Proverbes : amonoana

Proverbe2170 Fosa lava ohy tsy amonoana akoho mamàna. [Samson 1965 #F41]

Proverbe4532 Moa dia fitia te-hihinan-kena ve no hamonoana ny ombin' Andriana marani-tsofina . [Rinara 1974 #2535]
Moa dia ny fitia te-hihinan-kena va no hamonoana ny ombin’ Andriana marani-tsofina ? [Cousins 1871]

Proverbe4787 Namono akoho tsara ihany, ka namonoam-borombe vao torana! [Rinara 1974 #2736]
Namonoana akoho tsara ihany ; ka namonoam-borombe vao torana. [Cousins 1871]

Proverbe6131 Raha ny tokan-tsy tia tsy hamonoako tena , fa raha ny be sy ny maro , hisotro tsingala aho ho faty . [Rinara 1974]
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy ; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty. [Houlder 1895]
Traduction française Si je ne suis haï que d' un seul, je préparerai de la farine pour m' engraisser; mais si tous me haïssent, j' avalerai une "tsingala" pour mourir. [Houlder 1895]
Interprétation française La "tsingala" est un insecte aquatique que l' on prétend être fatal à qui l'avale. Je n' ai plus qu' à disparaître. [Houlder 1895]

Proverbe6150 Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [Cousins 1871]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana ? [Veyrières 1913 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho , aza amonoana vatotr' akoho . [Rinara 1974 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho . [Rajemisa 1985]
Sery vitan' ny anamalaho , ka no hamonoana vatotr' akoho ! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy . [Rinara 1974]
Interprétation malgache Nampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [Rajemisa 1985]
Traduction française Si c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [Veyrières 1913 #2822]
Interprétation française Il faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [Veyrières 1913 #2822]

Index