|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alatsinainy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy. -- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy. Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy. Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana. Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io. Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy. [1.10]
4 andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy. [1.1]
Explications en anglais  5 Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.] [1.2]
6 Monday. [1.7]
Explications en français  7 le lundi. [1.3, 1.8]
8 lundi. [1.5]
9 lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi] [Tanala] [1.6]
Exemples  10  Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay. [2.470]
11  Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose. [2.472]
Vocabulaire  12  Temps
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tous les mots composés  21  3 combinaisons de ce mot
Tableaux et planches  22  Mesure du temps

Entrée (2/2)23  Alatsinainy
Mots élémentaires  24 alatsinainy
Partie du discours  25  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  26 anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io. [1.1]
Explications en anglais  27 the place of holding Monday's market. [1.2]
Explications en français  28 noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement. [1.3]
29 marché du lundi. [1.5]
Vocabulaire  30  Géographie: agglomérations

Anagrammes  Alatsinainy, alatsinainy

Mis à jour le 2025/12/13