<-
->

Sal 122:1 I was glad when they said unto me, Let us go into the house of the Lord. Fihirana fiakarana. Nataon' i Davida. Faly aho, raha hoy izy ireo tamiko: Andeha isika ho any an-tranon' i Jehovah. Fihirana fiakarana. Nataon' i Davida. Nahazo hafaliana aho raha nilazana hoe: Andeha isika ho any an-tranon' ny Tompo! Cantique des montées. De David. J'étais joyeux que l' on me dise Allons à la maison de Yahvé!
Sal 122:2 Our feet shall stand within thy gates, O Jerusalem. Ny tongotray efa mijoro Eo anatin' ny vavahadinao, ry Jerosalema ô, indro fa tapitra ny dianay eto am-bavahadinao, ry Jerosalema. Enfin nos pieds s' arrêtent dans tes portes, Jérusalem!
Sal 122:3 Jerusalem is builded as a city that is compact together: Dia ianao ry Jerosalema, izay efa vita Tahaka ny tanàna efa voalamina tsara; Ry Jerosalema, hianao voaorina toy ny tanàna, izay iraisan' ny zavatra rehetra. Jérusalem, bâtie comme une ville où tout ensemble fait corps,
Sal 122:4 Whither the tribes go up, the tribes of the Lord, unto the testimony of Israel, to give thanks unto the name of the Lord. Any no iakaran' ny firenena,Dia ireo firenen' i Jehovah (Lalàna amin' ny Isiraely izany). Mba hisaotra ny anaran' i Jehovah. Ao no iakaran' ny foko, dia ny fokon' ny Tompo, araka ny lalàn' Israely, mba hidera ny anaran' ny Tompo. Là où montent les tribus, les tribus de Yahvé, est pour Israël une raison de rendre grâce au nom de Yahvé.
Sal 122:5 For there are set thrones of judgment, the thrones of the house of David. Fa any no misy seza fitsarana mipetraka, Dia ny seza fiandrianan' ny mpianakavin' i Davida. Voapetraka ao ny seza fitsarana, dia ny sezan' ny fianakavian' i Davida. Car ils sont là, les sièges du jugement, les sièges de la maison de David.
Sal 122:6 Pray for the peace of Jerusalem: they shall prosper that love thee. Mangataha fiadanana ho an' i Jerosalema; Hambinina anie izay tia anao; Manaova fanirian-tsoa ho an' i Jerosalema: ho sambatra anie ilay tia anao! Appelez la paix sur Jérusalem que reposent tes tentes!
Sal 122:7 Peace be within thy walls, and prosperity within thy palaces. Fiadanana anie ho ao anatin' ny mandanao; Fanambinana anie ho ao an-dapanao Hanjaka ao anatin' ny mandanao anie ny fiadanana, ary ao an-dapanao ny fanambinana. Advienne la paix dans tes murs repos en tes palais!
Sal 122:8 For my brethren and companions' sakes, I will now say, Peace be within thee. Noho ny rahalahiko sy ny namako no hanaovako hoe Fiadanana anie ho ao anatinao. Noho ireo rahalahiko aman-tsakaizako, dia mangataka fiadanana ho anao aho. Pour l' amour de mes frères, de mes amis, laisse-moi dire : paix sur toi!
Sal 122:9 Because of the house of the Lord our God I will seek thy good. Noho ny tranon' i Jehovah Andriamanitsika Dia hitady izay hahatsara anao aho. Noho ny tranon' Andriamanitsika, dia maniry fahasambarana ho anao aho. Pour l' amour de la maison de Yahvé notre Dieu, je prie pour ton bonheur!

<-
->