Index

Proverbes : farafara

Proverbe Aza manamavo tena ohatra ny akoho mikotrika ambany farafara. [Rinara 1974 #484]
Aza manamavo tena toy ny akoho mikotrika ambany farafara. [Veyrières 1913 #2992, Cousins 1871 #409]
Traduction française Ne vous abaissez pas vous-même en vous dégradant, comme la poule qui va couver sous le lit. [Veyrières 1913 #2992]

Proverbe Aza mpandrafitra tsy manam-parafara. [Rinara 1974 #807]

Proverbe Farafara nandrian' ny maty. [Veyrières 1913 #1275]
Traduction française La veuve est comme la couche où reposait son défunt mari. [Veyrières 1913 #1275]

Proverbe Hazakazaka ambany farafara ka samy manala izay ho afany. [Rajemisa 1985]
Hazakazaka ambany farafara: samy manala izay ho afany. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Toe-javatra manahirana tsy misy hifanam-Piana fa samy miezaka manao izay vitany avy. [Rajemisa 1985]
Tsy azo ihazakazahana any ambany farafara ka samy manao izay hahatongavany haingana, na handady na hikisaka: entimilaza ny fanaovana ny fiezahana sy fahaizana rehetra mety ho vita amin' ny toedraharaha sarotra iray. [Rajemisa 1985]

Proverbe Mihazakazaka ambany farafara ka tsy misy hanam-parana ny aina. [Rinara 1974 #2315, Cousins 1871 #1767]

Proverbe Raha mamatra miohatra ny feno, raraka; raha mihinana miohatra ny voky manevika; raha mamindro miohatra ny toko, may; raha mandry miohatra ny farafara, mianjera. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Tokony hahalala onony amin' izay rehetra atao, fa raha tsy izany, fahavoazana no mety ho hita. [Rajemisa 1985]

Proverbe Tsy hisy hanoarana, ohatra ny vikina ambany farafara. [Cousins 1871]
Tsy hita hanoarana, ohatra ny hazakazaka ambany farafara. [Rinara 1974]
Tsy hita hanoharana hoatry ny vikina ambany farafara. [Veyrières 1913 #5780]
Traduction française Sans comparaison, comme faire un saut sous le lit. [Veyrières 1913 #5780]
Interprétation française Autre sens : chose impossible. [Veyrières 1913 #5780]

Index