<-
->

Sal 103:1 Bless the Lord, O my soul: and all that is within me, bless his holy name. Nataon' i Davida Misaora an' i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina. Nataon' i Davida. Misaora an' ny Tompo, ry fanahiko, ary misaora ny anarany masina, ry ato anatiko rehetra! De David. Bénis Yahvé, mon âme, du fond de mon être, son saint nom,
Sal 103:2 Bless the Lord, O my soul, and forget not all his benefits: Misaora an' i Jehovah, ry fanahiko; Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra, Misaora an' ny Tompo, ry fanahiko, ary aza manadino ny soa betsaka avy aminy. bénis Yahvé, mon âme, n' oublie aucun de ses bienfaits.
Sal 103:3 Who forgiveth all thine iniquities; who healeth all thy diseases; Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra, Fa izy no mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra. Lui qui pardonne toutes tes offenses, qui te guérit de toute maladie;
Sal 103:4 Who redeemeth thy life from destruction; who crowneth thee with lovingkindness and tender mercies; Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao, Izy no manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka, manarona hatsaram-po amam-pamindram-ponao. qui rachète à la fosse ta vie, qui te couronne d' amour et de tendresse;
Sal 103:5 Who satisfieth thy mouth with good things; so that thy youth is renewed like the eagle' s. Izay mahavoky soa ny vavanao; Ny fahatanoranao mody indray toy ny an' ny voromahery. Izy no manototra soa ny fanirianao, ary manavao ny fahatanoranao hanana ny herin' ny voromahery. qui rassasie de biens tes années, et comme l' aigle se renouvelle ta jeunesse.
Sal 103:6 The Lord executeth righteousness and judgment for all that are oppressed. Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin' izay rehetra ampahorina. Manao ny fitsarana Iaveh, manome rariny an' izay rehetra nampahoriana. Yahvé qui fait oeuvre de justice et fait droit à tous les opprimés
Sal 103:7 He made known his ways unto Moses, his acts unto the children of Israel. Efa nampahafantatra an' i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak' Isiraely nampahafantariny ny asany. Nampiseho ny làlany tamin' i Moizy izy, ary ny asany lehibe, tamin' ny zanak' Israely. révéla ses desseins à Moïse, aux enfants d' Israël ses hauts faits.
Sal 103:8 The Lord is merciful and gracious, slow to anger, and plenteous in mercy. Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po. Mamindra fo sy miantra Iaveh, mahari-po sy be hatsaram-po. Yahvé est tendresse et pitié, lent à la colère et plein d' amour;
Sal 103:9 He will not always chide: neither will he keep his anger for ever. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy, Na mitahiry fahatezerana mandrakizay. Tsy mba ho mandrakizay no mandevilevy izy, tsy mitana fahatezerana mandrakizay. elle n' est pas jusqu'à la fin, sa querelle, elle n' est pas pour toujours, sa rancune;
Sal 103:10 He hath not dealt with us after our sins; nor rewarded us according to our iniquities. Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy, Na mamaly antsika araka ny helotsika. Tsy manao amintsika, araka ny fahotantsika, ary tsy mamaly antsika, araka ny helotsika. il ne nous traite pas selon nos fautes, ne nous rend pas selon nos offenses.
Sal 103:11 For as the heaven is high above the earth, so great is his mercy toward them that fear him. Fa tahaka ny hahavon' ny lanitra ambonin' ny tany no haben' ny famindram-pony amin' izay matahotra Azy. Fa tahaka ny hahavon' ny lanitra ambonin' ny tany, no haben' ny hatsaram-pony amin' izay matahotra azy. Comme est la hauteur des cieux sur la terre, puissant est son amour pour qui le craint;
Sal 103:12 As far as the east is from the west, so far hath he removed our transgressions from us. Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin' ny andrefana no halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika. Tahaka ny halaviran' ny atsinanana amin' ny andrefana, no halaviran' ny anesorany amintsika ny hadisoantsika. comme est loin l' orient de l' occident, il éloigne de nous nos péchés.
