| Entrée (1/2) | 1 alarobia |
| Partie du discours | 2 nom |
| Explications en malgache |
3
4 (Arabo Al arbàatu, El-arba'a: fahefatra) 5 Andro fahafito tamin'ny ntaolo. 6 7 "Alarobia tsy miverina" no nilazan'ny razana azy, ka: andro fandevenana, famangia-malahelo, 8 fialan-tsaona. 9 10 Tsy fanao ny miainga hivahiny, na hanavin-draharaha amin'io, fa tsy hahavanona, 11 na ho faty any tsy ho tafody an-tanindrazana, hoy izy; 12 fady, torak'izany koa, ny manao hasoavan-jaza Alarobia, fa tsy hiverenan'ny fitahiana hoe. 13 Ny Alakamisy sy ny Alahady no mifanohitra amin'ny "Alarobia tsy miverina", 14 araka ilay nantsoina teo 15 (Jereo Alakamisy) hoe: 16 somary "milalao teny" ny ntaolo: tsy mandevina Alahady, sao malady 17 mitranga ny fahafatesana, na Alakamisy, sao malaky misy maty. 18 19 Ny "Alarobia mifoha Alakamisy" sy ny "Asabotsy mifoha Alahady", dia natao ho fotoana 20 tsara fanaovan-java-baventy, toy ny hoe, ohatra: raha hanao zavatra na hanavin-draharaha 21 any lavitra, lalana aleha andro maromaro, dia kendrana ny hahatonga ao amin'ilay 22 toerana ny harivan'ny Alarobia, na Asabotsy, hahazoana mandry ao, dia eo 23 an-toerana no mifoha hanao ilay zavatra ny marainan'ny Alakamisy na Alahady. 24 25 Izany no nokendrena raha misy vohitra halàna (hotafihina), na raha misy kabary 26 lehibe asaina vonjen'ny olona. Alarobia tsy miverina, no nanorenan-tsena ho an'i Vakinisaony, 27 mba tsy hiverina amin'Andrianamboatsimarofy intsony ny fanjakana -- 28 dia ny tsenan'Alarobia-Amboanjobe. 29 30 Ny zaza teraka Alarobia dia natao Rabe no anarany eto Imerina, ary Rabia, na Ibia, any 31 Betsileo, ets.; tsy mihety na manala hoho Alarobia ny olona teraka amin'io andro io. 32 -- Lahimbahona no faditry ny Alarobia. Raha ohatra ka Alarobia no tsinana ny Alahasaty, 33 dia tsy fanaon'ny ntaolo amin'io andro io ny mamono zavatra (biby) afa-tsy ny 34 misoratra manja mena. [1.10] 35 andro fahefatra amin'ny herinandro. 36 Araka ny finoan'ny Ntaolo, dia tononandro ratsy ny alarobia satria ny alarobia, 37 hono, tsy miverina: fanaovana famoizana, afana, famadihana ny maty, 38 fitomaniana raha mana-maty, ary izany no nahatonga ny andro alarobia 39 ho andro famangia-manjò. [1.1] |
| Explications en anglais |
40 Wednesday. [Ar. al-arba'ata - Fourth.]
[1.2] 41 Wednesday [1.7] |
| Explications en français |
42 le mercredi
[1.3] 43 mercredi [1.5, 1.8] 44 mercredi [ar.: arba'a, quatre, al-arba'a, mercredi] [1.6] |
| Exemples |
45 alarobia maraina iny andro nahatongavany iny.
[2.472]
|
| Vocabulaire | 46 Temps |
| Hypéronyme |
|
| Co-hyponymes |
|
| Tous les mots composés | 55 2 combinaisons de ce mot |
| Tableaux et planches |
56 Mesure du temps |
| Entrée (2/2) | 57 Alarobia |
| Mots élémentaires | 58 alarobia |
| Partie du discours | 59 nom propre (toponyme) [Liste complète] |
| Explications en malgache |
60
61 anaran'ny tanàna na vohitra misy tsena (lehibe) 62 amin'ny io andro io, toa an-Alarobian'i Vohiposa, Alarobian-Amboanjobe. [1.10] 63 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1] |
| Explications en anglais |
64 the place of holding Wednesday's market.
[1.2] |
| Explications en français |
65 nom des marchés qui se tiennent en ce jour
66 et de leur emplacement. [1.3] 67 marché du mercredi [1.5] |
| Exemples |
68 Lemademaka ery alarobia avo mahatazana Ambohijanahary ketrak' ila misasaka Imahamasina [2.131] |
| Coordonnées | -18.8833333+47.7|-19.5666667+47.45|-18.9666667+47.7333333|-19.2166667+47.75 |
| Vocabulaire | 69 Géographie: agglomérations |
| Anagrammes | 70 Alarobia, alarobia |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|