créanciers vous ai-je vendus ? Oui, c' est pour vos fautes que vous avez été vendus, c' est pour vos crimes que j' ai répudié votre mère.
Isa / Iz 50:2 Wherefore, when I came, was there no man? when I called, was there none to answer? Is my hand shortened at all, that it cannot redeem? or have I no power to deliver? behold, at my rebuke I dry up the sea, I make the rivers a wilderness: their fish stinketh, because there is no water, and dieth for thirst. Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin' ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian' ny rano sady matin-ketaheta. Tonga aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tànana va aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery ho enti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin' ny hetaheta ireny. Pourquoi suis-je venu sans qu' il y ait personne ? Pourquoi ai-je appelé sans que nul ne réponde ? Serait-ce que ma main est trop courte pour racheter, que je n' ai pas la force de délivrer ? Voici : par ma menace je dessèche la mer, je change les fleuves en désert. Les poissons s' y corrompent faute d' eau, ils meurent de soif.
Isa / Iz 50:3 I clothe the heavens with blackness, and I make sackcloth their covering. Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany. Azoko tafiana fahamaintisana ny lanitra, sy saronana amin' ny lamba fisaonana. Je revêts les cieux de noirceur, je leur mets un sac comme vêtement.
Isa / Iz 50:4 The Lord GOD hath given me the tongue of the learned, that I should know how to speak a word in season to him that is weary: he wakeneth morning by morning, he wakeneth mine ear to hear as the learned. Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan' ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay Nomen' ny Tompo Tompo, ny lelan' ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin' ny teniko. Mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon' ny mpianatra. Le Seigneur Yahvé m' a donné une langue de disciple pour que je sache apporter à l'épuisé une parole de réconfort. Il éveille chaque matin, il éveille mon oreille pour que j'écoute comme un disciple.
Isa / Iz 50:5 The Lord GOD hath opened mine ear, and I was not rebellious, neither turned away back. Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra. Nosokafan' ny Tompo Tompo ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory, Le Seigneur Yahvé m' a ouvert l' oreille, et moi je n' ai pas résisté, je ne me suis pas dérobé.
Isa / Iz 50:6 I gave my back to the smiters, and my cheeks to them that plucked off the hair: I hid not my face from shame and spitting. Ny lamosiko natolotro ho amin' ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin' izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin' ny henatra sy ny rora. Natolotro tamin' ny mpikapoka ahy ny lamosiko; ary tamin' ireo nanongotra ny volombavako ny takolako; ary ny tavako tsy nafeniko tamin' ny latsa sy ny rora. J' ai tendu le dos à ceux qui me frappaient, et les joues à ceux qui m' arrachaient la barbe; je n' ai pas soustrait ma face aux outrages et aux crachats.
Isa / Iz 50:7 For the Lord GOD will help me; therefore shall I not be confounded: therefore have I set my face like a flint, and I know that I shall not be ashamed. Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho. Fa Iaveh Tompo namonjy ahy, ka ny latsa tsy nahaketraka ahy; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho. Le Seigneur Yahvé va me venir en aide, c' est pourquoi je ne me suis pas laissé abattre, c' est pourquoi j' ai rendu mon visage dur comme la pierre, et je sais que je ne serai pas confondu.
Isa / Iz 50:8 He is near that justifieth me; who will contend with me? let us stand together: who is mine adversary? let him come near to me. Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko. Akaiky ilay manamarina ahy: iza no handahatra manohitra ahy? Aoka hifanatrika isika! Iza no manohitra ahy? Aoka izy hankaty amiko! - Il est proche, celui qui me justifie. Qui va plaider contre moi ? Comparaissons ensemble! Qui est mon adversaire ? Qu' il s' approche de moi!
Isa / Iz 50:9 Behold, the Lord GOD will help me; who is he that shall condemn me? lo, they all shall wax old as a garment; the moth shall eat them up. Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin' ny kalalao izy. Iaveh Tompo namonjy ahy: Ka iza no hanameloka ahy? He! ho kotikotika hoatra ny vorodamba izy rehetra, ho lanin' ny kalalao! Voici que le Seigneur Yahvé va me venir en aide, quel est celui qui me condamnerait ? Les voici tous qui s' effritent comme un vêtement, rongés par la teigne.
Isa / Iz 50:10 Who is among you that feareth the Lord, that obeyeth the voice of his servant, that walketh in darkness, and hath no light? let him trust in the name of the Lord, and stay upon his God. Iza aminareo no matahotra an' i Jehovah ka mihaino ny feon' ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin' ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran' i Jehovah sy hiankina amin' Andriamaniny. Iza aminareo no matahotra an' ny Tompo, sy mihaino ny feon' ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin' ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran' ny Tompo, sy hiankina amin' ny Andriamaniny! Quiconque parmi vous craint Yahvé et écoute la voix de son serviteur, quiconque a marché dans les ténèbres sans voir aucune lueur, qu' il se confie dans le nom de Yahvé, qu' il s' appuie sur son Dieu.
Isa / Iz 50:11 Behold, all ye that kindle a fire, that compass yourselves about with sparks: walk in the light of your fire, and in the sparks that ye have kindled. This shall ye have of mine hand; ye shall lie down in sorrow. He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon' afo manodidina anareo, mandehana amin' ny lelafonareo sy amin' ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin' ny tanako: Handry amin' ny fahoriana ianareo. Fa hianareo rehetra mampirehitra afo kosa, sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana, mandehana amin' ny lelafonareo, sy eo afovoan' ny zana-tsipìka narehitrareo! Izao no hanjo anareo avy amin' ny tànako; hampandrina amin' ny fahoriana hianareo! Mais vous tous qui allumez un feu, qui vous armez de flèches incendiaires, allez aux flammes de votre feu, aux flèches que vous enflammez. C' est ma main qui vous a fait cela : vous vous coucherez dans les tourments.

<-
->