Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   Fanambarana, fampisehoana ary fampieleza [...] [texte complet dans Rajemisa 1985]
Traduction anglaise   A report [Hallanger 1973]
Traduction française   Action de dire, d'annoncer, de publier [Abinal 1888]
   Un rapport [Hallanger 1974]
   Action de dire [Rajaonarimanana 1995]
Dérivés  
Morphologie  
laza
lazako
lazanao
lazany
lazantsika
lazanay
lazanareo
lazan'
lazan-
lazam-
-daza
Composés  
Exemples   Nitombo laza hafahafa izany I Feno tao an-tanàna [Andraina: Mitaraina]

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   Fahatantarana manehoeho ananan'ny olona [...]
¶ Fiheverana, na tsara na ratsy, ananan'ny [...] [texte complet dans Rajemisa 1985]
Traduction anglaise   Fame, honour, glory [Richardson 1885]
   Fame, honor, glory [Hallanger 1973]
Traduction française   Réputation, renommée, glorification, louange [Abinal 1888]
   Renommée; louange, glorification [Hallanger 1974]
   Réputation; renom, célébrité [SLP 1986]
   Célébrité [Rajaonarimanana 1995]
   Renommée, réputation, célébrité [Beaujard 1998]
   Renommée [Rajaobelina 2001]
Traduction italienne   Reputazione [Profita 1969]
Dérivés  
Composés  
Exemples   Tsara laza izy (Il a bonne réputation) [Abinal 1888]
Nahabe laza azy ny nataony (Ce qu'il a fait lui a fait acquérir une grande renommée) [Abinal 1888]
Hanimba ny lazany izany (Cela nuirait à sa réputation) [Malzac 1926]

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   Famaky kely fitondra mandeha [Sakalava] [Rajemisa 1985]
Vocabulaire  

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   Lanonambe makotrokotroka, manehoeho [Betsileo, Betsimisaraka] [Ravelojaona 1937]
Traduction française   Fêtes à l'occasion de la circoncision [Antankarana] [David 1952]

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   Zavamaniry atao hoe fanto ny hodiny ary fanao lamba tahaka ny hafotra. Alaina ny hodiny dia kapohina tsara, asiana menaka hahamandomando azy, dia kapohina indray mandra-pahalemin' ny tsiratsirany, dia diovina; izay vao itohitohy ho azo tenomina; anaovana sikina sy salaka. Any amin' ny faritanin' Ikongo (Tanala atsimo) no be azy [Ravelojaona 1937]
Traduction anglaise   A plant whose bark is used to make the lamba called fanto. The root supplies a medicine [Tanala] [Richardson 1885]
Vocabulaire  

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   (Cissus laza) zavamaniry hita any amin' ny faritany atsimo (Toleara), indrindra fa any Androy. Mahatratra 4 metatra ny haavony. Hafahafa ny bikany: mivelatra be ny vatany eo am-potony manakaiky ny tany, mety mahatratra 2 metatra ny velarany, dia mihakely arakaraka ny isondrotany avo, dia mandeha amin' izay ny rantsany iray lehibe tohin' ny vatany ary dia mandady mihodidina amin' izay hazo hafa eo akaikiny toy ny fanaon'ny vahy io. Malemilemy ny atin' ny vatany; mitahiry rano be io -- rano nofohiny tao anatin' ny fahavaratra fohy; io no ivelomany mandritra ny volana maro main-tany kely orana. Eo amin' ny toerana maina, be akorovato no faniriany. Vakivaky ny hodiny sady malemy koa. Mandravina izy amin' ny fahavaratra ary vonivony ny fanjany. Misy voany lehibe maintimainty; tian' ny olona any tokoa izany na dia somary manaiki-dela sy lanilany aza. Tsy dia maro loatra izy fa mahalankalana ihany, eny anaty akorovato eny. Voaloboka-dia (vigne sauvage) no anarana ilazan'ny Vazaha azy. [Ravelojaona 1937]
Traduction anglaise   A tree with edible fruit [Richardson 1885]
Traduction française   Arbre, Ficus reflexa Thumb. ssp. [...] [Mahafaly, Sakalava, Tanala] [texte complet dans Beaujard 1998]
   Ficus planté parfois à l'est du tranobe [Rajaobelina 2001]
Nom scientifique   Ficus reflexa, Ficus pyrifolia, Cissus laza
Vocabulaire  

Entrée laza
Partie du discours   nom
Définition malgache   (Ocotea) zavamaniry amin' ny antokon' ny laurinées; betsaka ao amin' ny faritany avaratra. Manitra kanelina ny hazony [Ravelojaona 1937]
Nom scientifique   Ocotea
Vocabulaire  

Entrée Laza
Partie du discours   nom propre (histoire)
Définition malgache   Fanampin' anarana malagasy [3.1]
Exemples   Voalohany, anisan'ireo nasaina mantsy i Laza Razanajatovo, mpanatontosa horonantsary ary fantatra amin'ny fikarakarana ny "Rencontres du Film Court" [Gasy Net ]
Ao amin’i Fermilab no anomanan’i Laza Rakondravohitra ny doctorat en physique mandritra ny telo taona hoavy [US Mission ]

Mis à jour le 2013/01/26
Formulaire pour nous envoyer des commentaires