Index

Proverbes : misitrika

Proverbe Fandiorano : hisitrika izy ihany, hiseho izy ihany. [Rinara 1974 #1100]

Proverbe Fandiorano ratsy, ka miseho tsy valahara, milentika tsy vaky atatra. [Veyrières 1913 #3002]
Fandiorano ratsy, ka mitranga tsy menatra, misitrika tsy valahara. [Veyrières 1913 #3002]
Toy ny fandiorano ny ratsy: koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [Houlder 1895]
Toy ny fandiorano ny ratsy : miseho tsy vaky afero, misitrika tsy valahara. [Rinara 1974 #4276]
Toy ny fandiorano ratsy : koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [Cousins 1871]
Traduction française Le méchant est comme le gyrin: quand il se montre, il n' a pas honte; et quand il disparaît, il ne rougit pas. [Houlder 1895]
Vilain gyrin nageur : il se montre impudemment, il plonge effrontément. [Veyrières 1913 #3002]
Interprétation française Se disait des gens qui ne savent pas rougir. [Veyrières 1913 #3002]

Proverbe Tsy misy fatra-piahy tena ohatra ny tsindretra, fa famaky kely iray sy katsomanta telo no entiny, fa raha tamy ny tandroho misitrika. [Cousins 1871]
Tsy misy fatra-piahy tena, toy ny tsindretra, fa famaky iray, katsomanta telo. [Rinara 1974 #4707]

Proverbe Vovo miara-milona sy tandroho miara-misitrika. [Houlder 1895 #1211]
Vovo miara-milona, tandroho miara-misitrika. [Rinara 1974 #5055]
Traduction française (Nous sommes comme) des nasses trempant ensemble et des paniers à pêche qui plongent ensemble. [Houlder 1895]

Index