<-
->

Sal 145:1 I will extol thee, my God, O king; and I will bless thy name for ever and ever. Fideran' i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. Hira fiderana. Nataon' i Davida. ALEPH Sitrako ny mankalaza anao, ry Andriamanitro, Mpanjaka ô, sy ny misaotra ny anaranao mandrakizay doria. Louange. De David. Je t' exalte, ô Roi mon Dieu, je bénis ton nom toujours et à jamais;
Sal 145:2 Every day will I bless thee; and I will praise thy name for ever and ever. Hankalaza Anao isan' andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. BETH Sitrako ny misaotra anao isan' andro, sy ny mankalaza ny anaranao mandrakizay doria! je veux te bénir chaque jour, je louerai ton nom toujours et à jamais;
Sal 145:3 Great is the Lord, and greatly to be praised; and his greatness is unsearchable. Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . GHIMEL Lehibe Iaveh ka mendrika ny fiderana rehetra, ary tsy takatry ny saina ny fahalehibeazany! grand est Yahvé et louable hautement, à sa grandeur point de mesure.
Sal 145:4 One generation shall praise thy works to another, and shall declare thy mighty acts. Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin' izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. DALETH Ny taona rehetra samy hilaza amin' izay mandimby azy ny fiderana ny asanao; hitory ny fahagagana nataonao ny olona. Un âge à l' autre vantera tes oeuvres, fera connaître tes prouesses.
Sal 145:5 I will speak of the glorious honour of thy majesty, and of thy wondrous works. Ny lazan' ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. HE Hihira ny famirapiratan' ny fiandriananao be voninahitra aho, sy ny asanao mahagaga. Splendeur de gloire, ton renom! Je me répète le récit de tes merveilles.
Sal 145:6 And men shall speak of the might of thy terrible acts: and I will declare thy greatness. Ny herin' ny asanao mahatahotra no hotenenin' ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. VAV Horesahin' ny olona ny herinao mahatahotra; ary hotantaraiko ny fahalehibeazanao. On dira ta puissance de terreurs, et moi je raconterai ta grandeur;
Sal 145:7 They shall abundantly utter the memory of thy great goodness, and shall sing of thy righteousness. Hanonona ny fahatsiarovana ny haben' ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao. ZAIN Hambaran' ny olona ny fahatsiarovana ny hatsaram-ponao lehibe indrindra, ary hankalazaina ny fahamarinanao. on fera mémoire de ton immense bonté, on acclamera ta justice.
Sal 145:8 The Lord is gracious, and full of compassion; slow to anger, and of great mercy. Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy. HETH Mamindra fo sy miantra Iaveh, ary mahari-po sy feno hatsaram-po. Yahvé est tendresse et pitié, lent à la colère et plein d' amour;
Sal 145:9 The Lord is good to all: and his tender mercies are over all his works. Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin' ny asany rehetra. TETH Tsara fo amin' ny olona rehetra Iaveh, ary mihatra amin' ny zava-boahariny rehetra ny famindram-pony. il est bon, Yahvé, envers tous, et ses tendresses pour toutes ses oeuvres.
Sal 145:10 All thy works shall praise thee, O Lord; and thy saints shall bless thee. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masina misaotra Anao. YOD Midera anao avokoa ny asanao rehetra, ry Iaveh, ary misaotra anao ny mpino anao. Que toutes tes oeuvres te rendent grâce, Yahvé, que tes amis te bénissent;
Sal 145:11 They shall speak of the glory of thy kingdom, and talk of thy power; Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao, KAPH Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy, ary mitory ny fahefanao; qu' ils disent la gloire de ton règne, qu' ils parlent de ta prouesse,
Sal 145:12 To make known to the sons of men his mighty acts, and the glorious majesty of his kingdom. Mba hampahafantarina ny zanak' olombelona ny herinao Sy ny haben' ny voninahitry ny fanjakanao. LAMED mba hampahalalany ny zanaky ny olona ny asany mahagaga, sy ny famirapiratry ny fanjakany be voninahitra. pour faire savoir aux fils d' Adam tes prouesses, la splendeur de gloire de ton règne!
Sal 145:13 Thy kingdom is an everlasting kingdom, and thy dominion endureth throughout all generations. Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin' ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao. MEM Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, ary maharitra amin' ny taona rehetra ny fanapahanao. Ton règne, un règne pour tous les siècles, ton empire, pour les âges des âges! Yahvé est vérité en toutes ses paroles, amour en toutes ses oeuvres;
Sal 145:14 The Lord upholdeth all that fall, and raiseth up all those that be bowed down. Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika. SAMECH Manohana an' izay rehetra lavo Iaveh, ary mampitraka an' izay rehetra mitanondrika. Yahvé retient tous ceux qui tombent, redresse tous ceux qui sont courbés.
Sal 145:15 The eyes of all wait upon thee; and thou givest them their meat in due season. Ny mason' izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin' ny fotoany. AIN Mitodika miandry anao ny mason' ny zavatra rehetra, ary omenao izay haniny amin' ny fotoany izy. Tous ont les yeux sur toi, ils espèrent; tu leur donnes la nourriture en son temps;
Sal 145:16 Thou openest thine hand, and satisfiest the desire of every living thing. Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. PHE Sokafanao ny tànanao, dia vokisanao soa avy aminao ny miaina rehetra. toi, tu ouvres la main et rassasies tout vivant à plaisir.
Sal 145:17 The Lord is righteous in all his ways, and holy in all his works. Marina Jehovah amin' ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin' ny asany rehetra. TSADE Marina amin' ny làlany rehetra Iaveh, ary mamindra fo amin' ny asany rehetra. Yahvé est justice en toutes ses voies, amour en toutes ses oeuvres;
Sal 145:18 The Lord is nigh unto all them that call upon him, to all that call upon him in truth. Jehovah dia eo akaikin' izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. KOPH Eo akaikin' izay rehetra miantso azy Iaveh, dia izay rehetra miantso azy amin' ny fony tokoa. proche est Yahvé de ceux qui l' invoquent, de tous ceux qui l' invoquent en vérité.
Sal 145:19 He will fulfil the desire of them that fear him: he also will hear their cry, and will save them. Hanefa ny irin' izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. RESCH Manatanteraka ny fanirian' izay matahotra azy izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy. Le désir de ceux qui le craignent, il le fait, il entend leur cri et les sauve;
Sal 145:20 The Lord preserveth all them that love him: but all the wicked will he destroy. Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. SCHIN Miambina izay rehetra tia azy Iaveh, ary mandringana ny ratsy fanahy rehetra. Yahvé garde tous ceux qui l' aiment, tous les impies, il les détruira.
Sal 145:21 My mouth shall speak the praise of the Lord: and let all flesh bless his holy name for ever and ever. Ny fiderana an' i Jehovah no hotenenin' ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria. THAV Aoka ny vavako hitory fiderana an' ny Tompo, ary ny nofo rehetra hisaotra ny anarany masina mandrakizay doria! Que ma bouche dise la louange de Yahvé, que toute chair bénisse son saint nom, toujours et à jamais!

<-
->