<-
->

Sal 47:1 O clap your hands, all ye people; shout unto God with the voice of triumph. Ho an' ny mpiventy hira. Nataon' ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an' Andriamanitra. Ho an' ny mpampianatra hira. Nataon' ny taranak' i Kore. Salamo. Du maître de chant. Des fils de Coré. Psaume.
Sal 47:2 For the Lord most high is terrible; he is a great King over all the earth. Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin' ny tany rehetra Izy. Mitehafa tanana hianareo rehetra, ry vahoaka isany, miderà an' Andriamanitra amin' ny hobim-pifaliana! Tous les peuples, battez des mains, acclamez Dieu en éclats de joie!
Sal 47:3 He shall subdue the people under us, and the nations under our feet. Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin' ny tongotsika. Fa avo indrindra Iaveh sy tokony hatahorana, mpanjaka lehibe amin' ny tany rehetra. C' est Yahvé, le Très-Haut, le redoutable, le grand Roi sur toute la terre.
Sal 47:4 He shall choose our inheritance for us, the excellency of Jacob whom he loved. Selah. Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr' i Jakoba izay tiany. Vahoaka no ampanekeny antsika; firenena no ataony ambanin' ny tongotsika. Il tient des peuples sous notre joug et des nations sous nos pieds.
Sal 47:5 God is gone up with a shout, the Lord with the sound of a trumpet. Efa niakatra tamin' ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin' ny fitsofana ny anjomara. Nifidy ny lova ho antsika izy, ny voninahitr' i Jakoba olo-malalany. - Selà. Il a choisi pour nous notre héritage, l' orgueil de Jacob, qu' il aime.
Sal 47:6 Sing praises to God, sing praises: sing praises unto our King, sing praises. Mankalazà an' Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. Miakatra ho any amin' ny fitoerana masina ombam-pihobiana Andriamanitra. Miakatra Tompo omban' ny feon-trompetra. Dieu monte parmi l' acclamation, Yahvé, aux éclats du cor.
Sal 47:7 For God is the King of all the earth: sing ye praises with understanding. Fa Mpanjaka amin' ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. Mihirà ho an' Andriamanitra, mihirà! Mihirà ho an' ny mpanjakantsika, mihirà! Sonnez pour notre Dieu, sonnez, sonnez pour notre Roi, sonnez!
Sal 47:8 God reigneth over the heathen: God sitteth upon the throne of his holiness. Andriamanitra manjaka amin' ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin' ny seza fiandrianany masina. Fa mpanjakan' ny tany rehetra Andriamanitra; ka mihirà hira fiderana. C' est le roi de toute la terre sonnez pour Dieu, qu' on l' apprenne!
Sal 47:9 The princes of the people are gathered together, even the people of the God of Abraham: for the shields of the earth belong unto God: he is greatly exalted. Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon' Andriamanitr' i Abrahama; fa an' Andriamanitra ny ampingan' ny tany; Avo indrindra Izy. Manjaka amin' ny firenena Andriamanitra, mipetraka eo amin' ny seza fiandrianany masina izy. Dieu, il règne sur les païens, Dieu siège sur son trône de sainteté.
Sal 47:10 Ireo mpanapaka ny firenena mivory, mba ho tonga vahoakan' Andriamanitr' i Abrahama koa izy ireo; fa an' Andriamanitra ny ampingan' ny tany, voasandratra ambony indrindra izy. Les princes des peuples s' unissent c' est le peuple du Dieu d' Abraham. A Dieu sont les pavois de la terre, au plus haut il est monté.

<-
->