Sal 103:13 Like as a father pitieth his children, so the Lord pitieth them that fear him. Tahaka ny fiantràn' ny ray ny zanany no fiantran' i Jehovah izay matahotra Azy; Sahala amin' ny fangoraky ny ray ny zanany, no fangorak' Iaveh an' izay matahotra azy. Comme est la tendresse d' un père pour ses fils, tendre est Yahvé pour qui le craint;
Sal 103:14 For he knoweth our frame; he remembereth that we are dust. Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. Satria fantany izay iforonantsika, tsaroany fa vovoka ihany isika. il sait de quoi nous sommes pétris, il se souvient que poussière nous sommes.
Sal 103:15 As for man, his days are as grass: as a flower of the field, so he flourisheth. Tahaka ny ahitra ny andron' ny zanak' olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, Ny olombelona! Tahaka ny ahitra ny androny, tahaka ny voninkazo any an-tsaha ny famoniny, L' homme! ses jours sont comme l' herbe, comme la fleur des champs il fleurit;
Sal 103:16 For the wind passeth over it, and it is gone; and the place thereof shall know it no more. Satria tsofin' ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. ka vao tsofin' ny rivotra izy dia tsy eo intsony, ary ny toerana nisy azy, tsy mahalala azy intsony. sur lui, qu' un souffle passe, il n' est plus, jamais plus ne le connaîtra sa place.
Sal 103:17 But the mercy of the Lord is from everlasting to everlasting upon them that fear him, and his righteousness unto children' s children; Fa ny famindram-pon' i Jehovah dia hatramin' ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin' izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin' ny taranaka. Fa maharitra mandrakizay kosa ny hatsaram-pon' ny Tompo ho an' izay matahotra azy, sy ny fahamarinany amin' ny taranaky ny zanak' izy ireo, Mais l' amour de Yahvé pour qui le craint est de toujours à toujours, et sa justice pour les fils de leurs fils,
Sal 103:18 To such as keep his covenant, and to those that remember his commandments to do them. Dia amin' izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny. dia amin' izay mitandrina ny fanekeny, sady mahatsiaro ny didiny mba hitandremany azy. pour ceux qui gardent son alliance, qui se souviennent d' accomplir ses volontés.
Sal 103:19 The Lord hath prepared his throne in the heavens; and his kingdom ruleth over all. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra; Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao. Nampiorina ny seza fiandrianany any an-danitra Iaveh, ary mihatra amin' ny zavatra rehetra ny fanjakany. Yahvé a fixé son trône dans les cieux, par-dessus tout sa royauté domine.
Sal 103:20 Bless the Lord, ye his angels, that excel in strength, that do his commandments, hearkening unto the voice of his word. Misaora an' i Jehovah, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon' ny teniny. Misaora an' ny Tompo hianareo anjeliny, izay mahefa sy mahery sy mankato ny didiny, amin' ny fanekena ny feon' ny teniny. Bénissez Yahvé, tous ses anges, héros puissants, qui accomplissez sa parole, attentifs au son de sa parole.
Sal 103:21 Bless ye the Lord, all ye his hosts; ye ministers of his, that do his pleasure. Misaora an' i Jehovah, ny miaramilany rehetra, Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony. Misaora an' ny Tompo hianareo rehetra tafiny, izay mpanompony sy manatanteraka ny sitrapony! Bénissez Yahvé, toutes ses armées, serviteurs, ouvriers de son désir.
Sal 103:22 Bless the Lord, all his works in all places of his dominion: bless the Lord, O my soul. Misaora an' i Jehovah, ny asany rehetra eran' ny fanjakany; Misaora an' i Jehovah, ry fanahiko. Misaora an' ny Tompo hianareo asany rehetra, amin' ny fitoerana rehetra fanjakany. Misaora an' ny Tompo, ry fanahiko. Bénissez, Yahvé, toutes ses oeuvres en tous lieux de son domaine. Bénis Yahvé, mon âme.

<-
->