Index

Proverbes : miketraka

Proverbe Mihinjihinjy sarotra hihavanana, nony miketraka ambakain' ny sasany. [Rinara 1974 #2325]

Proverbe Mirediredy ho lambolahy, fa rehefa mahita ny ampombo malemy, miketraka ho reni-kisoa. [Houlder 1895 #806]
Tsy misy henjana hoatry ny lambo : fa raha mahita ny ampombo, miketraka ho kisoa. [Veyrières 1913 #4636]
Tsy misy henjana ohatra ny lambo, fa raha mahita ny ampombo miketraka ho kisoa. [Cousins 1871, Rinara 1974]
Traduction française Il n' y a pas d' animal aussi vigoureux que le sanglier ; mais quand il voit du son, il s' amollit comme un porc. [Veyrières 1913 #4636]
Se vanter d' être un sanglier, puis, en voyant le son pâteux, descendre au rang de truie (en le mangeant, comme un porc domestique). [Houlder 1895 #806]
Interprétation française Les passions et l' intérêt amollissent. [Veyrières 1913 #4636]

Proverbe Miritirity ho lambo sa miketraka ho kisoa? [Cousins 1871 #1819, Rinara 1974]

Proverbe Raha dobo tsy ho sahy siny aho, dia miketraka ho renirano. [Houlder 1895 #907]
Raha dobo tsy sahy siny aho dia miketraka ho renirano. [Rinara 1974 #3559]
Raha ho dobo tsy sahy siny aho, dia miketraka ho renirano. [Cousins 1871 #2657]
Traduction française Si je suis un étang qui craigne la cruche, que je devienne ruisseau. [Houlder 1895]

Index