Entrée alakamisy
Partie du discours nom
Définition malgache (Arabo El-khamis, na Al-chamisu: fahadimy; Soehily Alhamisi).

Alakamisy no andro voalohany tamin'ny razana; andron'Andriana, fisantarana ny zavatr'Andriana; andro fidin'ny Andriana hisehoana amin'ny ambanilanitra. Voalaza ho tenin-dRafohy, mpanjakan'Alasora, sahabo ho 400 taona lasa izay, ny hoe: "Anao ny Alakamisy, Andriamanelo, fa Andriamatoako ianao, ka ianao no manjaka voalohany". Alakamisy no nisehoan'Andriamanelo; Alakamisy no nihadiana ny hady voalohany, teo Alasora. Dia hita tantara toy izany: samy nanaja ny Alakamisy, Ralambo, Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina.

Misy toy ny petaka toko na tandrifin-drahona ihany ny an'ny ntaolo: nalainy ara-bakiteny ny hoe Alakamisy: maka (malaka) sy misy: andro tsara, andron'Andriana, mampisy fanambinana; ny zavatra irina hisy soa mitontohitra no atao, alaina na santarina Alakamisy; sady andro ratsy koa anefa: mampisy loza -- fady dia fady ny mandevina Alakamisy, mbamin'ny miala saona, ny mamangy malahelo. Ny Alahady koa tsy fandevenana -- ankevitry ny noho ny teny hoe hady, ka mampihady fasana lava. Ny T. dia be no mifady Alakamisy, tsy miasa.

Ny olona teraka Alakamisy dia natao hoe Ikamisy, na Rakamisy, Andriamisy, Andrianisa (?) (isa, voalohany), raha vahoaka; fa ny andriana kosa: Ramisa, Ramisavola, Ramisamanjaka, Ramisarivo. -- Ny faditry ny andro Alakamisy dia ny akorandriaka. Raha ohatra la Alakamisy no ahatsinanan'ny Alahasaty, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa tsy manja mena amin'io andro io. -- Dia ao ilay fady, tandreman'ny ntaolo, tsy atao amin'ny andro ahaterahana: tsy mihety, tsy manala hoho. [Ravelojaona 1937]

 andro fahadimy amin'ny herinandro. Araka ny hevitry ny Ntaolo: tononandro tsara fa manantena hisy; taloha: fivoahan'ny Andriana sy fanantarana ny zavatr'Andriana, fanantaran-trano, fampakaram-bady, fiakaran'ny tafika sady fivoahany; andro tsara ny alakamisy ka tsy mba nandevenana fa raha misy maty, dia miandry zoma alevina. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise Thursday. [Ar. Al-chamisu - Fifth.] [Richardson 1885]
 Thursday. [Hallanger 1973]
Définition française jeudi. [Abinal 1888, Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1996]
 jeudi. ~ Amin'ny alakamisy (à jeudi) ~ Alin'ny alarobia hifoha alakamisy (la nuit du mercredi) [texte complet dans Rajaonarimanana 1995]
  [Tanala] jeudi [ar.: Kamsa, cinq, al-Kamis, jeudi] [Beaujard 1998]
 giovedi [Profita 1969]
Définition allemande Donnerstag. Amin'ny alakamisy faha...: am Donnerstag, dem/den... Ny alin'ny alarobia hifoha alakamisy: die Nacht von Mittwoch auf Donnerstag. [Bergenholtz 1991]
Vocabulaire 
Analogues  Mesure du temps
Exemples 
1Tamy ny andro Alakamisy 1 Alahamady, 1 July 1886, nonitokanana ny trano fiangonana ao Anjanahary. [Cohen-Bessy: Rakotovao, page 171]
2Randriampeno dia nangataka mba hatao amin'ny iray volan'ny Alakamisy ho avy, ary ny ray aman-dreniny nanaraka izany; [Rajohanesa: Kintana]
Citations 
Toponymie Noms des lieux comprenant le mot alakamisy (3): Alakamisy, Alakamisy-Ambohijato, Alakamisy-Anativato

Entrée Alakamisy
Partie du discours nom propre (toponyme) [liste complète]
Définition malgache Raha nanorina ny tsena voalohany teto anivon'ny riaka Andrianampoinimerina dia ny tsena Alakamisin' Ambohimanga no voalohany indrindra, dia Anjoman'Antananarivo no faharoa, Asabotsin'i Namehana no fahatelo, Alahadin'i Lanifasana no fahefatra, Alatsinainin'Andranovintana (Alatsinainin'Ambohipoloalina ankehitriny) no fahadimy, Talatan'i Volonondry no fahenina, Alarobian'Amboanjobe no fahafito -- ireo tsena fiton'Andrianampoinimerina ireo no toy ny tsangambaton'ny filaharan'ny andron'ny ntaolo. [Ravelojaona 1937]
 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise the place where Thursday's market is held. [Richardson 1885]
Définition française les marchés du jeudi: l'emplacement du marché [Abinal 1888]
 marchés du jeudi. [Rajaonarimanana 1995]
Vocabulaire 
Exemples Ny orimbato hoe Manganiha ny eo avaratr' Alakamisy, sy ny orimbato eo Antsahamasina: [Callet: Tantara, page 144]
Toponymie alakamisy

Entrée alakamisy
Partie du discours nom
Définition malgache hazo anaovana fanafody Crateva excelsa.
¶ Zavamaniry azo atao ody tazo ny fakany, manampy ny kininina(Burasaia nigrescens). [Rajemisa 1985]
Définition anglaise a tree used in house-building. It is said to be brought from the forest only on Thursdays, hence its name. Chips of the wood are used as a remedy for colic and indigestion.
¶ Probably the same as the preceeding. Used by the Sakalava as a medecine for pains in the head. [Richardson 1885]
Définition française arbre dont on fait des remèdes. [Abinal 1888]
  [Tankarana] nom d'une plante (?), écorce et feuilles utilisées en tisane contre les coliques. [David 1952 (takila A)]
Définition anglaise  Burasaia crateva [Schatz: Flora]
Définition française  [Bezanozano] (de l'arabe al - chamisu = le cinquième, désigne le 5e jour de la semaine, c'est-à-dire le jeudi). C'était le jour réservé à honorer le souverain, les gens de caste noble, et considéré comme faste. Les plantes qui portent ce nom sont considérées comme de puissants fortifiants, donnant le pouvoir moral de surmonter les obstacles. Plusieurs d'entre elles sont effectivement riches en alcaloïdes. Ce sont principalement :
¶  Schismatoclada psychotrioides Baker (Rubiaceae).
¶  Euodia chapelieri Baillon (Rutaceae).
¶  Crateva excelsa Bojer (Capparaceae).
¶  Burasaia nigrescens Capuron Nom. In Sched.(Menispermaceae).
¶  Crotalaria cytisoides Roxb. ex DC. (Fabaceae). [Boiteau 1997]
Vocabulaire 
Nom scientifique Crateva excelsa, Euodia chapelieri, Schismatoclada psychotrioides
Exemples alakamisy, asaina ny fakany, ary sotroina amy ny rano [Callet: Tantara, page 104]
Citations 
Bibliographie Schatz: Generic Tree Flora of Madagascar

2019/02/01